Darby's Translation

Malagasy

Jonah

2

1And Jonah prayed unto Jehovah his God out of the fish's belly;
1[Ny namonjena an'i Jona, sy ny vavaka aman-tsaotra nataony] Ary Jehovah nanomana hazandrano lehibe hitelina an'i Jona. Ary Jona dia tao an-kibon'ilay hazandrano hateloan'andro sy hateloan'alina.
2and he said: I cried by reason of my distress unto Jehovah, and he answered me; Out of the belly of Sheol cried I: thou heardest my voice.
2Dia nivavaka tamin'i Jehovah Andriamaniny tao an-kibon'ny hazandrano Jona
3For thou didst cast me into the depth, into the heart of the seas, And the flood was round about me: All thy breakers and thy billows are gone over me.
3ka nanao hoe: Niantso an'i Jehovah tamin'ny fahoriako aho, Ka dia namaly ahy Izy; Tao anatin'ny fiainan-tsi-hita no nitarainako, Dia nihaino ny feoko Hianao.[Heb. Shoela]
4And I said, I am cast out from before thine eyes, Yet will I look again toward thy holy temple.
4Fa efa natsipinao tao amin'ny lalina aho, Dia tao amin'ny ranomasina, Ka voasafotry ny riaka aho; Nanarona ahy ny alon-dranonao sy ny onjanao rehetra.
5The waters encompassed me, to the soul: The deep was round about me, The weeds were wrapped about my head.
5Dia hoy izaho: Voaroaka tsy ho eo anatrehanao aho, Nefa mbola nanatrika ny tempolinao masina ihany.
6I went down to the bottoms of the mountains; The bars of the earth [closed] upon me for ever: But thou hast brought up my life from the pit, O Jehovah my God.
6Ny rano nanarona ahy hatramin'ny aiko, Ny lalina namefy ahy manodidina; Ny zava-maniry any an-dranomasina nisingotra manodidina ny lohako.
7When my soul fainted within me, I remembered Jehovah; And my prayer came in unto thee, Into thy holy temple.
7Tafalatsaka tany amin'ny fanambanin'ny tendrombohitra aho; Ny hidin'ny tany nanidy ahy mandrakizay; Nefa nampiakatra ny aiko avy tao an-davaka Hianao, Jehovah Andriamanitro ô.
8They that observe lying vanities forsake their own mercy.
8Raha reraka tato anatiko ny fanahiko, Dia nahatsiaro an'i Jehovah aho; Ka tonga tao aminao ny fivavako, Dia tao amin'ny tempolinao masina.
9But I will sacrifice unto thee with the voice of thanksgiving; I will pay that which I have vowed. Salvation is of Jehovah.
9Izay mivavaka amin'ny sampy Dia mahafoy Izay Mpamindra fo aminy [Heb. zava-poana mandainga][Heb. ny famindram-pony]
10And Jehovah commanded the fish, and it vomited out Jonah upon the dry [land].
10Fa izaho, dia feo midera no entiko mamono zavatra hatao fanatitra ho Anao, Ary izay nivoadiako dia hefaiko; An'i Jehovah ny famonjena.Ary Jehovah nandidy ilay hazandrano, ka dia naloany ho eny amin'ny tany maina Jona.
11Ary Jehovah nandidy ilay hazandrano, ka dia naloany ho eny amin'ny tany maina Jona.