Darby's Translation

Malagasy

Jeremiah

31

1At that time, saith Jehovah, will I be the God of all the families of Israel, and they shall be my people.
1[Ny famindram-po ho an'ny firenen'Isiraely, sy ny fanekena hatao aminy] Amin'izany andro izany, hoy Jehovah, dia ho Andriamanitry ny isam-pianakavian'ny Isiraely Aho, ary izy ho oloko.
2Thus saith Jehovah: The people [that were] left of the sword have found grace in the wilderness, [even] Israel, when I go to give him rest.
2Izao no lazain'i Jehovah: Hahita fitia any an-efitra ny olona izay sisa tsy matin'ny sabatra; Handeha Aho ka hanome fitsaharana ho an'ny Isiraely.[Na: Nahita][Na: Nandeha Aho ka nanome]
3Jehovah hath appeared from afar unto me, [saying,] Yea, I have loved thee with an everlasting love; therefore with loving-kindness have I drawn thee.
3Tany lavitra any no nisehoan'i Jehovah tamiko ka nanao hoe: Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, koa izany no nampaharetako famindram-po ho anao.[Na: Tamin'ny fahiny]
4I will build thee again, and thou shalt be built, O virgin of Israel! Thou shalt again be adorned with thy tambours, and shalt go forth in the dances of them that make merry.
4Mbola hanorina anao indray Aho, ka dia hiorina ianao, ry Isiraely virijina! Ary mbola hiravaka mitondra ny ampongatapakao ianao ka hivoaka amin'ny dihin'ny mifaly.
5Thou shalt again plant vineyards upon the mountains of Samaria; the planters shall plant, and shall eat the fruit.
5Mbola hanao tanim-boaloboka ao amin'ny tendrombohitr'i Samaria ianao; Ny mpamboly dia hamboly sady hihinana ny vokatra.
6For there shall be a day, when the watchmen upon mount Ephraim shall cry, Arise, and let us go up to Zion, unto Jehovah our God.
6Fa mbola hisy andro hiantsoan'ny mpitazana any amin'ny tany havoan'i Efraima hoe: Mitsangana ianareo, ka andeha isika hiakatra any Ziona, Ho any amin'i Jehovah Andriamanitsika.
7For thus saith Jehovah: Sing aloud [with] gladness for Jacob, and shout at the head of the nations; publish ye, praise ye, and say, Jehovah, save thy people, the remnant of Israel.
7Fa izao no lazain'i Jehovah: Mihobia amin'ny fifaliana noho ny amin'i Jakoba, ary mifalia noho ny amin'ny lohan'ny firenena, torionareo, deraonareo, ka ataovy hoe: Jehovah ô, vonjeo ny olonao, dia ny sisa amin'ny Isiraely.
8Behold, I bring them from the north country, and gather them from the uttermost parts of the earth; [and] among them the blind and the lame, the woman with child and her that travaileth with child together: a great assemblage shall they return hither.
8Indro, hitondra azy avy any amin'ny tany avaratra Aho sy hanangona azy avy any amin'ny faran'ny tany, ka dia samy ho eny aminy avokoa na ny jamba na ny mandringa, na izay manan'anaka na izay mihetsi-jaza; Irai-dia marenina no hiverina atỳ.
9They shall come with weeping, and with supplications will I lead them; I will cause them to walk by water-brooks, in a straight way, wherein they shall not stumble; for I will be a father to Israel, and Ephraim is my firstborn.
9Amin'ny fitomaniana no hihaviany, ary amin'ny fifonany no hitondrako azy; Ary ho entiko ho eny amoron'ny renirano izy, amin'ny lalana mahitsy izay tsy hahatafintohina azy; Fa Rain'Isiraely Aho, ary Efraima no lahimatoako.
10Hear the word of Jehovah, ye nations, and declare [it] to the isles afar off, and say, He that scattered Israel will gather him, and keep him, as a shepherd his flock.
10Mihainoa ny tenin'i Jehovah, ianareo jentilisa, ary torio any amin'ny tany amoron-tsiraka any lavitra any izany, ka atao hoe: Izay nampiely ny Isiraely no hanangona azy indray sady hitandrina azy toy ny fitandrin'ny mpiandry ondry ny ondriny.
11For Jehovah hath ransomed Jacob, and redeemed him from the hand of one stronger than he.
11Fa Jehovah efa nanavotra an'i Jakoba sy efa nanafaka azy tamin'ny tanan'ny mahery noho izy.
12And they shall come and sing aloud upon the height of Zion, and shall flow together to the goodness of Jehovah, for corn, and for new wine, and for oil, and for the young of the flock and of the herd; and their soul shall be as a watered garden, and they shall not languish any more at all.
12Ka dia ho avy ireny ka hihoby ao amin'ny havoan'i Ziona, dia hitanjozotra ho any amin'ny zava-tsoan'i Jehovah, dia ny vary sy ny ranom-boaloboka sy ny diloilo sy ny zanak'ondry ary ny zanak'omby; Ary ny fanahiny ho toy ny tanimboly vonton-drano, ka tsy hihamalazo intsony.
13Then shall the virgin rejoice in the dance, and the young men and old together; for I will turn their mourning into gladness, and will comfort them, and make them rejoice after their sorrow.
13Ary amin'izany dia ho faly amin'ny fandihizana ny virijina mbamin'ny zatovo sy ny antitra koa; Fa hampodiko ho fifaliana ny fitomaniany, ka hampiononiko sy hampifaliko izy ho afaka alahelo.
14And I will satiate the soul of the priests with fatness, and my people shall be satisfied with my goodness, saith Jehovah.
14Dia hovokisako zava-matavy ny fanahin'ny mpisorona, ary ny oloko ho voky ny zava-tsoako, hoy Jehovah.
15Thus saith Jehovah: A voice hath been heard in Ramah, the wail of very bitter weeping, -- Rachel weeping for her children, refusing to be comforted for her children, because they are not.
15Izao no lazain'i Jehovah: Nisy feo re tao Rama, dia fidradradradrana sy fitomaniana fatratra; Rahely nitomany ny zanany, ary tsy azo nampiononina izy noho ny amin'ny zanany, satria lany ritra ireny.
16Thus saith Jehovah: Refrain thy voice from weeping, and thine eyes from tears; for there is a reward for thy work, saith Jehovah; and they shall come again from the land of the enemy.
16Izao no lazain'i Jehovah: Atsaharo ny fitomanianao sy ny fandatsahanao ranomaso; Fa hisy valiny tokoa ny ataonao, hoy Jehovah, ary hody avy any amin'ny tanin'ny fahavalo ireny.
17And there is hope for thy latter end, saith Jehovah, and thy children shall come again to their own border.
17Ary misy fanantenana ho anao any amparany, hoy Jehovah; Fa ny zaza dia hiverina ho any amin'ny taniny indray.
18I have indeed heard Ephraim bemoaning himself [thus]: Thou hast chastised me, and I was chastised as a bullock not trained: turn thou me, and I shall be turned; for thou art Jehovah my God.
18Efa reko tokoa Efraima nitomany ny tenany hoe: Nofaizanao aho, eny, nofaizana toy ny ombilahy kely tsy voafolaka; Avereno aho, dia ho tafaverina, fa Hianao no Jehovah Andriamanitro.
19Surely after that I was turned, I repented; and after I knew myself, I smote upon [my] thigh. I was ashamed, yea, even confounded, for I bear the reproach of my youth.
19Nony efa niverina tokoa aho, dia vao nahalala fanenenana; Ary rehefa nampahafantarina ny toe-tenako aho, dia niteha-tratra; Menatra sady mangaihay aho, fa latsain'ny tsinin'ny fahatanorako.[Heb. niteha-pe]
20Is Ephraim a dear son unto me? is he a child of delights? For whilst I have been speaking against him, I do constantly remember him still. Therefore my bowels are troubled for him: I will certainly have mercy upon him, saith Jehovah.
20Zanako mahafinaritra va Efraima, zaza malalako va izy, no dia fatra-pahatsiaro azy isaky ny mitezitra azy Aho? Noho izany dia onena azy ny foko; Hamindra fo aminy tokoa Aho, hoy Jehovah.[Heb. maneno ny tsinaiko]
21Set up waymarks, make for thyself signposts; set thy heart toward the highway, the way by which thou wentest: turn again, O virgin of Israel, turn again to these thy cities.
21Manangàna famantaran-dalana ho anao ianao, manorena tsangam-bato; Saino tsara ny lalana efa voavoatra, dia ilay lalana efa nalehanao; Miverena indray, ry Isiraely virijina, miverena indray ho amin'ireto tanànanao ireto.
22How long wilt thou wander about, thou backsliding daughter? For Jehovah hath created a new thing on the earth, a woman shall encompass a man.
22Mandra-pahoviana no hirioriovanao, ry zanakavavy mpiodina? Fa Jehovah efa namorona zava-baovao amin'ny tany: Vehivavy no hanodidina lehilahy.
23Thus saith Jehovah of hosts, the God of Israel: They shall again use this speech, in the land of Judah and in the cities thereof, when I shall turn their captivity: Jehovah bless thee, O habitation of righteousness, mountain of holiness!
23Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Mbola holavina indray ao amin'ny tanin'ny Joda sy ao amin'ny tanànany izao teny izao, raha hampodiko avy amin'ny fahababoany izy: Hotahin'i Jehovah anie ianao, ry fonenan'ny fahamarinana, sy ry tendrombohitry ny fahamasinana!
24And therein shall dwell Judah, and all the cities thereof together, the husbandmen, and they that go about with flocks.
24Ary ny Joda sy ny tanànany rehetra dia hiara-monina ao aminy ho mpiasa tany sy ho mpilasy mitondra ny andian'ny ondry aman'osiny.
25For I have satiated the weary soul, and every languishing soul have I replenished.
25Fa ny fanahy ana dia hampisotroiko, ary ny fanahy mihaosa rehetra dia hovokisako.
26-- Upon this I awaked, and beheld; and my sleep was sweet unto me.
26Ary tamin'izay dia nahatsiaro aho ka nahita; Ary mamiko ny torimasoko.
27Behold, days come, saith Jehovah, that I will sow the house of Israel and the house of Judah [with] the seed of man and the seed of beast.
27Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, ka hafafiko eo amin'ny taranak'Isiraely sy ny taranak'i Joda Ny taranak'olombelona sy ny taranaky ny biby fiompy.
28And it shall come to pass, as I have watched over them, to pluck up, and to break down, and to overthrow, and to destroy, and to afflict; so will I watch over them to build, and to plant, saith Jehovah.
28Ary toy ny niambenako azy hongotana sy hazera sy harodana sy horavana ary hampahorina, dia ho toy izany no hiambenako azy Haorina sy hambolena kosa, hoy Jehovah.
29In those days they shall say no more, The fathers have eaten sour grapes, and the children's teeth are set on edge:
29Amin'izany andro izany izy dia tsy hanao intsony hoe: ny ray no nihinana voaloboka maharikivy, ka ny nifin'ny zanany no madilo.
30for every one shall die for his own iniquity; every man that eateth the sour grapes, his teeth shall be set on edge.
30Fa ny olona rehetra samy ho fatin'ny helony avy; Izay rehetra homana ny voaloboka maharikivy. Dia izy ihany no hadilo nify.
31Behold, days come, saith Jehovah, that I will make a new covenant with the house of Israel and with the house of Judah:
31Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanaovako fanekena vaovao amin'ny taranak'Isiraely sy ny taranak'i Joda,
32not according to the covenant that I made with their fathers, in the day of my taking them by the hand, to lead them out of the land of Egypt; which my covenant they broke, although I was a husband unto them, saith Jehovah.
32Nefa tsy araka ny fanekena nataoko tamin'ny razany tamin'ny andro nitantanako azy nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta; Fa izy ireny dia nivadika ny fanekeko, Nefa Izaho no vadiny,hoy Jehovah.[Na: tompony]
33For this is the covenant that I will make with the house of Israel, after those days, saith Jehovah: I will put my law in their inward parts, and will write it in their heart; and I will be their God, and they shall be my people.
33Fa izao no fanekena havoko amin'ny taranak'Isiraely. Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko sady hosoratako ao am-pony; Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko.
34And they shall teach no more every man his neighbour, and every man his brother, saying, Know Jehovah; for they shall all know me, from the least of them unto the greatest of them, saith Jehovah: for I will pardon their iniquity, and their sin will I remember no more.
34Ary samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny avy intsony izy hoe: Mahalalà an'i Jehovah; Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra. Hatramin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra, hoy Jehovah; Fa havelako ny helony, ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany.
35Thus saith Jehovah, who giveth the sun for light by day, the ordinances of the moon and of the stars for light by night, who stirreth up the sea so that the waves thereof roar, -- Jehovah of hosts is his name:
35Izao no lazain'i Jehovah, Izay manome ny masoandro ho fahazavana amin'ny antoandro ary ny filahatry ny volana sy ny kintana ho fahazavana amin'ny alina, Izay mampanonja ny ranomasina, ka dia mirohondrohona ny onjany, Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany:
36If those ordinances depart from before me, saith Jehovah, the seed of Israel also shall cease from being a nation before me for ever.
36Raha miova eo anoloako izany filahatra izany, hoy Jehovah, dia hitsahatra tsy ho firenena eo anatrehako mandrakizay kosa ny taranak'Isiraely.
37Thus saith Jehovah: If the heavens above can be measured, and the foundations of the earth searched out beneath, I will also cast off the whole seed of Israel, for all that they have done, saith Jehovah.
37Izao no lazain'i Jehovah: Raha misy maharefy ny lanitra ambony, na mahafantatra ny fanorenan'ny tany ambany, dia Izaho kosa hanary ny taranak'Isiraely rehetra noho izay rehetra nataony, hoy Jehovah.
38Behold, the days come, saith Jehovah, that the city shall be built to Jehovah, from the tower of Hananeel unto the corner-gate.
38Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanorenana ity tanàna ity indray ho an'i Jehovah hatramin'ny tilikambon'i Hananela ka hatramin'ny vavahady an-jorony.
39And the measuring line shall yet go forth before it unto the hill Gareb, and shall turn toward Goath.
39Ary ny famolaina dia mbola hohenjaniko mahitsy hatreo an-tampon'ny tendrombohitra Gareba, dia hasangodina ho any Goa;Ary ny lohasaham-paty sy lavenona rehetra sy ny saha rehetra hatramin'ny Lohasahan-driaka Kidrona ka hatramin'ny zoron'ny vavahadin-tsoavaly atsinanana dia ho masina ho an'i Jehovah; Tsy hongotana na horavana intsony izy mandrakizay.
40And the whole valley of the dead bodies, and of the ashes, and all the fields unto the torrent Kidron, unto the corner of the horse-gate toward the east, shall be holy unto Jehovah: it shall not be plucked up, nor overthrown any more for ever.
40Ary ny lohasaham-paty sy lavenona rehetra sy ny saha rehetra hatramin'ny Lohasahan-driaka Kidrona ka hatramin'ny zoron'ny vavahadin-tsoavaly atsinanana dia ho masina ho an'i Jehovah; Tsy hongotana na horavana intsony izy mandrakizay.