1And he went out thence and came to his own country, and his disciples follow him.
1Ary niala teo Izy ka tonga tany amin'ny taniny, sady nanaraka Azy ny mpianany.
2And when sabbath was come he began to teach in the synagogue, and many hearing were amazed, saying, Whence [has] this [man] these things? and what [is] the wisdom that is given to him, and such works of power are done by his hands?
2Ary rehefa tonga ny Sabata, dia nampianatra tao amin'ny synagoga Izy; ary maro izay nihaino Azy dia talanjona indrindra ka nanao hoe: Taiza no nahazoan'ilehity izany zavatra izany, ary manao ahoana ny fahendrena nomena Azy sy izao asa lehibe ataon'ny tànany izao?
3Is not this the carpenter, the son of Mary, and brother of James, and Joses, and Judas, and Simon? and are not his sisters here with us? And they were offended in him.
3Tsy ilay mpandrafitra, zanak'i Maria, ary rahalahin'i Jakoba sy Josesy sy Jodasy sy Simona va Ilehity? Ary tsy etỳ amintsika va ireo anabaviny? Dia tafintohina taminy izy.
4But Jesus said to them, A prophet is not despised save in his own country, and among [his] kinsmen, and in his own house.
4Fa ho Jesosy taminy: Tsy misy mpaminany tsy hajaina afa-tsy eo amin'ny taniny sy ny havany ary ny ankohonany ihany.
5And he could not do any work of power there, save that laying his hands on a few infirm persons he healed [them].
5Ary tsy nahazo nampiseho hery akory Izy teo, afa-tsy ny nametraka ny tànany tamin'ny olona marary vitsy foana ka nahasitrana azy.
6And he wondered because of their unbelief. And he went round the villages in a circuit, teaching.
6Ary gaga Izy noho ny tsi-finoany. Dia nitety ny vohitra manodidina Izy ka nampianatra.
7And he calls the twelve to [him]; and he began to send them out two [and] two, and gave to them power over the unclean spirits;
7Ary niantso ny roa ambin'ny folo lahy hankeo aminy Izy ka naniraka azy tsiroaroa sy nanome azy fahefana hamoaka fanahy maloto.
8and he commanded them that they should take nothing for the way, save a staff only; no scrip, no bread, no money in their belt;
8Ary nandrara azy Izy mba tsy hitondra zavatra ho any amin'ny halehany, na hanina, na kitapo, na vola ao amin'ny fehin-kibony, afa-tsy tehina ihany.[Gr. varahina]
9but be shod with sandals, and put not on two body-coats.
9Fa asio kapa ny tongotrareo; ary aza mitondra akanjo roa.
10And he said to them, Wheresoever ye shall enter into a house, there remain till ye shall go thence.
10Ary hoy koa Izy taminy: Izay trano hidiranareo, dia mitoera ao mandra-pialanareo any.
11And whatsoever place shall not receive you nor hear you, departing thence, shake off the dust which is under your feet for a testimony to them.
11Ary izay tanàna tsy hampandroso anareo, na tsy hihaino anareo, raha miala ianareo, dia ahintsano ny vovoka ao am-paladianareo ho vavolombelona aminy.
12And they went forth and preached that they should repent;
12Dia lasa nandeha izy ireo ka nitory fa tokony hibebaka ny olona.
13and they cast out many demons, and anointed with oil many infirm, and healed them.
13Ary demonia maro no navoakany; ary nohosorany diloilo ny marary maro ka nositraniny.
14And Herod the king heard [of him] (for his name had become public), and said, John the baptist is risen from among [the] dead, and on this account works of power are wrought by him.
14Ary nahare izany Heroda mpanjaka (fa efa nalaza ny anaran'i Jesosy), dia hoy izy: Jaona Mpanao-batisa efa nitsangana tamin'ny maty izay, ka izany no ananany hery hanao ireo asa lehibe ireo.
15And others said, It is Elias; and others said, It is a prophet, as one of the prophets.
15Fa hoy ny sasany: Elia Izy; ary hoy ny sasany: Mpaminany Izy dia toy ny anankiray amin'ny mpaminany.
16But Herod when he heard [it] said, John whom *I* beheaded, he it is; *he* is risen [from among the dead].
16Ary rehefa nahare izany Heroda, dia hoy izy: Jaona izay, ilay notapahiko ny lohany; efa nitsangana izy.
17For the same Herod had sent and seized John, and had bound him in prison on account of Herodias, the wife of Philip his brother, because he had married her.
17Fa Heroda ihany no naniraka sy nisambotra an'i Jaona ka namatotra azy tao an-tranomaizina noho ny amin'i Herodiasy vadin'i Filipo rahalahiny; fa nanambady azy izy.
18For John said to Herod, It is not lawful for thee to have the wife of thy brother.
18Fa Jaona efa nilaza tamin'i Heroda hoe: Diso ianao, raha manambady ny vadin'ny rahalahinao.
19But Herodias kept it [in her mind] against him, and wished to kill him, and could not:
19Ary Herodiasy dia nanao otri-po taminy ka naniry hahafaty azy, nefa tsy nahazo.
20for Herod feared John knowing that he was a just and holy man, and kept him safe; and having heard him, did many things, and heard him gladly.
20Fa Heroda natahotra an'i Jaona, satria fantany fa lehilahy marina sy masina izy, ka dia niaro azy izy; ary rehefa nandre azy izy, dia very hevitra be ihany; ary nihaino azy tamin'ny hafaliana izy.[Na: nanao zavatra maro]
21And a holiday being come, when Herod, on his birthday, made a supper to his grandees, and to the chiliarchs, and the chief [men] of Galilee;
21Ary rehefa tonga izay andro antonona, dia ilay nanaovan'i Heroda fanasana ho an'ny lehibe sy ny mpifehy arivo ary ny loholona tany Galilia tamin'ny andro fahatsiarovana ny nahaterahany,[Na: tamin'ny fitsingerenan'ny taona]
22and the daughter of the same Herodias having come in, and danced, pleased Herod and those that were with [him] at table; and the king said to the damsel, Ask of me whatsoever thou wilt and I will give it thee.
22ka niditra ny zanakavavin'i Herodiasy ary nandihy ka nahafaly an'i Heroda mbamin'izay niara-nipetraka nihinana teo aminy, dia hoy ny mpanjaka tamin-drazazavavy: Angataho amiko izay tianao na inona na inona, dia homeko anao.
23And he swore to her, Whatsoever thou shalt ask me I will give thee, to half of my kingdom.
23Ary nianiana taminy hoe izy: Na inona na inona hangatahinao amiko dia homeko anao na dia hatramin'ny antsasaky ny fanjakako aza.
24And she went out, and said to her mother, What should I ask? And she said, The head of John the baptist.
24Dia nivoaka razazavavy ka nanao tamin-dreniny hoe: Inona no hangatahiko? Ary hoy reniny: Ny lohan'i Jaona Mpanao-batisa.
25And immediately going in with haste to the king, she asked saying, I desire that thou give me directly upon a dish the head of John the baptist.
25Dia niditra faingana niaraka tamin'izay izy ho ao amin'ny mpanjaka ka nangataka hoe: Tiako raha homenao ahy faingana eto an-dovia ny lohan'i Jaona Mpanao-batisa.
26And the king, [while] made very sorry, on account of the oaths and those lying at table with [him] would not break his word with her.
26Dia nalahelo indrindra ny mpanjaka, kanefa noho ny fianianany sy ny olona izay nipetraka nihinana teo, dia tsy sahy nandà azy izy.
27And immediately the king, having sent one of the guard, ordered his head to be brought. And he went out and beheaded him in the prison,
27Ary niaraka tamin'izay ny mpanjaka dia naniraka mpiambina, ka nasainy nentiny ny lohan'i Jaona. Ary dia nandeha izy, ka notapahiny tao an-tranomaizina ny lohany.
28and brought his head upon a dish, and gave it to the damsel, and the damsel gave it to her mother.
28Dia nentiny teo an-dovia ny lohany ka nomeny an-drazazavavy; ary razazavavy kosa dia nanome azy an-dreniny.
29And his disciples having heard [it], came and took up his body, and laid it in a tomb.
29Ary rehefa nandre izany ny mpianany, dia tonga ka naka ny faty ary nandevina azy.
30And the apostles are gathered together to Jesus. And they related to him all things, [both] what they had done and what they had taught.
30Ary ny Apostoly niangona teo amin'i Jesosy ka nilaza taminy izay rehetra efa nataony mbamin'izay nampianariny.
31And he said to them, Come ye yourselves apart into a desert place and rest a little. For those coming and those going were many, and they had not leisure even to eat.
31Ary hoy Jesosy taminy: Avia ianareo hitokana any an-tany foana, ka mialà sasatra kelikely (fa maro no nifamoivoy, ka tsy nisy hihinanana aza).
32And they went away apart into a desert place by ship.
32Dia nandeha an-tsambokely izy hitokana any an-tany foana.
33And many saw them going, and recognised them, and ran together there on foot, out of all the cities, and got [there] before them.
33Ary ny olona nahita azy mandeha, sady betsaka no nahalala an'i Jesosy, dia niala avy teny amin'ny tanàna rehetra ny olona ka nihazakazaka nandeha an-tanety, dia tonga talohany.[Na: nandeha tongotra]
34And on leaving [the ship] [Jesus] saw a great crowd, and he was moved with compassion for them, because they were as sheep not having a shepherd. And he began to teach them many things.
34Ary nony niala Jesosy, dia nahita vahoaka betsaka Izy ka onena azy, fa tahaka ny ondry tsy manana mpiandry ireo; dia nampianatra azy zavatra maro Izy.
35And when it was already late in the day, his disciples coming to him say, The place is desert, and it is already late in the day;
35Ary rehefa hariva ny andro, dia nanatona Azy ny mpianany ka nanao hoe: Tany foana ity, ka efa hariva ny andro ankehitriny;
36send them away that they may go into the country and villages around, and buy themselves bread, for they have not anything they can eat.
36ravao ny olona mba hankanesany eny an-tsaha sy eny amin'ny vohitra manodidina hividy hanina ho azy.
37And he answering said to them, Give *ye* them to eat. And they say to him, Shall we go and buy two hundred denarii worth of bread and give them to eat?
37Fa Izy namaly ka nanao taminy hoe: Omeonareo hanina izy. Fa hoy kosa izy ireo taminy: Handeha hividy mofo izay azon'ny denaria roan-jato va izahay, ka homenay azy hohaniny?
38And he says to them, How many loaves have ye? Go [and] see. And when they knew they say, Five, and two fishes.
38Fa hoy Izy taminy: Misy mofo firy any aminareo? Andeha, izahao. Ary rehefa fantany, dia hoy izy: Dimy sy hazandrano roa.
39And he ordered them to make them all sit down by companies on the green grass.
39Dia nasain'i Jesosy nampipetraka ny olona rehetra hatao an-tokotokony eny ambonin'ny ahi-maitso izy.
40And they sat down in ranks by hundreds and by fifties.
40Dia nipetraka an-tokony zato sy dimam-polo avy ny olona.
41And having taken the five loaves and the two fishes, looking up to heaven, he blessed, and broke the loaves, and gave [them] to his disciples that they might set [them] before them. And the two fishes he divided among all.
41Ary rehefa voarain'i Jesosy ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy ka nisaotra, dia novakiny ny mofo ka natolony ny mpianatra mba harosony eny anoloan'ny olona; ary ny hazandrano roa nozarainy tamin'ny olona rehetra.
42And they all ate and were satisfied.
42Ary samy nihinana avokoa ny olona rehetra ka voky.
43And they took up of fragments the fillings of twelve hand-baskets, and of the fishes.
43Ary nangoniny izay sombintsombin'ny mofo sy ny hazandrano, ka dia nahafeno harona roa ambin'ny folo.
44And those that ate of the loaves were five thousand men.
44Ary izay nihinana ny mofo dia dimy arivo lahy.
45And immediately he compelled his disciples to go on board ship, and to go on before to the other side to Bethsaida, while *he* sends the crowd away.
45Ary niaraka tamin'izay Jesosy dia nanery ny mpianany hiondrana an-tsambokely hita hialoha ho any Betsaida, mandra-pandràvany ny vahoaka.
46And, having dismissed them, he departed into the mountain to pray.
46Ary rehefa nanao veloma ny olona Izy, dia lasa nankany an-tendrombohitra hivavaka.
47And when evening was come, the ship was in the midst of the sea, and *he* alone upon the land.
47Ary nony hariva ny andro, dia efa mby teo ampovoan'ny ranomasina ny sambokely, ary Izy irery ihany no teo an-tanety.
48And seeing them labouring in rowing, for the wind was contrary to them, about the fourth watch of the night he comes to them walking on the sea, and would have passed them by.
48Ary nahita azy ireo sahirana nivoy fatratra Izy, fa notohain'ny rivotra: ary tokony ho tamin'ny fiambenana fahefatra amin'ny alina dia nankeny aminy nitsangantsangana tambonin'ny ranomasina Jesosy ka nikasa handalo azy.
49But they, seeing him walking on the sea, thought that it was an apparition, and cried out.
49Ary rehefa hitany nitsangantsangana tambonin'ny ranomasina Izy, dia nataony ho matoatoa, ka niantso mafy izy ireo.
50For all saw him and were troubled. And immediately he spoke with them, and says to them, Be of good courage: it is *I*; be not afraid.
50Fa izy rehetra samy nahita Azy avokoa, ka dia raiki-tahotra. Ary Izy niteny taminy niaraka tamin'izay ka nanao taminy hoe: Matokia, fa Izaho ihany; aza matahotra.
51And he went up to them into the ship, and the wind fell. And they were exceedingly beyond measure astonished in themselves and wondered;
51Ary niakatra nankeo aminy teo an-tsambokely Izy; dia nitsahatra ny rivotra, ka dia talanjona izy ireo.
52for they understood not through the loaves: for their heart was hardened.
52Ary tsy fantany ny amin'ny mofo; fa efa mafy ny fony.
53And having passed over, they came to the land of Gennesaret and made the shore.
53Ary nony tafita izy, dia tonga teo amin'ny tany Genesareta ka niantsona teo.
54And on their coming out of the ship, immediately recognising him,
54Ary raha niala teo an-tsambokely izy, dia nahalala an'i Jesosy niaraka tamin'izay ny olona teo
55they ran through that whole country around, and began to carry about those that were ill on couches, where they heard that he was.
55ka nihazakazaka tamin'izany tany rehetra izany ary nitondra ny marary tamin'ny fandriana ho any amin'izay reny fa nitoerany.Ary na taiza na taiza no nidiran'i Jesosy, na tao amin'ny vohitra, na tao an-tanàna, na tany an-tsaha, dia napetraka teo an-kianja ny marary, ary ny olona nangataka hanendry na dia ny somotraviavin-dambany ihany aza; ary sitrana izay rehetra nanendry Azy.[Gr. voavonjy]
56And wherever he entered into villages, or cities, or the country, they laid the sick in the market-places, and besought him that they might touch if it were only the hem of his garment; and as many as touched him were healed.
56Ary na taiza na taiza no nidiran'i Jesosy, na tao amin'ny vohitra, na tao an-tanàna, na tany an-tsaha, dia napetraka teo an-kianja ny marary, ary ny olona nangataka hanendry na dia ny somotraviavin-dambany ihany aza; ary sitrana izay rehetra nanendry Azy.[Gr. voavonjy]