1Now faith is [the] substantiating of things hoped for, [the] conviction of things not seen.
1[Filazan-tantara mampiseho ny herin'ny finoana sy ny valiny] Ary ny finoana no fahatokiana ny amin'ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita.
2For in [the power of] this the elders have obtained testimony.
2Fa izany no nahatsara laza ny ntaolo.
3By faith we apprehend that the worlds were framed by [the] word of God, so that that which is seen should not take its origin from things which appear.
3Finoana no ahafantarantsika fa ny tenin'Andriamanitra no nanaovana izao tontolo izao, ka dia tsy izay zavatra miseho no nanaovana izao zavatra hita izao.
4By faith Abel offered to God a more excellent sacrifice than Cain, by which he obtained testimony of being righteous, God bearing testimony to his gifts, and by it, having died, he yet speaks.
4Finoana no nanateran'i Abela ho an'Andriamanitra fanatitra tsara noho ny an'i Kaina, ka izany no nanambarana azy fa marina, satria Andriamanitra no nanambara ny amin'ny fanatitra nataony: ary amin'izany, na dia maty aza izy, dia mbola miteny ihany.
5By faith Enoch was translated that he should not see death; and was not found, because God had translated him; for before [his] translation he has the testimony that he had pleased God.
5Finoana no namindrana an'i Enoka tsy hiharan'ny fahafatesana; ka dia tsy hita izy, satria nafindran'Andriamanitra; fa talohan'ny namindrana azy dia nambara fa nankasitrahan'Andriamanitra izy.
6But without faith [it is] impossible to please [him]. For he that draws near to God must believe that he is, and [that] he is a rewarder of them who seek him out.
6Fa raha tsy amin'ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy; fa izay manatona an'Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy.
7By faith, Noah, oracularly warned concerning things not yet seen, moved with fear, prepared an ark for the saving of his house; by which he condemned the world, and became heir of the righteousness which [is] according to faith.
7Finoana no nanamboaran'i Noa sambo fiara hamonjena ny ankohonany, fa natahotra izy, rehefa notoroan'Andriamanitra hevitra ny amin'ny zavatra tsy mbola hita; koa izany no nanamelohany izao tontolo izao sy nahatongavany ho mpandova ny fahamarinana araka ny finoana.
8By faith Abraham, being called, obeyed to go out into the place which he was to receive for an inheritance, and went out, not knowing where he was going.
8Finoana no naneken'i Abrahama, rehefa nantsoina, hiainga hankany amin'izay tany ho azony ho lova; ka dia niainga izy, nefa tsy fantany izay halehany.
9By faith he sojourned as a stranger in the land of promise as a foreign country, having dwelt in tents with Isaac and Jacob, the heirs with [him] of the same promise;
9Finoana no nivahiniany tany amin'ny tany nolazain'ny teny fikasana, toy ny any an-tanin'olona, mitoetra an-day, mbamin'isaka sy Jakoba, mpiara-mandova izany teny fikasana izany aminy;
10for he waited for the city which has foundations, of which God is [the] artificer and constructor.
10fa nanantena hahazo ny tanàna misy fanorenana izy, Andriamanitra no Tompo-marika sy Mpanao izany.
11By faith also Sarah herself received strength for [the] conception of seed, and [that] beyond a seasonable age; since she counted him faithful who promised.
11Ary na Saraha aza, dia finoana koa no nandraisany hery hanan'anaka, rehefa nitsaha-jaza izy, satria nataony fa mahatoky Ilay efa nanome ny teny fikasana.
12Wherefore also there have been born of one, and that of one become dead, even as the stars of heaven in multitude, and as the countless sand which [is] by the sea shore.
12Koa dia avy tamin'ny anankiray, izay efa toy ny maty, no nihavian'ny maro toy ny kintana eny amin'ny lanitra sy toy ny fasika eny amoron-dranomasina, izay tsy hita isa.
13All these died in faith, not having received the promises, but having seen them from afar off and embraced [them], and confessed that they were strangers and sojourners on the earth.
13Ireo rehetra ireo dia maty tamin'ny finoana, kanefa tsy mbola nahazo ny teny fikasana; fa nahatazana azy eny lavitra eny izy ka ravoravo niarahaba azy, dia nanaiky fa vahiny sy mpivahiny tetỳ ambonin'ny tany izy.
14For they who say such things shew clearly that they seek [their] country.
14Fa izay milaza izany zavatra izany dia maneho marimarina fa mitady izay ho taniny izy.
15And if they had called to mind that from whence they went out, they had had opportunity to have returned;
15Ary raha tàhiny nahatsiaro ny tany nialany izy, dia ho nahita andro hiverenany.
16but now they seek a better, that is, a heavenly; wherefore God is not ashamed of them, to be called their God; for he has prepared for them a city.
16Fa amin'izany ny tsara lavitra no iriny, dia ny any an-danitra; ary noho izany Andriamanitra dia tsy menatra hatao hoe Andriamaniny, satria efa nanamboatra tanàna ho an'ireo Izy.
17By faith Abraham, [when] tried, offered up Isaac, and he who had received to himself the promises offered up his only begotten [son],
17Finoana no nanateran i Abrahama an'isaka, raha nizahan-toetra izy; eny, ny zananilahy tokana no naterin'ilay efa nandray tsara ny teny fikasana,
18as to whom it had been said, In Isaac shall thy seed be called:
18dia ilay nilazana hoe: "Avy amin'Isaka no hantsoina izay taranaka ho anao" (Gen. 21.12).
19counting that God [was] able to raise [him] even from among [the] dead, whence also he received him in a figure.
19Fa nihevitra izy fa Andriamanitra dia mahay manangana ny maty aza; ary hoatra ny avy tamin'izany no nandraisany azy.
20By faith Isaac blessed Jacob and Esau concerning things to come.
20Finoana no nitsofan'isaka rano an'i Jakoba sy Esao ny amin'ny zavatra ho avy.
21By faith Jacob [when] dying blessed each of the sons of Joseph, and worshipped on the top of his staff.
21Finoana no nitsofan'i Jakoba rano ny zanak'i Josefa roa lahy, rehefa ho faty izy, ka nivavaka izy, niankina tamin'ny lohan'ny tehiny.
22By faith Joseph [when] dying called to mind the going forth of the sons of Israel, and gave commandment concerning his bones.
22Finoana no nilazan'i Josefa ny fialan'ny Zanak'isiraely, rehefa ho faty izy, sy nanafarany ny amin'ny taolany.
23By faith Moses, being born, was hid three months by his parents, because they saw the child beautiful; and they did not fear the injunction of the king.
23Finoana no nanafenan'ny ray aman-drenin'i Mosesy azy telo volana, raha vao teraka izy, satria hitany fa zaza tsara izy, ary tsy natahorany ny didin'ny mpanjaka.
24By faith Moses, when he had become great, refused to be called son of Pharaoh's daughter;
24Finoana no nandavan'i Mosesy tsy hatao hoe zanaky ny zanakavavin'i Farao, rehefa lehibe izy,-
25choosing rather to suffer affliction along with the people of God than to have [the] temporary pleasure of sin;
25nifidy mantsy hiara-mitondra fahoriana amin'ny olon'Andriamanitra toy izay hanana fifaliana vetivety amin'ny fahotana,
26esteeming the reproach of the Christ greater riches than the treasures of Egypt, for he had respect to the recompense.
26nanao ny fanaratsiana an'i Kristy ho harena be lavitra noho ny zava-tsoan'i Egypta, satria nijery ny famalian-tsoa izy.
27By faith he left Egypt, not fearing the wrath of the king; for he persevered, as seeing him who is invisible.
27Finoana no nandaovany an'i Egypta, ka tsy natahorany ny fahatezeran'ny mpanjaka; fa naharitra toy ny mahita Izay tsy hita izy.
28By faith he celebrated the passover and the sprinkling of the blood, that the destroyer of the firstborn might not touch them.
28Finoana no nitandremany ny Paska sy ny famafazana ny rà, fandrao hahatratra ny azy ilay nandringana ny lahimatoa. [ Na: nanendreny]
29By faith they passed through the Red sea as through dry land; of which the Egyptians having made trial were swallowed up.
29Finoana no nitana ny Ranomasina Mena toy ny mandia tany maina, izay mba nandraman'ny Egyptiana, ka dia voatelina izy.
30By faith the walls of Jericho fell, having been encircled for seven days.
30Finoana no nampirodana ny màndan'i Jeriko, rehefa nohodidinina hafitoana.
31By faith Rahab the harlot did not perish along with the unbelieving, having received the spies in peace.
31Finoana no tsy nahafaty an-dRahaba janga niaraka tamin'ny tsy nino, satria nandray ny mpisafo-tany tamin'ny fihavanana izy.
32And what more do I say? For the time would fail me telling of Gideon, and Barak, and Samson, and Jephthah, and David and Samuel, and of the prophets:
32Ary inona koa no holazaiko? Fa ho lany ny andro, raha milaza an'i Gideona sy Baraka sy Samsona ary Jefta aho, Davida koa sy Samoela ary ny mpaminany,
33who by faith overcame kingdoms, wrought righteousness, obtained promises, stopped lions' mouths,
33izay nandresy fanjakana tamin'ny finoana, niasa fahamarinana; nahazo teny fikasana, nanakombona ny vavan'ny liona,
34quenched [the] power of fire, escaped [the] edge of the sword, became strong out of weakness, became mighty in war, made [the] armies of strangers give way.
34namono ny fidedadedan'afo, afaka tamin'ny lelan-tsabatra, raha nalemy dia nampahatanjahina, tonga nahery tamin'ny ady, dia nampandositra ny miaramilan'ny firenena hafa.
35Women received their dead again by resurrection; and others were tortured, not having accepted deliverance, that they might get a better resurrection;
35Ny vehivavy nandray ny azy efa maty, fa natsangana ho velona indray; ary ny sasany nampijalijalina ho faty, nefa tsy mety nanao izay hahafahany, mba hahazoany fitsanganana tsara lavitra;
36and others underwent trial of mockings and scourgings, yea, and of bonds and imprisonment.
36ary ny sasany niaritra fanesoana sy kapoka mafy ary fatorana sy tranomaizina koa;
37They were stoned, were sawn asunder, were tempted, died by the death of the sword; they went about in sheepskins, in goatskins, destitute, afflicted, evil treated,
37notoraham-bato izy, notsofana, nalaim-panahy, novonoina tamin'ny sabatra, dia nirenireny nitafy hoditr'ondry sy hoditr'osy; efa lao, ory, fadiranovana
38(of whom the world was not worthy,) wandering in deserts and mountains, and [in] dens and caverns of the earth.
38(nefa izao tontolo izao tsy miendrika ho nitoerany akory) dia nirenireny tany an-efitra sy tany an'tendrombohitra sy tany an-johy ary tao an-dava-tany izy.
39And these all, having obtained witness through faith, did not receive the promise,
39Ary ireo rehetra ireo, na dia efa nahazo laza tsara noho ny finoana aza, dia tsy mba nandray ny teny fikasana,fa Andriamanitra efa namboatra izay tsara lavitra ho antsika, mba tsy hatao tanteraka ireo raha tsy efa mby eo koa isika.
40God having foreseen some better thing for us, that they should not be made perfect without us.
40fa Andriamanitra efa namboatra izay tsara lavitra ho antsika, mba tsy hatao tanteraka ireo raha tsy efa mby eo koa isika.