Darby's Translation

Malagasy

Joshua

1

1And it came to pass after the death of Moses the servant of Jehovah, that Jehovah spoke to Joshua the son of Nun, Moses' attendant, saying,
1[Ny niomanan'i Josoa sy ny olona hita an'i Jordana] Ary rehefa maty Mosesy, mpanompon'i Jehovah, dia hoy Jehovah tamin'i Josoa, zanak'i Nona, mpanompon'i Mosesy:
2Moses my servant is dead; and now, rise up, go over this Jordan, thou and all this people, into the land which I give unto them, to the children of Israel.
2Efa maty Mosesy mpanompoko; koa mitsangàna, mità ity Jordana ity ianao sy ireo olona rehetra ireo ho any amin'ny tany izay omeko azy, dia ny Zanak'Isiraely.
3Every place whereon the sole of your foot shall tread have I given to you, as I said unto Moses.
3Ny tany rehetra izay hodiavin'ny faladianareo dia efa nomeko anareo, araka izay voalazako tamin'i Mosesy.
4From the wilderness and this Lebanon to the great river, the river Euphrates, the whole land of the Hittites, to the great sea, toward the going down of the sun, shall be your border.
4Hatramin'ny efitra sy iry Libanona iry ary hatramin'ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata, ny tany rehetra izay an'ny Hetita, ka hatramin'ny Ranomasina Lehibe any andrefana no ho taninareo.
5None shall be able to stand before thee all the days of thy life: as I was with Moses, so will I be with thee; I will not leave thee, neither will I forsake thee.
5Tsy hisy olona hahajanona eo anoloanao amin'ny andro rehetra hiainanao; tahaka ny nombako an'i Mosesy no hombako anao koa; tsy handao anao na hahafoy anao Aho.
6Be strong and courageous, for thou shalt cause this people to inherit the land which I have sworn unto their fathers to give them.
6Mahereza sy matanjaha; fa ianao no hampandova ity firenena ity ny tany izay nianianako tamin'ny razany homena azy.
7Only be strong and very courageous, that thou mayest take heed to do according to all the law that Moses my servant commanded thee. Turn not from it to the right or to the left, that thou mayest prosper whithersoever thou goest.
7Koa mahereza sy matanjaha tsara ianao, hitandremanao hanao araka ny lalana rehetra, izay nandidian'i Mosesy mpanompoko anao; aza miala aminy, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia, mba hambinina ianao amin'izay rehetra alehanao. [Na: ho hita ho hendry]
8This book of the law shall not depart from thy mouth; and thou shalt meditate upon it day and night, that thou mayest take heed to do according to all that is written therein; for then shalt thou have good success in thy ways, and then shalt thou prosper.
8Aoka tsy hiala amin'ny vavanao ity bokin'ny lalàna ity, fa saintsaino andro aman'alina, hitandremanao hanao araka izay rehetra voasoratra eo; ary amin'izany dia hahalavorary ny lalanao ianao sady hambinina. [Na: ho hita ho hendry]
9Have I not commanded thee: Be strong and courageous? Be not afraid, neither be dismayed; for Jehovah thy God is with thee whithersoever thou goest.
9Tsy efa nandidy anao va Aho? Koa mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin'izay rehetra alehanao.
10And Joshua commanded the officers of the people, saying,
10Ary Josoa nandidy ny mpifehy ka nanao hoe:
11Go through the midst of the camp, and command the people, saying, Prepare yourselves victuals, for in three days ye shall pass over this Jordan, that ye may enter in to take possession of the land which Jehovah your God giveth you to possess it.
11Andeha mamaky ny toby, ka mandidia ny olona hoe: Manamboara vatsy ho anareo; fa raha afaka hateloana, dia hita ity Jordana ity ianareo ka hiditra sy handova ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrareo ho lovanareo.
12And to the Reubenites and to the Gadites and to half the tribe of Manasseh spoke Joshua, saying,
12Ary ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen'i Manase dia nilazan'i Josoa hoe:
13Remember the word that Moses the servant of Jehovah commanded you, saying, Jehovah your God has given you rest and has given you this land.
13Tsarovy ny teny izay nandidian'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, anareo hoe: Jehovah Andriamanitrareo manome fitsaharana ho anareo, ary homeny ho anareo izao tany izao.
14Your wives, your little ones, and your cattle shall abide in the land that Moses gave you on this side of the Jordan, but ye, all the valiant men, shall go over in array before your brethren and help them,
14Ny vadinareo sy ny zanakareo madinika ary ny biby fiompinareo dia hitoetra eo amin'ny tany izay nomen'i Mosesy anareo etỳ an-dafin'i Jordana; fa ianareo lehilahy mahery rehetra dia samy ho voaomana hiady ka hita eo alohan'ny rahalahinareo hanampy azy,
15until Jehovah give your brethren rest as to you, and they also take possession of the land which Jehovah your God giveth them; then shall ye return into the land of your possession and possess it, which Moses the servant of Jehovah gave you on this side of the Jordan toward the sun-rising.
15mandra-panomen'i Jehovah fitsaharana ny rahalahinareo tahaka anareo, ka mba holovany kosa ny tany izay nomen'i Jehovah Andriamanitrareo azy; dia hiverina ho any amin'ny taninareo ianareo ka handova azy, dia ilay nomen'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, anareo etỳ an-dafy atsinanan'i Jordana.
16And they answered Joshua, saying, All that thou hast commanded us will we do, and whither thou shalt send us will we go.
16Dia namaly an'i Josoa izy ireo ka nanao hoe: Izay rehetra andidianao anay dia hataonay; ary izay rehetra anirahanao anay dia halehanay.
17According as we hearkened to Moses in all things, so will we hearken to thee; only may Jehovah thy God be with thee as he was with Moses.
17Araka ny nihainoanay an'i Mosesy tamin'ny zavatra rehetra no hihainoanay anao koa; homba anao anie Jehovah Andriamanitrao tahaka ny nombany an'i Mosesy.Izay rehetra mandà ny didinao ka tsy mihaino ny teninao amin'izay rehetra andidianao azy dia hatao maty; koa mahereza sy matanjaha ianao.
18Every one that is rebellious against thy commandment and hearkeneth not to thy words in everything that thou commandest us, shall be put to death. Only be strong and courageous.
18Izay rehetra mandà ny didinao ka tsy mihaino ny teninao amin'izay rehetra andidianao azy dia hatao maty; koa mahereza sy matanjaha ianao.