1And it came to pass in the seventh month, that Ishmael the son of Nethaniah the son of Elishama, of the royal seed, and [one] of the king's chief men, and ten men with him, came to Gedaliah the son of Ahikam unto Mizpah, and there they ate bread together, in Mizpah.
1Ary tamin'ny volana fahafito dia tonga tany amin'i Gedalia, zanak'i Ahikama, tao Mizpa Isimaela, zanak'i Netania, zanak'i Elisama, taranaky ny mpanjaka, sy ny mpanapaky ny mpanjaka; ary nisy folo lahy niaraka taminy; ary niara-nihinan-kanina tao Mizpa izy.
2And Ishmael the son of Nethaniah arose, and the ten men that were with him, and smote Gedaliah the son of Ahikam the son of Shaphan with the sword, and killed him, whom the king of Babylon had appointed over the land.
2Dia nitsangana Isimaela, zanak'i Netania, sy ireo olona folo lahy niaraka taminy ka namely sabatra an'i Gedalia, zanak'i Ahikama, zanak'i Safana, dia nahafaty ilay efa nataon'ny mpanjakan'i Babylona ho mpanapaka ny tany.
3And Ishmael smote all the Jews that were with him, with Gedaliah, at Mizpah, and the Chaldeans that were found there, the men of war.
3Ary ny Jiosy rehetra izay tao aminy, dia izay tao amin'i Gedalia tao Mizpa, sy ny Kaldeana izay hita tao ary ny miaramila dia novonoin'Isimaela avokoa.
4And it came to pass the second day after he had killed Gedaliah, and no man knew it,
4Ary nony ampitson'ny andro namonoana an'i Gedalia, raha tsy mbola nisy olona nahalala izany,
5that there came men from Shechem, from Shiloh, and from Samaria, eighty men, having their beards shaven and their clothes rent, and having cut themselves; with oblations and incense in their hand, to bring them to the house of Jehovah.
5dia nisy valo-polo lahy avy tany Sekema sy Silo ary Samaria, izay samy mihara-bolom-bava, sady voatriatra ny fitafiany, ary voatetika ny tenany, nitondra fanatitra sy ditin-kazo mani-pofona teny an-tànany ho entina ao an-tranon'i Jehovah.
6And Ishmael the son of Nethaniah went forth from Mizpah to meet them, weeping all along as he went; and it came to pass when he met them, he said unto them, Come to Gedaliah the son of Ahikam.
6Ary Isimaela, zanak'i Netania, dia nivoaka avy tao Mizpa hitsena azy sady nitomany teny ampandehanana, ary nony efa nihaona taminy izy, dia niteny taminy hoe: Mankanesa any amin'i Gedalia, zanak'i Ahikama.
7And it was so, when they came into the midst of the city, that Ishmael the son of Nethaniah, he and the men that were with him, slew them, [and cast them] into the midst of the pit.
7Ary nony tonga tao afovoan'ny tanàna izy ireo, dia novonoin'Isimaela, zanak'i Netania, mbamin'ny olona nanaraka azy izy ka nariany tao anaty lavaka famorian-drano.
8But ten men were found among them that said unto Ishmael, Do not kill us, for we have hidden stores in the field, of wheat, and of barley, and of oil, and of honey. So he forbore, and did not kill them among their brethren.
8Fa nisy folo lahy tamin'ireo nanao tamin'Isimaela hoe: Aza vonoina izahay; fa manan-tahiry any an-tsaha izahay, dia vary tritika sy vary hordea sy diloilo ary tantely. Ka dia nijanona izy, fa tsy namono ireo tahaka ny efa nataony tamin'ny namany.
9And the pit into which Ishmael had cast all the dead bodies of the men whom he had slain by the side of Gedaliah was the one which Asa the king had made for fear of Baasha king of Israel: Ishmael the son of Nethaniah filled it with the slain.
9Ary ilay lavaka nanarian'Isimaela ny fatin'ny olona rehetra, izay novonoiny ho eo anilan'i Gedalia, dia ilay efa nataon'i Asa mpanjaka mba hiereny an'i Basa, mpanjakan'ny Isiraely, dia nofenoin'Isimaela, zanak'i Netania, faty.
10And Ishmael carried away captive all the remnant of the people that were in Mizpah, the king's daughters, and all the people that remained in Mizpah, whom Nebuzar-adan the captain of the body-guard had committed to Gedaliah the son of Ahikam: Ishmael the son of Nethaniah carried them away captive, and departed to go over to the children of Ammon.
10Ary nentin'Isimaela ho babo ny olona rehetra izay sisa tao Mizpa, na ny vehivavy zanak'andriana, na ny olona rehetra izay sisa tao Mizpa, izay napetrak'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, tao amin'i Gedalia, zanak'i Ahikama; eny, Isimaela, zanak'i Netania, nitondra azy ireny ho babo, ka dia lasa niala nankany amin'ny taranak'i Amona izy.
11And Johanan the son of Kareah, and all the captains of the forces that were with him, heard of all the evil that Ishmael the son of Nethaniah had done;
11Fa nony ren'i Johanana, zanak'i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tao aminy ny ratsy rehetra nataon'Isimaela, zanak'i Netania,
12and they took all the men, and went to fight with Ishmael the son of Nethaniah, and found him by the great waters that are at Gibeon.
12dia novoriny ny olona rehetra ka nentiny niady tamin'Isimaela, zanak'i Netania ary hitany teo amoron'ny kamory ao Gibeona izy.[Heb. ny rano be]
13And it came to pass when all the people that were with Ishmael saw Johanan the son of Kareah, and all the captains of the forces that were with him, then they were glad.
13Ary ny olona rehetra izay tao amin'Isimaela, nony nahita an'i Johanana, zanak'i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tao aminy, dia faly.
14And all the people that Ishmael had carried away captive from Mizpah turned about and came back, and went to Johanan the son of Kareah.
14Ary ny olona rehetra izay nentin'Isimaela ho babo avy tany Mizpa dia nitodika ka niverina nanatona an'i Johanana, zanak'i Karea.
15But Ishmael the son of Nethaniah escaped from Johanan with eight men, and went to the children of Ammon.
15Fa Isimaela, zanak'i Netania, sy ny olona valo lahy kosa dia afaka nandositra an'i Johanana ka lasa nankany amin'ny taranak'i Amona.
16Then Johanan the son of Kareah, and all the captains of the forces that were with him, took all the remnant of the people whom he had recovered from Ishmael the son of Nethaniah, from Mizpah, after he had slain Gedaliah the son of Ahikam, the mighty men of war, and the women, and the children, and the eunuchs, whom he had brought again from Gibeon;
16Ary Johanana, zanak'i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tao aminy dia nitondra ny olona rehetra izay voavonjiny ho afaka tamin'Isimaela, zanak'i Netania, avy tany Mizpa, taorian'ny namonoany an'i Gedalia, zanak'i Ahikama, dia ny lehilahy mpiady sy ny zaza amim-behivavy ary ny tandapa, izay nentiny niverina avy tany Gibeona;
17and they departed, and dwelt at Geruth-Chimham, which is by Bethlehem, to go to enter into Egypt,
17ary dia lasa izy ireo ka nitoetra tao Gerota-kimama, izay ao akaikin'i Betlehema, mba handehanany hankany Egypta.[Na: an-tranom-bahinin'i Kimama]tsy ho tratry ny Kaldeana; fa natahotra azy izy, satria Isimaela, zanak'i Netania, efa namono an'i Gedalia, zanak'i Ahikama, izay notendren'ny mpanjakan'i Babylona ho mpanapaka ny tany.
18because of the Chaldeans; for they feared them, because Ishmael the son of Nethaniah had smitten Gedaliah the son of Ahikam, whom the king of Babylon had appointed over the land.
18tsy ho tratry ny Kaldeana; fa natahotra azy izy, satria Isimaela, zanak'i Netania, efa namono an'i Gedalia, zanak'i Ahikama, izay notendren'ny mpanjakan'i Babylona ho mpanapaka ny tany.