Darby's Translation

Malagasy

Hosea

12

1Ephraim feedeth on wind, and pursueth after the east wind: all day long he multiplieth lies and desolation; and they make a covenant with Assyria, and oil is carried into Egypt.
1[Fananarana ny Isiraely noho ny helony] Efraima manodidina Ahy amin'ny lainga, ary ny taranak'Isiraely amin'ny fitaka; Ary Joda mbola mikarenjy tsy manatona an'Andriamanitra, dia ny Iray Masina sy Mahatoky.
2Jehovah hath also a controversy with Judah, and he will punish Jacob according to his ways; according to his doings will he recompense him.
2Efraima homan-drivotra sady manenjika ny rivotra avy any atsinanana, mandritra ny andro dia ataony betsaka ny lainga sy ny fandozana; Manao fanekena amin'ny Asyriana izy, ary diloilo no entina ho any Egypta.
3He took his brother by the heel in the womb, and in his strength he wrestled with God.
3Manana ady amin'i Joda koa Jehovah ary tsy maintsy mamaly an'i Jakoba araka ny alehany, ka hatsingeriny aminy ny nataony.
4Yea, he wrestled with the Angel, and prevailed; he wept, and made supplication unto him: he found him in Bethel, and there he spoke with us,
4Fony mbola tany am-bohoka dia nihazona ny ombelahin-tongotry ny rahalahiny izy, ary rehefa lehibe izy, dia nitolona tamin'Andriamanitra;
5-- even Jehovah, the God of hosts, -- Jehovah is his memorial.
5Eny, nitolona tamin'Ilay Anjely izy ka nahery; Nitomany izy sady nifona taminy; Nahita azy tao Betela Izy, ary tao no niresahany tamintsika;
6And thou, return unto thy God: keep loving-kindness and judgment, and wait on thy God continually.
6Jehovah, Andriamanitry ny maro, Jehovah no hahatsiarovana Azy.
7[He is] a merchant, balances of deceit are in his hand; he loveth to oppress.
7Koa miverena amin'Andriamanitrao ianao; Tandremo ny famindram-po sy ny rariny. Ary miandrasa an'Andriamanitrao mandrakariva.
8And Ephraim saith, Nevertheless I am become rich, I have found me out substance; in all my labours they shall find none iniquity in me that were sin.
8Kanana eny an-tànany misy mizana miangatra, ny manambaka no tiany.[Na: Mpandranto izy]
9But I [that am] Jehovah thy God from the land of Egypt will again make thee to dwell in tents, as in the days of the solemn feast.
9Fa hoy Efraima: Fiharian-karena ihany no efa nataoko, nahazo fananana aho; Ny asako rehetra tsy misy hahatonga fahotana na heloka amiko.
10And I have spoken to the prophets, and I have multiplied visions, and by means of the prophets have I used similitudes.
10Nefa Izaho no Jehovah Andriamanitrao hatrany amin'ny tany Egypta; Ary mbola hampiditra anao an-day indray Aho tahaka ny tamin'ny fotoam-pivavahana.
11If Gilead is iniquity, surely they are but vanity: they sacrifice bullocks in Gilgal; yea, their altars are as heaps in the furrows of the fields.
11Efa niteny tamin'ny mpaminany koa Aho, sady Izaho no nahabetsaka ny fahitana, ary ny mpaminany dia nampilazaiko ohatra.
12And Jacob fled into the country of Syria, and Israel served for a wife, and for a wife he kept [sheep].
12Raha tena heloka Gileada, dia ho tonga zava-poana tokoa izy; Tany Gilgala no namonoany omby betsaka ho fanatitra, koa ny alitarany dia ho toy ny korontam-bato eny am-bavasa any an-tsaha.
13And by a prophet Jehovah brought Israel out of Egypt, and by a prophet was he preserved.
13Jakoba nandositra ho any amin'ny tany Syria, Isiraely nanompo hahazoany vady, eny, ny hahazoany vady no niandrasany ondry aman'osy.
14Ephraim provoked [him] to anger most bitterly; and his Lord shall leave his blood upon him, and recompense unto him his reproach.
14Mpaminany no nentin'i Jehovah nitondra ny Isiraely nivoaka avy tany Egypta, ary mpaminany koa no nentina niahy azyNanao izay nahatezitra indrindra Efraima, ka dia havelan'ny Tompony ho eo aminy ny ràny, ary hatsingeriny aminy ny vava ratsy nataony.
15Nanao izay nahatezitra indrindra Efraima, ka dia havelan'ny Tompony ho eo aminy ny ràny, ary hatsingeriny aminy ny vava ratsy nataony.