Darby's Translation

Malagasy

Job

4

1And Eliphaz the Temanite answered and said,
1[Ny teny voalohany nataon'i Elifaza] Dia namaly Elifaza Temanita ka nanao hoe:
2If a word were essayed to thee, wouldest thou be grieved? But who can refrain from speaking?
2Raha misy sahy miteny aminao, dia ho sosotra va ianao? Fa raha ny mamehy vava kosa, iza moa no mahazaka izany?
3Behold, thou hast instructed many, and thou hast strengthened the weak hands;
3Indro, efa nananatra ny maro ianao. Ary ny tanana miraviravy efa nampaherezinao;
4Thy words have upholden him that was stumbling, and thou hast braced up the bending knees:
4Ny teninao efa nanohana izay efa saiky lavo, ary ny lohalika malemy efa nampahatanjahinao
5But now it is come upon thee, and thou grievest; it toucheth thee, and thou art troubled.
5Nefa ankehitriny mba manjo anao kosa izany, ka dia kivy ianao, Mihatra aminao izany, ka raiki-tahotra ianao
6Hath not thy piety been thy confidence, and the perfection of thy ways thy hope?
6Tsy ny fivavahanao va no tokinao? Ary tsy fanantenanao va ny fahitsian'ny lalanao? [Heb. fahatahoranao]
7Remember, I pray thee, who that was innocent has perished? and where were the upright cut off?
7Masìna ianao, tsarovy fa iza moa no very tsy nanan-tsiny? Ary taiza no nisy olo-mahitsy naringana?
8Even as I have seen, they that plough iniquity and sow mischief, reap the same.
8Araka izay efa hitako, dia izay miasa heloka sy mamafy fahoriana no mijinja izany.
9By the breath of +God they perish, and by the blast of his nostrils are they consumed.
9Ny fofonain'Andriamanitra no andringanana azy. Eny, ny fofonain'ny fahatezerany no mahalevona azy.
10The roar of the lion, and the voice of the fierce lion, and the teeth of the young lions, are broken;
10Ny feon'ny olona, eny, ny feon'ny liona masiaka, ary ny nifin'ny liona tanora dia ombotana;
11The old lion perisheth for lack of prey, and the whelps of the lioness are scattered.
11Mirenireny ny lion-dahy noho ny tsi-fahitany remby, ary miely ny zanaky ny liom-bavy.
12Now to me a word was secretly brought, and mine ear received a whisper thereof.
12Nisy teny tonga tamiko mangingina, ary ny sofiko nahare siosio avy taminy,
13In thoughts from visions of the night, when deep sleep falleth on men: --
13Tamin'ny eritreritra avy amin'ny tsindrimandry alina, raha sondrian-tory ny olona,
14Fear came on me, and trembling, and made all my bones to shake;
14Dia azon-tahotra sy hovotra aho, ka nampihorohoro ny taolako rehetra izany.
15And a spirit passed before my face -- the hair of my flesh stood up --
15Ary nisy fanahy nandalo teo anatrehako ka nampitsangam-bolo ny tenako.
16It stood still; I could not discern the appearance thereof: a form was before mine eyes; I heard a slight murmur and a voice:
16Nijanona izy, nefa tsy nahafantatra ny tarehiny aho; Nisy endri-javatra teo anoloan'ny masoko; Nisy fanginana, dia nandre feo aho nanao hoe:
17Shall [mortal] man be more just than +God? Shall a man be purer than his Maker?
17Ho marina noho Andriamanitra va ny zanak'olombelona? Ho madio noho ny Mpanao azy va ny olona?[Na: eo anatrehan']
18Lo, he trusteth not his servants, and his angels he chargeth with folly:
18Indro, tsy matoky ireo mpanompony aza Izy, eny, ny anjeliny aza ataony ho tsy tonga ohatra.
19How much more them that dwell in houses of clay, whose foundation is in the dust, who are crushed as the moth!
19Koa mainka izay mitoetra ao an-trano tany, sady avy tamin'ny vovoka no nihaviany, ary mora poritra noho ny kalalao izy;[Heb. ao amin'ny vovoka fiorenany]
20From morning to evening are they smitten: without any heeding it, they perish for ever.
20Indray andro monja dia montsana izy; Tsy misy misaina azy, na dia levona mandrakizay aza izy.Tsy voaongotra va ny kofehin-dainy ao aminy? Maty izy, nefa tsy mbola nanam-pahendrena.
21Is not their tent-cord torn away in them? they die, and without wisdom.
21Tsy voaongotra va ny kofehin-dainy ao aminy? Maty izy, nefa tsy mbola nanam-pahendrena.