Darby's Translation

Malagasy

Romans

7

1Are ye ignorant, brethren, (for I speak to those knowing law,) that law rules over a man as long as he lives?
1Tsy fantatrareo, va, ry rahalahy (fa miteny amin'izay mahalala ny lalàna aho), fa ny lalàna dia manapaka ny olona, raha mbola velona izy?
2For the married woman is bound by law to her husband so long as he is alive; but if the husband should die, she is clear from the law of the husband:
2Fa ny vehivavy izay manambady dia fehezin'ny lalàna ho an'ny lahy, raha mbola velona ny lahy; fa raha maty kosa ny lahy, dia afaka amin'ny lalàn'ny lahy izy.
3so then, the husband being alive, she shall be called an adulteress if she be to another man; but if the husband should die, she is free from the law, so as not to be an adulteress, though she be to another man.
3Koa raha mbola velona ny lahy, ka manambady olon-kafa ravehivavy, dia hatao hoe mpijangajanga izy; fa raha maty kosa ny lahy, dia afaka amin'izany lalàna izany izy ka tsy mba mpijangajanga, na dia manambady olon-kafa aza.
4So that, my brethren, *ye* also have been made dead to the law by the body of the Christ, to be to another, who has been raised up from among [the] dead, in order that we might bear fruit to God.
4Ary amin'izany ianareo koa, ry rahalahiko, dia efa natao maty ny amin'ny lalàna noho ny tenan'i Kristy, mba ho vadin'ny hafa ianareo, dia Izay natsangana tamin'ny maty, mba hahavokarantsika ho an'Andriamanitra.
5For when we were in the flesh the passions of sins, which [were] by the law, wrought in our members to bring forth fruit to death;
5Fa fony tao amin'ny nofo isika, dia ny filan'ny ota, izay nohetsehin'ny lalàna, no niasa tao amin'ny momba ny tenantsika hahavokatra ho amin'ny fahafatesana.
6but now we are clear from the law, having died in that in which we were held, so that we should serve in newness of spirit, and not in oldness of letter.
6Fa ankehitriny dia efa afaka tamin'ny lalàna isika, satria maty ny amin'izay nihazonana antsika, ka dia manompo amin'ny havaozam-panahy isika, fa tsy amin'ny hahelan-tsoratra.
7What shall we say then? [is] the law sin? Far be the thought. But I had not known sin, unless by law: for I had not had conscience also of lust unless the law had said, Thou shalt not lust;
7Inona ary no holazaintsika? Ota va ny lalàna? Sanatria izany! Kanefa tsy nahalala ny ota aho, raha tsy tamin'ny lalàna, satria tsy fantatro akory ny fitsiriritana, raha tsy ny lalàna no nanao hoe: Aza mitsiriritra (Eks. 20. 17).
8but sin, getting a point of attack by the commandment, wrought in me every lust; for without law sin [was] dead.
8Fa io didy io dia nentin'ny ota nampihetsika ny fitsiriritana rehetra tato anatiko; fa maty ny ota, raha tsy misy lalàna.
9But *I* was alive without law once; but the commandment having come, sin revived, but *I* died.
9Ary izaho dia velona tsy nanan-dalàna fahiny; fa rehefa tonga kosa ny didy, dia velona indray ny ota, ka dia maty aho.
10And the commandment, which [was] for life, was found, [as] to me, itself [to be] unto death:
10Ary ny didy izay natao hahazoana fiainana, dia hitako fa nahatonga fahafatesana tamiko kosa.
11for sin, getting a point of attack by the commandment, deceived me, and by it slew [me].
11Fa io didy io dia nentin'ny ota namitaka sy nahafaty ahy.
12So that the law indeed [is] holy, and the commandment holy, and just, and good.
12Ka dia masina tokoa ny lalàna, ary masina ny didy sady marina no tsara.
13Did then that which is good become death to me? Far be the thought. But sin, that it might appear sin, working death to me by that which is good; in order that sin by the commandment might become exceeding sinful.
13Koa ny tsara va no nahafaty ahy? Sanatria izany! Fa ny ota no nahafaty ahy, mba hiseho ho ota; fa ny tsara no nentiny nahafaty ahy, mba ho tonga ota indrindra ny ota noho ny nataon'ny lalàna.
14For we know that the law is spiritual: but *I* am fleshly, sold under sin.
14Fa fantatsika fa araka ny fanahy ny lalàna; fa izaho kosa nofo, namidy ho andevon'ny ota.
15For that which I do, I do not own: for not what I will, this I do; but what I hate, this I practise.
15Fa izay ataoko dia tsy fantatro; fa tsy izay sitrako no ataoko; fa izay halako no ataoko.
16But if what I do not will, this I practise, I consent to the law that [it is] right.
16Fa raha manao ny tsy sitrako aho, dia manaiky fa tsara ny lalàna.
17Now then [it is] no longer *I* [that] do it, but the sin that dwells in me.
17Ary amin'izany tsy izaho intsony no manao izany, fa ny ota izay mitoetra ato anatiko.
18For I know that in me, that is, in my flesh, good does not dwell: for to will is there with me, but to do right [I find] not.
18Fa fantatro fa tsy misy zavatra tsara mitoetra ato amiko, dia ato amin'ny nofoko; fa ato anatiko ihany ny fikasana, saingy ny hahatanteraka ny tsara no tsy ato.
19For I do not practise the good that I will; but the evil I do not will, that I do.
19Fa tsy ny tsara izay sitrako no ataoko; fa ny ratsy izay tsy sitrako no ataoko.
20But if what *I* do not will, this I practise, [it is] no longer *I* [that] do it, but the sin that dwells in me.
20Fa raha ny tsy sitrako no ataoko, dia tsy izaho intsony no manao izany, fa ny ota izay mitoetra ato amiko.
21I find then the law upon *me* who will to practise what is right, that with *me* evil is there.
21Koa hitako izao lalàna izao: raha ta-hanao ny marina aho, dia ato amiko ihany ny ratsy. [ Na: koa hitako fa raha ta-hanaraka ny lalàna aho hanaovako ny marina]
22For I delight in the law of God according to the inward man:
22Fa mankasitraka ny lalàn'Andriamanitra aho araka ny toetra anaty;
23but I see another law in my members, warring in opposition to the law of my mind, and bringing me into captivity to the law of sin which exists in my members.
23nefa mahita lalàna hafa amin'ny momba ny tenako aho, miady amin'ny lalàn'ny saiko ka mamabo ahy ho an'ny lalàn'ny ota izay ao amin'ny momba ny tenako.
24O wretched man that I [am]! who shall deliver me out of this body of death?
24Indrisy! olo-mahantra aho! Iza no hanafaka ahy amin'ny tenan'ity fahafatesana ity?Misaotra an'Andriamanitra aho amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika. Koa raha ny amiko, dia mankatò ny lalàn'Andriamanitra aho amin'ny saiko, fa ny lalàn'ny ota kosa amin'ny nofoko.
25I thank God, through Jesus Christ our Lord. So then *I* *myself* with the mind serve God's law; but with the flesh sin's law.
25Misaotra an'Andriamanitra aho amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika. Koa raha ny amiko, dia mankatò ny lalàn'Andriamanitra aho amin'ny saiko, fa ny lalàn'ny ota kosa amin'ny nofoko.