Darby's Translation

Malagasy

Jeremiah

18

1The word that came to Jeremiah from Jehovah, saying,
1[Fanoharana ny amin'ny tanimanga sy ny mpanefy, ary ny anatra manaraka izany] Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah:
2Arise and go down to the potter's house, and there I will cause thee to hear my words.
2Mitsangàna, ka midina ho any amin'ny tranon'ny mpanefy tanimanga, ary any no hampandrenesako anao ny teniko.
3And I went down to the potter's house; and behold, he wrought a work on the wheels.
3Dia nidina tany amin'ny tranon'ny mpanefy tanimanga aho, ary, indro, nanao ny asany teo amin'ny ankodina fanaovana izy.
4And the vessel that he made was marred, as clay, in the hand of the potter; and he made it again another vessel, as seemed good to the potter to make.
4Ary raha simba ny vilany ataony araka izay mazàna miseho amin'ny tanimanga eny an-tànan'ny mpanefy dia ataony vilany hafa indray, araka izay tian'ny mpanefy tanimanga hanaovana azy.
5And the word of Jehovah came to me, saying,
5Dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah hoe :
6House of Israel, cannot I do with you as this potter? saith Jehovah. Behold, as the clay in the potter's hand, so are ye in my hand, house of Israel.
6Moa tsy mahazo manao aminareo toy ny ataon'ity mpanefy tanimanga ity va Aho, ry taranak'i Isiraely? hoy Jehovah. Indro, toy ny tanimanga eo an-tanan'ny mpanefy azy, dia toy izany ianareo eo an-tanako, ry taranak'Isiraely.
7At the moment that I speak concerning a nation and concerning a kingdom, to pluck up, and to break down, and to destroy,
7Vetivety Aho dia milaza firenena sy fanjakana hongotako sy hazerako ary horavako;[Heb. indray mipi-maso]
8if that nation, concerning which I have spoken, turn from their evil, then I will repent of the evil that I thought to do unto them.
8Nefa raha miala amin'ny ratsy izany firenena noteneniko izany, dia hanenenako kosa ny loza izay nokasaiko hamelezako azy.
9And at the moment that I speak concerning a nation and concerning a kingdom, to build and to plant,
9Ary vetivety kosa Aho dia milaza firenena sy fanjakana haoriko sy hamboleko;
10if it do evil in my sight, that it hearken not unto my voice, then I will repent of the good wherewith I said I would benefit them.
10Nefa raha manao izay ratsy eo imasoko izy ka tsy mihaino ny feoko, dia hanenenako kosa ny soa izay nolazaiko hanasoavako azy.
11And now, speak to the men of Judah and to the inhabitants of Jerusalem, saying, Thus saith Jehovah: Behold, I prepare evil against you, and devise a device against you: turn ye then every one from his evil way, and amend your ways and your doings.
11Koa amin'izany, lazao amin'ny Joda sy amin'ny mponina eto Jerosalema hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Indro, Izaho mamorona loza hihatra aminareo ary mihevitra izay hamelezako anareo; Koa samia miala amin'ny lalany ratsy avy ianareo, ary ataovy tsara ny lalanareo sy ny ataonareo.
12But they say, There is no hope; for we will walk after our own devices, and we will each one do [according to] the stubbornness of his evil heart.
12Nefa hoy ireo: Kivy izahay izany! Fa mbola hanaraka ny hevitray ihany izahay, eny, samy hanao araka ny ditry ny fo ratsinay avy izahay rehetra.
13Therefore thus saith Jehovah: Ask ye now among the nations, Who hath heard such things? The virgin of Israel hath done a very horrible thing.
13Koa izao no lazain'i Jehovah: anontanio any amin'ny jentilisa hoe: Iza no nandre zavatra toy izany? Zavatra mahatsiravina indrindra no nataon'Isiraely virijina.
14Shall the snow of Lebanon cease from the rock of the field? Shall the cool flowing waters coming from afar be dried up?
14Hitsahatra tsy ho eo amin'ny vatolampy any an-tsaha va ny oram-panalan'i Libanona, ary mety ho ritra va ny rano maria sady mangatsiaka avy amin'ny tany hafa?
15For my people hath forgotten me: they burn incense to vanity; and they have caused them to stumble in their ways, the ancient paths, to walk in by-paths of a way not cast up;
15Fa efa nanadino Ahy ny oloko, ka ho an'ny sampy no nandoroany ditin-kazo manitra; Ary nanafintohina azy teo amin'ny lalany ireny; dia ny lalana fahagola, handehanany amin'ny sakeli-dalana madinika, dia amin'ny lalana tsy voavoatra,[Heb; zava-poana]
16to make their land an astonishment, a perpetual hissing: every one that passeth by shall be astonished, and shake his head.
16Mba hahatonga ny taniny ho figagana sy ho zavatra mampisitrisitra mandrakizay; Izay rehetra mandalo azy dia ho gaga sy hihifikifi-doha.
17As with an east wind will I scatter them before the enemy; I will shew them the back, and not the face, in the day of their calamity.
17Toy ny fampielin'ny rivotra avy any atsinanana no hampielezako azy eo anoloan'ny fahavalony; Hiamboho azy Aho, fa tsy hanatrika azy, amin'ny andro hahitany loza.
18And they said, Come, and let us devise devices against Jeremiah; for law shall not perish from the priest, nor counsel from the wise, nor word from the prophet. Come and let us smite him with the tongue, and let us not give heed to any of his words.
18[Ny nitadiavan'ny olona hamely an'i Jeremia, sy ny vavaka nataon'i Jeremia tamin'izany] Dia hoy ny olona: Andeha isika hihevitra izay hamelezana an'i Jeremia; fa tsy ho tapaka tsy akory ny lalàna avy amin'ny mpisorona, na ny saina avy amin'ny hendry, na ny teny avy amin'ny mpaminany. Aoka ny vavantsika ho enti-mamely azy, ary aoka tsy hohenointsika akory izay teniny.[Heb. lelantsika]
19Jehovah, give heed to me, and listen to the voice of those that contend with me.
19Mihainoa ahy, Jehovah ô; Ary mihainoa ny tenin'izay miady amiko
20Shall evil be recompensed for good? For they have digged a pit for my soul. Remember how I stood before thee to speak good for them, to turn away thy wrath from them.
20Ratsy va no havaly ny soa? Fa efa nihady lavaka hamandrihana ahy ireo. Tsarovy ny nitsanganako teo anatrehanao nitaraina ho azy hampiala ny fahatezeranao aminy.
21Therefore give up their children to the famine, and deliver them over to the power of the sword; and let their wives be bereaved of children and be widows; and let their men be swept off by death, their young men be smitten by the sword in battle.
21Koa aoka ho mosarena ny zanany, ary atolory ho amin'ny herin'ny sabatra izy, ka ho foana anaka ny vadiny sady ho tonga mpitondratena; Ary aoka ny lehilahy lehibe aminy haripaky ny aretina, ary ny zatovony ho fatin-tsabatra amin'ny ady.
22Let a cry be heard from their houses, when thou shalt bring a troop suddenly upon them; for they have digged a pit to take me, and have hidden snares for my feet.
22Aoka hisy fidradradradrana ho re ao an-tranony, raha mitondra miaramila iray toko any aminy tampoka Hianao; Fa efa nihady lavaka hamandrihana ahy izy sady nanafim-pandrika haningorana ny tongotro.Fa Hianao, Jehovah ô, no mahalala ny fisainana rehetra ataony hamelezany ahy ho faty; Aza avela ny helony; Ary aza vonoina tsy ho eo imasonao ny fahotany, fa aoka ho solafaka eo anatrehanao izy; Mameleza azy amin'ny andro fahatezeranao.
23And thou, Jehovah, knowest all their counsel against me to slay me. Forgive not their iniquity, neither blot out their sin from thy sight, but let them be overthrown before thee: deal with them in the time of thine anger.
23Fa Hianao, Jehovah ô, no mahalala ny fisainana rehetra ataony hamelezany ahy ho faty; Aza avela ny helony; Ary aza vonoina tsy ho eo imasonao ny fahotany, fa aoka ho solafaka eo anatrehanao izy; Mameleza azy amin'ny andro fahatezeranao.