1The word that Jeremiah the prophet spoke to Baruch the son of Nerijah, when he wrote these words in a book at the mouth of Jeremiah, in the fourth year of Jehoiakim the son of Josiah, the king of Judah, saying,
1[Teny nasain'Andriamanitra nolazain'i Jeremia tamin'i Baroka] Ny teny izay nataon'i Jeremia mpaminany tamin'i Baroka, zanak'i Neria, fony izy nanoratra ireto teny ireto tamin'ny taratasy avy tamin'ny vavan'i Jeremia tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda, hoe:
2Thus sayeth Jehovah, the God of Israel, concerning thee, Baruch:
2Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ny aminao, ry Baroka:
3Thou didst say, Woe unto me! for Jehovah hath added grief to my sorrow; I am weary with my sighing, and I find no rest.
3Hoy ianao: Idiran-doza aho ity! fa nampian'i Jehovah alahelo ny fanaintainako; efa sasatra ny misento aho ka tsy mahita fitsaharana.
4Thus shalt thou say unto him, Thus saith Jehovah: Behold, what I have built do I overthrow, and what I have planted I pluck up, even this whole land.
4Lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Indro, horavako izay efa naoriko, ary hongotako izay efa namboleko, dia izao tany rehetra izao.Mitady zavatra lehibe ho anao va ianao? aza mitady izany! fa, indro, hahatonga loza ho amin'ny nofo rehetra Aho, hoy Jehovah; fa raha ny ainao dia homeko anao ho babonao ihany any amin'izay rehetra nalehanao.
5And seekest thou great things for thyself? seek [them] not; for behold, I will bring evil upon all flesh, saith Jehovah; but thy life will I give unto thee for a prey in all places whither thou shalt go.
5Mitady zavatra lehibe ho anao va ianao? aza mitady izany! fa, indro, hahatonga loza ho amin'ny nofo rehetra Aho, hoy Jehovah; fa raha ny ainao dia homeko anao ho babonao ihany any amin'izay rehetra nalehanao.