Darby's Translation

Malagasy

Leviticus

12

1And Jehovah spoke to Moses, saying,
1[Ny lalàna ny amin'ny fanadiovana ny vehivavy velom-bao] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2Speak unto the children of Israel, saying, If a woman conceive seed, and bear a male, then she shall be unclean seven days; as in the days of the separation of her infirmity shall she be unclean.
2Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha misy vehivavy manan'anaka ka tera-dahy, dia haloto hafitoana izy; tahaka ny andro fahalotoany raha mararin'ny fadim-bolany no hahalotoany.
3And on the eighth day shall the flesh of his foreskin be circumcised.
3Ary amin'ny andro fahavalo dia hoforana ny zaza.
4And she shall continue thirty-three days in the blood of her cleansing; no holy thing shall she touch, nor come into the sanctuary, until the days of her cleansing are fulfilled.
4Ary telo amby telo-polo andro no hitoeran-dravehivavy amin'ny ràny izay mahadio azy; tsy hanendry zava-masina izy, na hiditra ao amin'ny fitoerana masina, mandra-pahatapitry ny andro fidiovany.
5And if she bear a female, then she shall be unclean two weeks, as in her separation; and she shall continue sixty-six days in the blood of her cleansing.
5Fa raha tera-bavy kosa izy, dia haloto tapa-bolana, tahaka ny tamin'ny fahalotoany ihany koa; ary enina amby enim-polo andro no hitoerany hidiovany amin'ny ràny izay mahadio azy.
6And when the days of her cleansing are fulfilled, for a son or for a daughter, she shall bring a yearling lamb for a burnt-offering, and a young pigeon or a turtle-dove for a sin-offering, to the entrance of the tent of meeting, unto the priest.
6Ary raha tapitra ny andro fidiovany ny amin'ny zanany, na lahy na vavy, dia zanak'ondry izay iray taona no halainy ho fanatitra dorana sy zana-boromailala, na domohina, ho fanatitra noho ny ota, ka ho entiny eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana ho eo amin'ny mpisorona ireo.
7And he shall present it before Jehovah, and make atonement for her; and she shall be clean from the flux of her blood. This is the law for her that hath borne a male or a female.
7Ary izy hanatitra izany eo anatrehan'i Jehovah ka hanao fanavotana ho an-dravehivavy, dia hadio tamin'ny fandehanan'ny ràny izy. Izany no lalàna ny amin'ny vehivavy tera-dahy na tera-bavy.Ary raha tsy tratry ny ananany ny zanak'ondry, dia hitondra domohina roa na zana-boromailala roa izy, ny anankiray hatao fanatitra dorana, ary ny anankiray kosa hatao fanatitra noho ny ota; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho an-dravehivavy, dia hadio izy.
8And if her hand cannot find what is sufficient for a sheep, she shall bring two turtle-doves or two young pigeons; one for a burnt-offering, and the other for a sin-offering; and the priest shall make atonement for her; and she shall be clean.
8Ary raha tsy tratry ny ananany ny zanak'ondry, dia hitondra domohina roa na zana-boromailala roa izy, ny anankiray hatao fanatitra dorana, ary ny anankiray kosa hatao fanatitra noho ny ota; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho an-dravehivavy, dia hadio izy.