Darby's Translation

Malagasy

Nehemiah

12

1And these are the priests and the Levites that went up with Zerubbabel the son of Shealtiel, and Jeshua: Seraiah, Jeremiah, Ezra,
1Ary ny mpisorona sy ny Levita izay niara-niakatra tamin'i Zerobabela, zanak'i Sealtiela, sy Jesoa dia Seraia, Jeremia, Ezra,
2Amariah, Malluch, Hattush,
2Amaria, Maloka, Hatosy,
3Shechaniah, Rehum, Meremoth,
3Sekania, Rehoma, Meremota,
4Iddo, Ginnethoi, Abijah,
4Ido, Ginetoy, Abia,
5Mijamin, Maadiah, Bilgah,
5Miamina, Madia, Bilga,
6Shemaiah, and Joiarib, Jedaiah,
6Semaia, Joiariba, Jedaia,
7Sallu, Amok, Hilkijah, Jedaiah. These were the chief of the priests and of their brethren in the days of Jeshua.
7Salo, Amoka, Hilkia ary Jedaia. Ireo no lohan'ny mpisorona sy ny rahalahiny tamin'ny andron'i Jesoa.
8And the Levites: Jeshua, Binnui, Kadmiel, Sherebiah, Judah, Mattaniah, [who was] over the thanksgiving, he and his brethren;
8Ary ny Levita kosa dia izao: Jesoa, Binoy, Kadmiela, Serebia, Joda ary Matania, dia izy ireo sy ny rahalahiny no tonian'ny fiderana.
9and Bakbukiah and Unni, their brethren, were over against them as watches.
9Ary Bakbokia sy Ono, rahalahin'ireo, dia nifanandrify tamin'ny anjara-raharahany.
10And Jeshua begot Joiakim, and Joiakim begot Eliashib, and Eliashib begot Joiada,
10Ary Jesoa niteraka an'i Joiakima; ary Joiakima niteraka an'i Eliasiba; ary Eliasiba niteraka an'i Joiada;
11and Joiada begot Jonathan, and Jonathan begot Jaddua.
11ary Joiada niteraka an'i Jonatana; ary Jonatana niteraka an'i Jadoa.
12And in the days of Joiakim were priests, chief fathers: of Seraiah, Meraiah; of Jeremiah, Hananiah;
12Ary tamin'ny andron'i Joiakima dia nisy mpisorona, lohan'ny fianakaviana, dia izao: Ny avy tamin'i Seraia dia Meraia; ny avy tamin'i Jeremia dia Hanania;
13of Ezra, Meshullam; of Amariah, Jehohanan;
13ny avy tamin'i Ezra dia Mesolama; ny avy tamin'i Amaria dia Johanana;
14of Melicu, Jonathan; of Shebaniah, Joseph;
14ny avy tamin'i Meliko dia Jonatana; ny avy tamin'i Sebania dia Josefa;
15of Harim, Adna; of Meraioth, Helkai;
15ny avy tamin'i Hadma dia Adna; ny avy tamin'i Meraiota dia Helkay;
16of Iddo, Zechariah; of Ginnethon, Meshullam;
16ny avy tamin'Ido dia Zakaria; ny avy tamin'i Ginetona dia Mesolama;
17of Abijah, Zichri; of Miniamin [and] Moadiah, Piltai;
17ny avy tamin'i Abia dia Zikry; ny avy tamin'i Miniamina, avy tamin'i Moadia, dia Piltahy;
18of Bilgah, Shammua; of Shemaiah, Jehonathan;
18ny avy tamin'i Bilga dia Samoa; ny avy tamin'i Semaia dia Jonatana;
19and of Joiarib, Mattenai; of Jedaiah, Uzzi;
19ny avy tamin'i Joariba dia Matenay; ny avy tamin'i Jedaia dia Ozy;
20of Sallai, Kallai; of Amok, Eber;
20ny avy tamin'i Salay dia Kalay; ny avy tamin'i Amoka dia Ebera;
21of Hilkijah, Hashabiah; of Jedaiah, Nethaneel.
21ny avy tamin'i Hilkia dia Hasabia; ny avy tamin'i Jedaia dia Netanela.
22of the Levites, the chief fathers were recorded in the days of Eliashib, Joiada, and Johanan, and Jaddua, and the priests, until the reign of Darius the Persian.
22Tamin'ny andron'i Eliasiba sy Joiada sy Johanana ary Jadoa ny Levita dia voasoratra ho lohan'ny fianakaviany; ary toy izany koa ny mpisorona, hatramin'ny nanjakan'i Dariosy Persiana.
23The children of Levi, the chief fathers, were recorded in the book of the chronicles, even until the days of Johanan the son of Eliashib.
23Ny taranak'i Levy, lohan'ny fianakaviana, dia voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantara hatramin'ny andron'i Johanana, zanak'i Eliasiba.
24And the chief Levites: Hashabiah, Sherebiah, and Jeshua the son of Kadmiel, with their brethren over against them, to praise [and] to give thanks, according to the commandment of David the man of God, ward over against ward.
24Ary ny lohan'ny Levita dia Hasabia sy Serebia sy Jesoa, zanak'i Kadmiela, mbamin'ny rahalahin'ireo izay nifanandrify taminy, mba hidera sy hisaotra araka ny didin'i Davida, lehilahin'Andriamanitra, nifanandrify isan-tokony.
25Mattaniah and Bakbukiah, Obadiah, Meshullam, Talmon, Akkub, were doorkeepers keeping the ward at the storehouses of the gates.
25Matania, Bakbokia, Obadia, Mesolama, Talmona sy Akoba no mpiandry varavarana ka nitandrina ny fiambenana amin'ny trano firaketana.
26These were in the days of Joiakim the son of Jeshua the son of Jozadak, and in the days of Nehemiah the governor, and of Ezra the priest, the scribe.
26Ireo no tamin'ny andron'i Joiakima, zanak'i Jesoa, zanak'i Jozadaka, sy tamin'ny andron'i Nehemia governora sy Ezra mpisorona sady mpanora-dalàna.
27And at the dedication of the wall of Jerusalem they sought the Levites out of all their places, to bring them to Jerusalem, to hold the dedication with gladness, both with thanksgivings, and with singing, [with] cymbals, lutes and harps.
27Ary rehefa hitokanana ny mandan'i Jerosalema, dia nitady ny Levita avy tamin'ny fonenany rehetra izy mba ho entina any Jerosalema hanao ny fitokanana amin'ny fifaliana sy ny fiderana ary ny hira mbamin'ny kipantsona sy ny valiha ary ny lokanga.
28And the children of the singers were assembled, both from the plain [of Jordan] round about Jerusalem, and from the villages of the Netophathites,
28Dia niangona ny mpihira avy tamin'ny tany lemaka manodidina an'i Jerosalema sy ny avy tamin'ny vohitry ny Netofatita
29also from Beth-Gilgal, and out of the fields of Geba and Azmaveth; for the singers had built themselves hamlets round about Jerusalem.
29sy Beti-gilgala ary ny sahan'i Geba sy Azmaveta; fa efa nanao vohitra ho azy manodidina an'i Jerosalema ny mpihira.
30And the priests and the Levites purified themselves; and they purified the people, and the gates and the wall.
30Ary ny mpisorona sy ny Levita samy nanadio ny tenany, ary nodioviny koa ny olona sy ny vavahady ary ny manda.
31And I brought up the princes of Judah upon the wall, and appointed two great choirs and processions, on the right hand upon the wall towards the dung-gate.
31Dia nasaiko niakatra eo ambonin'ny manda ny mpanapaka ny Joda, ary nanendry mpanao fiderana roa tonta aho handeha milahatra tsara. Ny irai-dia nandeha tamin'ny ankavanana teo ambonin'ny manda ho amin'ny vavahadin-jezika;
32And after them went Hoshaiah, and half of the princes of Judah,
32ary nandeha nanarakaraka azy Hosaia sy ny antsasaky ny andriandahin'ny Joda,
33and Azariah, Ezra, and Meshullam,
33dia Azaria sy Ezra sy Mesolama
34Judah and Benjamin, and Shemaiah, and Jeremiah,
34sy Joda sy Benjamina sy Semaia ary Jeremia,
35and [certain] of the priests' sons with trumpets: Zechariah the son of Jonathan, the son of Shemaiah, the son of Mattaniah, the son of Micaiah, the son of Zaccur, the son of Asaph;
35ary ny sasany tamin'ny taranaky ny mpisorona nitondra trompetra, dia Zakaria, zanak'i Jonatana, zanak'i Semaia, zanak'i Matania, zanak'i Mikaia, zanak'i Zakora, zanak'i Asafa,
36and his brethren, Shemaiah, and Azareel, Milalai, Gilalai, Maai, Nethaneel, and Judah, Hanani, with the musical instruments of David the man of God; and Ezra the scribe before them.
36mbamin'ny rahalahiny, dia Semaia sy Azarela, Milalay, Gilalay, May, Netanela sy Joda ary Hanany, nitondra ny zava-manenon'i Davida, lehilahin'Andriamanitra; ary Ezra mpanora-dalàna nandeha teo alohan'ireo.
37And at the fountain-gate, and over against them, they went up by the stairs of the city of David, at the ascent of the wall, above the house of David, even to the water-gate eastward.
37Ary hatreo amin'ny vavahadin-doharano dia nizotra izy ka niakatra tamin'ny ambaratongan'ny Tanànan'i Davida, tamin'ny fiakarana amin'ny manda eo ambonin'ny tranon'i Davida ka hatramin'ny vavahadin-drano eo atsinanana.
38And the second choir went in the opposite direction upon the wall, and I after them, and the half of the people, from beyond the tower of the furnaces even to the broad wall;
38Ary ny mpanao fiderana irai-dia kosa dia nandeha nifanandrify taminy sady narahiko sy ny antsasaky ny olona teo ambonin'ny manda hatreo ambonin'ny tilikambo misy ny fatana fandoroana ka hatramin'ny manda lehibe,
39and from above the gate of Ephraim, and above the gate of the old [wall], and above the fish-gate, and the tower of Hananeel, and the tower of Meah, even to the sheep-gate; and they stood still in the prison-gate.
39ary hatreo ambonin'ny vavahadin'i Efraima ay teo ambanin'ny vavahady taloha ary teo ambonin'ny vavahadin-kazandrano sy ny tilikambo Hananela sy ny tilikambo Hamea, dia hatramin'ny vavahadin'ondry; ary nilanona teo amin'ny vavahadin-trano-maizina izy.
40And both choirs stood in the house of God, and I, and the half of the rulers with me;
40Dia nijanona tao an-tranon'Andriamanitra izy roa tonta, ary izaho koa sy ny antsasaky ny mpanapaka izay niaraka tamiko
41and the priests, Eliakim, Maaseiah, Miniamin, Micaiah, Elioenai, Zechariah, Hananiah, with trumpets;
41ary ny mpisorona, dia Eliakima, Mahaseia, Miniamina, Mikaia, Elioenay, Zakaria ary Hanania, nitondra trompetra,
42and Maaseiah, and Shemaiah, and Eleazar, and Uzzi, and Jehohanan, and Malchijah, and Elam, and Ezer. And the singers sang loud; and Jizrahiah was their overseer.
42ary Mahaseia sy Semaia sy Eleazara sy Ozy sy Johanana sy Malkia sy Elama ary Ezera. Ary nihira mafy ny mpihira sy Jizrahia, mpifehy azy.
43And that day they offered great sacrifices, and rejoiced: for God had made them rejoice with great joy; and also the women and the children rejoiced. And the joy of Jerusalem was heard even afar off.
43Dia namono zavatra betsaka hatao fanatitra tamin'izany andro izany izy sady nifaly, fa Andriamanitra nampifaly azy indrindra; ary ny vadiny aman-janany nifaly koa; ka dia re lavitra ny fifaliana tany Jerosalema.
44And at that time men were appointed over the chambers of the treasures for the heave-offerings, for the first-fruits, and for the tithes, to gather into them, out of the fields of the cities, the portions assigned by the law for the priests and the Levites; for Judah rejoiced over the priests, and over the Levites that waited.
44Ary tamin'izany andro izany dia nisy olona notendrena hitandrina ny efi-trano fitehirizana ny rakitra sy ny fanatitra asandratra sy ny voaloham-bokatra ary ny fahafolon-karena, mba hangonina ao izay anjara voadidy ho an'ny mpisorona sy ny Levita avy amin'ny saha manodidina ny isan-tanana; fa nifalian'ny Joda ireo mpisorona sy Levita izay nanompo ireo.
45And, with the singers and the doorkeepers, they kept the ward of their God, and the ward of the purification, according to the commandment of David [and] of Solomon his son.
45Dia nitandrina izay nasaina hotandremany ny amin'Andriamaniny sy ny amin'ny fanadiovana izy; ary toy izany koa ny mpihira sy ny mpiandry varavarana, araka ny didin'i Davida sy Solomona zanany.
46For of old, in the days of David and Asaph, there were the chiefs of the singers, and songs of praise and thanksgivings to God.
46Fa fahiny tamin'ny andron'i Davida sy Asafa aza dia efa nisy lohan'ny mpihira sy hira fiderana ary fisaorana an'Andriamanitra.Ary ny Isiraely rehetra tamin'ny andron'i Zerobabela sy Nehemia nanome ny anaran'ny mpihira sy ny mpiandry varavarana, dia ny anjarany isan'andro; ary nanokana izay ho an'ny Levita izy; ary ny Levita kosa nanokana izay ho an'ny taranak'i Arona.
47And all Israel, in the days of Zerubbabel and in the days of Nehemiah, gave the portions of the singers and the doorkeepers, every day what was needed, and they consecrated things for the Levites; and the Levites consecrated for the children of Aaron.
47Ary ny Isiraely rehetra tamin'ny andron'i Zerobabela sy Nehemia nanome ny anaran'ny mpihira sy ny mpiandry varavarana, dia ny anjarany isan'andro; ary nanokana izay ho an'ny Levita izy; ary ny Levita kosa nanokana izay ho an'ny taranak'i Arona.