Darby's Translation

Malagasy

Jeremiah

10

1Hear the word that Jehovah speaketh unto you, house of Israel.
1[Ny mahatsinontsinona ny sampy, ary ny fampisehoana ny voninahitr'i Jehovah sy ny fahatezerany] Henoy ny teny izay lazain'i Jehovah aminareo, ry taranak'Isiraely!
2Thus saith Jehovah: Learn not the way of the nations, and be not dismayed at the signs of the heavens; for the nations are dismayed at them.
2Izao no lazain'i Jehovah: Aza mianatra ny fanaon'ny jentilisa; Ary aza matahotra ireo famantarana eny amin'ny lanitra; Fa ny jentilisa no matahotra izany.[Heb. didin']
3For the statutes of the peoples are vanity; for [it is] a tree cut out of the forest, worked with a chisel by the hands of the artizan;
3Fa ny fanaon'ny firenena dia zava-poana; Fa hazo nokapaina tany an'ala ireny, dia asan-tànan'ny mpiasa amin'ny famaky;
4they deck it with silver and with gold; they fasten it with nails and with hammers, that it move not.
4Volafotsy sy volamena no an-dravahany azy, ary hombo sy tantanana no entiny manamafy azy, mba tsy hihetsiketehany.
5They are as a palm-column of turned work, and they speak not; they are carried, for they cannot go. Be not afraid of them; for they cannot do evil, neither also is it in them to do good.
5Toy ny hazo voasana ho sari-drofia izy, fa tsy mahateny; Ary entina ihany izy, fa tsy mba afa-mandeha; Aza matahotra azy, fa tsy mahatonga loza izy sady tsy mahay manisy soa.[palma]
6There is none like unto thee, Jehovah; thou art great, and thy name is great in might.
6Tsy misy tokoa izay tahaka Anao, Jehovah ô; Lehibe Hianao, ary lehibe amin'ny hery ny anaranao.
7Who would not fear thee, O King of nations? For to thee doth it appertain; for among all the wise men of the nations, and in all their kingdoms, there is none like unto thee.
7Iza no tsy hatahotra Anao, ry Mpanjakan'ny firenena! Fa Hianao no iendrehan'izany, eny, amin'ny hendry rehetra amin'ny firenena sy amin'ny fanjakany rehetra dia tsy misy tahaka Anao.
8But they are one and all senseless and foolish; the teaching of vanities is a stock.
8Fa ketrina sy adala avokoa izy rehetra; He! fananaram-poana! fa tapa-kazo ihany.
9Silver spread into plates is brought from Tarshish, and gold from Uphaz, the work of the artizan and of the hands of the founder; blue and purple is their clothing: they are all the work of skilful [men].
9Volafotsy voafisaka nalaina avy tany Tarsisy sy volamena avy tany Ofaza Izany, asan-tanan'ny mpiasa sy ny mpanefy volamena; Lamba manga sy volomparasy ny fitafiany; Asan'ny mahay zavatra izy rehetra.
10But Jehovah Elohim is truth; he is the living God, and the King of eternity. At his wrath the earth trembleth, and the nations cannot abide his indignation.
10Fa Jehovah no Andriamanitra tokoa, eny, Izy no Andriamanitra velona sy Mpanjaka mandrakizay. Izay mampihorohoro ny tany amin'ny fahatezerany, ka tsy tantin'ny firenena ny fahavinirany
11Thus shall ye say unto them: The gods that have not made the heavens and the earth, these shall perish from the earth, and from under the heavens.
11(Izao no holazainareo amin'ireny; Ny amin'ny andriamanitra izay tsy mba nanao ny lanitra sy ny tany, dia ho levona tsy ho amin'ny tany na ho atỳ ambanin'ny lanitra ireny)
12He hath made the earth by his power, he hath established the world by his wisdom, and hath stretched out the heavens by his understanding.
12Dia Ilay nanao ny tany tamin'ny heriny sy nampiorina izao tontolo izao tamin'ny fahendreny ary namelatra ny lanitra tamin'ny fisainany.
13When he uttereth his voice, there is a tumult of waters in the heavens, and he causeth the vapours to ascend from the end of the earth; he maketh lightnings for the rain, and bringeth forth the wind out of his treasuries.
13Raha mampirohondrohona ny rano any an-danitra Izy, dia mampiakatra fofona avy any amin'ny faran'ny tany; Manao ny helatra ho amin'ny ranonorana Izy sady mamoaka ny rivotra avy amin'ny firaketany.
14Every man is become brutish, bereft of knowledge; every founder is put to shame by the graven image, for his molten image is falsehood, and there is no breath in them.
14Efa ketrina avokoa ny olona rehetra ka tsy manam-pahalalana; Menarina noho ny sarin-javatra voasokitra ny mpanefy volamena rehetra; Fa fitaka ny sarin-javatra an-idina, sady tsy misy fofon'aina ao aminy.
15They are vanity, a work of delusion: in the time of their visitation they shall perish.
15Zava-poana ireny, dia asa mahatsikaiky foana; Amin'ny andro hamaliana azy dia ho levona izy.
16The portion of Jacob is not like them; for it is he that hath formed all [things], and Israel is the rod of his inheritance: Jehovah of hosts is his name.
16Tsy mba tahaka ireo ny Anjaran'i Jakoba; Fa Mpamorona ny zavatra rehetra Izy; Ary ny Isiraely no firenena lovany; Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany.
17Gather up thy baggage out of the land, O inhabitress of the fortress.
17Angony ny korontan'entanao, ka ento hiala amin'ny tany, ry ilay mipetraka ao amin'ny haterena!
18For thus saith Jehovah: Behold, I will this time sling out the inhabitants of the land, and will distress them, that they may be found.
18Fa izao no lazain'i Jehovah: Indro, hatorako ho indray misidina toy ny vaton'antsamotady ny mponina amin'ny tany, ary hataoko tery izy mba hahitany.
19Woe is me, for my wound! My stroke is hard to heal, and I had said, Yea, this is [my] grief, and I will bear it.
19Mahita loza aho, fa torotoro! Tsy azo sitranina ny feriko; Nefa hoy Izaho: Anjara-fahoriako izao, ka dia hozakaiko ihany.
20My tent is despoiled, and all my cords are broken; my children are gone forth from me, and they are not; there is none to stretch forth my tent any more, and to set up my curtains.
20Rava ny laiko, ary tapaka avokoa ny kofehin-daiko; Lasa ny zanako, ka tsy misy intsony, eny, tsy misy hamelatra ny laiko intsony na hanantona ny ambain-daiko.
21For the shepherds are become brutish, and have not sought Jehovah; therefore have they not acted wisely, and all their flock is scattered.
21Fa efa ketrina ny mpiandry ondry ka tsy mitady an'i Jehovah; Izany no tsy mahahendry azy, ka dia miely ny ondry andrasany rehetra.
22The voice of a rumour! Behold, it cometh, and a great commotion out of the north country, to make the cities of Judah a desolation, a dwelling-place of jackals.
22Injany! misy siosion-teny hoe: Indro, tamy izy amin'ny fihorakorahana be avy any amin'ny tany avaratra mba hahatonga ny tanànan'ny Joda ho lao sy ho fonenan'ny amboadia.
23I know, Jehovah, that the way of man is not his own; it is not in a man that walketh to direct his steps.
23Jehovah ô, fantatro fa tsy an'ny olombelona ny lalan-kalehany, na an'ny mpandeha ny hahalavorary ny diany
24Jehovah, correct me, but with judgment; not in thine anger, lest thou bring me to nothing.
24Jehovah ô, anaro aho, nefa araka ny antonony ihany, fa tsy amin'ny fahatezeranao, fandrao hataonao tonga tsinontsinona aho.Aidino amin'ny jentilisa izay tsy mahalala Anao ny fahatezeranao, dia amin'ny taranaka Izay tsy miantso ny anaranao. Fa efa nihinana an'i Jakoba ireo, eny, nihinana sy nahalevona azy ary nahalao ny fonenany.
25Pour out thy fury upon the nations that know thee not, and upon the families that call not on thy name; for they have eaten up Jacob, yea, they have eaten him up and consumed him, and have laid waste his dwelling-place.
25Aidino amin'ny jentilisa izay tsy mahalala Anao ny fahatezeranao, dia amin'ny taranaka Izay tsy miantso ny anaranao. Fa efa nihinana an'i Jakoba ireo, eny, nihinana sy nahalevona azy ary nahalao ny fonenany.