Darby's Translation

Malagasy

Psalms

58

1{To the chief Musician. 'Destroy not.' Of David. Michtam.} Is righteousness indeed silent? Do ye speak it? Do ye judge with equity, ye sons of men?
1[Ny amin'ny famaliana ny mpanao fitsarana tsy marina] Ho an'ny mpiventy hira. Al-tasheth. Miktama nataon'i Davida. Moa ny tsi-fitenenana va ataonareo ho filazana ny marina? Mitsara mahitsy va ianareo, ry zanak'olombelona?[Na: Moa milaza ny maraina tokoa va ianareo, ry mahery?]
2Yea, in heart ye work wickedness; ye weigh out the violence of your hands in the earth.
2Tsy izany, fa ny fonareo no amoronanareo ny ratsy; mandanja ny fandozan'ny tananareo etỳ an-tany ianareo.
3The wicked go astray from the womb; they err as soon as they are born, speaking lies.
3Mivily hatrany am-bohoka ny ratsy fanahy; mania hatrany an-kibo izy ka miteny lainga.
4Their poison is like the poison of a serpent: [they are] like the deaf adder which stoppeth her ear;
4Misy poizina tahaka ny an'ny menarana aminy; eny, tahaka ny vipera marenina izay manentsin-tadiny izy,
5Which doth not hearken to the voice of enchanters, of one charming ever so wisely.
5Ka tsy mihaino ny feon'ny mpanao ody, na dia izay mpahay ody indrindra aza.
6O God, break their teeth in their mouth; break out the great teeth of the young lions, O Jehovah.
6Andriamanitra ô, torotoroy ny nifiny eo am-bavany; omboty ny vazan'ny liona tanora, Jehovah ô.
7Let them melt away as waters that flow off; when he aimeth his arrows, let them be as blunted:
7Aoka ho ritra tahaka ny ranotrambo izy; raha atraniny ny zana-tsipìkany, dia aoka ho tapa-doha ireny;
8Let them be as a snail that melteth as it passeth away; [like] the untimely birth of a woman, let them not see the sun.
8Aoka ho tahaka ny lelosy izay mihalevona eny am-pandehanana izy; Aoka ho tahaka ny zaza-vakimanta izay tsy mahita masoandro izy.
9Before your pots feel the thorns, green or burning, -- they shall be whirled away.
9Dieny tsy mbola mafanan'ny afon-tsilo ny vilaninareo, aoka ho entin'ny tafio-drivotra ireny, na ny lena na ny maina.
10The righteous shall rejoice when he seeth the vengeance; he shall wash his footsteps in the blood of the wicked:
10Hifaly ny marina, raha mahita ny famaliana; hanasa ny tongony amin'ny ran'ny ratsy fanahy izy;Dia hiteny ny olona ka hanao hoe: misy valiny tokoa ho an'ny marina; misy tokoa Andriamanitra Izay mitsara etỳ ambonin'ny tany.[Heb: vokatra]
11And men shall say, Verily there is fruit for the righteous; verily there is a God that judgeth in the earth.
11Dia hiteny ny olona ka hanao hoe: misy valiny tokoa ho an'ny marina; misy tokoa Andriamanitra Izay mitsara etỳ ambonin'ny tany.[Heb: vokatra]