1Jesus therefore, six days before the passover, came to Bethany, where was the dead [man] Lazarus, whom Jesus raised from among [the] dead.
1Ary rehefa henemana no sisa tsy tonga ny Paska, Jesosy dia tonga tao Betania, izay nitoeran'i Lazarosy, ilay natsangany tamin'ny maty.
2There therefore they made him a supper, and Martha served, but Lazarus was one of those at table with him.
2Dia nanao fanasana ho an'i Jesosy tao izy; ary Marta no nanompo; fa Lazarosy no anankiray tamin'izay niara-nipetraka nihinana taminy.
3Mary therefore, having taken a pound of ointment of pure nard of great price, anointed the feet of Jesus, and wiped his feet with her hair, and the house was filled with the odour of the ointment.
3Ary Maria, rehefa naka menaka manitra nisy narda sady tsara no saro-bidy, lanjan'iray livatra, dia nanosotra ny tongotr'i Jesosy sy namaoka ny tongony tamin'ny volondohany; ary feno ny hanitry ny menaka ny trano.
4One of his disciples therefore, Judas [son] of Simon, Iscariote, who was about to deliver him up, says,
4Ary hoy Jodasy Iskariota, anankiray tamin'ny mpianany, ilay efa hamadika Azy:
5Why was this ointment not sold for three hundred denarii and given to the poor?
5Nahoana io menaka io no tsy namidy denaria telon-jato ka nomena ny malahelo?
6But he said this, not that he cared for the poor, but because he was a thief and had the bag, and carried what was put into [it].
6Ary izy no nilaza izany, tsy noho ny fiahiany ny malahelo, fa satria mpangalatra izy sady nitondra ny kitapo ka naka izay tao anatiny.
7Jesus therefore said, Suffer her to have kept this for the day of my preparation for burial;
7Dia hoy Jesosy: Avelao izy, mba hotehiriziny ho amin'ny andro hanamboarany Ahy halevina io.
8for ye have the poor always with you, but me ye have not always.
8Fa ny malahelo dia etỳ aminareo mandrakariva; fa Izaho tsy mba ho etỳ aminareo mandrakariva.
9A great crowd therefore of the Jews knew that he was there; and they came, not because of Jesus only, but also that they might see Lazarus whom he raised from among [the] dead.
9Ary ny vahoaka betsaka tamin'ny Jiosy nahalala fa teo Izy, dia tonga teo, nefa tsy noho Jesosy ihany, fa mba hahita an'i Lazarosy koa, ilay natsangany tamin'ny maty.
10But the chief priests took counsel that they might kill Lazarus also,
10Fa nihendry hahafaty an'i Lazarosy koa ny lohan'ny mpisorona,
11because many of the Jews went away on his account and believed on Jesus.
11satria izy no nialan'ny maro tamin'ny Jiosy ka ninoany an'i Jesosy.
12On the morrow a great crowd who came to the feast, having heard that Jesus is coming into Jerusalem,
12Ary nony ampitson'iny ny vahoaka betsaka, izay tonga ho amin'ny andro firavoravoana, rehefa nahare fa hankany Jerosalema Jesosy,
13took branches of palms and went out to meet him, and cried, Hosanna, blessed [is] he that comes in the name of [the] Lord, the King of Israel.
13dia naka sampan-drofia ka nivoaka hitsena Azy sady niantso hoe: Hosana! Isaorana anie ny Mpanjakan'ny Isiraely, Ilay avy amin'ny anaran'i Jehovah (Sal. 118, 26).
14And Jesus, having found a young ass, sat upon it; as it is written,
14Ary Jesosy nahita zana-boriky anankiray, dia nitaingina azy, araka ny voasoratra hoe:
15Fear not, daughter of Zion: behold, thy King cometh, sitting on an ass's colt.
15Aza matahotra, ry Ziona zanakavavy; indro, avy ny Mpanjakanao mitaingina zana-boriky (Zak. 9. 9).
16[Now] his disciples knew not these things at the first; but when Jesus was glorified, then they remembered that these things were written of him, and that they had done these things to him.
16Izany zavatra izany dia tsy fantatry ny mpianany tamin'ny voalohany; fa rehefa niditra tamin'ny voninahiny Jesosy, dia vao nahatsiaro izy fa voasoratra hilaza Azy izany zavatra izany, ary efa nataony taminy izany.
17The crowd therefore that was with him bore witness because he had called Lazarus out of the tomb, and raised him from among [the] dead.
17Ary nanambara Azy ny vahoaka izay teny aminy, fony Izy niantso an'i Lazarosy hivoaka tamin'ny fasana ka nanangana azy tamin'ny maty.
18Therefore also the crowd met him because they had heard that he had done this sign.
18Ary izany koa no nitsenan'ny vahoaka Azy, satria efa reny fa nanao izany famantarana izany Izy.
19The Pharisees therefore said to one another, Ye see that ye profit nothing: behold, the world is gone after him.
19Ary tamin'izany ny Fariseo dia nifampilaza hoe: Hitanareo fa tsy mahefa na inona na inona akory ianareo; indro, efa lasa manaraka Azy avokoa izao tontolo izao.
20And there were certain Greeks among those who came up that they might worship in the feast;
20Ary nisy Grika sasany tamin'izay niakatra hivavaka tamin'ny andro firavoravoana,
21these therefore came to Philip, who was of Bethsaida of Galilee, and they asked him saying, Sir, we desire to see Jesus.
21ary izy ireo nankany amin'i Filipo avy any Betsaida any Galilia, dia nangataka taminy ka nanao hoe: Tompoko, mba ta-hahita an'i Jesosy izahay.
22Philip comes and tells Andrew, [and again] Andrew comes and Philip, and they tell Jesus.
22Dia lasa Filipo nilaza tamin'i Andrea; ary Andrea sy Filipo lasa nilaza tamin'i Jesosy.
23But Jesus answered them saying, The hour is come that the Son of man should be glorified.
23Ary Jesosy namaly azy hoe: Tonga ny fotoana hankalazana ny Zanak'olona.
24Verily, verily, I say unto you, Except the grain of wheat falling into the ground die, it abides alone; but if it die, it bears much fruit.
24Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha tsy latsaka ao amin'ny tany ny voambary ka maty, dia mitoetra foana izy; fa raha maty kosa izy, dia hahavokatra be.
25He that loves his life shall lose it, and he that hates his life in this world shall keep it to life eternal.
25Izay tia ny ainy no mahavery izany; fa izay mankahala ny ainy amin'izao fiainana izao no hiaro izany ho amin'ny fiainana mandrakizay.
26If any one serve me, let him follow me; and where I am, there also shall be *my* servant. [And] if any one serve me, him shall the Father honour.
26Raha misy olona manompo Ahy, dia aoka izy hanaraka Ahy, ary izay itoerako, dia ao koa no hitoeran'ny mpanompoko; raha misy olona manompo Ahy, dia hankalaza azy ny Ray.
27Now is my soul troubled, and what shall I say? Father, save me from this hour. But on account of this have I come to this hour.
27Ankehitriny mangorohoro ny fanahiko; ary ahoana no holazaiko: Ray ô, vonjeo Aho ho afaka amin'ity ora ity? nefa izao no nihaviako ho amin'ity ora ity;
28Father, glorify thy name. There came therefore a voice out of heaven, I both have glorified and will glorify [it] again.
28Ray ô, mankalazà ny anaranao. Dia nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Efa nankalaza azy Aho, ary hankalaza azy indray.
29The crowd therefore, which stood [there] and heard [it], said that it had thundered. Others said, An angel has spoken to him.
29Ary ny vahoaka izay nitsangana teo ka nahare dia nanao hoe: Kotrokorana izany. Hoy ny sasany: Anjely no niteny taminy.
30Jesus answered and said, Not on my account has this voice come, but on yours.
30Jesosy namaly ka nanao hoe: Tsy noho Izaho no nahatongavan'izany feo izany, fa noho ianareo.
31Now is [the] judgment of this world; now shall the prince of this world be cast out:
31Tonga ankehitriny ny fitsarana izao tontolo izao; ankehitriny ny andrianan'izao tontolo izao no horoahina.
32and I, if I be lifted up out of the earth, will draw all to me.
32Ary Izaho, raha asandratra hiala amin'ny tany, dia hitaona ny olona rehetra hanatona Ahy.
33But this he said signifying by what death he was about to die.
33Izany no nolazainy hanambara izay fahafatesana efa hiaretany.
34The crowd answered him, We have heard out of the law that the Christ abides for ever; and how sayest thou that the Son of man must be lifted up? Who *is* this, the Son of man?
34Dia namaly Azy ny vahoaka ka nanao hoe: Efa renay tamin'ny lalàna fa Kristy haharitra mandrakizay; koa ahoana no ilazanao hoe: Tsy maintsy hasandratra ny Zanak'olona? Iza moa izany Zanak'olona izany?
35Jesus therefore said to them, Yet a little while is the light amongst you. Walk while ye have the light, that darkness may not overtake you. And he who walks in the darkness does not know where he goes.
35Dia hoy Jesosy taminy: Mbola kely ihany no hitoeran'ny mazava aminareo. Mandehana, raha mbola manana ny mazava ianareo, mba tsy hahatratra anareo ny maizina; fa izay mandeha amin'ny maizina dia tsy mahalala izay alehany.
36While ye have the light, believe in the light, that ye may become sons of light. Jesus said these things, and going away hid himself from them.
36Raha mbola manana ny mazava ianareo, dia minoa ny mazava, mba ho tonga zanaky ny mazava. Rehefa nilaza izany Jesosy, dia niala Izy ka niery azy.
37But though he had done so many signs before them, they believed not on him,
37Nefa na dia efa nanao izany famantarana betsaka izany teo anatrehany aza Izy, dia tsy mba nino Azy ireo,
38that the word of the prophet Esaias which he said might be fulfilled, Lord, who has believed our report? and to whom has the arm of the Lord been revealed?
38mba hahatanteraka ny teny nataon'Isaia mpaminany hoe: Tompoko, iza no nino ny teny nampitondraina anay? Ary iza no nampisehoana ny sandrin'i Jehovah? (Isa. 53. 1.)
39On this account they could not believe, because Esaias said again,
39Izany no tsy nahaizany nino, satria hoy koa Isaia:
40He has blinded their eyes and hardened their heart, that they may not see with their eyes, and understand with their heart and be converted, and I should heal them.
40Efa nanajamba ny masony sy nanamafy ny fony Izy, Mba tsy hahita ny masony, na hahalala ny fony, Dia tsy hibebaka izy, Ka tsy hahasitrana azy Aho (Isa. 6. 10).
41These things said Esaias because he saw his glory and spoke of him.
41Izany teny izany no nolazain'Isaia, satria nahita ny voninahiny izy ka nilaza Azy.
42Although indeed from among the rulers also many believed on him, but on account of the Pharisees did not confess [him], that they might not be put out of the synagogue:
42Kanefa maro tamin'ny mpanapaka aza no nino Azy; nefa noho ny Fariseo dia tsy nanaiky ireo, fandrao havoaka hiala amin'ny synagoga.
43for they loved glory from men rather than glory from God.
43Fa tia ny voninahitra avy amin'ny olona izy ireo, fa tsy ny voninahitra avy amin'Andriamanitra.
44But Jesus cried and said, He that believes on me, believes not on me, but on him that sent me;
44Ary Jesosy niantso ka nanao hoe: Izay mino Ahy, dia tsy Izaho no inoany, fa Izay naniraka Ahy.
45and he that beholds me, beholds him that sent me.
45Ary izay mahita Ahy dia mahita Izay naniraka Ahy.
46I am come into the world [as] light, that every one that believes on me may not abide in darkness;
46Izaho tonga amin'izao tontolo izao ho fahazavana, mba tsy hitoetra ao amin'ny maizina izay rehetra mino Ahy.
47and if any one hear my words and do not keep [them], I judge him not, for I am not come that I might judge the world, but that I might save the world.
47Ary raha misy mandre ny teniko ka tsy mitandrina, Izaho tsy mitsara azy; fa tsy tonga hitsara izao tontolo izao Aho, fa hamonjy izao tontolo izao.
48He that rejects me and does not receive my words, has him who judges him: the word which I have spoken, that shall judge him in the last day.
48Izay manda Ahy ka tsy mandray ny teniko, dia manana izay mitsara azy: ny teny izay nolazaiko, izany ihany no hitsara azy amin'ny andro farany,
49For I have not spoken from myself, but the Father who sent me has himself given me commandment what I should say and what I should speak;
49satria Izaho tsy niteny ho Ahy, fa ny Ray Izay naniraka Ahy, Izy no nandidy Ahy izay holazaiko sy izay hotoriko.Ary fantatro fa fiainana mandrakizay ny didiny; koa izay lazaiko dia lazaiko araka izay nolazain'ny Ray tamiko.
50and I know that his commandment is life eternal. What therefore I speak, as the Father has said to me, so I speak.
50Ary fantatro fa fiainana mandrakizay ny didiny; koa izay lazaiko dia lazaiko araka izay nolazain'ny Ray tamiko.