1And Man knew Eve his wife; and she conceived, and bore Cain, and said, I have acquired a man with Jehovah.
1[Ny amin'i Kaina sy Abela] Ary Adama nahalala an'i Eva vadiny; dia nanan'anaka Eva ka niteraka an'i Kaina, ary hoy izy: Efa nahazo zazalahy tamin'i Jehovah aho.
2And she further bore his brother Abel. And Abel was a shepherd, but Cain was a husbandman.
2Ary niteraka an'i Abela rahalahiny koa izy. Ary Abela dia mpiandry ondry, fa Kaina kosa mpiasa tany.
3And in process of time it came to pass that Cain brought of the fruit of the ground an offering to Jehovah.
3Ary rehefa afaka elaela, dia nitondran'i Kaina ny vokatry ny tany ho fanatitra ho an'i Jehovah;
4And Abel, he also brought of the firstlings of his flock, and of their fat. And Jehovah looked upon Abel, and on his offering;
4fa nitondran'i Abela kosa ny voalohan-terak'ondriny, dia izay matavy. Ary Jehovah nankasitraka an'i Abela mbamin'ny fanatiny;
5and upon Cain, and on his offering, he did not look. And Cain was very angry, and his countenance fell.
5fa Kaina mbamin'ny fanatiny kosa tsy mba nankasitrahany. Dia tezitra indrindra Kaina, sady nanjombona ny tarehiny.
6And Jehovah said to Cain, Why art thou angry, and why is thy countenance fallen?
6Ary hoy Jehovah tamin'i Kaina: Nahoana no tezitra ianao? Ary nahoana no manjombona ny tarehinao?
7If thou doest well, will not [thy countenance] look up [with confidence]? and if thou doest not well, sin lieth at the door; and unto thee [shall be] his desire, and thou shalt rule over him.
7Raha tsara toetra ianao, moa tsy ho miramirana va? Fa raha tsy tsara toetra kosa ianao, dia mamitsaka eo am-baravarana ny ota; ary ianao no kendren'ny faniriany, kanefa ianao no tokony hanapaka azy.
8And Cain spoke to Abel his brother, and it came to pass when they were in the field, that Cain rose up against Abel his brother, and slew him.
8Ary Kaina niteny tamin'i Abela rahalahiny; ary nony tany an-tsaha izy mirahalahy, dia nitsangana Kaina nanatona an'i Abela rahalahiny, ka namono azy.
9And Jehovah said to Cain, Where is Abel thy brother? And he said, I know not: am I my brother's keeper?
9Ary hoy Jehovah tamin'i Kaina: Aiza Abela rahalahinao? Fa hoy izy: Asa; moa mpitandrina ny rahalahiko va aho?
10And he said, What hast thou done? the voice of thy brother's blood is crying to me from the ground.
10Ary hoy Izy: Inona no nataonao? Ny feon'ny ran'ny rahalahinao mitaraina amiko avy amin'ny tany.
11And now be thou cursed from the ground, which hath opened its mouth to receive thy brother's blood from thy hand.
11Ary ankehitriny dia voaozona ianao hiala amin'ny tany onenana, izay nivava hitelina ny ran'ny rahalahinao nalatsaky ny tananao.
12When thou tillest the ground, it shall not henceforth yield thee its strength; a wanderer and fugitive shalt thou be on the earth.
12Raha miasa ny tany ianao, tsy mba hahavokatra ho anao intsony izy; ho mpanjenjena sy mpirenireny eny ambonin'ny tany ianao.
13And Cain said to Jehovah, My punishment is too great to be borne.
13Dia hoy Kaina tamin'i Jehovah: Lehibe ny valin'ny heloko mihoatra noho izay zakako.
14Behold, thou hast driven me this day from the face of the ground, and from thy face shall I be hid; and I shall be a wanderer and fugitive on the earth; and it will come to pass, [that] every one who finds me will slay me.
14Indro, efa noroahinao hiala amin'ny tany onenana aho androany; dia hiery ny tavanao aho ary ho mpanjenjena sy mpirenireny eny ambonin'ny tany; koa na iza na iza hahita ahy dia hamono ahy.
15And Jehovah said to him, Therefore, whoever slayeth Cain, it shall be revenged sevenfold. And Jehovah set a mark on Cain, lest any finding him should smite him.
15Ary hoy Jehovah taminy: Noho izany na iza na iza hamono an'i Kaina, dia hovaliana fito eny izy. Ary Jehovah nanao famantarana ho an'i Kaina; mba tsy hisy hamono azy izay rehetra hahita azy.
16And Cain went out from the presence of Jehovah, and dwelt in the land of Nod, toward the east of Eden.
16Ary Kaina dia niala teo anatrehan'i Jehovah ka nonina tao amin'ny tany Noda tandrifin'i Edena.
17And Cain knew his wife, and she conceived and bore Enoch. And he built a city; and he called the name of the city after the name of his son Enoch.
17[Ny taranak'i Kaina, sy ny nahaterahan'i Seta] Ary Kaina nahalala ny vadiny, dia nanan'anaka ravehivavy ka niteraka an'i Enoka; ary nanorina vohitra Kaina, ka ny anaran'ny vohitra dia nataony hoe Enoka, araka ny anaran'ny zananilahy.
18And to Enoch was born Irad; and Irad begot Mehujael; and Mehujael begot Methushael; and Methushael begot Lemech.
18Ary Enoka niteraka an'Irada; ary Irada niteraka an'i Mehojaela; ary Mehojaela niteraka an'i Metosaela; ary Metosaela niteraka an'i Lameka.
19And Lemech took two wives: the name of the one was Adah, and the name of the second, Zillah.
19Ary Lameka nampirafy roa: ny anaran'ny anankiray Ada, ary ny anaran'ny anankiray Zila.
20And Adah bore Jabal: he was the father of those who dwell in tents, and [breed] cattle.
20Ary Ada niteraka an'i Jabala; izy no rain'ny mpitoetra an-day, mpiandry omby aman'ondry.
21And his brother's name was Jubal: he was the father of those who handle the harp and pipe.
21Ary ny anaran'ny rahalahiny dia Jobala; izy no rain'ny mpitendry lokanga sy mpitsoka sodina rehetra.
22And Zillah, she also bore Tubal-Cain, the forger of every kind of tool of brass and iron. And the sister of Tubal-Cain was Naamah.
22Ary Zila kosa niteraka an'i Tobala-kaina, mpanefy fiasana maranitra, na varahina na vy; ary ny anabavin'i Tobala-kaina dia Nama.
23And Lemech said to his wives: Adah and Zillah, hear my voice, Ye wives of Lemech, listen to my speech. For I have slain a man for my wound, and a youth for my bruise.
23Ary hoy Lameka tamin'ny vadiny: Ry Ada sy Zila ô, mihainoa ny feoko; Ry vadin'i Lameka, mitandrema ny teniko: Efa namono lehilahy aho noho ny feriko, Ary tovolahy noho ny faharatrako.
24If Cain shall be avenged seven-fold; Lemech seventy and seven fold.
24Raha valiana fito heny izay mamono an'i Kaina, Dia fito amby fito-polo heny kosa izay mamono an'i Lameka.
25And Adam knew his wife again, and she bore a son, and called his name Seth: ... For God has appointed me another seed instead of Abel, because Cain has slain him.
25Ary Adama nahalala ny vadiny indray, ka dia niteraka zazalahy ravehivavy; ary ny anarany nataony hoe Seta; fa Andriamanitra, hoy izy, efa nanome ahy zanaka anankiray koa ho solon'i Abela, satria novonoin'i Kaina izy.Ary Seta koa niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Enosy.
26And to Seth, to him also was born a son; and he called his name Enosh. Then people began to call on the name of Jehovah.
26Ary Seta koa niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Enosy.