1And I said, Hear, I pray you, ye heads of Jacob, and princes of the house of Israel: Is it not for you to know judgment?
1[Ny nahadiso ny lehiben'ny Isiraely sy ny mpaminany, ary ny handravana an'i Jerosalema]Ary hoy izaho: Masìna ianareo, mihainoa, ry loholon'i Jakoba, Sy ianareo mpanapaka ny taranak'Isiraely: Tsy anjara-raharahanareo va ny hahalala ny rariny?
2Ye who hate the good, and love evil; who pluck off their skin from them, and their flesh from off their bones;
2Dia ianareo izay mankahala ny tsara ka tia ny ratsy, Izay manendaka ny hoditry ny olona Sy ny nofony amin'ny taolany,
3and who eat the flesh of my people, and flay their skin from off them, and break their bones, and chop them in pieces as for the pot, and as flesh within the cauldron.
3Eny, ianareo izay homana ny nofon'ny oloko koa Sady manendaka ny hodiny Ary mamakivaky ny taolany; Eny, mitetika azy toy ny hatao am-bilany izy, Ary toy ny hena ao anatin'ny fahandroan-kena.
4Then shall they cry unto Jehovah, but he will not answer them; and he will hide his face from them at that time, according as they have wrought evil in their doings.
4Amin'izany dia hitaraina amin'i Jehovah izy, Nefa tsy hohenoiny; Hanafina ny tavany aminy amin'izany andro izany Izy Araka ny faharatsian'ny nataon'ireo.
5Thus saith Jehovah concerning the prophets that cause my people to err, that bite with their teeth, and cry, Peace! but whoso putteth not into their mouths they prepare war against him:
5Izao no lazain'i Jehovah ny amin'ny mpaminany izay mampaniasia ny oloko, dia ireo izay manaikitra amin'ny nifiny, nefa mitory fiadanana, ary izay tsy manisy hanina eo am-bavany kosa dia iantsoany hanaovana ady masina:
6therefore ye shall have night without a vision; and it shall be dark unto you, without divination; and the sun shall go down upon the prophets, and the day shall be black over them.
6Koa izany no hisian'ny alina aminareo, ka tsy hisy fahitana, Ary ny maizina aminareo, ka tsy hisy fankatovana; Fa hilentika tsy hanazava ny mpaminany ny masoandro, Ary ho maizina aminy ny andro,
7And the seers shall be ashamed, and the diviners confounded; and they shall all cover their lips, for there will be no answer of God.
7Dia ho menatra ny mpahita, Ary hangaihay ny mpanao fankatovana; Eny, hitampim-bava avokoa izy rehetra, Satria tsy misy valiny avy amin'Andriamanitra.
8But truly I am filled with power by the Spirit of Jehovah, and with judgment and with might, to declare unto Jacob his transgression, and to Israel his sin.
8Fa izaho kosa dia feno hery, dia ny Fanahin'i Jehovah, Mbamin'ny rariny sy ny faherezana, Mba hanambara amin'i Jakoba ny helony Sy amin'Isiraely ny fahotany.[Na:amin']
9Hear this, I pray you, ye heads of the house of Jacob, and princes of the house of Israel, that abhor judgment, and pervert all equity,
9Masìna ianareo, mihainoa izao, Ry loholon'ny taranak'i Jakoba, Sy ry mpanapaka ny taranak'Isiraely, Dia ianareo izay manao ny rariny ho fahavetavetana Sy mamadika ny hitsiny rehetra,
10that build up Zion with blood, and Jerusalem with unrighteousness.
10Dia izay manangana an'i Ziona amin'ny fandatsahan-drà Sy Jerosalema amin'ny faharatsiana.
11The heads thereof judge for reward, and the priests thereof teach for hire, and the prophets thereof divine for money; yet do they lean upon Jehovah, and say, Is not Jehovah in the midst of us? no evil shall come upon us.
11Ny mpifehiny mitsara hahazoany kolikoly, Ary ny mpisorony mampianatra hahazoany karama, Ary ny mpaminany manao fankatovana hahazoany vola; Nefa Jehovah mbola iankinany ihany hoe: Tsy ato amintsika va Jehovah? Tsy hisy loza hanjo antsika.Koa dia hasaina toy ny tanimboly Ziona noho ny nataonareo, Ary Jerosalema ho tonga korontam-bato, Ary ny tendrombohitra misy ny trano dia ho tonga toy ny havoana mifono ala.
12Therefore shall Zion for your sake be ploughed [as] a field, and Jerusalem shall become heaps, and the mountain of the house as the high places of a forest.
12Koa dia hasaina toy ny tanimboly Ziona noho ny nataonareo, Ary Jerosalema ho tonga korontam-bato, Ary ny tendrombohitra misy ny trano dia ho tonga toy ny havoana mifono ala.