1And the lot came to the tribe of Manasseh (for he was the firstborn of Joseph), to Machir, the firstborn of Manasseh, the father of Gilead, for he was a man of war, and he had Gilead and Bashan.
1Ary nahazo zara-tany tamin'ny filokana koa ny firenen'i Manase (fa izy no lahimatoan'i Josefa), dia Makira, lahimatoan'i Manase, rain'i Gileada, fa izy no mpanafika ka nahazo an'i Gileada sy Basana.
2There was also [a portion] for the rest of the children of Manasseh according to their families: for the children of Abiezer, and for the children of Helek, and for the children of Asriel, and for the children of Shechem, and for the children of Hepher, and for the children of Shemida: these are the children of Manasseh, the son of Joseph, the males, according to their families.
2Ary nisy koa ho an'ny taranak'i Manase sisa araka ny fokony, dia ho an'ny taranak'i Abiezera sy Heleka sy Asriela sy Sekema sy Hefera ary Semida: ireo no zanakalahin'i Manase, zanak'i Josefa, araka ny fokony.
3And Zelophehad, the son of Hepher, the son of Gilead, the son of Machir, the son of Manasseh, had no sons, but daughters; and these are the names of his daughters: Mahlah, and Noah, Hoglah, Milcah, and Tirzah.
3Fa Zelofada, zanak'i Hefera, zanak'i Gileada, zanak'i Matira, zanak'i Manase, kosa tsy mba nanan-janakalahy, fa zanakavavy ihany; ary izao no anaran'ny zananivavy: Mahala sy Noa sy Hogla sy Milka ary Tirza.
4And they came near before Eleazar the priest, and before Joshua the son of Nun, and before the princes, saying, Jehovah commanded Moses to give us an inheritance among our brethren. And he gave them according to the commandment of Jehovah an inheritance among the brethren of their father.
4Dia nanatona teo anatrehan'i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak'i Nona, ary ny loholona izy ireo ka nanao hoe: Jehovah efa nandidy an'i Mosesy hanome anay zara-tany eo amin'ny anadahinay. Ary dia nomeny lova teo amin'ny rahalahin-drainy izy araka ny didin'i Jehovah.
5And there fell ten portions to Manasseh, besides the land of Gilead and Bashan, which are beyond the Jordan.
5Dia nahazo anjaram-polo Manase afa-tsy ny tany Gileada sy Basana, izaY any an-dafin'i Jordana,
6For the daughters of Manasseh received an inheritance among his sons; and the rest of Manasseh's sons had the land of Gilead.
6satria ny zanakavavin'i Manase niara-nahazo lova tamin'ny zananilahy; ary ny tany Gileada dia an'ny zanakalahin'i Manase sisa.
7And the territory of Manasseh was from Asher to Micmethath, which is before Shechem, and the border went on the right hand toward the inhabitants of En-Tappuah.
7Ary ny fari-tanin'i Manase dia hatrany Asera ka hatrany Mikmeta, tandrifin'i Sekema, dia nandroso tamin'ny ankavanana hatramin'ny mponina any En-tapoa. [Na: hatrany Jamina]
8Manasseh had the land of Tappuah; but Tappuah on the border of Manasseh belonged to the children of Ephraim.
8Ary an'i Manase ny tany Tapoa; fa Tapoa kosa, izay eo amin'ny fari-tanin'i Manase, dia an'ny taranak'i Efraima.
9And the border descended to the torrent Kanah, south of the torrent. These cities were Ephraim's among the cities of Manasseh. And the territory of Manasseh was on the north side of the torrent, and ended at the sea.
9Ary ny fari-taniny dia nidina hatreo atsimon'ny lohasahan-driak'i Kana; ireo tanana teo amin'ny tanànan'i Manase ireo dia an'i Efraima; ary ny faritanin,i Manase dia teo avaratry ny lohasahan-driaka. ka dia nihatra tamin'ny ranomasina.
10Southward it was Ephraim's, and northward it was Manasseh's, and the sea was his border. And they touched upon Asher on the north, and upon Issachar on the east.
10Ny atsimo dia an'i Efraima, ary ny avaratra dia an'i Manase, ary ny ranomasina no fari-taniny; ary nihatra tamin'i Asera teo avaratra sy tamin'Isakara teo atsinanana izy.
11And Manasseh had in Issachar and in Asher, Beth-shean and its dependent villages, and Ibleam and its dependent villages, and the inhabitants of Dor and its dependent villages, and the inhabitants of En-Dor and its dependent villages, and the inhabitants of Taanach and its dependent villages, and the inhabitants of Megiddo and its dependent villages, the three hilly regions.
11Ary Manase nahazo anjara koa teo amin'Isakara sy teo amin'i Asera, dia Beti-sana sy ny zana-bohiny ary Ibleama sy ny zana-bohiny ay ny mponina any Dora sy ny zana-bohiny ary ny mponina any En-dora koa sy ny zana-bohiny ary ny mponina any Tanaka sy ny zana-bohiny ary ny mponina any Megido sy ny zana-bohiny, dia amin'ny havoana telo ireo.
12But the children of Manasseh could not dispossess [the inhabitants of] those cities; and the Canaanites would dwell in that land.
12Kanefa tsy nahazo ireo tanàna ireo ny taranak'i Manase: fa tian'ny Kananita hitoerana indrindra izany tany izany.
13And it came to pass when the children of Israel were become strong, that they made the Canaanites tributary; but they did not utterly dispossess them.
13Fa rehefa nihahery ny Zanak'Isiraely dia nampanao fanompoana ny Kananita izy, fa tsy nandroaka azy rehetra.
14And the children of Joseph spoke to Joshua, saying, Why hast thou given me as inheritance one lot and one portion, seeing I am a great people, forasmuch as Jehovah has blessed me hitherto?
14Dia niteny tamin'i Josoa ny taranak'i Josefa ka nanao hoe: Nahoana no lova iray sy anjara iray ihany no nomenao ahy, kanefa aho efa tonga firenena lehibe, fa notahin'Jehovah toy izao mandraka ankehitriny ?
15And Joshua said unto them, If thou art a great people, then get thee up to the wood, and cut down for thyself there in the land of the Perizzites and of the giants, if the hill-country of Ephraim is too narrow for thee.
15Dia hoy Josoa taminy: Raha firenena lehibe ary ianao, dia miakara any amin'ny ala, ka miteveza honenanao any amin'ny tanin'ny Perizita sy ny Refaita, fa tery loatra aminao ny tany havoan'i Efraima.
16And the children of Joseph said, The hill-country will not be enough for us; and all the Canaanites that dwell in the land of the valley have chariots of iron, those that are of Beth-shean and its dependent villages, and those that are in the valley of Jizreel.
16Dia hoy ny taranak'i Josefa: Tsy ampy ho anay ny tany havoana; ary manana kalesy vy ny Kananita rehetra, izay monina any amin'ny tany lemaka, dia izay any Beti-sana sy ny zana-bohiny ary izay any amin'ny tany lemaka Jezirela.Dia hoy Josoa tamin'ny taranak'i Josefa, dia Efraima sy Manase: Firenena lehibe ianao ka mahery indrindra: tsy anjara iray ihany no ho azonao, fa tany havoana koa; fa ala izany ka tevezo, dia ho anao ny an-tsisiny: fa handroaka ny Kananita ianao, na dia manana kalesy vy aza izy ireo sady mahery.[Na: fa]
17And Joshua spoke to the house of Joseph, to Ephraim and to Manasseh, saying, Thou art a great people, and hast great power: thou shalt not have one lot only,
17Dia hoy Josoa tamin'ny taranak'i Josefa, dia Efraima sy Manase: Firenena lehibe ianao ka mahery indrindra: tsy anjara iray ihany no ho azonao, fa tany havoana koa; fa ala izany ka tevezo, dia ho anao ny an-tsisiny: fa handroaka ny Kananita ianao, na dia manana kalesy vy aza izy ireo sady mahery.[Na: fa]
18but the hill-country shall be thine, as it is a wood, thou shalt cut it down, and its outgoings shall be thine; for thou shalt dispossess the Canaanites, though they have iron chariots; for they are powerful.