1And having called together the twelve, he gave them power and authority over all demons, and to heal diseases,
1Ary Jesosy niantso ny roa ambin'ny folo lahy hankeo aminy ka nanome azy hery sy fahefana hamoaka ny demonia rehetra sy hahasitrana aretina.
2and sent them to proclaim the kingdom of God and to heal the sick.
2Ary Izy naniraka ireo handeha hitory ny fanjakan'Andriamanitra sy hahasitrana ny marary.
3And he said to them, Take nothing for the way, neither staff, nor scrip, nor bread, nor money; nor to have two body-coats apiece.
3Ary hoy izy taminy: Aza mitondra zavatra ho amin'ny alehanareo, na tehina, na kitapom-batsy, na mofo, na vola, ary aza misy mitondra akanjo roa.
4And into whatsoever house ye enter, there abide and thence go forth.
4Ary izay trano hidiranareo, dia ao no itoero, ary avy ao indray no ialao.
5And as many as may not receive you, going forth from that city, shake off even the dust from your feet for a witness against them.
5Ary izay tsy mampandroso, anareo, raha miala amin'izany tanàna izany ianareo, dia ahintsano ny vovoka ho afaka amin'ny tongotrareo ho vavolombelona miampanga azy.
6And going forth they passed through the villages, announcing the glad tidings and healing everywhere.
6Dia lasa nandeha izy ireo ka nitety vohitra nitory ny filazantsara sy nahasitrana teny tontolo eny.
7And Herod the tetrarch heard of all the things which were done [by him], and was in perplexity, because it was said by some that John was risen from among [the] dead,
7Ary Heroda mpanapaka nandre izay rehetra natao; dia very hevitra izy noho ny filazan'ny olona; fa hoy ny sasany: Jaona no efa nitsangana tamin'ny maty;
8and by some that Elias had appeared, and by others that one of the old prophets had risen again.
8ary hoy ny sasany: Elia no efa niseho; fa hoy kosa ny sasany: Ny anankiray amin'ny mpaminany fahiny no efa nitsangana.
9And Herod said, John *I* have beheaded, but who is this of whom I hear such things? and he sought to see him.
9Fa hoy Heroda: Raha Jaona, dia izaho no efa nanapaka ny lohany; fa iza indray moa Izao, izay reko fa manao izany zavatra izany? Ary izy nitady hahita Azy.
10And the apostles having returned related to him whatever they had done. And he took them and withdrew apart into [a desert place of] a city called Bethsaida.
10Ary rehefa niverina ny Apostoly, dia nanambara tamin'i Jesosy izay efa nataony. Ary Izy nitondra azy ka nandeha nitokana nankany amin'ny tanàna atao hoe Betsaida.
11But the crowds knowing [it] followed him; and he received them and spake to them of the kingdom of God, and cured those that had need of healing.
11Ary ny vahoaka, nony nahalala, dia nanaraka Azy; ary Izy nandray azy tsara ka nilaza taminy ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra; ary izay marary dia nositraniny.
12But the day began to decline, and the twelve came and said to him, Send away the crowd that they may go into the villages around, and [into] the fields, and lodge and find victuals, for here we are in a desert place.
12Ary nony efa ho hariva ny andro, dia nanatona ny roa ambin'ny folo lahy ka nanao taminy hoe: Ravao ny vahoaka mba hankanesany eny amin'ny vohitra manodidina sy any an-tsaha handry sy hitady hanina; fa atỳ an-tany foana isika.
13And he said to them, Give *ye them to eat. And they said, We have not more than five loaves and two fishes, unless *we* should go and buy food for all this people;
13Fa hoy Izy taminy: Omeonareo hanina izy. Ary hoy ireo: Tsy manana mihoatra noho ny mofo dimy sy hazandrano roa izahay, raha tsy handeha hividy hanina ho an'ireo olona rehetra ireo.
14for they were about five thousand men. And he said to his disciples, Make them sit down in companies by fifties.
14Fa tokony ho dimy arivo lahy izy. Ary hoy Izy tamin'ny mpianany: Asaovy mipetraka an-tokony izy ka tokony ho dimam-polo avy.
15And they did so, and made them all sit down.
15Dia nataony izany, ka nampipetraka azy rehetra izy.
16And taking the five loaves and the two fishes, looking up to heaven he blessed them, and broke and gave to the disciples to set before the crowd.
16Ary rehefa noraisin'i Jesosy ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy, ka nanaovany fisaorana ireo, dia novakiny ka natolony ny mpianany harosony eny anoloan'ny vahoaka.[Na: nasiany]
17And they all ate and were filled; and there was taken up of what had remained over and above to them in fragments twelve hand-baskets.
17Dia nihinana izy rehetra ka voky; ary nangonina izay sombintsombiny sisa tsy lany, ka nisy roa ambin'ny folo harona.
18And it came to pass as he was praying alone, his disciples were with him, and he asked them saying, Who do the crowds say that I am?
18Ary raha nivavaka tao amin'ny mangingina Jesosy, sady teo aminy ny mpianany, dia nanontany azy Izy ka nanao hoe: Ataon'ny olona ho iza moa Aho?
19But they answering said, John the baptist; but others, Elias; and others, that one of the old prophets has risen again.
19Dia namaly ireo ka nanao hoe: Jaona Mpanao-batisa; nefa ny sasany kosa manao Anao ho Elia, ary ny sasany indray manao hoe: Ny anankiray amin'ny mpaminany fahiny no efa nitsangana.
20And he said to them, But *ye*, who do ye say that I am? And Peter answering said, The Christ of God.
20Fa hoy Izy taminy: Fa ianareo kosa manao Ahy ho iza? Dia namaly Petera ka nanao hoe: Ny Kristin'Andriamanitra.
21But, earnestly charging them, he enjoined [them] to say this to no man,
21Ary Izy niteny mafy azy sady nandrara azy mba tsy hilazalaza izany amin'olona
22saying, The Son of man must suffer many things, and be rejected of the elders and chief priests and scribes, and be killed, and the third day be raised up.
22ka nanao hoe: Ny Zanak'olona tsy maintsy hijaly mafy ka holavin'ny loholona sy ny lohan'ny mpisorona mbamin'ny mpanora-dalàna sady hovonoiny; ary amin'ny andro fahatelo dia hatsangana.
23And he said to [them] all, If any one will come after me, let him deny himself and take up his cross daily and follow me;
23Ary hoy koa Jesosy tamin'izy rehetra: Raha misy ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany, dia hitondra ny hazo fijaliany isan'andro ka hanaraka Ahy.
24for whosoever shall desire to save his life shall lose it, but whosoever shall lose his life for my sake, *he* shall save it.
24Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy dia hahavery izany; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko, dia izy no hamonjy izany.
25For what shall a man profit if he shall have gained the whole world, and have destroyed, or come under the penalty of the loss of himself?
25Fa inona no soa azon'ny olona, raha mahazo izao tontolo izao aza, kanefa very ny ainy, na matiantoka, izany izy?[Na: ny fanahiny]
26For whosoever shall have been ashamed of me and of my words, of him will the Son of man be ashamed when he shall come in his glory, and [in that] of the Father, and of the holy angels.
26Fa na iza na iza no ho menatra Ahy sy ny teniko, dia ho menatra azy kosa ny Zanak'olona, raha avy amin'ny voninahiny sy ny an'ny Rainy ary ny an'ny anjely masina.
27But I say unto you of a truth, There are some of those standing here who shall not taste death until they shall have seen the kingdom of God.
27Fa lazaiko aminareo tokoa: Misy ny sasany eto izay tsy mba hanandrana fahafatesana mandra-pahitany ny fanjakan'Andriamanitra.
28And it came to pass after these words, about eight days, that taking Peter and John and James he went up into a mountain to pray.
28Ary rehefa tokony ho havaloana taorian'izany teny izany, dia nitondra an'i Petera sy Jaona ary Jakoba Izy ka niakatra tany an-tendrombohitra hivavaka.
29And as he prayed the fashion of his countenance became different and his raiment white [and] effulgent.
29Ary raha mbola nivavaka Izy, dia niova ny toetry ny tarehiny, ary ny fitafiany dia tonga fotsy sady nanelatrelatra.
30And lo, two men talked with him, who were Moses and Elias,
30Ary, indreo, nisy roa lahy niresaka taminy, dia Mosesy sy Elia,
31who, appearing in glory, spoke of his departure which he was about to accomplish in Jerusalem.
31izay niseho tamin-boninahitra ka nilaza ny fialany, izay efa hefainy any Jerosalema.
32But Peter and those with him were oppressed with sleep: but having fully awoke up they saw his glory, and the two men who stood with him.
32Ary efa navesatry ny tory ny mason'i Petera sy ny namany; nefa nahari-tory ihany izy, dia nahita ny voninahitr'i Jesosy sy izy roa lahy izay teo aminy.[Na: Nony nahatsiaro tsara]
33And it came to pass as they departed from him, Peter said to Jesus, Master, it is good for us to be here; and let us make three tabernacles, one for thee, and one for Moses, and one for Elias: not knowing what he said.
33Ary tamin'ny nisarahan'izy roa lahy taminy dia hoy Petera tamin'i Jesosy: Tompoko, tsara raha mitoetra eto isika; ary aoka izahay hanao tranolay telo: ny anankiray ho Anao, ny anankiray ho an'i Mosesy, ary ny anankiray ho an'i Elia; nefa tsy fantany izay nolazainy.
34But as he was saying these things, there came a cloud and overshadowed them, and they feared as they entered into the cloud:
34Ary raha mbola niteny izany izy, dia nisy rahona niseho nanarona azy ireo; ary raha niditra tao anatin'ny rahona ireo, dia raiki-tahotra ny mpianatra telo lahy.
35and there was a voice out of the cloud saying, *This* is my beloved Son: hear him.
35Ary nisy feo avy tao amin'ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako voafidiko; Izy no henoy.
36And as the voice was [heard] Jesus was found alone: and *they* kept silence, and told no one in those days any of the things they had seen.
36Ary rehefa nitsahatra ny feo, dia Jesosy irery ihany no hita. Ary nangina izy ireo ka tsy nilazalaza tamin'olona na dia iray akory aza tamin'izany andro izany ny amin'izay zavatra efa hitany.
37And it came to pass on the following day, when they came down from the mountain, a great crowd met him.
37Ary nony ampitson'iny, raha nidina avy teo an-tendrombohitra izy ireo, dia nisy vahoaka betsaka nitsena an'i Jesosy.
38And lo, a man from the crowd cried out saying, Teacher, I beseech thee look upon my son, for he is mine only child:
38Ary, indro, nisy lehilahy anankiray avy teo amin'ny vahoaka nitaraina mafy hoe: Mpampianatra ô, masina Hianao, mamindrà fo amin'ny zanako! fa zanako-lahy tokana izy.
39and behold, a spirit takes him, and suddenly he cries out, and it tears him with foaming, and with difficulty departs from him after crushing him.
39Ary, indro, misy fanahy mahazo azy, ka miantsoantso tampoka izy, ary ny fanahy mampifanintontsintona ny tenany sy mampandoa vory azy, ary sarotra ny fialany aminy ka mahatorotorovana azy.
40And I besought thy disciples that they might cast him out, and they could not.
40Ary nangataka tamin'ny mpianatrao aho mba hamoaka izany, fa tsy afany.
41And Jesus answering said, O unbelieving and perverted generation, how long shall I be with you and suffer you? Bring hither thy son.
41Ary Jesosy namaly ka nanao hoe: Ry taranaka sady tsy mino no efa nivadika, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo sy handeferako aminareo? Ento etỳ ny zanakao.
42But as he was yet coming, the demon tore him and dragged him all together. And Jesus rebuked the unclean spirit, and healed the child and gave him back to his father.
42Ary raha mbola nanatona izy, dia nampihinjitrinjitra sy nampifanintontsintona azy ny demonia. Ary Jesosy niteny mafy ny fanahy maloto ka nahasitrana ny zazalahy; dia natolony tamin-drainy indray izy.
43And all were astonished at the glorious greatness of God. And as all wondered at all the things which [Jesus] did, he said to his disciples,
43Dia talanjona izy rehetra noho ny fiandrianan'Andriamanitra. Ny nilazan'i Jesosy fanindroany ny hahafatesany sy ny hitsanganany indray. Fa raha talanjona izy rehetra tamin'izay rehetra nataon'i Jesosy, dia hoy Izy tamin'ny mpianany:
44Do *ye* let these words sink into your ears. For the Son of man is about to be delivered into men's hands.
44Ampidironareo ao amin'ny sofinareo izany teny izany; fa ny Zanak'olona efa hatolotra eo an-tànan'ny olona.
45But they understood not this saying, and it was hid from them that they should not perceive it. And they feared to ask him concerning this saying.
45Nefa tsy azon'ny mpianatra io teny io sady nafenina azy izany mba tsy ho fantany; ary natahotra hanontany Azy ny amin'io teny io izy.
46And a reasoning came in amongst them, who should be [the] greatest of them.
46Dia nisy fisainana niseho tao am-pony ny amin'izay ho lehibe ao aminy.
47And Jesus, seeing the reasoning of their heart, having taken a little child set it by him,
47Ary Jesosy nahalala ny fisainan'ny fony, dia nandray zaza anankiray ka nametraka azy teo anoloany;
48and said to them, Whosoever shall receive this little child in my name receives me, and whosoever shall receive me receives him that sent me. For he who is the least among you all, *he* is great.
48ary hoy Izy tamin'ireo: Na zovy na zovy no mandray io zaza io noho ny anarako dia mandray Ahy; ary na zovy na zovy no mandray Ahy dia mandray Izay naniraka Ahy; fa izay kely indrindra ao aminareo rehetra, dia izy no lehibe.
49And John answering said, Master, we saw some one casting out demons in thy name, and we forbad him, because he follows not with us.
49Ary Jaona namaly ka nanao hoe: Tompoko, izahay nahita anankiray namoaka demonia tamin'ny anaranao, ka noraranay izy, satria tsy manaraka antsika.
50And Jesus said to him, Forbid [him] not, for he that is not against you is for you.
50Fa hoy Jesosy taminy: Aza raràna, fa izay tsy manohitra anareo dia momba anareo.
51And it came to pass when the days of his receiving up were fulfilled, that *he* stedfastly set his face to go to Jerusalem.
51Ary rehefa ho tonga ny fotoana hampiakarana an'i Jesosy, dia niatrika hankany Jerosalema Izy.
52And he sent messengers before his face. And having gone they entered into a village of the Samaritans that they might make ready for him.
52Ary nandefa iraka hialoha Azy Izy; dia nandeha ireo ka niditra tao amin'ny vohitra anankiray izay an'ny Samaritana hamboatra ho Azy.
53And they did not receive him, because his face was [turned as] going to Jerusalem.
53Fa tsy nandray Azy ny olona, satria nandroso toa ho any Jerosalema Izy.
54And his disciples James and John seeing [it] said, Lord, wilt thou that we speak [that] fire come down from heaven and consume them, as also Elias did?
54Ary raha hitan'i Jakoba sy Jaona mpianany izany, dia hoy izy: Tompoko, tianao va raha hiteny izahay mba hisy afo milatsaka avy any an-danitra handevona azy?[Ampio hoe: toy ny nataon'i Elia]
55But turning he rebuked them [and said, Ye know not of what spirit ye are].
55Fa Izy nitodika, dia niteny mafy azy.[Ampio hoe: ka nanao hoe: Tsy fantatrareo ny toetry ny fanahy izay anareo. Fa ny Zanak'olona tsy tonga hahavery ny ain'olona, fa hamonjy azy]
56And they went to another village.
56Dia nankany amin'ny vohitra hafa Izy.
57And it came to pass as they went in the way, one said to him, I will follow thee wheresoever thou goest, Lord.
57Ary nony nandroso teny an-dalana izy, dia nisy anankiray nanao tamin'i Jesosy hoe: Hanaraka Anao aho na aiza na aiza halehanao.
58And Jesus said to him, The foxes have holes and the birds of the heaven roosting-places, but the Son of man has not where he may lay his head.
58Fa hoy Jesosy taminy: Ny amboahaolo manan-davaka, ary ny voro-manidina manana fialofana; fa ny Zanak'olona tsy mba manana izay hipetrahan'ny lohany.[volpa]
59And he said to another, Follow me. But he said, Lord, allow me to go first and bury my father.
59Ary hoy Izy tamin'ny anankiray koa: Manaraha Ahy. Fa hoy kosa izy: Tompoko, aoka aho aloha handeha handevina ny raiko.
60But Jesus said to him, Suffer the dead to bury their own dead, but do *thou* go and announce the kingdom of God.
60Fa hoy Jesosy taminy: Aoka ny maty handevina ny maty ao aminy; fa ianao kosa mandehana, ka mitoria ny fanjakan'Andriamanitra.
61And another also said, I will follow thee, Lord, but first allow me to bid adieu to those at my house.
61Ary hoy ny anankiray koa: Tompoko, hanaraka Anao ihany aho; fa aoka aho aloha handeha hanao veloma ny ao an-tranoko.Fa hoy Jesosy taminy: Tsy misy olona mitana fangady tarihina ary miherika ka miendrika ho ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra.
62But Jesus said to him, No one having laid his hand on [the] plough and looking back is fit for the kingdom of God.
62Fa hoy Jesosy taminy: Tsy misy olona mitana fangady tarihina ary miherika ka miendrika ho ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra.