Darby's Translation

Malagasy

Matthew

18

1In that hour the disciples came to Jesus saying, Who then is greatest in the kingdom of the heavens?
1Tamin'izany ora izany dia nankeo amin'i Jesosy ny mpianatra ka nanao hoe: Iza moa no lehibe indrindra ao amin'ny fanjakan'ny lanitra?
2And Jesus having called a little child to [him], set it in their midst,
2Ary Jesosy niantso zazakely anankiray hankeo aminy, dia nametraka azy teo afovoany
3and said, Verily I say to you, Unless ye are converted and become as little children, ye will not at all enter into the kingdom of the heavens.
3ka nanao hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Raha tsy miova ianareo ka ho tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra mihitsy ianareo.[Gr. mitodika]
4Whoever therefore shall humble himself as this little child, *he* is the greatest in the kingdom of the heavens;
4Koa na zovy na zovy no hanetry tena tahaka ity zazakely ity, dia izy no ho lehibe indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra.
5and whosoever shall receive one such little child in my name, receives me.
5Ary na zovy na zovy no handray zazakely anankiray aza tahaka itony noho ny anarako, dia mandray Ahy.
6But whosoever shall offend one of these little ones who believe in me, it were profitable for him that a great millstone had been hanged upon his neck and he be sunk in the depths of the sea.
6Fa na zovy na zovy no hanafintohina na dia iray aza amin'ireny madinika mino Ahy ireny, dia tsara lavitra ho azy raha anantonana vato lehibe fikosoham-bary ny vozony, ka alentika any amin'ny ranomasina lalina izy.[Na: ahodim-boriky]
7Woe to the world because of offences! For it must needs be that offences come; yet woe to that man by whom the offence comes!
7Lozan'izao tontolo izao noho ny fahatafintohinana! fa tsy maintsy ho avy ny fahatafintohinana, nefa lozan'izay olona mahatonga ny fahatafintohinana.
8And if thy hand or thy foot offend thee, cut it off and cast [it] from thee; it is good for thee to enter into life lame or maimed, [rather] than having two hands or two feet to be cast into eternal fire.
8Koa raha ny tananao na ny tongotrao no manafintohina anao, tapaho izy ka ario ho afaka aminao; fa tsara ho anao ny hiditra kilemaina na mandringa any amin'ny fiainana noho ny manana tanana roa sy tongotra roa, nefa hariana any amin'ny afo maharitra mandrakizay.
9And if thine eye offend thee, pluck it out and cast [it] from thee; it is good for thee to enter into life one-eyed, [rather] than having two eyes to be cast into the hell of fire.
9Ary raha ny masonao no manafintohina anao, esory hiala izy, ka ario ho afaka aminao; fa tsara ho anao ny hiditra toka-maso amin'ny fiainana noho ny manana maso roa, nefa hariana any amin'ny helo mirehitra afo.
10See that ye do not despise one of these little ones; for I say unto you that their angels in [the] heavens continually behold the face of my Father who is in [the] heavens.
10Mitandrema, fandrao manao tsinontsinona na dia ny iray aza amin'ireny madinika ireny ianareo; fa lazaiko aminareo: Ny anjeliny any an-danitra mahita mandrakariva ny tavan'ny Raiko Izay any an-danitra.[Ampio hoe:]
11For the Son of man has come to save that which was lost.
11(Fa tonga ny Zanak'olona hamonjy ny very.)
12What think ye? If a certain man should have a hundred sheep, and one of them be gone astray, does he not, leaving the ninety and nine on the mountains, go and seek the one that has gone astray?
12Ahoana no hevitrareo? Raha misy olona manana ondry zato, ka mania ny anankiray moa tsy hamela ny sivy amby sivi-folo eny an-tendrombohitra va izy ka handeha hitady ilay nania?
13And if it should come to pass that he find it, verily I say unto you, he rejoices more because of it than because of the ninety and nine not gone astray.
13Ary raha tàhiny hitany izy, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa mahafaly azy iny noho ny sivy amby sivifolo izay tsy nania.
14So it is not the will of your Father who is in [the] heavens that one of these little ones should perish.
14Ary tahaka izany, dia tsy sitraky ny Rainareo Izay any an-danitra, raha ho very na dia iray aza amin'ireny madinika ireny.
15But if thy brother sin against thee, go, reprove him between thee and him alone. If he hear thee, thou hast gained thy brother.
15Ary raha manota aminao ny rahalahinao, dia mankanesa any aminy, ka rehefa mitokana ianareo roa lahy, dia asehoy azy ny fahadisoany. Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao;
16But if he do not hear [thee], take with thee one or two besides, that every matter may stand upon the word of two witnesses or of three.
16fa raha tsy mihaino anao kosa izy, dia ento miaraka aminao ny olona iray na roa, mba ho voaorina mafy avokoa ny teny rehetra amin'ny tenin'ny vavolombelona roa na telo (Deo. 19. 15).
17But if he will not listen to them, tell it to the assembly; and if also he will not listen to the assembly, let him be to thee as one of the nations and a tax-gatherer.
17Ary raha tsy mety mihaino ireo izy, dia ambarao amin'ny fiangonana; ary raha tsy mety mihaino ny fiangonana koa izy, dia aoka hataonao ho tahaka ny jentilisa sy ny mpamory hetra izy. [ Gr. eklesia] [ Gr. eklesia]
18Verily I say to you, Whatsoever ye shall bind on the earth shall be bound in heaven, and whatsoever ye shall loose on the earth shall be loosed in heaven.
18Lazaiko aminareo marina tokoa: Na inona na inona fehezinareo etỳ ambonin'ny tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona vahanareo etỳ ambonin'ny tany dia hovahana any an-danitra.
19Again I say to you, that if two of you shall agree on the earth concerning any matter, whatsoever it may be that they shall ask, it shall come to them from my Father who is in [the] heavens.
19Ary lazaiko aminareo koa: Raha misy roa aminareo mifanaiky etỳ ambonin'ny tany na amin'inona na amin'inona ka hangataka izany, dia ho azony avy amin'ny Raiko Izay any an-danitra izany.
20For where two or three are gathered together unto my name, there am I in the midst of them.
20Fa na aiza na aiza no iangonan'ny roa na telo amin'ny anarako, dia ao afovoany Aho.
21Then Peter came to him and said, Lord, how often shall my brother sin against me and I forgive him? until seven times?
21Dia nanatona Petera ka nanao taminy hoe: Tompoko, impiry moa no hanotan'ny rahalahiko amiko, ka havelako izy? Hatramin'ny impito va?
22Jesus says to him, I say not to thee until seven times, but until seventy times seven.
22Fa hoy Jesosy taminy: Tsy lazaiko aminao hoe: Hatramin'ny impito, fa hatramin'ny impito amby fito-polo.[Na: fito-polo impito]
23For this cause the kingdom of the heavens has become like a king who would reckon with his bondmen.
23Koa amin'izany ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka anankiray, izay te-hidinika amin'ny mpanompony ny amin'ny volany.
24And having begun to reckon, one debtor of ten thousand talents was brought to him.
24Ary raha vao nidinika izy, dia nisy anankiray nentina teo aminy, izay nitrosa talenta iray alina.[Anaram-bola; ny talenta volafotsy dia sekely telo arivo]
25But he not having anything to pay, [his] lord commanded him to be sold, and his wife, and his children, and everything that he had, and that payment should be made.
25Ary satria tsy nanan-kaloa izy, dia nasain'ny tompony hamidy izy sy ny vadiny aman-janany mbamin'ny fananany rehetra handoavana ny trosa.
26The bondman therefore falling down did him homage, saying, Lord, have patience with me and I will pay thee all.
26Dia niankohoka teo anatrehany ilay mpanompo ka nanao hoe: Tompoko, omeo andro aho, fa haloako ny anao rehetra.
27And the lord of that bondman, being moved with compassion, loosed him and forgave him the loan.
27Ary ny tompon'izany mpanompo izany dia onena azy ka nandefa azy sady namoy ny trosa taminy.
28But that bondman having gone out, found one of his fellow-bondmen who owed him a hundred denarii. And having seized him, he throttled him, saying, Pay [me] if thou owest anything.
28Nefa nony nivoaka izany mpanompo izany, dia nahita mpanompo namany anankiray, izay nitrosa denaria zato taminy; dia nosamboriny izy ka notraohiny sady nataony hoe: Aloavy izay trosako aminao.[Anaram-bola tokony ho venty no heviny]
29His fellow-bondman therefore, having fallen down [at his feet], besought him, saying, Have patience with me, and I will pay thee.
29Fa niankohoka ilay mpanompo namany ka nifona taminy nanao hoe: Omeo andro aho, fa haloako ny anao.
30But he would not, but went away and cast him into prison, until he should pay what was owing.
30Nefa tsy nety izy, fa lasa nampanao azy tao an-tranomaizina mandra-pandoany ny trosa.
31But his fellow-bondmen, having seen what had taken place, were greatly grieved, and went and recounted to their lord all that had taken place.
31Ary nony hitan'ireo mpanompo namany izay efa natao, dia nalahelo indrindra izy ka nandeha nanambara tsara tamin'ny tompony izany rehetra natao izany.
32Then his lord, having called him to [him], says to him, Wicked bondman! I forgave thee all that debt because thou besoughtest me;
32Dia nampanalain'ny tompony ralehilahy ka noteneniny hoe: Ry mpanompo ratsy fanahy, efa nafoiko ilay trosa rehetra taminao, satria nifona tamiko ianao;
33shouldest not thou also have had compassion on thy fellow-bondman, as *I* also had compassion on thee?
33moa tsy tokony mba ho namindra fo tamin'ny mpanompo namanao koa va ianao tahaka ny namindrako fo taminao?
34And his lord being angry delivered him to the tormentors till he paid all that was owing to him.
34Dia tezitra ny tompony ka nanolotra azy ho amin'ny mpampijaly mandra-pandoany ny trosa rehetra.Ary tahaka izany koa no hataon'ny Raiko Izay any an-danitra aminareo, raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin'ny fonareo avy ianareo.
35Thus also my heavenly Father shall do to you if ye forgive not from your hearts every one his brother.
35Ary tahaka izany koa no hataon'ny Raiko Izay any an-danitra aminareo, raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin'ny fonareo avy ianareo.