1Woe to them that go down to Egypt for help, and depend on horses, and confide in chariots because [they are] many, and in horsemen because they are very strong; and who look not unto the Holy One of Israel, neither seek Jehovah!
1[Ny hampijaliana ny Isiraely noho ny niankinany tamin'i Egypta sy ny hiarovan'Andriamanitra izay mibebaka, ary ny hanendreny mpanjaka izay hitondra azy amin'ny fahamarinana] Lozan'izay midina any Egypta hitady famonjena sy miantehitra amin'ny soavaly ary matoky ny kalesy, satria maro ireny, sy ny mpitaingin-tsoavaly, satria mahery dia mahery ireny, fa tsy manandrandra ny Iray Masin'ny Isiraely, na mitady an'i Jehovah.
2But he also is wise, and he bringeth evil, and recalleth not his words; and he will arise against the house of evildoers, and against the help of workers of iniquity.
2Nefa Izy koa dia hendry ka mahatonga loza, ary tsy tsoahany ny teniny; Fa mitsangana Izy hamely ny mpianakavin'ny mpanao ratsy sy izay manampy ny mpanao meloka.
3And the Egyptians are men, and not ùGod, and their horses flesh, and not spirit; and Jehovah shall stretch forth his hand, and he that helpeth shall stumble, and he that is helped shall fall, and they all shall perish together.
3Fa olona ihany ny Egyptiana fa tsy Andriamanitra; Ary nofo ihany ny soavaliny, fa tsy fanahy. Koa raha ahinjitr'i Jehovah ny tànany, dia ho tafintohina izay manampy, ary ho potraka izay ampiana, ka samy ho levona avokoa izy roa tonta.
4For thus hath Jehovah said unto me: Like as the lion and the young lion growling over his prey, when a multitude of shepherds is called forth against him, is not afraid of their voice, nor giveth way before the multitude of them; so will Jehovah of hosts come down to war upon mount Zion, and on the hill thereof.
4Fa izao no nolazain'i Jehovah tamiko: Tahaka ny fieron'ny liona sy ny liona tanora eo amin'ny rembiny, ka na dia voangona aza ny mpiandry ondry betsaka hamely azy, Tsy matahotra ny feon'ireo izy, na mandatsa-dremby noho ny fihorakorahany, dia tahaka izany no hidinan'i Jehovah, Tompon'ny maro, Hiady ao an-tendrombohitra Ziona sy ny havoany.[Na: hamely ny tendrombohitra]
5As birds with outstretched wings, so will Jehovah of hosts cover Jerusalem; covering, he will also deliver, passing over, he will rescue [it].
5Tahaka ny vorona manomba no hiarovan'i Jehovah, tompon'ny maro, an'i Jerosalema, fa sady hiaro no hamonjy Izy, eny, sady hiantra no hanafaka. [Heb. handalo; izahao Eks. xii.13]
6Turn unto him from whom ye have deeply revolted, ye children of Israel;
6Koa miverena ho amin'izay efa niodinanareo fatratra, ry zanak'Isiraely ô.
7for in that day every man shall cast away his idols of silver and his idols of gold, which your sinful hands have made unto you.
7Fa amin'izany andro izany dia harian'ny olona rehetra ny andriamani-bolafotsiny sy ny andriamani-bolamenany, izay fahotana nataon'ny tananareo. [Heb. andriamani-tsi-izy]
8And Asshur shall fall by the sword, not of a great man; and the sword, not of a mean man, shall devour him: and he shall flee from the sword, and his young men shall become tributary;
8Ary ny Asyriana ho lavon'ny sabatra izay tsy mba an'olombelona, eny, sabatra izay tsy mba an'olombelona no handringanana azy; Dia handositra ny sabatra izy, ary ny zatovony hampanaovina fanompoana,Ary ny mpanjakany ho lasa noho ny fahatahorana, Ary mpanapaka azy hivadi-po noho ny faneva, hoy Jehovah, Izay manana ny afony ao Ziona sy ny fatany fandoroana ao Jerosalema. [Na: harambatony]
9and for fear, he shall pass over to his rock, and his princes shall be afraid of the banner, saith Jehovah, whose fire is in Zion, and his furnace in Jerusalem.
9Ary ny mpanjakany ho lasa noho ny fahatahorana, Ary mpanapaka azy hivadi-po noho ny faneva, hoy Jehovah, Izay manana ny afony ao Ziona sy ny fatany fandoroana ao Jerosalema. [Na: harambatony]