Darby's Translation

Malagasy

Luke

1

1Forasmuch as many have undertaken to draw up a relation concerning the matters fully believed among us,
1Satria maro no efa nanoratra nandahatra tantara ny amin'ny zavatra izay efa tanteraka tamintsika tokoa[Na: inoana tokoa amintsika]
2as those who from the beginning were eye-witnesses of and attendants on the Word have delivered them to us,
2araka izay efa noraisintsika natolotry ny vavolombelona izay sady nahita maso no efa mpitory ny teny hatramin'ny voalohany:[Gr. mpanompo]
3it has seemed good to *me* also, accurately acquainted from the origin with all things, to write to thee with method, most excellent Theophilus,
3dia sitrako koa, rehefa nofotorako tsara ny zavatra rehetra hatramin'ny niandohany, ny hanoratra izany aminao araka ny filaharany, ry Teofilo tsara indrindra,[Gr. mahery indrindra; teny fanajana ny lehibe izany]
4that thou mightest know the certainty of those things in which thou hast been instructed.
4mba hahafantaranao tsara fa mafy orina ny teny izay nampianarina anao.
5There was in the days of Herod, the king of Judaea, a certain priest, by name Zacharias, of the course of Abia, and his wife of the daughters of Aaron, and her name Elizabeth.
5Tamin'ny andron'i Heroda, mpanjakan'i Jodia, nisy mpisorona anankiray atao hoe Zakaria, isan'ny antokon'i Abia; ary ny vadiny dia avy tamin'ny taranak'i Arona, Elizabeta no anarany.
6And they were both just before God, walking in all the commandments and ordinances of the Lord blameless.
6Ary samy marina teo anatrehan'Andriamanitra izy mivady sady nitondra tena tsy nanan-tsiny araka ny didy sy ny fitsipika rehetra nomen'ny Tompo.
7And they had no child, because Elizabeth was barren, and they were both advanced in years.
7Ary tsy nanan-janaka izy, fa momba Elizabeta; ary samy efa antitra izy mivady.
8And it came to pass, as he fulfilled his priestly service before God in the order of his course,
8Ary nony nanao raharaham-pisoronana teo anatrehan'Andriamanitra Zakaria araka ny fifandimbiasan'ny antokony,
9it fell to him by lot, according to the custom of the priesthood, to enter into the temple of the Lord to burn incense.
9araka ny fanao amin'ny fisoronana, dia anjarany araka ny filokana ny hiditra ao amin'ny tempolin'ny Tompo ka handoro ditin-kazo manitra.
10And all the multitude of the people were praying without at the hour of incense.
10Ary ny vahoaka rehetra nitoetra teo ivelany nivavaka tamin'ny ora fandoroana ny ditin-kazo manitra.
11And an angel of [the] Lord appeared to him, standing on the right of the altar of incense.
11Ary nisy anjelin'ny Tompo niseho taminy teo an-kavanan'ny alitara fandoroana ny ditin-kazo manitra.
12And Zacharias was troubled, seeing [him], and fear fell upon him.
12Ary nony nahita azy Zakaria, dia taitra loatra izy ka raiki-tahotra.
13But the angel said to him, Fear not, Zacharias, because thy supplication has been heard, and thy wife Elizabeth shall bear thee a son, and thou shalt call his name John.
13Fa hoy ilay anjely taminy: Aza matahotra, ry Zakaria; fa efa nohenoina ny fangatahanao, ka Elizabeta vadinao dia hiteraka zazalahy aminao, ary Jaona no hataonao anarany.
14And he shall be to thee joy and rejoicing, and many shall rejoice at his birth.
14Ary ho faly sy ho ravoravo ianao; ary maro no hifaly amin'ny hahaterahany.
15For he shall be great before [the] Lord, and he shall drink no wine nor strong drink; and he shall be filled with [the] Holy Spirit, even from his mother's womb.
15Fa ho lehibe eo anatrehan'ny Tompo izy ary tsy hisotro divay na toaka sady hofenoina ny Fanahy Masina hatrany an-kibon-dreniny aza.
16And many of the sons of Israel shall he turn to [the] Lord their God.
16Ary maro amin'ny Zanak'isiraely no hampodiny amin'i Jehovah Andriamaniny.
17And *he* shall go before him in [the] spirit and power of Elias, to turn hearts of fathers to children, and disobedient ones to [the] thoughts of just [men], to make ready for [the] Lord a prepared people.
17Ary izy handeha eo alohany amin'ny fanahy sy ny herin'i Elia mba hampody ny fon'ny ray ho amin'ny zanaka, ary ny tsy manoa ho amin'ny fahendren'ny marina, hamboatra firenena voaomana ho an'ny Tempo (Mal. 3. 23, 24).
18And Zacharias said to the angel, How shall I know this, for *I* am an old man, and my wife advanced in years?
18Ary hoy Zakaria tamin'ilay anjely: Inona no hahafantarako izany? fa izaho efa antitra, ary efa antitra koa ny vadiko.
19And the angel answering, said to him, *I* am Gabriel, who stand before God, and I have been sent to speak to thee, and to bring these glad tidings to thee;
19Ary ilay anjely namaly ka nanao taminy hoe: Izaho no Gabriela, izay mitsangana eo anatrehan'Andriamanitra; ary nirahina hiteny aminao aho ka hilaza aminao izany teny mahafaly izany.
20and behold, thou shalt be silent and not able to speak, till the day in which these things shall take place, because thou hast not believed my words, the which shall be fulfilled in their time.
20Koa, indro, ho moana ianao ka tsy hahay miteny ambara-pahatongan'ny andro hisehoan'izany zavatra izany, ho valin'ny tsy ninoanao ny teniko, izay ho tanteraka amin'ny fotoany.
21And the people were awaiting Zacharias, and they wondered at his delaying in the temple.
21Ary ny olona dia niandry an'i Zakaria ka gaga noho izy naharitra ela tao amin'ny tempoly.
22But when he came out he could not speak to them, and they recognised that he had seen a vision in the temple. And he was making signs to them, and continued dumb.
22Kanjo rehefa nivoaka izy, dia tsy nahay niteny taminy; ary dia fantatry ny olona fa efa nahita fahitana tao amin'ny tempoly izy; ary izy nanao baikon'ny moana taminy, ary dia mbola moana ihany.
23And it came to pass, when the days of his service were completed, he departed to his house.
23Ary rehefa tapitra ny andro nanaovany fanompoam-pivavahana, dia lasa nody tany an-tranony izy.
24Now after these days, Elizabeth his wife conceived, and hid herself five months, saying,
24Ary taorian'izany andro izany dia nitoe-jaza Elizabeta vadiny, dia niery dimy volana izy ka nanao hoe:
25Thus has [the] Lord done to me in [these] days in which he looked upon [me] to take away my reproach among men.
25Izao no nataon'ny Tompo tamiko tamin'ny andro izay nitsinjovany hahafa-tondromaso ahy amin'ny olona.
26But in the sixth month, the angel Gabriel was sent of God to a city of Galilee, of which [the] name [was] Nazareth,
26Ary tamin'ny fahenim-bolana dia nirahin'Andriamanitra ny anjely Gabriela ho any an-tanàna anankiray any Galilia atao hoe Nazareta,
27to a virgin betrothed to a man whose name [was] Joseph, of the house of David; and the virgin's name [was] Mary.
27ho any amin'ny virijina anankiray, izay voafofo ho vadin'ny lehilahy atao hoe Josefa, avy tamin'ny taranak'i Davida; ary ny anaran'ny virijina dia Maria.
28And the angel came in to her, and said, Hail, [thou] favoured one! the Lord [is] with thee: [blessed art *thou* amongst women].
28Ary nony niditra tao aminy ilay anjely, dia nanao hoe: Arahaba, ry ilay nohasoavina, ny Tompo momba anao.[Ampio hoe: voatahy samy vehivavy ianao]
29But she, [seeing] [the angel], was troubled at his word, and reasoned in her mind what this salutation might be.
29Ary taitra loatra izy noho ny teniny ka nieritreritra izay tokony ho hevitr'izany fiarahabana izany.
30And the angel said to her, Fear not, Mary, for thou hast found favour with God;
30Ary hoy ilay anjely taminy: Aza matahotra, ry Maria, fa efa nahita fitia tamin'Andriamanitra ianao.
31and behold, thou shalt conceive in the womb and bear a son, and thou shalt call his name Jesus.
31Ary, indro, hitoe-jaza ianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany dia hataonao hoe Jesosy.
32*He* shall be great, and shall be called Son of [the] Highest; and [the] Lord God shall give him the throne of David his father;
32Izy ho lehibe ka hatao hoe Zanaky ny Avo Indrindra; ary Jehovah Andriamanitra hanome Azy ny seza fiandrianan'i Davida rainy;
33and he shall reign over the house of Jacob for the ages, and of his kingdom there shall not be an end.
33ary hanjaka amin'ny taranak'i Jakoba mandrakizay Izy; ary ny fanjakany tsy hanam-pahataperana.
34But Mary said to the angel, How shall this be, since I know not a man?
34Ary hoy Maria tamin'ilay anjely: Hanao ahoana re no hahatanteraka izany, fa tsy mahalala lahy aho?
35And the angel answering said to her, [The] Holy Spirit shall come upon thee, and power of [the] Highest overshadow thee, wherefore the holy thing also which shall be born shall be called Son of God.
35Ary ilay anjely namaly ka nanao taminy hoe: Ny Fanahy Masina ho tonga ao aminao, ary hisy herin'ny Avo Indrindra hanaloka anao; koa ny Masina Izay hateraka dia hatao hoe Zanak'Andriamanitra.[Na: haterakao]
36And behold, Elizabeth, thy kinswoman, she also has conceived a son in her old age, and this is the sixth month to her that was called barren:
36Ary, indro, Elizabeta havanao dia efa mitoe-jaza koa, na dia efa antitra aza; ary efa mandray enina izy izao, izay natao hoe momba.
37for nothing shall be impossible with God.
37Fa tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon'Andriamanitra.
38And Mary said, Behold the bondmaid of [the] Lord; be it to me according to thy word. And the angel departed from her.
38Dia hoy Maria: Inty ny ankizivavin'ny Tompo; aoka anie ho tonga amiko araka ny teninao. Dia nandao azy ilay anjely.
39And Mary, rising up in those days, went into the hill country with haste, to a city of Judah,
39Ary Maria niainga tamin'izany andro izany ka nandeha faingana ho any amin'ny tany havoana, ho ao an-tanàna anankiray any Joda;
40and entered into the house of Zacharias, and saluted Elizabeth.
40ary niditra tao an-tranon'i Zakaria izy ka niarahaba an'i Elizabeta.
41And it came to pass, as Elizabeth heard the salutation of Mary, the babe leaped in her womb; and Elizabeth was filled with [the] Holy Spirit,
41Ary rehefa ren'i Elizabeta ny fiarahaban'i Maria, dia nibitaka ny zaza tao an-kibony; ary nofenoina ny Fanahy Masina Elizabeta,[Na: niantsambotra]
42and cried out with a loud voice and said, Blessed [art] *thou* amongst women, and blessed the fruit of thy womb.
42dia niantso tamin'ny feo mahery hoe izy: Voatahy samy vehivavy ianao, ary voatahy ny hateraky ny kibonao.
43And whence [is] this to me, that the mother of my Lord should come to me?
43Avy aiza no ahatongavan'izao amiko, no mba vangian'ny renin'ny Tompoko aho?
44For behold, as the voice of thy salutation sounded in my ears, the babe leaped with joy in my womb.
44Fa, indro, raha vao ren'ny sofiko ny feon'ny fiarahabanao, dia nibitaka noho ny hafaliana ny zaza ao an-kiboko.
45And blessed [is] she that has believed, for there shall be a fulfilment of the things spoken to her from [the] Lord.
45Ary sambatra ianao izay nino; fa hefaina izay zavatra nampilazain'ny Tompo taminao.
46And Mary said, My soul magnifies the Lord,
46Ary hoy Maria: Ny foko mankalaza ny Tompo,
47and my spirit has rejoiced in God my Saviour.
47Ary ny fanahiko efa ravoravo tamin'Andriamanitra, Mpamonjy ahy;
48For he has looked upon the low estate of his bondmaid; for behold, from henceforth all generations shall call me blessed.
48Fa efa nijery ny fahambani-toetry ny ankizivaviny Izy. Fa, indro, hatramin'ny ankehitriny dia hataon'ny taranaka rehetra ho sambatra aho.
49For the Mighty One has done to me great things, and holy [is] his name;
49Fa ny Mahery efa nanao zavatra lehibe tamiko; Ary masina ny anarany.
50and his mercy [is] to generations and generations to them that fear him.
50Ary ny famindram-pony dia amin'izay matahotra Azy hatramin'ny taranaka fara mandimby.
51He has wrought strength with his arm; he has scattered haughty [ones] in the thought of their heart.
51Nanao asa lehibe tamin'ny sandriny Izy; Nampihahaka ny mpiavonavona tamin'ny fiheveran'ny fony Izy.
52He has put down rulers from thrones, and exalted the lowly.
52Nampiala ny lehibe tamin'ny seza fiandrianany Izy, Ary nanandratra ny ambany kosa.
53He has filled the hungry with good things, and sent away the rich empty.
53Ny noana novokisany soa; Fa ny manan-karena kosa nampialainy maina.
54He has helped Israel his servant, in order to remember mercy,
54Niahy an'isiraely mpanompony Izy, fa nahatsiaro ny famindram-pony
55(as he spoke to our fathers,) to Abraham and to his seed for ever.
55(Araka ny voalazany tamin'ny razantsika), tamin'i Abrahama sy ny taranany mandrakizay.
56And Mary abode with her about three months, and returned to her house.
56Ary Maria nitoetra teo amin'i Elizabeta tokony ho telo volana vao nody tany an-tranony.
57But the time was fulfilled for Elizabeth that she should bring forth, and she gave birth to a son.
57Ary tonga ny andro hahaveloman'i Elizabeta, dia niteraka zazalahy izy.
58And her neighbours and kinsfolk heard that [the] Lord had magnified his mercy with her, and they rejoiced with her.
58Ary ny niara-monina taminy sy ny havany nandre fa efa nohalehibiazin'ny Tompo ny famindram-pony taminy; dia niara-nifaly taminy ireo.
59And it came to pass on the eighth day they came to circumcise the child, and they called it after the name of his father, Zacharias.
59Ary tamin'ny andro fahavalo dia tonga hamora ny zaza izy, ka efa saiky hataony hoe Zakaria araka ny anaran-drainy ny anarany.
60And his mother answering said, No; but he shall be called John.
60Fa ny reniny namaly ka nanao hoe: Tsy izany, fa hatao hoe Jaona izy.
61And they said to her, There is no one among thy kinsfolk who is called by this name.
61Fa hoy izy ireo taminy: Tsy misy na dia iray akory aza amin'ny havanao izay manana izany anarana izany.
62And they made signs to his father as to what he might wish it to be called.
62Ary nanao baikon'ny moana tamin'ny rainy iry ireo, izay tokony ho tiany hatao anarany.
63And having asked for a writing-table, he wrote saying, John is his name. And they all wondered.
63Ary nangataka fàfana izy ka nanoratra hoe: Jaona no anarany. Dia gaga avokoa izy rehetra.
64And his mouth was opened immediately, and his tongue, and he spake, blessing God.
64Ary dia nisokatra niaraka tamin'izay ny vavany, ka afaka niteny ny lelany; dia niteny izy ka nidera an'Andriamanitra.
65And fear came upon all who dwelt round about them; and in the whole hill-country of Judaea all these things were the subject of conversation.
65Dia raiki-tahotra izay rehetra niara-monina taminy; ary niely teny amin'ny tany havoan'i Jodia rehetra ny lazan'izany rehetra izany.
66And all who heard them laid them up in their heart, saying, What then will this child be? And [the] Lord's hand was with him.
66Ary izay rehetra nandre dia nandatsaka izany tam-pony ka nanao hoe: Ho zaza hanao ahoana re io? Fa ny tanan'ny Tompo nomba azy.
67And Zacharias his father was filled with [the] Holy Spirit, and prophesied, saying,
67Ary dia feno ny Fanahy Masina Zakaria rainy ka naminany hoe:
68Blessed be [the] Lord the God of Israel, because he has visited and wrought redemption for his people,
68Isaorana anie ny Tompo Andriamanitry ny Isiraely; Fa nitsinjo ny olony Izy ka nanao fanavotana ho azy,
69and raised up a horn of deliverance for us in the house of David his servant;
69Ary nanangana tandro-pamonjena ho antsika Amin'ny taranak'i Davida mpanompony Izy
70as he spoke by [the] mouth of his holy prophets, who have been since the world began;
70(Araka izay nampilazainy ny mpaminaniny masina hatramin'ny fahagola),
71deliverance from our enemies and out of the hand of all who hate us;
71Dia famonjena antsika amin'ny fahavalontsika, sy amin'ny tànan'izay rehetra mankahala antsika;
72to fulfil mercy with our fathers and remember his holy covenant,
72Manefa famindram-po amin'ny razantsika Izy Sady mahatsiaro ny fanekeny masina,
73[the] oath which he swore to Abraham our father,
73Dia ny fianianana izay nianianany tamin'i Abrahama razantsika,
74to give us, that, saved out of the hand of our enemies, we should serve him without fear
74Hanao izay hahazoantsika hanompo Azy tsy amin-tahotra, Satria afaka amin'ny fahavalontsika isika,
75in piety and righteousness before him all our days.
75Amin'ny fahamasinana sy ny fahamarinana eo anatrehany amin'ny andro rehetra hiainantsika.
76And *thou*, child, shalt be called [the] prophet of [the] Highest; for thou shalt go before the face of [the] Lord to make ready his ways;
76Ary ianao, ry zaza, dia hatao hoe mpaminanin'ny Avo Indrindra; Fa hialoha eo anatrehan'ny Tompo ianao hamboatra ny lalany.
77to give knowledge of deliverance to his people by [the] remission of their sins
77Hanome ny olony ny fahalalam-pamonjena amin'ny famelana ny helony,
78on account of [the] bowels of mercy of our God; wherein [the] dayspring from on high has visited us,
78Noho ny halehiben'ny famindram-pon'Andriamanitsika, izay hiposahan'ny mazava avy any amin'ny avo ho antsika.[Na: niposahan']
79to shine upon them who were sitting in darkness and in [the] shadow of death, to guide our feet into [the] way of peace.
79Hamirapiratra amin'izay mipetraka ao amin'ny maizina sy ao amin'ny aloky ny fahafatesana, Hanitsy ny diantsika ho amin'ny lalam-piadanana.Ary ny zazakely nitombo ka nihahery tam-panahy; ary nitoetra tany an-efitra izy ambara-pahatongan'ny andro nisehoany tamin'ny Isiraely.
80-- And the child grew and was strengthened in spirit; and he was in the deserts until the day of his shewing to Israel.
80Ary ny zazakely nitombo ka nihahery tam-panahy; ary nitoetra tany an-efitra izy ambara-pahatongan'ny andro nisehoany tamin'ny Isiraely.