Darby's Translation

Malagasy

Psalms

66

1{To the chief Musician. A Song: a Psalm.} Shout aloud unto God, all the earth:
1[Fiantsoana izao rehetra izao hisaotra an'Andriamanitra noho ny nataony ho an'ny mpanompony] Ho an'ny mpiventy hira. Tonon-kira. Salamo. Mihobia ho an'Andriamanitra, ry tany rehetra;
2Sing forth the glory of his name, make his praise glorious;
2Mankalazà ny voninahitry ny anarany; omeo voninahitra Izy ho fiderana Azy.
3Say unto God, How terrible are thy works! because of the greatness of thy strength, thine enemies come cringing unto thee.
3Lazao amin'Andriamanitra hoe: endrey, mahatahotra ny asanao! ny fahalehibiazan'ny herinao no hikoizan'ny fahavalonao Anao.
4All the earth shall worship thee, and sing psalms unto thee: they shall sing forth thy name. Selah.
4Ny tany rehetra hiankohoka eo anatrehanao ka hankalaza Anao; eny, hankalaza ny anaranao izy.
5Come and see the works of God: he is terrible in [his] doings toward the children of men.
5Avia, ka jereo ny asan'Andriamanitra, mahatahotra ny zavatra ataony amin'ny zanak'olombelona.
6He turned the sea into dry [land]; they went through the river on foot: there did we rejoice in him.
6Efa nampody ny ranomasina ho tany maina Izy; nandeha an-tongotra nita ny ony ny olona; tao no nifaliantsika tamin'Andriamanitra.[Na: Ao no aoka hifaliantsika amin']
7He ruleth by his power for ever; his eyes observe the nations: let not the rebellious exalt themselves. Selah.
7Manjaka mandrakizay amin'ny heriny Izy, ary ny masony mandinika ny firenen-tsamy hafa; aoka tsy hanandra-tena ny maditra.
8Bless our God, ye peoples, and make the voice of his praise to be heard;
8Misaora an'Andriamanitsika, ry firenena; ary asandrato ny feo fiderana Azy,
9Who hath set our soul in life, and suffereth not our feet to be moved.
9Izay mampitoetra ny fanahintsika amin'ny fiainana ka tsy mamela ny tongotsika hangozohozo.
10For thou, O God, hast proved us: thou hast tried us, as silver is tried.
10Fa efa nizaha toetra anay Hianao, Andriamanitra ô; efa nanadio anay Hianao, tahaka ny fanadio volafotsy amin'ny memy.
11Thou broughtest us into a net, thou didst lay a heavy burden upon our loins;
11Efa nampiditra anay tamin'ny fandrika Hianao; efa nanisy enta-mavesatra teo am-balahanay Hianao.
12Thou didst cause men to ride over our head; we went through fire and through water: but thou hast brought us out into abundance.
12Efa nampandeha ny olona hanitsaka ny lohanay Hianao; nandeha namaky ny afo sy ny rano izahay; fa nitondra anay nivoaka ho amin'ny fitahiana mahatretrika Hianao.
13I will go into thy house with burnt-offerings; I will perform my vows to thee,
13Hiditra ao an-tranonao mitondra fanatitra dorana aho; hefaiko aminao ny voadiko,
14Which my lips have uttered, and my mouth hath spoken, when I was in trouble.
14Izay notononin'ny molotro sy naloaky ny vavako, fony aho azom-pahoriana.
15I will offer up unto thee burnt-offerings of fatted beasts, with the incense of rams; I will offer bullocks with goats. Selah.
15Hateriko aminao ho fanatitra dorana ny matavy mbamin'ny setroky ny ondrilahy; hanatitra omby sy osilahy aho.
16Come, hear, all ye that fear God, and I will declare what he hath done for my soul.
16Avia, mihainoa ianareo rehetra izay matahotra an'Andriamanitra, fa holazaiko izay nataony ho an'ny fanahiko.
17I called unto him with my mouth, and he was extolled with my tongue.
17Izy no nantsoin'ny vavako; ary ny fanandratana Azy no teo ambanin'ny lelako.
18Had I regarded iniquity in my heart, the Lord would not hear.
18Raha nankasitraka ota tao am-poko aho, dia tsy mba hihaino ny Tompo;[Heb: nijery]
19But God hath heard; he hath attended to the voice of my prayer.
19Kanefa efa nihaino tokoa Andriamanitra; efa nihaino ny feon'ny fivavako Izy.Isorana anie Andriamanitra, izay tsy nandà ny fivavako, na nanaisotra ny famindram-pony tamiko.
20Blessed be God, who hath not turned away my prayer, nor his loving-kindness from me!
20Isorana anie Andriamanitra, izay tsy nandà ny fivavako, na nanaisotra ny famindram-pony tamiko.