1{To the chief Musician. Of the sons of Korah. On Alamoth. A song.} God is our refuge and strength, a help in distresses, very readily found.
1[Fahatokiana an'Andriamanitra fiarovana mafy] Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'ny Koraita; At-alamoth; Tonon-kira. Andriamanitra no aro sy hery ho antsika; Mpamonjy mora azo indrindra amin'ny fahoriana Izy.
2Therefore will we not fear though the earth be removed, and though the mountains be carried into the heart of the seas;
2Koa izany no tsy hatahorantsika, na dia ho levona aza ny tany, na mifindra ho ao anatin'ny ranomasina aza ny tendrombohitra,
3Though the waters thereof roar [and] foam, though the mountains shake with the swelling thereof. Selah.
3Na mirohondrohona sy misamboaravoara aza ny onjany, ka mihorohoro ny tendrombohitra noho ny fisafoakany.
4There is a river the streams whereof make glad the city of God, the sanctuary of the habitations of the Most High.
4Misy ony, koa ny sampany dia mampifaly ny tanànan'Andriamanitra, Fonena-masin'ny Avo Indrindra.
5God is in the midst of her; she shall not be moved: God shall help her at the dawn of the morning.
5Andriamanitra no eo afovoany, ka tsy mba hihetsika izy; Andriamanitra no hamonjy azy, rehefa madiva ho maraina ny andro.
6The nations raged, the kingdoms were moved; he uttered his voice, the earth melted.
6Nitabataba ny firenen-tsamy hafa, nikotrankotrana ny fanjakana maro; nanonona ny feony Izy, ka niempo ny tany.
7Jehovah of hosts is with us; the God of Jacob is our high fortress. Selah.
7Jehovah, Tompon'ny maro, no momba antsika; Andriamanitr'i Jakoba no fiarovana avo ho antsika.
8Come, behold the works of Jehovah, what desolations he hath made in the earth:
8Avia, jereo ny asan'i Jehovah, izay mahatonga faharavana etỳ an-tany;
9He hath made wars to cease unto the end of the earth; he breaketh the bow, and cutteth the spear in sunder; he burneth the chariots in the fire.
9Mampitsahatra ady hatramin'ny faran'ny tany Izy; manapaka ny tsipìka sy manito ny lefona Izy, ary mandoro ny sariety amin'ny afo.
10Be still, and know that I am God: I will be exalted among the nations, I will be exalted in the earth.
10Mitsahara, ka aoka ho fantatrareo fa Izaho no Andriamanitra; hisandratra amin'ny firenen-tsamy hafa Aho, hisandratra amin'ny tany Aho.Jehovah, Tompon'ny maro, no momba antsika; Andriamanitr'i Jakoba no aro ho antsika.
11Jehovah of hosts is with us; the God of Jacob is our high fortress. Selah.
11Jehovah, Tompon'ny maro, no momba antsika; Andriamanitr'i Jakoba no aro ho antsika.