1Jesus, having said these things, went out with his disciples beyond the torrent Cedron, where was a garden, into which he entered, he and his disciples.
1Rehefa voalazan'i Jesosy izany teny izany, dia nandeha Izy mbamin'ny mpianany ka nita ny lohasahan-driaka Kidrona; ary nisy saha teo, izay nidiran'izy sy ny mpianany.
2And Judas also, who delivered him up, knew the place, because Jesus was often there, in company with his disciples.
2Ary Jodasy koa, ilay namadika Azy, dia nahalala izany tany izany, satria mpankao matetika Jesosy mbamin'ny mpianany.
3Judas therefore, having got the band, and officers of the chief priests and Pharisees, comes there with lanterns and torches and weapons.
3Ary Jodasy, rehefa nahazo ny miaramila iray toko sy mpiandry raharaha avy tamin'ny lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo, dia nankeo nitondra fanilo sy fanala ary fiadiana.
4Jesus therefore, knowing all things that were coming upon him, went forth and said to them, Whom seek ye?
4Ary satria fantatr'i Jesosy izay rehetra hanjo Azy, dia nivoaka Izy ka nanao tamin'ireo hoe: Iza moa no tadiavinareo?
5They answered him, Jesus the Nazaraean. Jesus says to them, I am [he]. And Judas also, who delivered him up, stood with them.
5Ary ireo namaly Azy hoe: Jesosy avy any Nazareta. Hoy Jesosy taminy: Izaho no Izy. Ary teo koa Jodasy, ilay namadika Azy.
6When therefore he said to them, I am [he], they went away backward and fell to the ground.
6Ary raha Jesosy vao nilaza taminy hoe: Izaho no Izy, dia nianotra ireo ka lavo tamin'ny tany.
7He demanded of them therefore again, Whom seek ye? And they said, Jesus the Nazaraean.
7Ary Jesosy nanontany azy indray hoe: Iza moa no tadiavinareo? Dia hoy izy: Jesosy avy any Nazareta.
8Jesus answered, I told you that I am [he]: if therefore ye seek me, let these go away;
8Jesosy namaly hoe: Efa nolazaiko taminareo fa Izaho no Izy; koa raha Izaho no tadiavinareo, dia avelao handeha ireto;
9that the word might be fulfilled which he spoke, [As to] those whom thou hast given me, I have not lost one of them.
9mba hahatanteraka ny teny izay nataony hoe: Tsy nasiako very izay nomenao Ahy.
10Simon Peter therefore, having a sword, drew it, and smote the bondman of the high priest and cut off his right ear; and the bondman's name was Malchus.
10Ary Simona Petera nanana sabatra, dia nanatsoaka azy ka nikapa ny mpanompon'ny mpisoronabe ary nahafaka ny sofiny ankavanana. Ary Malko no anaran'ilay mpanompo.
11Jesus therefore said to Peter, Put the sword into the sheath; the cup which the Father has given me, shall I not drink it?
11Dia hoy Jesosy tamin'i Petera: Ampidiro amin'ny tranony ny sabatrao; ny kapoaka nomen'ny Raiko Ahy tsy hosotroiko va?
12The band therefore, and the chiliarch, and the officers of the Jews, took Jesus and bound him:
12Ary ny miaramila iray toko sy ny mpifehy arivo ary ny mpiandry raharaha tamin'ny Jiosy dia nisambotra an'i Jesosy ka namatotra Azy,
13and they led him away to Annas first; for he was father-in-law to Caiaphas, who was high priest that year.
13dia nitondra Azy tany amin'i Anasy aloha, fa izy no rafozan'i Kaiafa, mpisoronabe tamin'izany taona izany.
14But it was Caiaphas who counselled the Jews that it was better that one man should perish for the people.
14Ary Kaiafa no ilay nanome saina ny Jiosy fa mahatsara raha maty ny olona anankiray hamonjy ny firenena.
15Now Simon Peter followed Jesus, and the other disciple. But that disciple was known to the high priest, and went in with Jesus into the palace of the high priest;
15Ary Simona Petera sy ny mpianatra anankiray koa dia nanaraka an'i Jesosy; ary fantatry ny mpisoronabe izany mpianatra izany, dia niara-niditra tamin'i Jesosy ho ao an-kianjan'ny tranon'ny mpisoronabe izy.
16but Peter stood at the door without. The other disciple therefore, who was known to the high priest, went out and spoke to the porteress and brought in Peter.
16Fa Petera nijanona teo ala-trano teo am-bavahady. Dia nivoaka ilay mpianatra anankiray, izay fantatry ny mpisoronabe, ka niteny tamin'ny mpiandry vavahady, dia nitondra an'i Petera niditra.
17The maid therefore, who was porteress, says to Peter, Art thou also of the disciples of this man? He says, I am not.
17Ary hoy ny ankizivavy mpiandry vavahady tamin'i Petera: Moa ianao mba isan'ny mpianatr'io Lehilahy io? Hoy izy: Tsia.
18But the bondmen and officers, having made a fire of coals (for it was cold), stood and warmed themselves; and Peter was standing with them and warming himself.
18Ary ny mpanompo sy ny mpiandry raharaha namelona afon'arina ka nijanona namindro teo, fa nangatsiaka ny andro; ary Petera koa mba nijanona niara-namindro taminy.
19The high priest therefore demanded of Jesus concerning his disciples and concerning his doctrine.
19Ary ny mpisoronabe nanadina an'i Jesosy ny amin'ny mpianany sy ny fampianarany.
20Jesus answered him, I spoke openly to the world; I taught always in [the] synagogue and in the temple, where all the Jews come together, and in secret I have spoken nothing.
20Jesosy namaly azy hoe: Izaho niteny miharihary tamin'izao tontolo izao; Izaho nampianatra mandrakariva tao amin'ny synagoga sy ny kianjan'ny tempoly, izay iangonan'ny Jiosy rehetra; ary tsy nisy nolazaiko tao amin'ny takona;
21Why demandest thou of me? Demand of those who have heard, what I have spoken to them; behold, they know what I have said.
21koa nahoana no manontany Ahy ianao? Ireo nihaino no anontanio izay nolazaiko taminy; fa ireo no mahalala izay nolazaiko.
22But as he said these things, one of the officers who stood by gave a blow on the face to Jesus, saying, Answerest thou the high priest thus?
22Ary rehefa nilaza izany teny izany Izy, ny mpiandry raharaha anankiray izay nitsangana teo dia namely tahamaina an'i Jesosy ka nanao hoe: Izany va no famalinao ny mpisoronabe? [Na: tehina]
23Jesus answered him, If I have spoken evil, bear witness of the evil; but if well, why smitest thou me?
23Jesosy namaly azy hoe: Raha niteny ratsy Aho, ambarao izay ratsy; fa raha tsara ihany kosa, nahoana no dia mamely Ahy ianao?
24Annas [then] had sent him bound to Caiaphas the high priest.
24Ary dia nasain'i Anasy nentina tamin'ny fatorany ho any amin'i Kaiafa mpisoronabe Izy.
25But Simon Peter was standing and warming himself. They said therefore to him, Art thou also of his disciples? He denied, and said, I am not.
25Ary Simona Petera nijanona namindro. Dia nisy nilaza taminy hoe: Moa ianao koa mba isan'ny mpianany? Fa izy nandà ka nanao hoe: Tsia.
26One of the bondmen of the high priest, who was kinsman of him whose ear Peter cut off, says, Did not I see thee in the garden with him?
26Hoy ny anankiray tamin'ny mpanompon'ny mpisoronabe havan'ilay nokapain'i Petera ny sofiny: Tsy efa hitako teo aminy tao anaty saha va ianao?
27Peter denied therefore again, and immediately [the] cock crew.
27Dia nandà indray Petera; ary niaraka tamin'izay dia nisy akoho naneno.
28They lead therefore Jesus from Caiaphas to the praetorium; and it was early morn. And *they* entered not into the praetorium, that they might not be defiled, but eat the passover.
28Ary Jesosy dia nentiny niala tao amin'i Kaiafa ho ao anatirova; ary maraina koa ny andro tamin'izay; nefa ireo tsy niditra tao anati-rova, fandrao ho voaloto, fa efa hihinana ny Paska izy. [Gr. pretoria]
29Pilate therefore went out to them and said, What accusation do ye bring against this man?
29Ary Pilato nivoaka ho eo aminy teo ivelany ka nanao hoe: Inona moa no iampanganareo io Lehilahy io?
30They answered and said to him, If this [man] were not an evildoer, we should not have delivered him up to thee.
30Dia namaly ireo ka nanao taminy hoe: Raha tsy mpanao ratsy Izy, dia tsy mba natolotray anao.
31Pilate therefore said to them, Take him, ye, and judge him according to your law. The Jews therefore said to him, It is not permitted to us to put any one to death;
31Ary hoy Pilato taminy: Entonareo Izy, ka tsarao araka ny lalànareo. Hoy ny Jiosy taminy: Izahay tsy manam-pahefana hahafaty olona;
32that the word of Jesus might be fulfilled which he spoke, signifying what death he should die.
32mba hahatanteraka ny tenin'i Jesosy izay nolazainy nanambara ny fomban'ny fahafatesana izay efa hiaretany.
33Pilate therefore entered again into the praetorium and called Jesus, and said to him, Thou art the king of the Jews?
33Ary niditra tao anati-rova indray Pilato, dia niantso an'i Jesosy ka nanao taminy hoe: Hianao va no Mpanjakan'ny Jiosy? [Gr. pretoria]
34Jesus answered [him], Dost thou say this of thyself, or have others said it to thee concerning me?
34Jesosy namaly hoe: Hevitrao ihany va no anaovanao izany, sa nisy hafa nilaza Ahy taminao?
35Pilate answered, Am I a Jew? Thy nation and the chief priests have delivered thee up to me: what hast thou done?
35Pilato namaly hoe: Moa aho Jiosy? Ny firenenao sy ny mpisoronabe no nanolotra Anao tamiko; inona moa no nataonao?
36Jesus answered, My kingdom is not of this world; if my kingdom were of this world, my servants had fought that I might not be delivered up to the Jews; but now my kingdom is not from hence.
36Jesosy namaly hoe: Ny fanjakako tsy avy amin'izao tontolo izao; fa raha mba avy amin'izao tontolo izao ny fanjakako, dia ho niady ny mpanompoko, mba tsy ho voatolotra tamin'ny Jiosy Aho; nefa ankehitriny tsy avy amin'izany ny fanjakako.
37Pilate therefore said to him, Thou art then a king? Jesus answered, Thou sayest [it], that I am a king. I have been born for this, and for this I have come into the world, that I might bear witness to the truth. Every one that is of the truth hears my voice.
37Ary hoy Pilato taminy: Mpanjaka va ary Hianao ? Jesosy namaly hoe: Voalazanao fa mpanjaka Aho. Izao no nahaterahako, ary izao no nihaviako amin'izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina. Izay rehetra avy amin'ny marina dia mihaino ny feoko.
38Pilate says to him, What is truth? And having said this he went out again to the Jews, and says to them, I find no fault whatever in him.
38Hoy Pilato taminy: Inona no marina? Ary rehefa nanontany izany izy, dia nivoaka nankeo amin'ny Jiosy indray ka nanao taminy hoe: Tsy hitako izay helony, na dia kely akory aza.
39But ye have a custom that I release [some] one to you at the passover; will ye therefore that I release unto you the king of the Jews?
39Fa misy fanaonareo amin'ny Paska, handefasako anankiray ho anareo; koa tianareo va raha halefako ho anareo ny Mpanjakan'ny Jiosy?Ary ireo niantso indray ka nanao hoe: Tsy Ilehio, fa Barabasy; koanefa jiolahy Barabasy.
40They cried therefore again all, saying, Not this [man], but Barabbas. Now Barabbas was a robber.
40Ary ireo niantso indray ka nanao hoe: Tsy Ilehio, fa Barabasy; koanefa jiolahy Barabasy.