Darby's Translation

Malagasy

Jude

1

1Jude, bondman of Jesus Christ, and brother of James, to the called ones beloved in God [the] Father and preserved in Jesus Christ:
1[Fananarana ny amin'ny mpampianatra sandoka] Joda, mpanompon'i Jesosy Kristy sady rahalahin'i Jakoba, mamangy izay olona voantso, malala ao amin'Andriamanitra Ray sy voatahiry ho an'i Jesosy Kristy;
2Mercy to you, and peace, and love be multiplied.
2hampitomboina ho anareo anie ny famindram-po sy ny fiadanana ary ny fitiavana.
3Beloved, using all diligence to write to you of our common salvation, I have been obliged to write to you exhorting [you] to contend earnestly for the faith once delivered to the saints.
3Ry malala, raha manao izay zotom-po rehetra hanoratra aminareo aho hilaza ny amin'ny famonjena iombonantsika, dia nisy nahatery ahy hanoratra aminareo, hananatra mba hiezahanareo mafy hiaro ny finoana izay efa voatolotra indray mandeha monja ho an'ny olona masina.
4For certain men have got in unnoticed, they who of old were marked out beforehand to this sentence, ungodly [persons], turning the grace of our God into dissoluteness, and denying our only Master and Lord Jesus Christ.
4Fa misy olona sasany efa niditra misokosoko, izay voasoratra fahiny ho amin'izany fahamelohana izany, dia olona ratsy fanahy izay mamadika ny fahasoavan'Andriamanitsika ho fijejojejoana sady nandà ny Andrian-tokana, dia Jesosy Kristy Tompontsika. [ Na: mandà ny Andrian-tokana sy Jesosy Kristy Tompontsika]
5But I would put you in remembrance, you who once knew all things, that the Lord, having saved a people out of [the] land of Egypt, in the second place destroyed those who had not believed.
5Ary ta-hampahatsiaro anareo aho, na dia efa fantatrareo rahateo aza ny zavatra rehetra, fa rehefa novonjen'ny Tompo ho afaka tany Egypta ny olona, dia naringany ihany tao aorian'izany izay tsy nino.
6And angels who had not kept their own original state, but had abandoned their own dwelling, he keeps in eternal chains under gloomy darkness, to [the] judgment of [the] great day;
6Ary ny anjely izay tsy nitana ny anjara-fanapahany, fa nandao ny fonenany, dia voahazony amin'ny fatorana mandrakizay ao amin'ny maizina ho amin'ny andro fitsarana lehibe.
7as Sodom and Gomorrha, and the cities around them, committing greedily fornication, in like manner with them, and going after other flesh, lie there as an example, undergoing the judgment of eternal fire.
7Ary toy izany koa, Sodoma sy Gomora mbamin'ny tanàna nanodidina azy, izay nijangajanga tahaka azy koa ka lasa nanaraka nofo hafa, dia aseho ho fananarana amin'ny iaretany fijaliana amin'ny afo maharitra mandrakizay.
8Yet in like manner these dreamers also defile [the] flesh, and despise lordship, and speak railingly against dignities.
8Kanefa toy izany koa, ireo dia manonofy ka mandoto ny nofo sady mandà ny manana fahalehibiazana ary miteny ratsy ny manana voninahitra. [ Gr. manao blasfemia; izahao Mat. IX 3]
9But Michael the archangel, when disputing with the devil he reasoned about the body of Moses, did not dare to bring a railing judgment against [him], but said, [The] Lord rebuke thee.
9Fa Mikaela arikanjely aza, raha niady tamin'ny devoly ka nifanditra ny amin'ny fatin'i Mosesy, dia tsy sahy niteny ratsy hahameloka azy, fa hoy izy: "Hananatra anao anie Jehovah".
10But these, whatever things they know not, they speak railingly against; but what even, as the irrational animals, they understand by mere nature, in these things they corrupt themselves.
10Fa ireo kosa dia miteny ratsy izay zavatra rehetra tsy fantany akory; ary izay zavatra fantany fotsiny, tahaka ny fahalalan'ny biby tsy manan-tsaina kosa, no animbany ny tenany. [ Na: andotoany]
11Woe to them! because they have gone in the way of Cain, and given themselves up to the error of Balaam for reward, and perished in the gainsaying of Core.
11Hahita loza izy! fa efa nandeha tamin'ny lalan'i Kama, sady efa nimaona fatratra hanaraka ny fahadisoan'i Balama hahazoany tamby, ary efa ringana tamin'ny fiodinan'i Kora izy.
12These are spots in your love-feasts, feasting together [with you] without fear, pasturing themselves; clouds without water, carried along by [the] winds; autumnal trees, without fruit, twice dead, rooted up;
12Ireo no harambato voasaron-drano eo amin'ny fanasam-pifankatiavanareo, raha miara-mihinana aminareo izy, dia mpiandry mamahan-tena, nefa tsy matahotra; rahona tsy misy rano, entin'ny rivotra, ireo; hazo fararano, nefa tsy misy voany, indroa maty, voafongotra; [ Na: Ireo no pentimpentina]
13raging waves of the sea, foaming out their own shames; wandering stars, to whom has been reserved the gloom of darkness for eternity.
13onjan-dranomasina mitopatopa mamorivory ny fahamenarany; kintana mifindrafindra, ka voatahiry ho azy mandrakizay ny fahamaintisan'ny maizina.
14And Enoch, [the] seventh from Adam, prophesied also as to these, saying, Behold, [the] Lord has come amidst his holy myriads,
14Ary Enoka koa, ilay fahafito nandimby an'i Adama, dia efa naminany ny amin'ireny olona ireny ka nanao hoe: "Indro, tonga Jehovah mbamin'ny masiny tsy omby alinalina
15to execute judgment against all; and to convict all the ungodly of them of all their works of ungodliness, which they have wrought ungodlily, and of all the hard [things] which ungodly sinners have spoken against him.
15hitsara ny olona rehetra sy hampiaiky ny olona ratsy fanahy rehetra ny asan'ny haratsiam-panahy rehetra, izay nataony tamin'ny haratsiam-panahiny sy ny teny sarotra rehetra izay nitenenan'ny mpanota ratsy fanahy hanohitra Azy."
16These are murmurers, complainers, walking after their lusts; and their mouth speaks swelling words, admiring persons for the sake of profit.
16Ireo dia mpimonomonona sy mpimoimoy, mandeha araka ny filany (ary ny vavany manao teny miavonavona loatra) ka mandoka olona mba hahazoany zavatra.
17But *ye*, beloved, remember the words spoken before by the apostles of our Lord Jesus Christ,
17Fa tsarovinareo, ry malala, ny teny voalazan'ny Apostolin'i Jesosy Kristy Tompontsika fahiny;
18that they said to you, that at [the] end of the time there should be mockers, walking after their own lusts of ungodlinesses.
18fa efa nilaza taminareo hoe izy: Amin'ny andro farany dia hisy mpaniratsira, mandeha araka ny filan'ny haratsiam-panahiny.
19These are they who set [themselves] apart, natural [men], not having [the] Spirit.
19Ireo no mahatonga fisarahana, dia olona araka ny nofo ihany, fa tsy mba manana ny Fanahy. [ Na: tsy mba manana fanahy]
20But *ye*, beloved, building yourselves up on your most holy faith, praying in the Holy Spirit,
20Fa ianareo kosa, ry malala, dia ataovy izay handrosoanareo amin'ny finoanareo masina indrindra, ka mivavaha ao amin'ny Fanahy Masina;
21keep yourselves in the love of God, awaiting the mercy of our Lord Jesus Christ unto eternal life.
21ary tehirizo ny tenanareo ao amin'ny fitiavan'Andriamanitra, miandry ny famindram-pon'i Jesosy Kristy Tompontsika ho fiainana mandrakizay.
22And of some have compassion, making a difference,
22Ary amindrao fo ny sasany izay miahanahana; [ Na: raha miady aminareo izy]
23but others save with fear, snatching [them] out of the fire; hating even the garment spotted by the flesh.
23ary ny sasany kosa sariho avy amin'ny afo no famonjy azy; ary ny sasany indray amindrao fo amin-tahotra, ka mankahalà na dia ny akanjo voapentimpentin'ny nofo aza.
24But to him that is able to keep you without stumbling, and to set [you] with exultation blameless before his glory,
24Ary ho an'izay maharo anareo mba tsy ho tafintohina, ary hametraka anareo tsy hanan-tsiny eo anoloan'ny voninahiny amin'ny firavoravoana,ho an'Andriamanitra tokana, Mpamonjy antsika, amin'ny alalan i Jesosy Kristy Tompontsika anie, ny voninahitra sy ny fahalehibiazana, ny fanjakana sy ny fahefana hatramin'ny taloha indrindra sy ankehitriny ary mandrakizay. Amena.
25to the only God our Saviour, through Jesus Christ our Lord, [be] glory, majesty, might, and authority, from before the whole age, and now, and to all the ages. Amen.
25ho an'Andriamanitra tokana, Mpamonjy antsika, amin'ny alalan i Jesosy Kristy Tompontsika anie, ny voninahitra sy ny fahalehibiazana, ny fanjakana sy ny fahefana hatramin'ny taloha indrindra sy ankehitriny ary mandrakizay. Amena.