1In the second year of Darius the king, in the sixth month, on the first day of the month, came the word of Jehovah by the prophet Haggai unto Zerubbabel the son of Shealtiel, governor of Judah, and to Joshua the son of Jehozadak, the high priest, saying,
1[Famporisihana ny olona hanao ny tempoly] Tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana fahenina tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosa mpanjaka no nahatongavan'ny tenin'i Jehovah nentin'i Hagay mpaminany tamin'i Zerobabela, zanak'i Sealtiela, governora tany Joda, sy tamin'i Josoa, zanak'i Jozadaka, mpisoronabe, nanao hoe:
2Thus speaketh Jehovah of hosts, saying, This people say, The time is not come, the time that Jehovah's house should be built.
2Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Ity firenena ity nanao hoe: Tsy mbola tonga ny andro tokony hihaviana hanaovana ny tranon'i Jehovah.
3And the word of Jehovah came by Haggai the prophet, saying,
3Dia tonga ny tenin'i Jehovah nentin'i Hagay mpaminany nanao hoe:
4Is it time for you that ye should dwell in your wainscoted houses, while this house lieth waste?
4Moa andro tokony hitoeran'ny tenanareo ao amin'ny tranonareo misy valin-drihana va izao, kanefa rava ity trano ity?
5And now thus saith Jehovah of hosts: Consider your ways.
5Koa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Hevero ny lalanareo.
6Ye have sown much, and bring in little; ye eat, but are not satisfied; ye drink, but are not filled with drink; ye clothe yourselves, but there is none warm; and he that earneth wages earneth wages for a bag with holes.
6Efa namafy be ianareo, nefa kely no taomina: mihinana ianareo, nefa tsy voky; misotro ianareo, nefa tsy afa-po; mitafy ianareo, nefa tsy misy mafana; ary izay mahazo karama dia mahazo karama hatao an-kitapo loaka.
7Thus saith Jehovah of hosts: Consider your ways.
7Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Hevero ny lalanareo.
8Go up to the mountain and bring wood, and build the house, and I will take pleasure in it, and I will be glorified, saith Jehovah.
8Miakara any an-tendrombohitra, ka makà hazo, ary ataovy ny trano, dia hankasitrahako izany, sady hankalazaina Aho, hoy Jehovah.[Na: amin'ny tany havoana]
9Ye looked for much, and behold it was little; and when ye brought it home, I blew upon it. Wherefore? saith Jehovah of hosts. Because of my house that lieth waste, whilst ye run every man to his own house.
9Nanampo be ianareo, kanjo indro, kely monja; ary nony notaominareo, dia notsofiko. Nahoana? hoy Jehovah, Tompon'ny maro. Satria efa rava ny tranoko, nefa ianareo samy mihazakazaka hanao ny tranonareo avy.
10Therefore over you the heavens withhold their dew, and the earth withholdeth its fruit.
10Ary noho izany dia ny aminareo no nitsaharan'ny lanitra tsy hampilatsaka ando sy nitsaharan'ny tany tsy hahavokatra.
11And I called for a drought upon the land, and upon the mountains, and upon the corn, and upon the new wine, and upon the oil, and upon that which the ground bringeth forth, and upon man, and upon cattle, and upon all the labour of the hands.
11Ary niantso ny fahamainana Aho hamely ny tany sy ny tendrombohitra sy ny vary sy ny ranom-boaloboka sy ny diloilo sy izay vokatry ny tany ary ny olona sy ny biby fiompy mbamin'izay rehetra efa nisasaran'ny tanana.
12And Zerubbabel the son of Shealtiel, and Joshua the son of Jehozadak, the high priest, and all the remnant of the people, hearkened to the voice of Jehovah their God, and the words of Haggai the prophet, according as Jehovah their God had sent him, and the people feared before Jehovah.
12Ary Zerobabela, zanak'i Sealtiela, sy Josoa, zanak'i Jozadaka, mpisoronabe, mbamin'ny sisa rehetra amin'ny vahoaka, dia nihaino ny feon'i Jehovah Andriamaniny sy ny tenin'i Hagay mpaminany, araka ny nanirahan'i Jehovah Andriamaniny azy, ary natahotra teo anatrehan'i Jehovah ny olona.
13Then spoke Haggai, Jehovah's messenger, in Jehovah's message unto the people, saying, I am with you, saith Jehovah.
13Ary nambaran'i Hagay, irak'i Jehovah, ny teny nampitondrain'i Jehovah ho amin'ny olona nanao hoe: Izaho no momba anareo, hoy Jehovah.
14And Jehovah stirred up the spirit of Zerubbabel the son of Shealtiel, governor of Judah, and the spirit of Joshua the son of Jehozadak, the high priest, and the spirit of all the remnant of the people; and they came and worked at the house of Jehovah of hosts, their God,
14Dia notairin'i Jehovah ny fanahin'i Zerobabela, zanak'i Sealtiela, governora any Joda, sy ny fanahin'i Josoa, zanak'i Jozadaka mpisoronabe, sy ny fanahin'ny sisa rehetra amin'ny vahoaka; ary dia avy izy ka nandrafitra ny tranon'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamaniny,tamin'ny andro fahefatra amby roa-polo tamin'ny volana fahenina tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosa.
15in the four and twentieth day of the sixth month, in the second year of Darius the king.
15tamin'ny andro fahefatra amby roa-polo tamin'ny volana fahenina tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosa.