1And this is the law of the trespass-offering -- it is most holy:
1Ary izao no lalàna ny amin'ny fanati-panonerana: masina dia masina izany.
2in the place where they slaughter the burnt-offering shall they slaughter the trespass-offering; and the blood thereof shall he sprinkle on the altar round about.
2Eo amin'izay famonoana ny fanatitra dorana no hamonoana ny fanati-panonerana; ary ny rà dia hatopiny manodidina amin'ny lafin'ny alitara.
3And he shall present of it all the fat thereof; the fat tail and the fat that covereth the inwards,
3Ary dia hateriny avokoa ny hofany sy ny saborany rehetra, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy
4and the two kidneys, and the fat that is on them, which is by the flanks, and the net above the liver, which he shall take away as far as the kidneys.
4ary ny voany roa mbamin'ny fonom-boany, izay eo amin'ny takibany, ary ny ila-atiny lehibe; hatao indray manala amin'ny voany no fanaisony izany.
5And the priest shall burn them on the altar, an offering by fire to Jehovah: it is a trespass-offering.
5Ary hodoran'ny mpisorona ho fofona eo ambonin'ny alitara ireo ho fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah; dia fanati-panonerana izany.
6Every male among the priests shall eat thereof; in a holy place shall it be eaten: it is most holy.
6Ny lehilahy rehetra amin'ny mpisorona no mahazo mihinana izany; eo amin'izay fitoerana masina no hihinanany azy: masina dia masina izany.
7As the sin-offering, so is the trespass-offering; [there shall] be one law for them: it shall be the priest's who maketh atonement therewith.
7Ho tahaka ny fanatitra noho ny ota ny fanati-panonerana, ka lalàna iray no ho amin'izy roa: ho an'ny mpisorona izay manao fanavotana aminy izany.
8And [as to] the priest that presenteth any man's burnt-offering, the skin of the burnt-offering which he hath presented shall be the priest's for himself.
8Ary ilay mpisorona manatitra ny fanatitra dorana izay aterin'ny olona dia hahazo ny hoditr'izany fanatitra dorana nateriny izany.
9And every oblation that is baken in the oven, and all that is prepared in the cauldron and in the pan, shall be the priest's who offereth it; to him it shall belong.
9Ary ny fanatitra hohanina rehetra izay voaendy am in'ny fanendasa-mofo sy izay rehetra atao amin'ny vilany fandrahoana, na amin'ny lapoely, dia ho an'ilay mpisorona manatitra azy.
10And every oblation, mingled with oil, and dry, shall all the sons of Aaron have, one as the other.
10Fa ny fanatitra hohanina rehetra, izay voaharo diloilo, na ny maina, dia ho an'ny zanak'i Arona rehetra kosa, ka hiara-misalahy izy.
11And this is the law of the sacrifice of peace-offering, which [a man] shall present to Jehovah.
11Ary izao no lalàna ny amin'ny fanati-pihavanana izay haterina ho an'i Jehovah:
12If he present it for a thanksgiving, then he shall present with the sacrifice of thanksgiving unleavened cakes mingled with oil, and unleavened wafers anointed with oil, and fine flour saturated with oil, cakes mingled with oil.
12Raha misy manatitra izany ho fanati-pisaorana, dia izao no hateriny ho fanampiny: mofo izay tsy misy masirasira sady voaharo diloilo sy mofo manify tsy misy masirasira sady voahoso-diloilo ary mofo atao amin'ny koba tsara toto voaendy sady voaharo diloilo.
13Besides the cakes, he shall present his offering of leavened bread with the sacrifice of his peace-offering of thanksgiving.
13Ary miaraka amin'ny mofo tsy misy masirasira dia mofo misy masirasira kosa no hateriny ho fanampin'ny fanati-pihavanana izay ataony ho fanati-pisaorana.
14And of it he shall present one out of the whole offering as a heave-offering to Jehovah; to the priest that sprinkleth the blood of the peace-offering, to him it shall belong.
14Ary hangalany iray avy ny isam-panatitra ho fanatitra asandratra ho an'i Jehovah; ho an'ilay mpisorona manopy ny ran'ny fanati-pihavanana izany.
15And the flesh of the sacrifice of his peace-offering of thanksgiving shall be eaten the same day that it is presented; he shall not let any of it remain until the morning.
15Ary ny henan'ny fanati-pihavanana izay ataony ho fanati-pisaorana dia hohanina amin'ny andro anaterana azy; tsy hisy havela ho tra-maraina.
16And if the sacrifice of his offering be a vow, or voluntary, it shall be eaten the same day that he presented his sacrifice; on the morrow also the remainder of it shall be eaten;
16Fa raha fanati-panalamboady na fanati-tsitrapo kosa no ateriny, dia amin'ny andro anaterany ny fanatiny no hihinanana azy, ary ampitson'iny no hihinanana izay ambiny.
17and the remainder of the flesh of the sacrifice on the third day shall be burned with fire.
17Fa ny sisa amin'ny henan'ny fanatitra dia hodorana amin'ny afo amin'ny andro fahatelo.
18And if [any] of the flesh of the sacrifice of his peace-offering be eaten at all on the third day, it shall not be accepted, it shall not be reckoned to him that hath presented it; it shall be an unclean thing, and the soul that eateth of it shall bear his iniquity.
18Ary raha tahìny hihinanana amin'ny andro fahatelo ny henan'ny fanati-pihavanana, na dia kely aza, dia tsy horaisina na hisaina ho an'izay manatitra azy izany, fa fahavetavetana; ary ny olona izay mihinana amin'izany dia ho meloka.
19And the flesh that toucheth anything unclean shall not be eaten; it shall be burned with fire. And as to the flesh, all that are clean may eat [the] flesh.
19Ary na ny hena izay mikasika zava-maloto aza dia tsy hohanina, fa hodorana amin'ny afo; ary ny amin'ny hena, dia izay madio rehetra no mahazo mihinana azy;
20But the soul that eateth the flesh of the sacrifice of peace-offering which is for Jehovah, having his uncleanness upon him, that soul shall be cut off from his peoples.
20fa ny olona izay misy fahalotoana, nefa mihinana hena avy amin'ny fanati-pihavanana, izay an'i Jehovah, dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny.
21And if any one touch anything unclean, the uncleanness of man, or unclean beast, or any unclean abomination, and eat of the flesh of the sacrifice of peace-offering, which is for Jehovah, that soul shall be cut off from his peoples.
21Ary ny olona izay mikasika zava-maloto, na fahalotoan'olona, na biby maloto, na izay zava-betaveta maloto, ka mihinana amin'ny henan'ny fanati-pihavanana izay an'i Jehovah, dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny.
22And Jehovah spoke to Moses, saying,
22Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
23Speak unto the children of Israel, saying, No fat, of ox, or of sheep, or of goat shall ye eat.
23Mitenana amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Aza mihinana sabora akory ianareo, na ny an'ny omby, na ny an'ny ondry, nany an'ny osy.
24But the fat of a dead carcase, and the fat of that which is torn, may be used in any other use; but ye shall in no wise eat it.
24Ary ny saboran'ny biby izay maty ho azy sy ny saboran'izay noviraviraim-biby dila azo atao amin'ny zavatra hafa ihany, fa aza mihinana azy ianareo.
25For whoever eateth the fat of the beast of which men present an offering by fire to Jehovah, the soul that hath eaten shall be cut off from his peoples.
25Fa izay rehetra mihinana saboran'ny biby fiompy, izay fanao fanatitra, atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny.
26And no blood shall ye eat in any of your dwellings, whether it be of fowl or of cattle.
26Ary aza mihinana rà eny amin'izay rehetra itoeranareo, na ny an'ny vorona, na ny an'ny biby fiompy.
27Whatever soul it be that eateth any manner of blood, that soul shall be cut off from his peoples.
27Izay rehetra mihinana rà dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny.
28And Jehovah spoke to Moses, saying,
28Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
29Speak unto the children of Israel, saying, He that presenteth the sacrifice of his peace-offering to Jehovah shall bring his offering to Jehovah of the sacrifice of his peace-offering.
29Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Izay manatitra ny fanati-pihavanany ho an'i Jehovah dia hitondra ny fanatiny ho an'i Jehovah avy amin'ny fanati-pihavanany.
30His own hands shall bring Jehovah's offerings by fire, the fat with the breast shall he bring: the breast, that it may be waved as a wave-offering before Jehovah.
30Ny tànany ihany no hitondra ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah; ny saborany mbamin'ny tratrany no ho entiny, ka ny tratrany dia hahevaheva ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah.
31And the priest shall burn the fat on the altar; and the breast shall be Aaron's and his sons'.
31Ary hodoran'ny mpisorona ho fofona eo ambonin'ny alitara ny saborany; fa ny tratrany kosa dia ho an'i Arona sy ireo zanany.
32And the right shoulder of the sacrifices of your peace-offerings shall ye give as a heave-offering unto the priest.
32Ary ny soroka ankavanana dia homenareo ny mpisorona ho fanatitra asandratra avy amin'ny fanati-pihavananareo.
33He of the sons of Aaron that presenteth the blood of the peace-offerings, and the fat, shall have the right shoulder for [his] part.
33Ny anankiray amin'ny zanak'i Arona izay manatitra ny ran'ny fanati-pihavanana sy ny saborany no hanana ny soroka ankavanana ho anjarany.
34For the breast of the wave-offering, and the shoulder of the heave-offering, have I taken of the children of Israel from the sacrifices of their peace-offerings, and have given them unto Aaron the priest and unto his sons from the children of Israel by an everlasting statute.
34Fa ny tratra ahevaheva sy ny soroka asandrata dia efa nalaiko tamin'ny Zanak'Isiraely avy amin'ny fanati-pihavanany, ary nomeko ho an'i Arona mpisorona sy ny zanany, ho anjarany mandrakizay avy amin'ny Zanak'Isiraely.
35This is [the portion] of the anointing of Aaron and of the anointing of his sons, from Jehovah's offerings by fire, in the day [when] he presented them to serve Jehovah as priests,
35Izany no anjaran'i Arona sy ny zanany avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, amin'ilay andro ampanakekeny azy mba ho mpisorona ho an'i Jehovah,
36which Jehovah commanded to be given them by the children of Israel in the day that he anointed them: [it is] an everlasting statute, throughout their generations.
36dia izay nandidian'i Jehovah homena azy avy amin'ny Zanak'Isiraely amin'ilay andro anosorana azy, ho anjarany mandrakizay amin'ny taranany hatramin'ny fara mandimby.
37This is the law of the burnt-offering, of the oblation, and of the sin-offering, and of the trespass-offering, and of the consecration-offering, and of the sacrifice of peace-offering,
37Izany no lalàna ny amin'ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra noho ny ota sy ny fanati-panonerana sy ny fanati-panokanana ary ny fanati-pihavanana,izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy tao amin'ny tendrombohitra Sinay, tamin'ny andro izay nandidiany ny Zanak'Isiraely hanatitra ny fanatiny ho an'i Jehovah, tany an-efitr'i Sinay.
38which Jehovah commanded Moses in mount Sinai, in the day that he commanded the children of Israel to present their offerings to Jehovah, in the wilderness of Sinai.
38izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy tao amin'ny tendrombohitra Sinay, tamin'ny andro izay nandidiany ny Zanak'Isiraely hanatitra ny fanatiny ho an'i Jehovah, tany an-efitr'i Sinay.