Darby's Translation

Malagasy

Psalms

22

1{To the chief Musician. Upon Aijeleth-Shahar. A Psalm of David.} My ùGod, my ùGod, why hast thou forsaken me? [why art thou] far from my salvation, from the words of my groaning?
1[Fitarainana mafy noho ny fahoriana, ary fisaorana noho ny fahafahana, sy filazana ny handrosoan'ny fanjakan'Andriamanitra] Ho an'ny mpiventy hira. Alaieleth-hasahara. Salamo nataon'i Davida. Andriamanitra ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy ahy Hianao? Lavitra ny famonjena ahy ny tenin'ny fitarainako.
2My God, I cry by day, and thou answerest not; and by night, and there is no rest for me:
2Andriamanitro ô, miantso aho nony andro, nefa tsy mamaly Hianao; ary nony alina, nefa tsy mahita fiononana aho.
3And thou art holy, thou that dwellest amid the praises of Israel.
3Kanefa masina Hianao, Ry mipetraka eo ambonin'ny fideran'ny Isiraely.
4Our fathers confided in thee: they confided, and thou didst deliver them.
4Hianao no nitokian'ny razanay; Natoky izy, ka namonjy azy Hianao.
5They cried unto thee, and were delivered; they confided in thee, and were not confounded.
5Hianao no nitarainany, ka afaka izy; Hianao no nitokiany, ka tsy menatra izy.
6But I am a worm, and no man; a reproach of men, and the despised of the people.
6Ary izaho dia olitra, fa tsy olona, fandatsan'olona sy fanevatevam-bahoaka.
7All they that see me laugh me to scorn; they shoot out the lip, they shake the head, [saying:]
7Izay rehetra mahita ahy dia manaraby ahy; manondro molotra izy sady mihifikifi-doha ka manao hoe:
8Commit it to Jehovah -- let him rescue him; let him deliver him, because he delighteth in him!
8Ankino amin'i Jehovah, dia aoka Izy hamonjy azy; eny, aoka Izy hanafaka azy, raha mankasitraka azy Izy.[Na: Efa niankina tamin'i Jehovah izy]
9But thou art he that took me out of the womb; thou didst make me trust, upon my mother's breasts.
9Fa Hianao no nampivoaka ahy avy tao an-kibo; nampandry ahy fahizay ianao, fony aho mbola nampinonoin'ny reniko;
10I was cast upon thee from the womb; thou art my ùGod from my mother's belly.
10Nankinina taminao hatrany am-bohoka aho; hatrany an-kibon-dreniko dia Andriamanitro Hianao.
11Be not far from me, for trouble is near; for there is none to help.
11Aza manalavitra ahy Hianao, fa akaiky ny fahoriana, sady tsy misy mpamonjy.
12Many bulls have encompassed me; Bashan's strong ones have beset me round.
12Mitangorona amiko ireo ombilahy be, ny maherin'i Basana manemitra ahy.
13They gape upon me with their mouth, [as] a ravening and a roaring lion.
13Misanasana vava amiko izy; eny, liona mamiravira sy mierona izy.
14I am poured out like water, and all my bones are out of joint: my heart is become like wax; it is melted in the midst of my bowels.
14Efa rano aidina aho, ka mivaha ny taolako rehetra; tahaka ny savoka ny foko: miempo ato anatiko izy.
15My strength is dried up like a potsherd, and my tongue cleaveth to my palate; and thou hast laid me in the dust of death.
15Maina tahaka ny tavim-bilany ny heriko, ary ny lelako miraikitra amin'ny lanilaniko; ao amin'ny vovoky ny fahafatesana no ametrahanao ahy.
16For dogs have encompassed me; an assembly of evil-doers have surrounded me: they pierced my hands and my feet.
16Fa mitangorona amiko ny amboa, ny fiangonan'ny ratsy fanahy manemitra ahy. Manindrona ny tongotro aman-tanako izy [Na: Manodidina ny tongotro aman-tanako hoatra ny liona izy]
17I may count all my bones. They look, they stare upon me;
17Mahisa ny taolako rehetra aho ireo dia mibanjina sady mangarika ahy.
18They part my garments among them, and cast lots upon my vesture.
18Mizara ny fitafiako ho azy izy; ary ny akanjoko ilokàny.
19But thou, Jehovah, be not far [from me]; O my strength, haste thee to help me.
19Fa Hianao, Jehovah ô, aza manalavitra; ry Heriko ô, faingana hamonjy ahy.
20Deliver my soul from the sword; my only one from the power of the dog;
20Vonjeo amin'ny sabatra ny fanahiko, dia ny hany malalako amin'ny herin'ny amboa.
21Save me from the lion's mouth. Yea, from the horns of the buffaloes hast thou answered me.
21Vonjeo amin'ny vavan'ny liona aho; ary valio ho afaka amin'ny tandroky ny ombimanga. [Na: teo amin'ny tandroky ny ombimanga dia novalianao aho]
22I will declare thy name unto my brethren, in the midst of the congregation will I praise thee.
22Hitory ny anaranao amin'ny rahalahiko aho; eo amin'ny fiangonana no hideràko Anao.
23Ye that fear Jehovah, praise him; all ye the seed of Jacob, glorify him; and revere him, all ye the seed of Israel.
23Hianareo izay matahotra an'i Jehovah, miderà Azy; ry taranak'i Jakoba rehetra, manomeza voninahitra Azy; ary matahora Azy, ry Zanak'Isiraely rehetra.
24For he hath not despised nor abhorred the affliction of the afflicted; neither hath he hid his face from him: but when he cried unto him, he heard.
24Fa tsy manao tsinontsinona na marikorikon'ny fahorian'ny ory Izy, ary tsy mba manafina ny tavany aminy; fa raha mitaraina aminy ireny, dia mihaino Izy.
25My praise is from thee, in the great congregation; I will pay my vows before them that fear him.
25Avy aminao no ahazoako manao fiderana eo amin'ny fiangonan-dehibe; ny voadiko dia hefaiko eo anatrehan'izay matahotra an'i Jehovah.
26The meek shall eat and be satisfied; they shall praise Jehovah that seek him: your heart shall live for ever.
26Hihinana ny mpandefitra ka ho voky; hidera an'i Jehovah izay mitady azy; ho velona mandrakizay anie ny fonareo.
27All the ends of the earth shall remember and turn unto Jehovah, and all the families of the nations shall worship before thee:
27Hahatsiaro ka hiverina ho amin'i Jehovah ny faran'ny tany rehetra; ary hiankohoka eo anatrehanao ny fokon'ny firenen-tsamy hafa.
28For the kingdom is Jehovah's, and he ruleth among the nations.
28Fa an'i Jehovah ny fanjakana; ary manapaka amin'ny firenen-tsamy hafa Izy.
29All the fat ones of the earth shall eat and worship; all they that go down to the dust shall bow before him, and he that cannot keep alive his own soul.
29Hihinana sy hiankohoka ny mpanefoefo rehetra ambonin'ny tany, eo anatrehany no hiondrehan'izay rehetra efa hidina any amin'ny vovoka ka tsy mahavelona ny ainy.[Heb: matavy]
30A seed shall serve him; it shall be accounted to the Lord for a generation.
30Hisy taranaka hanompo Azy; ary ny Tompo dia holazaina amin'ny taranaka ho avy.Hisy ho avy ka hanambara ny fahamarinany, amin'ny olona izay mbola hateraka, fa Izy no nanao izany.
31They shall come, and shall declare his righteousness unto a people that shall be born, that he hath done [it].
31Hisy ho avy ka hanambara ny fahamarinany, amin'ny olona izay mbola hateraka, fa Izy no nanao izany.