Darby's Translation

Malagasy

John

14

1Let not your heart be troubled; ye believe on God, believe also on me.
1Aza malahelo ny fonareo; minoa an'Andriamanitra, ary minoa Ahy koa. [Na: mino an'Andriamanitra ianareo, dia minoa Ahy koa]
2In my Father's house there are many abodes; were it not so, I had told you: for I go to prepare you a place;
2Ao an-tranon'ny Raiko misy fitoerana maro; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho.
3and if I go and shall prepare you a place, I am coming again and shall receive you to myself, that where I am ye also may be.
3Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa.
4And ye know where I go, and ye know the way.
4Ary fantatrareo koa ny lalana ho any amin'izay halehako. [Na: (ary izay alehako dia fantatrareo, ary fantatrareo koa ny lalana)]
5Thomas says to him, Lord, we know not where thou goest, and how can we know the way?
5Hoy Tomasy taminy: Tompoko, tsy fantatray izay alehanao; ka hataonay ahoana no fahafantatra ny lalana?
6Jesus says to him, I am the way, and the truth, and the life. No one comes to the Father unless by me.
6Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako.
7If ye had known me, ye would have known also my Father, and henceforth ye know him and have seen him.
7Raha nahafantatra Ahy ianareo, dia ho nahafantatra ny Raiko koa; ary hatramin'izao dia mahafantatra Azy ianareo sady efa nahita Azy.
8Philip says to him, Lord, shew us the Father and it suffices us.
8Hoy Filipo taminy: Tompoko, asehoy anay ny Ray, dia ampy ho anay izay.
9Jesus says to him, Am I so long a time with you, and thou hast not known me, Philip? He that has seen me has seen the Father; and how sayest thou, Shew us the Father?
9Hoy Jesosy taminy: Izay ela izay no efa nitoerako teto aminareo, ka tsy mbola fantatrao ihany va Aho, ry Filipo? Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray; koa ahoana no anaovanareo hoe: Asehoy anay ny Ray?
10Believest thou not that I [am] in the Father, and that the Father is in me? The words which I speak to you I do not speak from myself; but the Father who abides in me, he does the works.
10Tsy mino va ianao fa Izaho ao amin'ny Ray, ary ny Ray ato amiko? Ny teny izay lazaiko aminareo, dia tsy avy amiko izany lazaiko izany; fa ny Ray mitoetra ato amiko no manao ny asa.
11Believe *me* that I [am] in the Father and the Father in me; but if not, believe me for the works' sake themselves.
11Minoa Ahy fa Izaho ao amin'ny Ray, ary ny Ray ato amiko; fa raha tsy izany, dia minoa Ahy noho ny asa ihany aza.
12Verily, verily, I say to you, He that believes on me, the works which I do shall he do also, and he shall do greater than these, because I go to the Father.
12Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany amin'ny Ray.
13And whatsoever ye shall ask in my name, this will I do, that the Father may be glorified in the Son.
13Ary na inona na inona no hangatahinareo amin'ny anarako, dia hataoko izany, mba hankalazana ny Ray eo amin'ny Zanaka.
14If ye shall ask anything in my name, I will do it.
14Raha mangataka zavatra amiko amin'ny anarako ianareo, dia hataoko izany. [Na: mangataka zavatra amin'ny anarako]
15If ye love me, keep my commandments.
15Raha tia Ahy ianareo, dia hitandrina ny didiko.
16And I will beg the Father, and he will give you another Comforter, that he may be with you for ever,
16Ary Izaho hangataka amin'ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra hafa mba ho eo aminareo mandrakizay, [Gr. Parakleto, dia Mpanampy, na Mpampahery, na Solovava]
17the Spirit of truth, whom the world cannot receive, because it does not see him nor know him; but ye know him, for he abides with you, and shall be in you.
17dia ny Fanahin'ny fahamarinana, Izay tsy azon'izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo.
18I will not leave you orphans, I am coming to you.
18Tsy hamela anareo ho kamboty Aho; hankatỳ aminareo Aho.
19Yet a little and the world sees me no longer; but ye see me; because I live ye also shall live.
19Vetivety foana dia tsy hahita Ahy intsony izao tontolo izao; fa ianareo no hahita Ahy; satria velona Aho, dia ho velona koa ianareo.
20In that day ye shall know that I [am] in my Father, and ye in me, and I in you.
20Amin'izany andro izany dia ho fantatrareo fa Izaho ao amin'ny Raiko, ary ianareo ato amiko, ary Izaho ao aminareo.
21He that has my commandments and keeps them, he it is that loves me; but he that loves me shall be loved by my Father, and I will love him and will manifest myself to him.
21Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no tia Ahy; ary izay tia Ahy no ho tian'ny Raiko, ary Izaho ho tia azy ka hiseho aminy.
22Judas, not the Iscariote, says to him, Lord, how is it that thou wilt manifest thyself to us and not to the world?
22Hoy Jodasy (tsy Iskariota) taminy: Tompoko, nahoana no aminay ihany no hisehoanao, fa tsy amin'izao tontolo izao koa?
23Jesus answered and said to him, If any one love me, he will keep my word, and my Father will love him, and we will come to him and make our abode with him.
23Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ary ny Raiko ho tia azy, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy.
24He that loves me not does not keep my words; and the word which ye hear is not mine, but [that] of the Father who has sent me.
24Izay tsy tia Ahy dia tsy mitandrina ny teniko; ary ny teny izay renareo dia tsy Ahy, fa an'ny Ray izay naniraka Ahy.
25These things I have said to you, abiding with you;
25Izany teny izany dia efa voalazako taminareo raha mbola mitoetra eto aminareo Aho;
26but the Comforter, the Holy Spirit, whom the Father will send in my name, *he* shall teach you all things, and will bring to your remembrance all the things which I have said to you.
26fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin'ny Ray amin'ny anarako. Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo. [Gr. Parakleto, dia Mpanampy, na Mpampahery, na Solovava]
27I leave peace with you; I give *my* peace to you: not as the world gives do I give to you. Let not your heart be troubled, neither let it fear.
27Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen'izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo.
28Ye have heard that I have said unto you, I go away and I am coming to you. If ye loved me ye would rejoice that I go to the Father, for [my] Father is greater than I.
28Efa renareo fa Izaho nilaza taminareo hoe: Handeha Aho, nefa ho avy aminareo indray. Raha tia Ahy ianareo, dia ho faly, satria mankany amin'ny Ray Aho; fa ny Ray dia lehibe noho Izaho.
29And now I have told you before it comes to pass, that when it shall have come to pass ye may believe.
29Ary ankehitriny efa nilaza taminareo Aho, dieny tsy mbola tonga izany, mba hinoanareo, rehefa tonga.
30I will no longer speak much with you, for the ruler of the world comes, and in me he has nothing;
30Tsy hilaza zavatra maro aminareo intsony Aho; fa avy ny andrianan'izao tontolo izao, nefa tsy manana na inona na inona ato amiko izy.Fa mba ho fantatr'izao tontolo izao fa tiako ny Ray, ary araka izay nandidian'ny Ray Ahy, dia izany no hataoko. Mitsangàna, andeha isika hiala eto.
31but that the world may know that I love the Father, and as the Father has commanded me, thus I do. Rise up, let us go hence.
31Fa mba ho fantatr'izao tontolo izao fa tiako ny Ray, ary araka izay nandidian'ny Ray Ahy, dia izany no hataoko. Mitsangàna, andeha isika hiala eto.