1And it came to pass when mankind began to multiply on the earth, and daughters were born to them,
1[Noa sy ny Safo-drano] Ary raha vao nihamaro ny olona tambonin'ny tany ka teraka zazavavy maro,
2that the sons of God saw the daughters of men that they were fair, and took themselves wives of all that they chose.
2dia hitan'ny zanak'Andriamanitra fa tsara tarehy ny zanakavavin'ny olona; ka dia nifidy vady ho azy tamin'izy rehetra araka izay tiany izy.
3And Jehovah said, My Spirit shall not always plead with Man; for he indeed is flesh; but his days shall be a hundred and twenty years.
3Ary hoy Jehovah: Tsy mba hanapaka mandrakariva ao amin'ny olona ny Fanahiko, fa amin'ny faniavany dia nofo izy; nefa ho roa-polo amby zato taona ny androny.
4In those days were the giants on the earth, and also afterwards, when the sons of God had come in to the daughters of men, and they had borne [children] to them; these were the heroes, who of old were men of renown.
4Ny Nefilima nitoetra tambonin'ny tany tamin'izany andro izany, sy taorian'izany koa, raha nivady tamin'ny zanakavavin'ny olona ny zanak'Andriamanitra, ka niterahany; ireo no ilay olo-mahery hatrizay ela izay, dia ny lehilahy nanan-daza.
5And Jehovah saw that the wickedness of Man was great on the earth, and every imagination of the thoughts of his heart only evil continually.
5Ary hitan'i Jehovah fa be ny faharatsian'ny olona tambonin'ny tany, ka izay fisainana rehetra avy amin'ny fony dia ratsy ihany mandritra ny andro.
6And Jehovah repented that he had made Man on the earth, and it grieved him in his heart.
6Ary Jehovah nanenina noho ny nanaovany ny olona tambonin'ny tany, ka nalahelo ny fony.
7And Jehovah said, I will destroy Man, whom I have created, from the earth -- from man to cattle, to creeping things, and to fowl of the heavens; for I repent that I have made them.
7Dia hoy Jehovah: Haringako tsy hisy ambonin'ny tany ny olona izay noforoniko, hatramin'ny olona ka hatramin'ny biby fiompy sy ny biby mandady na mikisaka mbamin'ny voro-manidina; fa manenina Aho noho ny nanaovako azy.
8But Noah found favour in the eyes of Jehovah.
8Fa Noa kosa nahita fitia teo imason'i Jehovah.
9This is the history of Noah. Noah was a just man, perfect amongst his generations: Noah walked with God.
9Ary izao no tantaran'i Noa: Noa dia lehilahy marina sady tsy nisy tsiny teo amin'ny olona niara-belona taminy; eny, niara-nandeha tamin'Andriamanitra Noa.
10And Noah begot three sons, Shem, Ham, and Japheth.
10Ary Noa niteraka zanaka telo mirahalahy , dia Sema sy Hama ary Jafeta.
11And the earth was corrupt before God, and the earth was full of violence.
11Ary simba ny tany teo anatrehan'Andriamanitra sady heni-doza;
12And God looked upon the earth, and behold, it was corrupt; for all flesh had corrupted its way on the earth.
12dia hitan'Andriamanitra ny tany, ka, indro, efa simba izy; fa ny nofo rehetra samy efa nanimba ny lalany avy tambonin'ny tany.
13And God said to Noah, The end of all flesh is come before me, for the earth is full of violence through them; and behold, I will destroy them with the earth.
13Dia hoy Andriamanitra tamin'i Noa: Ny faran'ny nofo rehetra efa mby eto anatrehako, satria efa heni-doza ny tany noho ny amin'olona, ka, indro, efa handringana azy mbamin'ny tany Aho.
14Make thyself an ark of gopher wood: [with] cells shalt thou make the ark; and pitch it inside and outside with pitch.
14Koa manaova sambo-fiara ho anao amin'ny hazo gofera; ary hasianao efitrefitra ny sambo-fiara, ka hopetahanao dity ao anatiny sy eo ivelany izy.
15And thus shalt thou make it: let the length of the ark be three hundred cubits, the breadth of it fifty cubits, and the height of it thirty cubits.
15Ary toy izao no hanaovanao azy: hakiho telon-jato ny lavan'ny sambo-fiara, hakiho dimam-polo ny sakany, ary hakiho telo-polo ny hahavony.
16A light shalt thou make to the ark; and to a cubit high shalt thou finish it above. And the door of the ark shalt thou set in its side: [with] a lower, second, and third [story] shalt thou make it.
16Ary hasianao fidiran'ny mazava ny sambo-fiara, ary amin'ny hakiho iray no hahavitanao azy hatreo ambony; ary hasianao varavarana ny rindrin'ny sambo-fiara ; hataonao efitra telo mifanongoa izy.
17For I, behold, I bring a flood of waters on the earth, to destroy all flesh under the heavens in which is the breath of life: everything that is on the earth shall expire.
17Ary, indro, Izaho efa hahatonga ny safo-drano ambonin'ny tany handringana ny nofo rehetra izay manam-nofonaina ambanin'ny lanitra; dia ho faty izay rehetra eo amin'ny tany.
18But with thee will I establish my covenant; and thou shalt go into the ark, thou, and thy sons, and thy wife, and thy sons' wives with thee.
18Nefa kosa haoriko ny fanekeko aminao; ary hiditra ao anatin'ny sambo-fiara ianao sy ny vadinao aman-janakao mbamin'ny vinantonao vavy miaraka aminao.
19And of every living thing of all flesh, two of every [sort] shalt thou bring into the ark, to keep [them] alive with thee: they shall be male and female.
19Ary ny zava-manan'aina rehetra, dia ny nofo rehetra, hitondranao roa avy isan-karazany ho ao anatin'ny sambo-fiara, hovelomina miaraka aminao; ho lahy sy vavy avy ireo.
20Of fowl after their kind, and of the cattle after their kind, of every creeping thing of the ground after its kind, two of each shall go in to thee, to keep [them] alive.
20Ny vorona, samy araka ny karazany avy; ary ny biby, samy araka ny karazany avy, ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany, samy araka ny karazany avy, dia, roa avy samy araka ny karazany avy, dia roa avy isan-karazany no hankeo aminao hovelomina.
21And take thou of all food that is eaten, and gather [it] to thee, that it may be for food for thee and for them.
21Ary analao ho anao ny zavatra rehetra izay mety ho fihinana, ka angòny ho eo aminao; dia ho fihinana ho anao sy ho an'ireo koa izany.Dia nataon'i Noa izany; araka izay rehetra nandidian'Andriamanitra azy no nataony.
22And Noah did it; according to all that God had commanded him, so did he.
22Dia nataon'i Noa izany; araka izay rehetra nandidian'Andriamanitra azy no nataony.