1In those days, there being again a great crowd, and they having nothing that they could eat, having called his disciples to [him], he says to them,
1Tamin'izany andro izany, nony betsaka indray ny vahoaka teo sady tsy nanan-kohanina izy, dia nantsoin'i Jesosy hanatona Azy ny mpianany ka nilazany hoe:
2I have compassion on the crowd, because they have stayed with me already three days and they have not anything they can eat,
2Mahonena Ahy ireo vahoaka, fa hateloana izay no nitoerany tatỳ amiko, sady tsy manan-kohanina izy;
3and if I should dismiss them to their home fasting, they will faint on the way; for some of them are come from far.
3koa raha hampodiko ho any an-tranony mbola tsy nihinana izy, dia ho reraka eny an-dalana, sady avy lavitra ny sasany.
4And his disciples answered him, Whence shall one be able to satisfy these with bread here in a desert place?
4Fa ny mpianany namaly Azy hoe: Aiza no hahazoana mofo atỳ an-efitra hahavoky ireto olona ireto!
5And he asked them, How many loaves have ye? And they said, Seven.
5Ary izy nanontany azy hoe: Misy mofo firy any aminareo? Ary hoy ireo: Fito.
6And he commanded the crowd to sit down on the ground. And having taken the seven loaves, he gave thanks, and broke [them] and gave [them] to his disciples, that they might set [them] before [them]; and they set [them] before the crowd.
6Dia nasainy nipetraka tamin'ny tany ny vahoaka; ary dia nandray ny mofo fito Izy, ka rehefa nisaotra, dia novakiny ka natolony ny mpianany mba harosony; dia narosony teny anoloan'ny vahoaka izany.
7And they had a few small fishes, and having blessed them, he desired these also to be set before [them].
7Ary nisy hazandrano madinika vitsy tao aminy; ka rehefa nanaovan'i Jesosy fisaorana ireo, dia nasainy naroso teny anoloany koa.
8And they ate and were satisfied. And they took up of fragments that remained seven baskets.
8Ary nihinana ny olona, ka dia voky; ary nangoniny ny sombintsombiny sisa tsy lany, ka nisy fito sobiky.
9And they [that had eaten] were about four thousand; and he sent them away.
9Ary tokony ho efatra arivo ireo. Dia nampodiny izy.
10And immediately going on board ship with his disciples, he came into the parts of Dalmanutha.
10Ary niaraka tamin'izay dia niondrana an-tsambokely Izy mbamin'ny mpianany ka tonga tany amin'ny fari-tanin'i Dalmanota.
11And the Pharisees went out and began to dispute against him, seeking from him a sign from heaven, tempting him.
11Ary ny Fariseo nankany, dia niady hevitra taminy ary naka fanahy Azy ka nitady famantarana avy any an-danitra.
12And groaning in his spirit, he says, Why does this generation seek a sign? Verily I say unto you, A sign shall in no wise be given to this generation.
12Ary nisento mafy am-panahy Jesosy ka nanao hoe: Nahoana ity taranaka ity no mitady famantarana? Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy homena famantarana akory ity taranaka ity.
13And he left them, and going again on board ship, went away to the other side.
13Ary nandao azy Izy, dia niondrana indray ka lasa nankeny am-pita.
14And they forgot to take bread, and save one loaf, they had not [any] with them in the ship.
14Ary tsy tsaroan'ireo ny hitondra mofo, ka tsy nisy teo an-tsambokely afa-tsy mofo iray ihany.
15And he charged them, saying, Take heed, beware of the leaven of the Pharisees and [of] the leaven of Herod.
15Dia nananatra azy Izy ka nanao hoe: Mihevera, ka mitandrema ianareo, fandrao azon'ny masirasiran'ny Fariseo sy ny masirasiran'i Heroda.
16And they reasoned with one another, [saying], It is because we have no bread.
16Ary niara-nisaina izy ka nanao hoe: Ny tsy nitondrantsika mofo angaha izany.
17And Jesus knowing [it], says to them, Why reason ye because ye have no bread? Do ye not yet perceive nor understand? Have ye your heart [yet] hardened?
17Ary Jesosy nahalala izany, dia nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no miara-misaina, satria tsy manana mofo? Tsy mbola mahazo an-tsaina na mahafantatra va ianareo? Efa mafy va ny fonareo?
18Having eyes, see ye not? and having ears, hear ye not? and do ye not remember?
18Mana-maso, fa tsy mahita va ianareo? Ary manan-tsofina, fa tsy mandre va ianareo? Ary tsy mahatadidy va ianareo?
19When I broke the five loaves for the five thousand, how many hand-baskets full of fragments took ye up? They say to him, Twelve.
19Raha ny mofo dimy no novakiko ho an'ny dimy arivo, firy harona moa no sombintsombiny nangoninareo? Hoy ny mpianany taminy: Roa ambin'ny folo.
20And when the seven for the four thousand, the filling of how many baskets of fragments took ye up? And they said, Seven.
20Ary raha ny mofo fito ho an'ny efatra arivo, firy sobiky moa no sombintsombiny nangoninareo? Dia hoy ny mpianany: Fito.
21And he said to them, How do ye not yet understand?
21Ary hoy Izy taminy: Mbola tsy mahafantatra ihany va ianareo?
22And he comes to Bethsaida; and they bring him a blind man, and beseech him that he might touch him.
22Ary tonga tany Betsaida izy; ary nisy nitondra lehilahy jamba teo amin'i Jesosy ka nangataka taminy hanendry ilay jamba.
23And taking hold of the hand of the blind man he led him forth out of the village, and having spit upon his eyes, he laid his hands upon him, and asked him if he beheld anything.
23Ary nitantana ilay jamba Izy ka nitondra azy teny ivelan'ny tanàna; ary rehefa nororany ny masony, ka napetrany taminy ny tànany, dia nanontaniany hoe izy: Mahita zavatra va ianao?
24And having looked up, he said, I behold men, for I see [them], as trees, walking.
24Dia niandrandra ralehilahy ka nanao hoe: Mahita ny olona aho: fa toa hazo ny fijeriko azy, saingy mamindra.
25Then he laid his hands again upon his eyes, and he saw distinctly, and was restored and saw all things clearly.
25Dia napetrany tamin'ny masony indray ny tànany, dia nibanjina ralehilahy ka nahiratra tsara, ary hitany miharihary ny zavatra rehetra.
26And he sent him to his house, saying, Neither enter into the village, nor tell [it] to any one in the village.
26Ary Jesosy nampody azy ho any an-tranony ka nanao hoe: Aza mankao an-tanàna.
27And Jesus went forth and his disciples, into the villages of Caesarea-Philippi. And by the way he asked his disciples, saying unto them, Who do men say that I am?
27Ary Jesosy sy ny mpianany dia lasa nankeny amin'ireny tanàna momba an'i Kaisaria-filipo; ary nony teny an-dalana dia nanontany ny mpianany Izy ka nanao taminy hoe: Ataon'ny olona ho iza moa Aho?
28And they answered him, saying, John the baptist; and others, Elias; but others, One of the prophets.
28Ary izy nanao taminy hoe: Jaona Mpanao-batisa; fa hoy ny sasany: Elia; ary hoy ny sasany: Anankiray amin'ny mpaminany.
29And he asked them, But *ye*, who do ye say that I am? And Peter answering says to him, *Thou* art the Christ.
29Ary Jesosy nanontany azy hoe: Fa ianareo kosa manao Ahy ho iza? Dia namaly Petera ka nanao taminy hoe: Hianao no Kristy.
30And he charged them straitly, in order that they should tell no man about him.
30Ary nandrara azy rehetra Izy mba tsy hilazalaza Azy amin'olona.
31And he began to teach them that the Son of man must suffer many things, and be rejected of the elders and of the chief priests and of the scribes, and be killed, and after three days rise [again].
31Dia nampianatra azy Izy fa ny Zanak'olona tsy maintsy hijaly mafy ka holavin'ny loholona sy ny lohan'ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna, dia hovonoiny, ary rehefa afaka hateloana, dia hitsangana indray Izy.
32And he spoke the thing openly. And Peter, taking him to [him], began to rebuke him.
32Ary naharihariny tsara no filaza izany teny izany. Ary Petera nanohina Azy hitanila kely, dia niteny mafy Azy.
33But he, turning round and seeing his disciples, rebuked Peter, saying, Get away behind me, Satan, for thy mind is not on the things that are of God, but on the things that are of men.
33Fa Izy nihodina, dia nijery ny mpianany ka niteny mafy an'i Petera hoe: Mankanesa ato ivohoko, ry Satana, satria tsy misaina izay an'Andriamanitra ianao, fa izay an'ny olona.
34And having called the crowd with his disciples, he said to them, Whoever desires to come after me, let him deny himself, and take up his cross and follow me.
34Ary nantsoiny hanatona Azy ny vahoaka mbamin'ny mpianany, dia hoy Izy taminy: Raha misy ta-hanaraka Ahy, dia aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy.
35For whosoever shall desire to save his life shall lose it, but whosoever shall lose his life for my sake and the gospel's shall save it.
35Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery ary; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko sy ny filazantsara, dia hamonjy izany.
36For what shall it profit a man if he gain the whole world and suffer the loss of his soul?
36Fa inona no soa azon'ny olona, raha mahazo izao tontolo izao aza, kanefa very ny ainy?
37for what should a man give in exchange for his soul?
37Fa inona no homen'ny olona ho takalon'ny ainy?Fa na iza na iza no ho menatra Ahy sy ny teniko amin'ity taranaka sady mijangajanga no manota ity, dia ho menatra azy kosa ny Zanak'olona, raha avy amin'ny voninahitry ny Rainy mbamin'ny anjely masina.
38For whosoever shall be ashamed of me and of my words in this adulterous and sinful generation, of him shall the Son of man also be ashamed when he shall come in the glory of his Father with the holy angels.
38Fa na iza na iza no ho menatra Ahy sy ny teniko amin'ity taranaka sady mijangajanga no manota ity, dia ho menatra azy kosa ny Zanak'olona, raha avy amin'ny voninahitry ny Rainy mbamin'ny anjely masina.