Darby's Translation

Malagasy

Hosea

14

1O Israel, return unto Jehovah thy God; for thou hast fallen by thine iniquity.
1Hovaliana Samaria noho ny helony, Fa niodina tamin'Andriamaniny izy; Ho lavon-tsabatra izy, ny zanany madinika hotorotoroina, ary izay bevohoka eo aminy hotatahana.
2Take with you words, and turn to Jehovah; say unto him, Forgive all iniquity, and receive [us] graciously; so will we render the calves of our lips.
2[Ny hamindran'i Jehovah fo amin'ny Isiraely, rehefa mibebaka] Ry Isiraely ô, miverena amin'i Jehovah Andriamanitrao, fa lavon-keloka ianao.
3Assyria shall not save us; we will not ride upon horses: neither will we say any more to the work of our hands, [Thou art] our God; because in thee the fatherless findeth mercy.
3Mitondrà teny ianareo, eny, miverena amin'i Jehovah, ka manaova aminy hoe: Mamelà ny heloka rehetra, ary raiso izay tsara, ka dia haterinay ho fanatitra ny molotray.[Heb. haloanay][Heb. vantotr'ombilahy]
4I will heal their backsliding, I will love them freely; for mine anger is turned away from him.
4Asyria tsy hamonjy anay, tsy hitaingin-tsoavaly izahay sady tsy hiteny amin'ny asan'ny tananay intsony hoe: Ry Andriamanitray ô; Fa ao aminao no ahitan'ny kamboty famindram-po.
5I will be as the dew unto Israel: he shall blossom as the lily, and cast forth his roots as Lebanon.
5Hositraniko ny fiodinany, ho tia azy tsy vozonana Aho; Fa efa niala taminy ny fahatezerako.
6His shoots shall spread, and his beauty shall be as the olive-tree, and his smell as Lebanon.
6Ho tahaka ny ando Aho amin'ny Isiraely; Hamony tahaka ny lilia izy, ary hamaka tahaka an'i Libanona.
7They shall return and sit under his shadow; they shall revive [as] corn, and blossom as the vine: the renown thereof shall be as the wine of Lebanon.
7Hisandrahaka ny rantsany, ho tahaka ny an'ny hazo oliva ny hatsaran-tarehiny, ary ho tahaka ny an'i Libanona ny hanitra avy aminy.
8Ephraim [shall say], What have I to do any more with idols? (I answer [him], and I will observe him.) I am like a green fir-tree. -- From me is thy fruit found.
8Izay mipetraka ao ambanin'ny alokalony dia hampahavokatra vary indray, ary haniry tahaka ny voaloboka izy; Ny lazany ho tahaka ny an'ny divay avy any Libanona.[Na: ho velombelominao indray toy ny vary izy]
9Who is wise, and he shall understand these things? intelligent, and he shall know them? For the ways of Jehovah are right, and the just shall walk in them; but the transgressors shall fall therein.
9Ry Efraima ô, hataoko inona intsony izay sampy? Izaho dia efa nihaino ka nitsinjo anao; Tahaka ny hazo kypreso maitso Aho, avy amiko no hahazoana ny vokatrao.[Na: Efraima hanao hoe: Hataoko][Heb. azy]Iza no hendry mba hahafantatra izany zavatra izany? Na manan-tsaina mba hahalala izany? Fa mahitsy ny lalan'i Jehovah, ary ny marina no mizotra eny aminy; Fa ny mpanota kosa dia tafintohina eny aminy.
10Iza no hendry mba hahafantatra izany zavatra izany? Na manan-tsaina mba hahalala izany? Fa mahitsy ny lalan'i Jehovah, ary ny marina no mizotra eny aminy; Fa ny mpanota kosa dia tafintohina eny aminy.