1And it came to pass when Adoni-zedek king of Jerusalem heard that Joshua had taken Ai and had utterly destroyed it, that he had done to Ai and its king as he had done to Jericho and its king, and that the inhabitants of Gibeon had made peace with Israel, and were among them,
1[Ny nandresen'ny Isiraely ny mpanjaka dimy lahy, sy ny nahazoany an'i Kanana Atsimo rehetra.] Ary rehefa ren'i Adoni-zedeka, mpanjakan'i Jerosalema, fa afak'i Josoa Ay ka noravany (fa araka izay nataony tamin'i Jeriko sy ny mpanjakany no nataony tamin'Ay sy ny mpanjakany), sady nanao fihavanana tamin'ny Isiraely ny mponina tany Gibeona ka tomoetra eo aminy, [Heb. nataony herema]
2that they feared greatly; for Gibeon was a great city, as one of the royal cities, and it was greater than Ai, and all its men were mighty.
2dia raiki-tahotra indrindra izy, satria tanàna lehibe Gibeona tahaka ny anankiray amin'ny tanàna misy andriana, sady lehibe noho Ay, ary nahery ny lehilahy rehetra teo.
3And Adoni-zedek king of Jerusalem sent to Hoham king of Hebron, and to Piream king of Jarmuth, and to Japhia king of Lachish, and to Debir king of Eglon, saying,
3Dia naniraka olona Adoni-zedeka, mpanjakan'i Jerosalema, ho any amin'i Hohama mpanjakan'i Hebrona, sy Pirama, mpanjakan'i Jarmota, sy Jafia, mpanjakan'i Lakisy, ary Debira, mpanjakan'i Eglona, ka nanao hoe:
4Come up to me, and help me, that we may smite Gibeon; for it has made peace with Joshua and with the children of Israel.
4Miakara atỳ amiko, ka manampia ahy, hamelezantsika an'i Gibeona; fa efa nanao fihavanana tamin'i Josoa sy ny Zanak'Isiraely izy.
5And the five kings of the Amorites, the king of Jerusalem, the king of Hebron, the king of Jarmuth, the king of Lachish, [and] the king of Eglon, gathered themselves together, and went up, they and all their armies, and they encamped before Gibeon, and made war against it.
5Dia niangona ireo mpanjaka dimy tamin'ny Amorita ireo, dia ny mpanjakan'i Jerosalema, ny mpanjakan'i Hebrona, ny mpanjakan'i Jarmota, ny mpanjakan'i Lakisy, ary ny mpanjakan'i Eglona, ka niakatra izy sy ny miaramilany rehetra, ary nitoby tandrifin'i Gibeona ka namely azy.
6And the men of Gibeon sent to Joshua, to the camp at Gilgal, saying, Withdraw not thy hand from thy servants: come up to us quickly, and save us and help us; for all the kings of the Amorites that dwell in the hill-country are gathered against us.
6Ary ny mponina tao Gibeona dia naniraka olona ho any amin'i Josoa teo an-toby tany Gilgala hanao hoe: Aza mampiketraka ny tananao tsy hamonjy ny mpanomponao; miakara faingana ho atỳ aminay, ary vonjeo sy ampio izahay; fa miangona hamely anay ny mpanjaka rehetra amin'ny Amorita izay monina any amin'ny tany havoana.
7So Joshua went up from Gilgal, he and all the people of war with him, even all the valiant men.
7Dia niakatra niala tany Gilgala Josoa sy ny mpanafika rehetra teo aminy, dia ny lehilahy mahery rehetra.
8And Jehovah said to Joshua, Fear them not; for into thy hand have I given them: not a man of them shall stand before thee.
8Ary hoy Jehovah tamin'i Josoa: Aza matahotra azy, fa efa natolotra eo an-tananao izy, ka tsy hisy hahajanona eo anoloanao izy na dia iray akory aza.
9And Joshua came upon them suddenly; he went up from Gilgal all night.
9Ary tonga tampoka tamin'ireo Josoa; fa nanao lava alina-avy tany Gilgala izy.
10And Jehovah discomfited them before Israel, and smote them [with] a great slaughter at Gibeon; and he chased them on the way of the ascent of Beth-horon, and smote them up to Azekah and Makkedah.
10Ary Jehovah nampifanaritaka ireo teo anoloan'ny Isiraely; ary namely ireo tany Gibeona izy ka nahafaty maro be, sady nanenjika azy tamin'ny fiakarana mankany Beti-horona izy ka namely azy hatrany Azeka ka hatrany Makeda.
11And it came to pass, as they fled from before Israel, -- they were at the descent of Beth-horon, -- that Jehovah cast down great stones from heaven upon them up to Azekah, and they died. They were more who died with the hailstones than they whom the children of Israel had slain with the sword.
11Ary nony nandositra teo anoloan'ny Isiraely teo am-pidinan'i Beti-horona izy, Jehovah dia nandatsaka havandra vaventy taminy avy tany an-danitra hatrany Azeka ka nahafaty azy; ary be lavitra ny matin'ny havandra noho izay novonoin'ny Zanak'Isiraely tamin'ny sabatra.
12Then spoke Joshua to Jehovah in the day when Jehovah gave up the Amorites before the children of Israel, and he said in the sight of Israel, Sun, stand still upon Gibeon; And thou, moon, in the valley of Ajalon!
12Ary tamin'izany Josoa dia niteny tamin'i Jehovah tamin'ny andro nanoloran'i Jehovah ny Amorita teo anoloan'ny Zanak'Isiraely ka nanao teo imason'ny Zanak'Isiraely hoe: Ry masoandro, mijanòna eo ambonin'i Gibeona; Ary, ianao kosa, ry volana, any an-dohasahan'i Aialona.[Heb. mangina]
13And the sun stood still, and the moon remained where it was, until the nation had avenged themselves upon their enemies. Is not this written in the book of Jasher? And the sun remained standing in the midst of heaven, and hasted not to go down about a full day.
13Dia nijanona ny masoandro, ary nijanona koa ny volana, Mandra-pamalin'ny olona ny fahavalony. Tsy efa voasoratra eo amin'ny Bokin'i Jasara va izany? Dia nijanona teo afovoan'ny lanitra ny masoandro ka tsy nandroso hilentika tokony ho indray andro maninjitra. [Heb. mangina][Jasara = Ilay mahitsy]
14And there was no day like that before it or after it, that Jehovah hearkened to the voice of a man; for Jehovah fought for Israel.
14Ary tsy nisy andro tahaka izany, na tany alohany, na tato aoriany, izay nihainoan'i Jehovah ny feon'olona; fa Jehovah niady ho an'ny Isiraely.
15And Joshua returned, and all Israel with him, to the camp, to Gilgal.
15Ary Josoa sy ny Isiraely rehetra dia niverina nankany an-toby tany Gilgala.
16And these five kings fled, and hid themselves in the cave at Makkedah.
16Ary nandositra ny mpanjaka dimy ka niery tao anatin'ilay zohy any Makeda.
17And it was told Joshua, saying, The five kings have been found, hid in the cave at Makkedah.
17Dia nolazaina tamin'i Josoa hoe: Indreo, miery ao anatin'ilay zohy any Makeda ny mpanjaka dimy.
18And Joshua said, Roll great stones before the mouth of the cave, and set men before it to keep them.
18Ary hoy Josoa: Manakodiava vato lehibe hatampina ny vavan'ny zohy, ary asio olona eo anoloany hiambina azy;
19And ye, stay not, pursue after your enemies, and smite the hindmost of them; suffer them not to enter into their cities; for Jehovah your God has given them into your hand.
19fa ianareo aza mijanona, fa manenjeha ny fahavalonareo, ka mameleza ny vodi-lalana; aza avela ho tafiditra any an-tanànany ireny, fa efa natolotr'i Jehovah Andriamanitrareo eo an-tananareo.
20And it came to pass when Joshua and the children of Israel had ended smiting them with a very great slaughter, until they were consumed, that the remnant which remained of them entered into fortified cities;
20Ary rehefa voaringan'i Josoa sy ny Zanak'Isiraely mihitsy ireny mandra-pahalany ritrany, ka izay afa-nandositra no lasa niditra tany amin'ny tanàna mimanda,
21and all the people returned to the camp to Joshua, at Makkedah, in peace; none moved his tongue against the children of Israel.
21dia niverina soa aman-tsara ho any amin'i Josoa teo an-toby tany Makeda ny vahoaka rehetra; ary tsy nisy sahy nanao vava ratsy tamin'ny Zanak'Isiraely intsony.[Heb. nandranitra ny lelany]
22And Joshua said, Open the mouth of the cave, and bring forth to me those five kings out of the cave.
22Dia hoy Josoa: Sokafy ny vavan'ny zohy, ka avoahy ao an-johy ireo mpanjaka dimy ireo hankatỳ amiko.
23And they did so, and brought forth to him those five kings out of the cave, the king of Jerusalem, the king of Hebron, the king of Jarmuth, the king of Lachish, the king of Eglon.
23Dia nataon'ny olona izany, ka namoaka ireo mpanjaka dimy ireo avy tao an-johy izy ho eo aminy, dia ny mpanjakan'i Jerosalema, ny mpanjakan'i Hebrona, ny mpanjakan'i Jarmota, ny mpanjakan'i Lakisy, ary ny mpanjakan'i Eglona.
24And it came to pass when they had brought forth those kings to Joshua, that Joshua called to all the men of Israel, and said to the captains of the men of war who went with him, Come forward, put your feet on the necks of these kings. And they came forward and put their feet on their necks.
24Ary rehefa navoaka ireo mpanjaka ireo ka nentina ho eo amin'i Josoa, dia niantso ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely Josoa ka nanao tamin'ny mpitarika ny mpiady izay teo aminy hoe: Manatona, ka ataovy eo amin'ny vozon'ireto mpanjaka ireto ny tongotrareo. Dia nanatona izy ka nanao ny tongony teo amin'ny vozon'ireo.
25And Joshua said to them, Fear not, neither be dismayed; be strong and courageous, for thus will Jehovah do to all your enemies against whom ye fight.
25Ary hoy Josoa taminy: Aza matahotra na mivadi-po ; mahereza sy matanjaha; fa toy izao no hataon'i Jehovah amin'ny fahavalonareo rehetra izay iadianareo.
26And afterwards Joshua smote them, and put them to death, and hanged them on five trees; and they were hanging upon the trees until the evening.
26Ary rehefa afaka izany, dia namely ireo Josoa ka nahafaty azy, ary nahantony tamin'ny hazo dimy ny fatiny; ka dia nihantona tamin'ny hazo izy mandra-paharivan'ny andro.
27And it came to pass at the time of the going down of the sun, that Joshua commanded, and they took them down off the trees, and cast them into the cave where they had been hid, and laid great stones before the cave's mouth, [which remain] to this very day.
27Ary tamin'ny nilentehan'ny masoandro dia nasain'i Josoa nesorina tamin'ny hazo izy ireo ka nariana tao anatin'ilay zohy niereny, ary nasiana vato lehibe teo amin'ny vavan'ny zohy, ka mbola ao izany mandraka androany.
28And Joshua took Makkedah on that day, and smote it with the edge of the sword, and the king thereof, him and all the souls that were therein he utterly destroyed; he let none remain; and he did to the king of Makkedah as he had done to the king of Jericho.
28Ary Makeda dia afak'i Josoa tamin'izany andro izany, ka nasiany tamin'ny lelan-tsabatra izy sy ny mpanjakany; ary ny olona rehetra tao dia naringany avokoa ka tsy nasiany niangana na dia iray akory aza; ary tahaka izay efa nataony tamin'ny mpanjakan'i Jeriko, no nataony tamin'ny mpanjakan'i Makeda koa.[Heb. nataony herema; izahao Lev. XXII. 28]
29And Joshua passed, and all Israel with him, from Makkedah to Libnah, and fought against Libnah.
29Ary Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy dia niala tany Makeda ka nankany Libna ary namely azy;
30And Jehovah gave it also and the king thereof into the hand of Israel; and he smote it with the edge of the sword, and all the souls that were therein; he let none remain in it: and he did to the king thereof as he had done to the king of Jericho.
30dia natolotr'i Jehovah teo an-tànan'ny Isiraely koa izy sy ny mpanjakany, ka nasiany tamin'ny lelan-tsabatra izy mbamin'ny olona rehetra tao; tsy nasiany niangana na dia iray akory aza; ary tahaka izay efa nataony tamin'ny mpanjakan'i Jeriko no nataony tamin'ny mpanjakany koa.
31And Joshua passed, and all Israel with him, from Libnah to Lachish, and encamped against it, and fought against it.
31Dia niala tany Libna Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy ka nankany Lakisy, dia nitoby tandrifiny ka namely azy.
32And Jehovah gave Lachish into the hand of Israel; and they took it on the second day, and smote it with the edge of the sword, and all the souls that were therein, according to all that he had done to Libnah.
32Dia natolotr'i Jehovah teo an-tànan'ny Isiraely koa Lakisy, ka afany tamin'ny andro faharoa izy; dia nasiany tamin'ny lelan-tsabatra izy sy ny olona rehetra tao, tahaka izay rehetra efa nataony tamin'i Libna koa.
33Then Horam king of Gezer came up to help Lachish; and Joshua smote him and his people, until he had left him none remaining.
33Dia niakatra Horama, mpanjakan'i Gazera, hamonjy an'i Lakisy; dia nasian'i Josoa izy sy ny vahoakany mandra-paha-tsy nisy niangana.
34And Joshua, and all Israel with him, passed from Lachish to Eglon; and they encamped against it, and fought against it.
34Dia niala tany Lakisy Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy ka nankany Eglona, dia nitoby tandrifiny ka namely azy;
35And they took it on that day, and smote it with the edge of the sword; and all the souls that were therein he utterly destroyed on that day, according to all that he had done to Lachish.
35dia afany tamin'izany andro izany koa izy ka nasiany tamin'ny lelan-tsabatra; ary ny olona rehetra tao dia naringany tamin'izany andro izany, tahaka izay rehetra efa nataony tamin'i Lakisy.[Heb. nataony herema; izahao Lev. XXII. 28]
36And Joshua went up, and all Israel with him, from Eglon to Hebron; and they fought against it.
36Dia niakatra niala tany Eglona Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy ka nankany Hebrona ary namely azy;
37And they took it, and smote it with the edge of the sword, and the king thereof, and all the cities thereof, and all the souls that were therein: he let none remain, according to all that he had done to Eglon; and he utterly destroyed it, and all the souls that were therein.
37dia afany koa izy, ka nasiany tamin'ny lelan-tsabatra izy sy ny mpanjakany sy ny tanànany rehetra ary ny olona rehetra tao; tsy nasiany niangana na dia iray akory aza, tahaka izay rehetra efa nataony tamin'i Eglona; fa naringany avokoa izy sy ny olona rehetra tao.[Heb. nataony herema; izahao Lev. XXII. 28]
38And Joshua returned, and all Israel with him, to Debir; and fought against it.
38Dia niverina Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy ka nankany Debira ary namely azy;
39And he took it, and the king thereof, and all the cities thereof, and they smote them with the edge of the sword, and utterly destroyed all the souls that were therein; he let none remain: as he had done to Hebron, and as he had done to Libnah, and to the king thereof, so he did to Debir and to the king thereof.
39dia azony koa izy sy ny mpanjakany ary ny tanànany rehetra; ary nasiany tamin'ny lelan-tsabatra Izy, ka naringany avokoa ny olona rehetra tao; fa tsy nasiany niangana na dia iray akory aza; tahaka izay efa nataony tamin'i Hebrona, dia toy izany koa no nataony tamin'i Debira sy ny mpanjakany, ary tahaka izay efa nataony tamin'i Libna sy ny mpanjakany koa.[Heb. nataony herema; izahao Lev. XXII. 28]
40And Joshua smote the whole country, the mountain, and the south, and the lowland, and the hill-slopes, and all their kings: he let none remain, but he utterly destroyed all that breathed, as Jehovah the God of Israel had commanded.
40Dia nasian'i Josoa ny tany rehetra sy ny mpanjakany rehetra, dia ny tany havoana sy ny tany atsimo sy ny tany lemaka amoron-tsiraka ary ny any ambodin'ny tendrombohitra; tsy nasiany niangana ireny, fa naringany avokoa ny olo-miaina rehetra, araka ny didin'i Jehovah. Andriamanitry ny Isiraely, [Heb. Sefela]
41And Joshua smote them from Kadesh-barnea even to Gazah, and all the country of Goshen, even to Gibeon;
41Dia nasian'i Josoa izy hatrany Kadesi-barnea ka hatrany Gaza, ary ny tany Gosena rehetra hatrany Gibeona.
42and all these kings and their land did Joshua take at one time; for Jehovah the God of Israel fought for Israel.
42Ary ireo mpanjaka rehetra ireo sy ny taniny dia azon'i Josoa indray mandeha, satria Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no niady ho an'ny Isiraely.Dia niverina Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy ho any an-toby tany Gilgala.
43And Joshua returned, and all Israel with him, to the camp, to Gilgal.
43Dia niverina Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy ho any an-toby tany Gilgala.