Darby's Translation

Malagasy

Hebrews

13

1Let brotherly love abide.
1[Anatra sy fanaovam-beloma] Aoka haharitra ny fitiavana ny rahalahy.
2Be not forgetful of hospitality; for by it some have unawares entertained angels.
2Aza manadino ny fampiantranoam-bahiny; fa tamin'izany dia nampiantrano anjely ny sasany, nefa tsy fantany.
3Remember prisoners, as bound with [them]; those that are evil-treated, as being yourselves also in [the] body.
3Tsarovy izay mifatotra, ho toy ny miara-mifatotra aminy ianareo, ary izay ampahorina, satria mbola eo amin'ny tena koa ianareo.
4[Let] marriage [be held] every way in honour, and the bed [be] undefiled; for fornicators and adulterers will God judge.
4Aoka hanan-kaja amin'ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandriana; fa ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin'olona dia hohelohin'Andriamanitra.
5[Let your] conversation [be] without love of money, satisfied with [your] present circumstances; for *he* has said, I will not leave thee, neither will I forsake thee.
5Aoka tsy ho amin'ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo, fa mianina amin'izay anananareo; fa hoy Izy: "Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory" (Jos. 1.5).
6So that, taking courage, we may say, The Lord [is] my helper, and I will not be afraid: what will man do unto me?
6Ka dia sahy manao hoe isika: "Jehovah no Mpamonjy ahy, ka tsy hatahotra aho; Inona no azon'ny olona atao amiko?" (Sal 118. 6).
7Remember your leaders who have spoken to you the word of God; and considering the issue of their conversation, imitate their faith.
7Tsarovy ny mpitondra anareo, izay efa nitory ny tenin'Andriamanitra taminareo; hevero ny niafaran'ny fiainany, ka araho ny finoany.
8Jesus Christ [is] the same yesterday, and to-day, and to the ages [to come].
8Jesosy Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay.
9Be not carried away with various and strange doctrines; for [it is] good that the heart be confirmed with grace, not meats; those who have walked in which have not been profited by [them].
9Aza mety havilin'izay fampianarana maro hafahafa ianareo. Fa tsara raha ampiorenina amin'ny fahasoavana ny fo, fa tsy amin'ny hanina, izay tsy mahasoa ny mahavatra azy.
10We have an altar of which they have no right to eat who serve the tabernacle;
10Isika manana alitara, izay tsy ananan'ny mpanompo ny tabernakely fahefana hihinanana.
11for of those beasts whose blood is carried [as sacrifices for sin] into the [holy of] holies by the high priest, of these the bodies are burned outside the camp.
11Fa rehefa nentin'ny mpisoronabe niditra ho ao amin'ny fitoerana masina ho fanatitra noho ny ota ny ran'ny biby, dia nodorana teny ivelan'ny toby ny fatiny.
12Wherefore also Jesus, that he might sanctify the people by his own blood, suffered without the gate:
12Ary amin'izany Jesosy koa dia niaritra teny ivelan'ny vavahady mba hahamasina ny olona amin'ny ràny.
13therefore let us go forth to him without the camp, bearing his reproach:
13Koa aoka isika hivoaka hankeo aminy eo ivelan'ny toby, mitondra ny latsa izay nentiny.
14for we have not here an abiding city, but we seek the coming one.
14Fa etỳ isika tsy manana tanàna maharitra, fa mitady ny ho avy.
15By him therefore let us offer [the] sacrifice of praise continually to God, that is, [the] fruit of [the] lips confessing his name.
15Koa aoka isika hanatitra ny fanati-piderana amin'ny alalany ho an'Andriamanitra mandrakariva, dia ny vokatry ny molotra izay manaiky ny anarany.
16But of doing good and communicating [of your substance] be not forgetful, for with such sacrifices God is well pleased.
16Fa aza manadino hanao soa sy hiantra; fa fanatitra toy izany no sitrak'Andriamanitra.
17Obey your leaders, and be submissive; for *they* watch over your souls as those that shall give account; that they may do this with joy, and not groaning, for this [would be] unprofitable for you.
17Manekè ny mpitondra anareo, ka manoava azy; fa izy miambina ny fanahinareo araka izay tokony hataon'ny olona mbola hampamoahina, mba hanaovany izany amin'ny fifaliana, ta tsy amin'ny fisentoana; fa tsy hahasoa anareo izany.
18Pray for us: for we persuade ourselves that we have a good conscience, in all things desirous to walk rightly.
18Mivavaha ho anay; fa matoky izahay fa manana fieritreretana tsara ka te-hitondra tena tsara amin'ny zavatra rehetra.
19But I much more beseech [you] to do this, that I may the more quickly be restored to you.
19Nefa mainka mangataka anareo hanao izany aho, mba hampodina faingampaingana kokoa ho aminareo.
20But the God of peace, who brought again from among [the] dead our Lord Jesus, the great shepherd of the sheep, in [the power of the] blood of [the] eternal covenant,
20Ary Andriamanitry ny fiadanana, Izay nitondra an'i Jesosy Tompontsika, Mpiandry ondry lehibe, hiala amin'ny maty, mitondra ny ran'ny fanekena mandrakizay, [ Na: Mpiandry ondry lehibe amin'ny ran'ny fanekena mandrakizay hiala amin'ny maty]
21perfect you in every good work to the doing of his will, doing in you what is pleasing before him through Jesus Christ; to whom [be] glory for the ages of ages. Amen.
21Izy anie hahatanteraka anareo amin'ny tsara rehetra hanao ny sitrapony ka hiasa ao anatinareo izay ankasitrahana eo imasony amin'ny alalan'i Jesosy Kristy; ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena. [ Na: asa tsara] [Na: (anatintsika)]
22But I beseech you, brethren, bear the word of exhortation, for it is but in few words that I have written to you.
22Ary mangataka aminareo aho, ry rahalahy, zakao ny teny fananarana; fa efa nanoratra epistily fohifohy ihany ho aminareo aho.
23Know that our brother Timotheus is set at liberty; with whom, if he should come soon, I will see you.
23Aoka ho fantatrareo fa efa afaka Timoty rahalahintsika; koa raha tàhiny handeha faingana izy, dia hiaraka aminy hamangy anareo aho.
24Salute all your leaders, and all the saints. They from Italy salute you.
24Manaova veloma amin'izay rehetra mpitondra anareo sy ny olona masina rehetra. Izay an'Italia dia manao veloma anareo.Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavana. Amena.
25Grace [be] with you all. Amen.
25Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavana. Amena.