1Concerning the children of Ammon. Thus saith Jehovah: Hath Israel no sons? hath he no heir? Why is Malcam heir of Gad, and his people dwell in the cities thereof?
1[Faminaniana ny amin'i Amona] Ny amin'ny taranak'i Amona, Izao no lazain'i Jehovah: Moa tsy manan-janakalahy va Isiraely? Ary tsy manan-kandova va izy? Koa nahoana Gada no lasan'ny mpanjakany, ary ny vahoakany monina ao amin'ny tanànany?[Na: Malkana]
2Therefore behold, days come, saith Jehovah, that I will cause the clamour of war to be heard in Rabbah of the children of Ammon; and it shall be a desolate heap; and her towns shall be burned with fire; and Israel shall possess them that possessed him, saith Jehovah.
2Koa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hampandrenesako akoran'ady amin'ny famelezana an'i Raban'ny taranak'i Amona, ary ho tanànaolo rava izy, ary ny zana-bohiny hodorana amin'ny afo; Ary ny Isiraely hahalasa ny an'izay nahalaza azy, hoy Jehovah.
3Howl, Heshbon! for Ai is laid waste; cry, daughters of Rabbah, gird you with sackcloth, lament and run to and fro within the enclosures: for Malcam shall go into captivity, his priests and his princes together.
3Midradradradrà, ry Hesbona, fa rava Ay! Mitaraina, ianareo zanakavavin'i Raba! Misikina lamba fisaonana ianareo; Manaova fisaonana, ary mivoivoiza eo anaty fefy; Fa lasan-ko babo ny mpanjakany, dia ny mpisorony sy ireo mpanapaka azy.
4Wherefore gloriest thou in the valleys? Thy valley shall flow down, O backsliding daughter, that trusteth in her treasures, [saying,] Who shall come against me?
4Nahoana no ny lohasaha no ataonao ho reharehanao, dia ny lohasahanao mahavokatra be. Ry zanakavavy mpiodina, izay mitoky amin'ny rakiny ka manao hoe: Iza moa no ho afa-miakatra atỳ amiko?
5Behold, I will bring a fear upon thee, saith the Lord Jehovah of hosts, from all that are about thee; and ye shall be driven out every man right forth; and none shall assemble the fugitives.
5Indro Aho hahatonga tahotra aminao avy amin'izay rehetra manodidina anao, hoy Jehovah, Tompon'ny maro; Ary horoahina samy hizotra amin'izay hitsiny avy ianareo rehetra, sady tsy hisy hamory izay mandositra.
6And afterwards I will turn the captivity of the children of Ammon, saith Jehovah.
6Ary rehefa afaka izany, dia hampodiko ihany avy amin'ny fahababoana ny taranak'i Amona, hoy Jehovah.
7Concerning Edom. Thus saith Jehovah of hosts: Is there no more wisdom in Teman? is counsel perished from the prudent? is their wisdom spent?
7[Faminaniana ny amin'i Edoma] Ny amin'i Edoma. Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Tsy misy fahendrena intsony va ao Temana? Very saina va ny olon-kendry? Lany va ny fahendreny?
8Flee, turn back, dwell deep down, ye inhabitants of Dedan! For I will bring the calamity of Esau upon him, the time that I visit him.
8Mandosira, miambohoa ianareo, mamitsaha ao amin'ny lalina, ry mponina any Dedana, fa ny loza ho an'i Esao dia nataoko nihatra taminy, dia ny andro hamaliako azy.
9If grape-gatherers had come to thee, would they not have left a gleaning? If thieves by night, they would destroy only till they had enough.
9Raha tonga ao aminao ny mpioty voaloboka, dia tsy hamela voaloboka sisa hotsimponina akory izy; Raha avy alina ny mpangalatra, dia handrava mandra-pahafa-pony izy.
10But I have made Esau bare, I have uncovered his secret places, that he is unable to hide himself: his seed is wasted, and his brethren, and his neighbours, and he is not.
10Izaho dia nampitanjaka an'i Esao, ary naharihariko ny fiereny, ka tsy mahazo miery izy; Ringana ny zanany sy ny rahalahiny ary ny namany, ka tsy ao intsony ireny.
11Leave thine orphans, I will preserve them alive; and let thy widows trust in me.
11Ilaozy ny zanakao ho kamboty, fa Izaho no hamelona azy, ary aoka Izaho no hitokian'ny vadinao mpitondratena.
12For thus saith Jehovah: Behold, they whose judgment was not to drink of the cup shall assuredly drink; and thou indeed, shouldest thou be altogether unpunished? Thou shalt not go unpunished, but thou shalt surely drink.
12Fa izao no lazain'i Jehovah: Indro, fa na dia izay tsy tokony hisotro amin'ny kapoaka aza dia hisotro tokoa, ka moa ho afa-potsiny va ianao? Tsy ho afa-potsiny ianao, fa tsy maintsy hisotro tokoa.
13For I have sworn by myself, saith Jehovah, that Bozrah shall become an astonishment, a reproach, a waste, and a curse; and all the cities thereof shall be perpetual wastes.
13Fa ny tenako no nianianako, hoy Jehovah, fa ho tonga figagana Bozra sy ho fandatsa sy ho rava ary ho fanozonana, ary ny tanànany rehetra ho lao mandrakizay.
14I have heard a rumour from Jehovah, and an ambassador is sent among the nations: -- Gather yourselves together, and come against her and rise up for the battle.
14Fa efa nahare filazana avy tamin'i Jehovah aho, ary nisy iraka nalefa ho any amin'ny jentilisa hanao hoe: Mivoria ianareo, ka mankanesa hamely azy, ary mitsangàna hanafika.
15For behold, I have made thee small among the nations, despised among men.
15Fa, indro, hataoko tsinontsinona eo amin'ny firenena ianao sy fanazimbazimba eo amin'ny olona,
16Thy terribleness, the pride of thy heart, hath deceived thee, thou that dwellest in the clefts of the rock, that holdest the height of the hill. Though thou shouldest make thy nest high as the eagle, I will bring thee down from thence, saith Jehovah.
16Ry ilay monina ao an-tsefatsefaky ny harambato, Izay mifikitra amin'ny tampon'ny havoana, ny fahatahorana anao sy ny avonavon'ny fonao no namitaka anao; Fa na dia ataonao eny amin'ny avo tahaka ny an'ny voromahery aza ny akaninao, dia havariko avy eny ianao, hoy Jehovah.
17And Edom shall be an astonishment: every one that goeth by it shall be astonished, and shall hiss, because of all the plagues thereof.
17Ary ho figagana Edoma: Izay rehetra mandalo azy dia ho gaga ka hisitrisitra noho ny loza rehetra efa namelezana azy.
18As in the overthrow of Sodom and Gomorrah, and their neighbour cities, saith Jehovah, no one shall dwell there, neither shall a son of man sojourn therein.
18Ary toy ny nandravana an'i Sodoma sy Gomora mbamin'ny tanàna teny akaikiny, hoy Jehovah, no tsy hisian'olona honina any, na zanak'olombelona hivahiny any.
19Behold, he shall come up like a lion from the swelling of the Jordan against the strong habitation; for I will make them suddenly run away from it; and who is a chosen [man] whom I shall appoint over her? For who is like me? and who will assign me a time? and who is that shepherd that will stand before me?
19Indro, toy ny fiakatry ny liona avy any amin'ny kirihitrala eny amoron'i Jordana no hiakarany ho any amin'ny misy ahitra mateza; Fa hampandosiriko tampoka Edoma hiala ao, ary izay olona iray voafidy no hotendreko hanapaka azy. Fa iza no tahaka Ahy, ary iza no hifandahatra amiko, ary iza moa no mpiandry ondry mahajanona eo anatrehako?[Heb. ny reharehany][Na: fonenany mafy]
20Therefore hear the counsel of Jehovah, which he hath taken against Edom, and his purposes which he hath purposed against the inhabitants of Teman: The little ones of the flock shall certainly draw them away; he shall certainly make their habitation desolate for them.
20Koa henoy ny saina avy amin'i Jehovah, Izay nosaininy hamelezana an'i Edoma, sy ny heviny izay noheveriny hamelezana ny mponina ao Temana: Hoviraviraina tokoa ireny, dia ny kely indrindra amin'ny ondry; Ho gaga azy tokoa ny saha fiandrasana azy.
21The earth quaketh at the sound of their fall; there is a cry, the sound whereof is heard in the Red sea.
21Tamin'ny fiezinezin'ny fianjerany dia nihorohoro ny tany; Ny feon'ny fitarainany dia re hatrany amin'ny Ranomasina Mena.
22Behold, he shall come up, and fly as an eagle, and spread forth his wings against Bozrah; and at that day the heart of the mighty men of Edom shall be as the heart of a woman in her pangs.
22Indro, hanidina hiakatra toy ny voromahery izy ka hamelatra ny elany eny ambonin'i Bozra; Ary amin'izany andro izany ny fon'ny lehilahy maherin'i Edoma dia ho tahaka ny fon'ny vehivavy mihetsi- jaza.
23Concerning Damascus. Hamath is put to shame, and Arpad; for they have heard evil tidings, they are melted away: there is distress on the sea; it cannot be quiet.
23[Faminaniana ny amin'i Damaskosy] Ny amin'i Damaskosy. Very hevitra Hamata sy Arpada, fa nandre filazan-doza izy ka kivy; Misamboaravoara ny ranomasina ka tsy mety tafatoetra.[Na: Misy fanahiana hatrany an-dranomasina aza; tsy mahita fiononana ny olona]
24Damascus is grown feeble: she turneth herself to flee, and terror hath seized on her; trouble and sorrows have taken hold of her as of a woman in travail.
24Efa ketraka Damaskosy ka mihodina handositra, fa, toran-kovitra izy; Ary azon'ny faharariana sy ny fanaintainana, toy ny vehivavy raha miteraka.
25How is not the town of praise forsaken, the city of my joy!
25Nahoana re no tsy nilaozana ny tanàna malaza, tanana fifaliako![Na: Indrisy! efa lao ny tanàna malaza]
26Therefore shall her young men fall in her streets, and all the men of war be cut off in that day, saith Jehovah of hosts.
26Ka dia hiampatrampatra eny an-kalalahana ny zatovony. Ary ny miaramila rehetra ho ringana avokoa amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
27And I will kindle a fire in the wall of Damascus, and it shall consume the palaces of Ben-Hadad.
27Ary hisy afo hampirehetiko ao anatin'ny mandan'i Damaskosy, handevona ny lapan'i Beni-hadada.
28Concerning Kedar, and concerning the kingdoms of Hazor, which Nebuchadrezzar king of Babylon smote. Thus saith Jehovah: Arise, go up to Kedar, and spoil the men of the east.
28[Faminaniana ny amin'i Kedara sy Hazora] Ny amin'i Kedara sy ny fanjakan'i Hazora, izay resin'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona. Izao no lazain'i Jehovah: Mitsangàna ianareo, ka miakara hamely an'i Kedara, ary aringano ny zanaky ny atsinanana.
29Their tents and their flocks shall they take; their curtains and all their vessels, and their camels, shall they carry away for themselves; and they shall cry unto them, Terror on every side!
29Halainy ny lainy sy ny ondry aman'osiny, ho entin'ny ambain-dainy mbamin'ny fanaka rehetra sy ny ramevany, sady hiantsoantso hilaza aminy hoe izy: Misy fampangorohoroana manodidina!
30Flee, wander very far, dwell deep down, ye inhabitants of Hazor, saith Jehovah; for Nebuchadrezzar king of Babylon hath taken counsel against you, and hath conceived a purpose against you.
30Mandosira, ka mandehana lavitra! Mamitsaha ao amin'ny lalina, ry mponina any Hazora! hoy Jehovah; Fa Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, nanao saina hamelezany anareo sy namoron-kevitra hamelezany anareo.[Heb. azy]
31Arise, get you up against the nation at ease, that dwelleth securely, saith Jehovah, which hath neither gates nor bars: they dwell alone.
31Mitsangàna, iakaro ny firenena miadana izay tsy manana ahiahy, hoy Jehovah. Dia izay tsy misy vavahady mirindrina na mihidy sady mitoka- monina.
32And their camels shall be a booty, and the multitude of their cattle a spoil; and I will scatter to every wind them that have the corners [of their beard] cut off, and I will bring their calamity from all sides thereof, saith Jehovah.
32Ho babo ny ramevany, ary horobaina ny omby aman'ondriny betsaka, haeliko ho any amin'ny rivotra rehetra ireo voahety sisim-bolo; Ary ho entiko avy amin'ny manodidina rehetra ny loza hanjo azy, hoy Jehovah,
33And Hazor shall be a dwelling-place of jackals, a desolation for ever. No one shall dwell there, neither shall a son of man sojourn therein.
33Ary Hazora dia ho fonenan'ny amboadia sy ho tany lao mandrakizay; Tsy hisy olona honina any, Na zanak'olombelona hivahiny any.[Na: jakala]
34The word of Jehovah that came to Jeremiah the prophet concerning Elam, in the beginning of the reign of Zedekiah king of Judah, saying,
34[Faminaniana ny amin'i Elama] Ny tenin'i Jehovah izay tonga tamin'i Jeremia mpaminany ny amin'i Elama tamin'ny niandohan'ny nanjakan'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, hoe:
35Thus saith Jehovah of hosts: Behold, I will break the bow of Elam, the chief of their might.
35Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Indro, hotapatapahiko ny tsipìkan'i Elama, Izay fototry ny heriny.
36And upon Elam will I bring the four winds, from the four ends of the heavens, and I will scatter them toward all those winds; and there shall be no nation whither the outcasts of Elam shall not come.
36Ary hitondra Avotra efatra avy amin'ny lafiny efatry ny lanitra Aho hamelezana an'i Elama, ary haeliko ho amin'izany rivotra rehetra izany izy, ka tsy hisy firenena izay tsy halehan'ny voaroaka avy any Elama.
37And I will cause Elam to be dismayed before their enemies, and before them that seek their life; and I will bring evil upon them, my fierce anger, saith Jehovah; and I will send the sword after them, till I have consumed them.
37Fa hampivadi-po an'i Elama eo anoloan'ny fahavalony sy eo anoloan'izay mitady ny ainy Aho ka hahatonga loza aminy, dia ny firehetan'ny fahatezerako, hoy Jehovah; Ary hampanenjehiko azy ny sabatra Mandra-pandaniko azy;
38And I will set my throne in Elam, and will destroy from thence king and princes, saith Jehovah.
38Dia hapetrako ao Elasma ny seza fiandrianako. Ary hofongorako tsy hisy intsony any na ny mpanjaka na ny mpanapaka, hoy Jehovah.Nefa any am-parany dia mbola hampodiko avy amin'ny fahababoany ihany Elama, hoy Jehovah.
39But it shall come to pass at the end of the days, I will turn the captivity of Elam, saith Jehovah.
39Nefa any am-parany dia mbola hampodiko avy amin'ny fahababoany ihany Elama, hoy Jehovah.