1And on the first [day] of the week Mary of Magdala comes in early morn to the tomb, while it was still dark, and sees the stone taken away from the tomb.
1Ary tamin'ny andro voalohany amin'ny herinandro dia nandeha maraina koa mbola maizimaizina hankany amin'ny fasana Maria Magdalena ka nahita ny vato voaisotra tamin'ny fasana.
2She runs therefore and comes to Simon Peter, and to the other disciple, to whom Jesus was attached, and says to them, They have taken away the Lord out of the tomb, and we know not where they have laid him.
2Dia nihazakazaka nankany amin'i Simona Petera sy ilay mpianatra tian'i Jesosy izy ka nanao taminy hoe: Nalain'olona tao am-pasana ny Tompo, ka tsy fantatray izay nametrahany Azy.
3Peter therefore went forth, and the other disciple, and came to the tomb.
3Dia nandeha Petera sy ilay mpianatra anankiray ka nankany amin'ny fasana.
4And the two ran together, and the other disciple ran forward faster than Peter, and came first to the tomb,
4Ary niara-nihazakazaka izy roa lahy; ary ilay mpianatra anankiray nihazakazaka nihoatra an'i Petera ka tonga taloha tao amin'ny fasana.
5and stooping down he sees the linen cloths lying; he did not however go in.
5Ary nony niondrika nitsirika izy, dia nahita ny lambam-paty nipetraka teo, nefa tsy niditra tao izy.
6Simon Peter therefore comes, following him, and entered into the tomb, and sees the linen cloths lying,
6Ary avy koa Simona Petera nanaraka azy, dia niditra tao am-pasana ka nijery ny lambam-paty nipetraka teo,
7and the handkerchief which was upon his head, not lying with the linen cloths, but folded up in a distinct place by itself.
7ary ny mosara izay nafehy ny lohany tsy mba nipetraka teo amin'ny lambam-paty, fa voavalona mitokana.
8Then entered in therefore the other disciple also who came first to the tomb, and he saw and believed;
8Ary tamin'izay dia niditra koa ny mpianatra anankiray izay tonga taloha teo amin'ny fasana, ary nahita ka nino.
9for they had not yet known the scripture, that he must rise from among [the] dead.
9Fa tsy mbola fantany ny Soratra Masina fa tsy maintsy hitsangana amin'ny maty Jesosy.
10The disciples therefore went away again to their own home.
10Dia lasa indray ny mpianatra nody tany aminy.
11But Mary stood at the tomb weeping without. As therefore she wept, she stooped down into the tomb,
11Fa Maria nijanona nitomany teo ivelan'ny fasana; ary raha nitomany izy, dia niondrika nitsirika ny tao am-pasana
12and beholds two angels sitting in white [garments], one at the head and one at the feet, where the body of Jesus had lain.
12ka nahita anjely roa nitafy lamba fotsy nipetraka teo, ny anankiray teo an-doha tamin'ilay nandrian'ny fatin'i Jesosy, ary ny anankiray teo an-tongotra.
13And they say to her, Woman, why dost thou weep? She says to them, Because they have taken away my Lord, and I know not where they have laid him.
13Ary hoy ireo taminy: Ravehivavy, nahoana ianao no mitomany? Dia hoy izy taminy: Satria nalain'olona ny Tompoko, ka tsy fantatro izay nametrahany Azy.
14Having said these things she turned backward and beholds Jesus standing [there], and knew not that it was Jesus.
14Rehefa nilaza izany izy, dia nitodika ka nahita an'i Jesosy nitsangana teo, nefa tsy fantany ho Jesosy.
15Jesus says to her, Woman, why dost thou weep? Whom seekest thou? She, supposing that it was the gardener, says to him, Sir, if thou hast borne him hence, tell me where thou hast laid him, and I will take him away.
15Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, nahoana ianao no mitomany? iza no tadiavinao? Nataony fa mpiandry saha Izy, ka hoy izy taminy: Tompoko, raha Hianao no naka Azy teto, lazao amiko izay nametrahanao Azy, ary izaho dia haka Azy.
16Jesus says to her, Mary. She, turning round, says to him in Hebrew, Rabboni, which means Teacher.
16Hoy Jesosy taminy: Ry Maria! Dia nitodika izy ka niteny taminy nanao teny Hebreo hoe: Rabôny! izany hoe: Mpampianatra ô.
17Jesus says to her, Touch me not, for I have not yet ascended to my Father; but go to my brethren and say to them, I ascend to my Father and your Father, and [to] my God and your God.
17Hoy Jesosy taminy: Aza manendry Ahy; fa tsy mbola niakatra tany amin'ny Ray Aho; fa mandehana mankany amin'ny rahalahiko, ka lazao aminy hoe: Miakatra ho any amin'ny Raiko sy ny Rainareo Aho, ary ho any amin'Andriamanitro sy Andriamanitrareo.
18Mary of Magdala comes bringing word to the disciples that she had seen the Lord, and [that] he had said these things to her.
18Dia tonga Maria Magdalena ka nilaza tamin'ny mpianatra hoe: Efa nahita ny Tompo aho, sady izany teny izany no nolazainy taminy.
19When therefore it was evening on that day, which was the first [day] of the week, and the doors shut where the disciples were, through fear of the Jews, Jesus came and stood in the midst, and says to them, Peace [be] to you.
19Ary rehefa harivan'ilay andro voalohany amin'ny herinandro, raha voarindrina ny varavaran'izay niangonan'ny mpianatra, noho ny fahatahorany ny Jiosy, dia tonga Jesosy ka nitsangana teo afovoany, dia nanao taminy hoe: Fiadanana ho anareo.
20And having said this, he shewed to them his hands and his side. The disciples rejoiced therefore, having seen the Lord.
20Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nasehony azy ny tànany sy ny lanivoany. Dia faly ny mpianatra, raha nahita ny Tompo.
21[Jesus] said therefore again to them, Peace [be] to you: as the Father sent me forth, I also send you.
21Ary hoy indray Jesosy taminy: Fiadanana ho anareo; tahaka ny nanirahan'ny Ray Ahy no anirahako anareo kosa.
22And having said this, he breathed into [them], and says to them, Receive [the] Holy Spirit:
22Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nanisy fofonaina, ka hoy Izy taminy; Raiso ny Fanahy Masina;
23whose soever sins ye remit, they are remitted to them; whose soever [sins] ye retain, they are retained.
23na helok'iza na helok'iza no avelanareo, dia voavela izany; ary na an'iza na an'iza kosa no tsy avelanareo, dia tsy voavela izany.
24But Thomas, one of the twelve, called Didymus, was not with them when Jesus came.
24Fa Tomasy, anankiray tamin'ny roa ambin'ny folo lahy, ilay atao hoe Didymo, dia tsy mba teo aminy raha tonga Jesosy.
25The other disciples therefore said to him, We have seen the Lord. But he said to them, Unless I see in his hands the mark of the nails, and put my finger into the mark of the nails, and put my hand into his side, I will not believe.
25Dia hoy ny mpianatra sasany taminy: Efa nahita ny Tompo izahay. Fa hoy kosa izy taminy: Raha tsy hitako eo amin'ny tànany ny holatry ny nohomboana, ka ataoko eo amin'ny holatry ny nohomboana ny rantsan-tanako, ary ataoko eo amin'ny lanivoany koa ny tanako, dia tsy mba hino aho.
26And eight days after, his disciples were again within, and Thomas with them. Jesus comes, the doors being shut, and stood in the midst and said, Peace [be] to you.
26Ary nony afaka havaloana, dia tafangona teo indray ny mpianany, ary teo koa Tomasy. Dia tonga Jesosy, rehefa voarindrina ny varavarana, ka nitsangana teo afovoany, dia nanao hoe: Fiadanana ho anareo.
27Then he says to Thomas, Bring thy finger here and see my hands; and bring thy hand and put it into my side; and be not unbelieving, but believing.
27Ary hoy Izy tamin'i Tomasy: Atehefo eto ny rantsan'tananao, ka jereo ny tanako; ary atehefo eto koa ny tananao, ka ataovy amin'ny lanivoako; ary aza ho isan'izay tsy mino, fa minoa.
28Thomas answered and said to him, My Lord and my God.
28Dia namaly Tomasy ka nanao taminy hoe: Tompoko sy Andriamanitro!
29Jesus says to him, Because thou hast seen me thou hast believed: blessed they who have not seen and have believed.
29Hoy Jesosy taminy: Satria nahita Ahy ianao, dia nino; sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino.
30Many other signs therefore also Jesus did before his disciples, which are not written in this book;
30Ary nisy famantarana maro hafa koa nataon'i Jesosy teo imason'ny mpianatra, izay tsy voasoratra amin'ity boky ity;fa voasoratra izao, mba hinoanareo fa Jesosy no Kristy, Zanak'Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin'ny anarany, raha mino ianareo.
31but these are written that ye may believe that Jesus is the Christ, the Son of God, and that believing ye might have life in his name.
31fa voasoratra izao, mba hinoanareo fa Jesosy no Kristy, Zanak'Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin'ny anarany, raha mino ianareo.