1And Jehovah spoke to Moses in mount Sinai, saying,
1[Lalàna ny amin'ny taona sabata sy ny Jobily] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy teo an-tendrombohitra Sinay ka nanao hoe:
2Speak unto the children of Israel and say unto them, When ye come into the land that I will give you, the land shall celebrate a sabbath to Jehovah.
2Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Rehefa tonga any amin'ny tany izay omeko anareo ianareo, aoka hisy fitsaharana ho an'ny tany, dia sabata ho an'i Jehovah.
3Six years shalt thou sow thy field, and six years shalt thou prune thy vineyard, and gather in the produce thereof,
3Enin-taona no hamafazanao ny taninao, enin-taona no hanamboaranao ny sahanao sy hanangonanao ny vokatra;
4but in the seventh year shall be a sabbath of rest for the land, a sabbath to Jehovah. Thy field shalt thou not sow, and thy vineyard shalt thou not prune.
4fa ny taona fahafito kosa ho tena fitsaharana ho an'ny tany, dia sabata ho an'i Jehovah; aza mamafy amin'ny taninao ianao, ary aza mamboatra ny sahanao.
5That which springeth up from the scattered seed of thy harvest thou shalt not reap, and the grapes of thine undressed vines thou shalt not gather: a year of rest shall it be for the land.
5Aza mijinja izay maniry ho azy avy tamin'ny voa nihintsana tamin'ny fararano lasa, ary aza mioty ny voaloboka avy tamin'izay tsy namboarinao; fa aoka ho taona fitsaharana ho an'ny tany izany.
6And the sabbath of the land shall be for food for you, for thee, and for thy bondman, and for thy handmaid, and for thy hired servant, and for him that dwelleth as a sojourner with thee, and for thy cattle,
6Ary izay maniry ho azy amin'ny sabatan'ny tany no ho hanina ho anao sy ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao sy ny mpikarama sy ny vahiny eo aminao
7and for the beasts that are in thy land: all the produce thereof shall be for food.
7sy ny biby fiompinao ary ny bibidia izay eo amin'ny taninao; izay vokatra rehetra eo no hohaniny.
8And thou shalt count seven sabbaths of years, seven times seven years; so that the days of the seven sabbaths of years be unto thee forty-nine years.
8Ary manisà sabatan-taona fito ho anao, dia fito taona impito, ka ny hanisanao ny andron'ireo sabatan-taona fito ireo dia sivy amby efa-polo taona.
9Then shalt thou cause the loud sound of the trumpet to go forth in the seventh month, on the tenth of the month; on the day of atonement shall ye cause the trumpet to go forth throughout your land.
9Dia mitsofa anjomara avo feo amin'ny andro fahafolo amin'ny volana fahafito; dia amin'ny andro fanavotana no hitsofanareo anjomara eran'ny taninareo.
10And ye shall hallow the year of the fiftieth year, and proclaim liberty in the land unto all the inhabitants thereof; a [year of] jubilee shall it be unto you, and ye shall return every man unto his possession, and ye shall return every man unto his family;
10Ary hamasino ny taona fahadimam-polo, ka miantsoa fanafahana amin'ny tany ho an'ny mponina rehetra ao aminy; Jobily ho anareo izany, ka samia mody any amin'ny taninareo avy ianareo sy any amin'ny mpianakavinareo avy.
11a year of jubilee shall that fiftieth year be unto you: ye shall not sow, neither reap its aftergrowth, nor gather [the fruit of] its undressed vines.
11Jobily ho anareo izany taona fahadimam-polo izany; aza mamafy ianareo, ary aza mijinja izay maniry ho azy avy tamin'ny voa nihintsana tamin'ny fararano lasa, ary aza mioty ny avy tamin'izay tsy namboarinareo;
12For it is the jubilee; it shall be holy unto you; out of the field shall ye eat its produce.
12fa Jobily izany ka ho masina ho anareo. Izay vokatra alaina any an-tsaha no hohaninareo.
13In this year of the jubilee ye shall return every man unto his possession.
13Amin'izany taona Jobily izany dia samy hody amin'ny taninareo avy ianareo.
14And if ye sell ought unto your neighbour, or buy of your neighbour's hand, ye shall not overreach one another.
14Ary raha mivarotra na mividy zavatra amin'ny namanao ianao, aza misy manao sarotra:
15According to the number of years since the jubilee, thou shalt buy of thy neighbour; according to the number of years of the produce, he shall sell unto thee.
15araka ny isan'ny taona aorian'ny Jobily no hividiananao amin'ny namanao; ary araka ny isan'ny fararano no hivarotany aminao.
16According to the greater number of the years, thou shalt increase the price thereof; and according to the fewness of years, thou shalt diminish the price of it; for it is the number of crops that he selleth unto thee.
16Araka ny hamaron'ny taona no hampitomboanao ny vidiny, ary araka ny havitsin'ny taona sisa no hampihenanao ny vidiny; fa araka ny isan'ny fararano no hivarotany aminao.
17And ye shall not oppress one another; but thou shalt fear thy God; for I am Jehovah your God.
17Ary aza misy manao sarotra ianareo, fa matahora an'Andriamanitrao; fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
18And ye shall do my statutes, and observe mine ordinances and do them: thus shall ye dwell in your land securely.
18Ary araho ny didiko, ary tandremo ny fitsipiko, ka araho izy; dia handry fahizay amin'ny tany ianareo.
19And the land shall yield its fruit, and ye shall eat and be satisfied, and dwell therein securely.
19Ary ny tany hahavoka-javatra dia hihinana ianareo ka ho voky, ary handry fahizay.
20And if ye say, What shall we eat in the seventh year? behold, we may not sow, nor gather in our produce;
20Ary andrao ianareo manao hoe: Inona no hohaninay amin'ny taona fahafito? fa, indro, tsy mamafy izahay, na manangona ny vokatray;
21then I will command my blessing upon you in the sixth year, that it may bring forth produce for three years;
21dia hataoko aminareo ny fitahiako amin'ny taona fahenina, ka hisy vokatra ampy ho anareo amin'ny telo taona.
22and ye shall sow in the eighth year, and ye shall eat of the old fruit until the ninth year; until her produce come in, ye shall eat the old.
22Ary hamafy amin'ny taona fahavalo ianareo ka hihinana ny tranainy mandra-pahatongan'ny taona fahasivy; mandra-pahatongan'ny vao no hihinananareo ny tranainy.
23And the land shall not be sold for ever; for the land is mine; for ye are strangers and sojourners with me.
23Ary ny tany tsy hatao varo-maty, satria Ahy ny tany; fa vahiny sy mpivahiny amiko ianareo.
24And in all the land of your possession ye shall grant a redemption for the land.
24Ary havelanareo ho azo avotana ny tany eo amin'ny tany rehetra izay lovanareo.
25If thy brother grow poor, and sell of his possession, then shall his redeemer, his nearest relation, come and redeem that which his brother sold.
25Raha tàhiny mihamalahelo ny rahalahinao, ka nivarotany ny taniny, dia ho avy ny havany akaiky ka hanavotra izay namidin'ny rahalahiny.
26And if the man have no one having right of redemption, and his hand have acquired and found what sufficeth for its redemption,
26Ary raha tsy manan-kavana hanavotra ralehilahy, nefa nambinina izy ka nahazo izay ampy ho enti-manavotra azy,
27then shall he reckon the years since the sale thereof, and restore the overplus unto the man to whom he sold it; and so return unto his possession.
27dia aoka hanisa ny taona hatramin'ny nivarotany azy izy ka handoa ny hevitry ny taona sisa ho an'ny lehilahy izay nivarotany azy; ka dia hody amin'ny taniny izy.
28And if his hand have not found what sufficeth for him to restore it to him, then that which is sold shall remain in the hand of the purchaser, until the year of jubilee; and in the jubilee it shall go out, and he shall return unto his possession.
28Fa raha tsy nahazo izay ampy handoavana izany izy, izay namidiny dia mbola hitoetra eo an-tànan'ilay nividy azy ihany mandra-pahatongan'ny taona Jobily; ary ho afaka izany amin'ny Jobily, ka hody amin'ny taniny ralehilahy.
29And if any one sell a dwelling-house in a walled city, then he shall have the right of redemption up to the end of the year of the sale thereof; for a full year shall he have the right of redemption.
29Ary raha misy olona mivarotra trano itoerana ao amin'ny tanàna mimanda, dia hahazo manavotra azy izy mandra-pahatapitry ny herintaona nivarotany azy; fa ao anatin'izany no hahazoany manavotra azy.
30But if it be not redeemed until a whole year is complete, then the house that is in the walled city shall be established for ever to him that bought it, throughout his generations: it shall not go out in the jubilee.
30Fa raha tsy voavotra mandra-pahatapitry ny herintaona kosa ilay trano ao amin'ny tanàna mimanda, dia tapaka ho varo-maty ho an'izay nividy azy sy ho an'ny taranany izany; tsy ho afaka izany na dia amin'ny Jobily aza.
31But the houses in villages that have no wall round about them shall be reckoned as the fields of the country: they may be redeemed, and they shall go out in the jubilee.
31Fa ny trano ao amin'ny vohitra izay tsy misy manda manodidina kosa dia hatao taha, ka ny tany ihany; ho azo avotana ihany izany, na ho afaka amin'ny Jobily.
32But as to the cities of the Levites, the houses in the cities of their possession, the Levites shall have a perpetual right of redemption.
32Kanefa ny amin'ny tanànan'ny Levita, ny trano ao amin'ny tanàna izay ho anjarany dia ho azon'ny Levita avotana ihany na oviana na oviana.
33And if any one redeem from one of the Levites, then the house that was sold, in the city of his possession, shall go out in the jubilee; for the houses of the cities of the Levites are their possession among the children of Israel.
33Ary raha misy Levita manavotra azy, dia ho afaka amin'ny Jobily ny trano izay namidy sy ny tanàna izay anjarany; fa ny trano ao an-tanànan'ny Levita dia lovany ao amin'ny Zanak'Isiraely.
34And the field of the suburbs of their cities shall not be sold; for it is their perpetual possession.
34Fa ny tany manodidina ny tanànany kosa dia tsy azo hamidy; fa ho lovany mandrakizay izany.
35And if thy brother grow poor, and he be fallen into decay beside thee, then thou shalt relieve him, [be he] stranger or sojourner, that he may live beside thee.
35Ary raha mihamalahelo ny rahalahinao izay miara-monina aminao ka reraka, dia vonjeo izy, ka aoka mba ho velona eo aminao tahaka ny vahiny sy ny mpivahiny izy.
36Thou shalt take no usury nor increase of him; and thou shalt fear thy God; that thy brother may live beside thee.
36Aza maka zana-bola na tombony aminy; fa matahora an'Andriamanitrao, mba ho velona eo aminao ny rahalahinao.
37Thy money shalt thou not give him upon usury, nor lend him thy victuals for increase.
37Aza mampanàna vola aminy, ary aza mampisambotra hanina hahazoana tombony:
38I am Jehovah your God, who brought you forth out of the land of Egypt, to give you the land of Canaan, to be your God.
38Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, hanome anareo ny tany Kanana, mba ho Andriamanitrareo.
39And if thy brother grow poor beside thee, and be sold unto thee, thou shalt not compel him to serve as a bondservant:
39Ary raha mihamalahelo ny rahalahinao ka mivaro-tena aminao, aza ampanompoinao toy ny andevo izy;
40as a hired servant, as a sojourner, shall he be with thee; until the year of jubilee shall he serve thee.
40fà aoka hitoetra eo aminao tahaka ny mpikarama sy tahaka ny vahiny izy; mandra-pahatongan'ny taona Jobily no hanompoany anao.
41Then shall he depart from thee, he and his children with him, and shall return unto his own family, and unto the possession of his fathers shall he return.
41Dia ho afaka izy sy ny zanany ka hody amin'ny mpianakaviny sy amin'ny tanin-drazany koa.
42For they are my bondmen, whom I brought forth out of the land of Egypt: they shall not be sold as [men] sell bondmen.
42Fa mpanompoko izay nentiko nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta izy ka tsy hamidy tahaka ny andevo.
43Thou shalt not rule over him with rigour; and thou shalt fear thy God.
43Aza mampanompo azy fatratra, fa matahora an'Andriamanitrao.
44And as for thy bondman and thy handmaid whom thou shalt have -- of the nations that are round about you, of them shall ye buy bondmen and handmaids.
44Ary ny amin'izay ho andevolahinao sy andevovavinao, dia amin'ny jentilisa izay manodidina anareo no hividiananareo azy.
45Moreover of the children of them that dwell as sojourners with you, of them may ye buy, and of their family that is with you, which they beget in your land, and they shall be your possession.
45Ary amin'ny zanaky ny vahiny eo aminareo sy amin'ny taranany izay haterany eo amin'ny taninareo no hividiananareo koa; ary dia ho fanananareo izany.
46And ye shall leave them as an inheritance to your children after you, to inherit them as a possession: these may ye make your bondmen for ever; but as for your brethren, the children of Israel, ye shall not rule over one another with rigour.
46Ary hataonareo lovan'ny zanakareo mandimby anareo izany ho fananana holovany ka hampanompoinareo mandrakizay fa ny Zanak'Isiraely rahalahinareo dia aza mba ampanompoina fatratra.
47And if a stranger or sojourner become wealthy beside thee, and thy brother beside him grow poor, and sell himself unto the stranger, who is settled by thee, or to a scion of the stranger's family,
47Ary raha tonga manan-karena ny vahiny izay monina eo aminao na ny mpivahiny, ary ny rahalahinao eo aminy mihamalahelo kosa ka mivaro-tena amin'ny vahiny eo aminao, na amin'ny taranaky ny vahiny;
48after that he is sold there shall be right of redemption for him; one of his brethren may redeem him.
48na dia nivaro-tena aza izy, dia azo avotana indray; ny anankiray amin'ny rahalahiny no mahazo manavotra azy:
49Either his uncle or his uncle's son may redeem him, or one of his next relations of his family may redeem him; or if his means be sufficient, he may redeem himself.
49na ny rahalahin-drainy, na ny zanak'olo-mirahalahy aminy, na izay havany akaiky azy amin'ny mpianakaviny no mahazo manavotra azy; kanefa raha tratry ny ananany, dia hanavo-tena izy.
50And he shall reckon with him that bought him from the year that he was sold to him unto the year of jubilee; and the price of his sale shall be according to the number of the years, according to the days of a hired servant shall he be with him.
50Ary dia hisainy amin'izay nividy azy hatramin'ny taona nivarotana azy ka hatramin'ny taona Jobily; ary ny vola nivarotany ny tenany dia hoheverina araka ny isan'ny taona; dia ara-kevitry ny andron'ny mpikarama no hiheverana azy.
51If there are yet many years, according unto them shall he return his redemption [money] out of the money that he was bought for;
51Raha mbola maro ny taona sisa, dia ara-keviny ihany no handoavany ny avony avy amin'ny vola vidiny teo aloha.
52and if there remain but few years unto the year of jubilee, then he shall reckon with him; according unto his [remaining] years [of service] shall he give him back his redemption [money].
52Any raha vitsy kosa ny taona sisa mandra-pahatongan'ny taona Jobily, dia hanisa izany aminy izy, ka ara-kevitry ny taona ihany no handoavany ny vola avony.
53As a hired servant shall he be with him year by year; [his master] shall not rule with rigour over him before thine eyes.
53Tahaka izay karamaina isan-taona no hitoerany eo aminy; fa aoka tsy hampanompoina fatratra eo imasonao izy.
54And if he be not redeemed in this manner, then he shall go out in the year of jubilee, he and his children with him.
54Ary raha tsy voavotra amin'izay izy, dia ho afaka amin'ny taona Jobily izy sy ny zanany koa.Fa mpanompoko ny Zanak'Isiraely, dia mpanompoko izay nentiko nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
55For the children of Israel are servants unto me; they are my servants whom I brought forth out of the land of Egypt: I am Jehovah your God.
55Fa mpanompoko ny Zanak'Isiraely, dia mpanompoko izay nentiko nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.