1And going on board the ship, he passed over and came to his own city.
1Ary niondrana an-tsambokely Izy, dia nita ka tonga tao an-tanànany.
2And behold, they brought to him a paralytic, laid upon a bed; and Jesus, seeing their faith, said to the paralytic, Be of good courage, child; thy sins are forgiven.
2Ary, indro, nisy lehilahy anankiray mararin'ny paralysisa nandry tamin'ny fandriana nentin'ny olona teo aminy; ary Jesosy, nony nahita ny finoan'ireo, dia nanao tamin'ilay mararin'ny paralysisa hoe: Matokia, anaka; voavela ny helokao.
3And behold, certain of the scribes said to themselves, This [man] blasphemes.
3Ary, indreo, ny mpanora-dalàna sasany nanao anakampo hoe: Miteny ratsy ity Lehilahy ity. [Gr. manao blasfemia, dia miteny ratsy, indrindra fa ny amin'Andriamanitra, na mihambo hanana izay fomban'Andriamanitra]
4And Jesus, seeing their thoughts, said, Why do *ye* think evil things in your hearts?
4Fa Jesosy nahafantatra ny eritreriny, dia nanao hoe: Nahoana ianareo no mieritreri-dratsy ao am-ponareo?
5For which is easier: to say, Thy sins are forgiven; or to say, Rise up and walk?
5Fa iza moa no moramora kokoa, ny manao hoe va: Voavela ny helokao, sa ny manao hoe: Mitsangàna, ka mandehana?
6But that ye may know that the Son of man has power on earth to forgive sins, (then he says to the paralytic,) Rise up, take up thy bed and go to thy house.
6Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak'olona manana fahefana eto ambonin'ny tany hamela heloka (dia hoy Izy tamin'ilay mararin'ny paralysisa): Mitsangàna, betao ny fandrianao, ka modia any an-tranonao.
7And he rose up and went to his house.
7Dia nitsangana izy ka lasa nody tany an-tranony.
8But the crowds seeing [it], were in fear, and glorified God who gave such power to men.
8Ary ny vahoaka, raha nahita izany, dia raiki-tahotra ka nankalaza an'Andriamanitra, Izay nanome ny olona fahefana toy izany.
9And Jesus, passing on thence, saw a man sitting at the tax-office, called Matthew, and says to him, Follow me. And he rose up and followed him.
9Ary nony niala teo Jesosy, dia nahita lehilahy atao hoe Matio nipetraka teo am-pamorian-ketra, ka hoy Izy taminy; Andeha hanaraka Ahy. Dia nitsangana Matio ka nanaraka Azy.[Dia ny hetra sy ny fadin-tseranana, etc]
10And it came to pass, as he lay at table in the house, that behold, many tax-gatherers and sinners came and lay at table with Jesus and his disciples.
10Ary raha nipetraka nihinana tao an-trano Izy, indreo, nisy mpanota sy mpamory hetra maro tonga ka niara-nipetraka tamin'i Jesosy mbamin'ny mpianany.
11And the Pharisees seeing [it], said to his disciples, Why does your teacher eat with tax-gatherers and sinners?
11Ary ny Fariseo, raha nahita izany, dia niteny tamin'ny mpianatra hoe: Nahoana kosa ny Mpampianatra anareo no miara-komana amin'ny mpamory hetra sy ny mpanota?
12But [Jesus] hearing it, said, They that are strong have not need of a physician, but those that are ill.
12Ary raha nahare izany Jesosy, dia nanao hoe: Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary.
13But go and learn what [that] is -- I will have mercy and not sacrifice; for I have not come to call righteous [men] but sinners.
13Fa mandehana ka mianara izay hevitry ny teny hoe: Famindram-po no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-drà (Hos 6:6); fa tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota.
14Then come to him the disciples of John, saying, Why do we and the Pharisees often fast, but thy disciples fast not?
14Dia nankany amin'i Jesosy ny mpianatr'i Jaona ka nanao hoe: Nahoana izahay sy ny Fariseo no mifady hanina matetika, fa ny mpianatrao kosa tsy mba mifady?
15And Jesus said to them, Can the sons of the bridechamber mourn so long as the bridegroom is with them? But days will come when the bridegroom will have been taken away from them, and then they will fast.
15Ary hoy Jesosy taminy: Moa mahay misaona va ny havan'ny mpampakatra, raha mbola ao aminy ihany ny mpampakatra? fa ho avy ny andro izay hanesorana ny mpampakatra hiala aminy, dia amin'izay vao hifady izy.
16But no one puts a patch of new cloth on an old garment, for its filling up takes from the garment and a worse rent takes place.
16Ary tsy misy olona manampina lamba tonta amin'ny tapa-damba tsy mbola voalòna; fa ny vaovao izay natampina dia handrovitra ny lamba, ka hitatra ny triatra.
17Nor do men put new wine into old skins, otherwise the skins burst and the wine is poured out, and the skins will be destroyed; but they put new wine into new skins, and both are preserved together.
17Ary tsy misy manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra tonta; raha izany, dia ho triatra ny siny hoditra, ka ho raraka ny divay, sady ho simba ny siny hoditra; fa ny siny hoditra vaovao no asian'ny olona divay vaovao, dia miara-maharitra izy roroa.
18As he spoke these things to them, behold, a ruler coming in did homage to him, saying, My daughter has by this died; but come and lay thy hand upon her and she shall live.
18Raha mbola nilaza izany taminy Izy, indro, tonga ny mpanapaka anankiray, dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Maty ankehitriny izao ny zanako-vavy; fa andeha re, mametraha ny tananao aminy, dia ho velona izy.
19And Jesus rose up and followed him, and [so did] his disciples.
19Dia nitsangana nanaraka azy Jesosy mbamin'ny mpianany.
20And behold, a woman, who had had a bloody flux [for] twelve years, came behind and touched the hem of his garment;
20Ary, indro, nisy vehivavy anankiray, izay efa narary roa ambin'ny folo taona, nankeo ivohony ka nanendry ny somotraviavin-dambany. [Gr. narary nandeha rà]
21for she said within herself, If I should only touch his garment I shall be healed.
21Fa hoy izy anakampony: Na dia ny lambany ihany aza no ho voatendriko, dia ho sitrana aho.[Na: voavonjy]
22But Jesus turning and seeing her, said, Be of good courage, daughter; thy faith has healed thee. And the woman was healed from that hour.
22Ary Jesosy nihodina ka nahita azy, dia nanao hoe: Matokia, ry zanako-vavy, ny finoanao no efa nahasitrana anao. Dia sitrana ilay vehivavy tamin'izay ora izay. Na: namonjy.[Na: voavonjy]
23And when Jesus was come to the house of the ruler, and saw the flute-players and the crowd making a tumult,
23Ary Jesosy, nony niditra tao an-tranon'ilay mpanapaka ka nahita ny mpitsoka sodina sy ny vahoaka nitabataba,
24he said, Withdraw, for the damsel is not dead, but sleeps. And they derided him.
24dia nanao hoe: Mivoaha; fa tsy maty razazavavy, fa matory. Dia nihomehy Azy fatratra ny olona.
25But when the crowd had been put out, he went in and took her hand; and the damsel rose up.
25Ary nony efa navoaka ny olona, dia niditra Jesosy ka nandray ny tànan-drazazavavy, dia nitsangana izy.
26And the fame of it went out into all that land.
26Ary ny lazan'izany dia niely tamin'izany tany rehetra izany.
27And as Jesus passed on thence, two blind [men] followed him, crying and saying, Have mercy on us, Son of David.
27Ary nony niala teo Jesosy, dia nisy jamba roa lahy nanaraka Azy sady niantsoantso hoe: Mamindrà fo aminay, ry Zanak'i Davida ô!
28And when he was come to the house, the blind [men] came to him. And Jesus says to them, Do ye believe that I am able to do this? They say to him, Yea, Lord.
28Ary rehefa niditra tao an-trano Izy, dia nanatona Azy ireo jamba; ary hoy Jesosy taminy: Mino va ianareo fa mahay manao izany Aho? Hoy izy taminy: Eny, Tompoko.
29Then he touched their eyes, saying, According to your faith, be it unto you.
29Dia nanendry ny masony Izy ka nanao hoe: Tongava aminareo araka ny finoanareo.
30And their eyes were opened; and Jesus charged them sharply, saying, See, let no man know it.
30Dia nahiratra ny masony; ary Jesosy namepetra azy mafy ka nanao hoe: Tandremo mba tsy ho fantatr'olona izao.
31But they, when they were gone out, spread his name abroad in all that land.
31Kanjo nony niala teo izy roa lahy, dia nampiely ny lazany tamin'izany tany rehetra izany.
32But as these were going out, behold, they brought to him a dumb man possessed by a demon.
32Ary rehefa nivoaka ireo, dia indro, nisy lehilahy moana anankiray izay demoniaka nentin'ny olona tany amin'i Jesosy.
33And the demon having been cast out, the dumb spake. And the crowds were astonished, saying, It has never been seen thus in Israel.
33Ary rehefa navoaka ny demonia, dia niteny ilay moana; ary gaga ny vahoaka ka nanao hoe: Tsy mbola nisy niseho toy izao tamin'ny Isiraely.
34But the Pharisees said, He casts out the demons through the prince of the demons.
34Fa ny Fariseo kosa nanao hoe: Ny lohan'ny demonia no amoahany ny demonia.
35And Jesus went round all the cities and the villages, teaching in their synagogues, and preaching the glad tidings of the kingdom, and healing every disease and every bodily weakness.
35Ary Jesosy nandeha nitety ny tanàna rehetra sy ny vohitra, nampianatra tao amin'ny synagoga sy nitory ny filazantsaran'ny fanjakana ary nahasitrana ny aretina rehetra mbamin'ny rofy rehetra.
36But when he saw the crowds he was moved with compassion for them, because they were harassed, and cast away as sheep not having a shepherd.
36Ary nony nahita ny vahoaka Jesosy, dia nahonena Azy ny fijeriny ireo, satria nampahantraina ireo ka nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry.
37Then saith he to his disciples, The harvest [is] great and the workmen [are] few;
37Dia hoy Izy tamin'ny mpianany:Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy; koa amin'izany mangataha amin'ny Tompon'ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra.
38supplicate therefore the Lord of the harvest, that he send forth workmen unto his harvest.
38Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy; koa amin'izany mangataha amin'ny Tompon'ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra.