1Whither is thy beloved gone, Thou fairest among women? Whither is thy beloved turned aside? And we will seek him with thee.
1Nankaiza ny malalanao, ry tsara tarehy amin'ny vehivavy? Nivily nankaiza ny malalanao? Mba hiarahanay aminao hitady azy.
2My beloved is gone down into his garden, to the beds of spices, To feed in the gardens and to gather lilies.
2Lasa nidina ho any an-tsahany ny malalako, dia any amin'ny tanim-boninkazo misy zava-manitra eo an-tsaha, hiandry ny ondriny eny amin'ny tanimboly sy hioty ny lilia.
3I am my beloved's, and my beloved is mine: He feedeth [his flock] among the lilies.
3An'ny malalako aho, ary ahy ny malalako, dia ilay miandry ny ondry andiany eny amin'ny lilia.
4Thou art fair, my love, as Tirzah, Comely as Jerusalem, Terrible as troops with banners:
4Tsara tarehy tahaka an'i Tirza ianao, ry tompokovavy havako, eny, tsara tarehy tahaka an'i Jerosalema, mahatahotra toy ny antokon'ny miaramila mitondra faneva.
5Turn away thine eyes from me, For they overcome me. Thy hair is as a flock of goats On the slopes of Gilead.
5Avilio ny masonao tsy hijery ahy, Fa mampiontanontana ny foko izy; Ny volonao dia tahaka ny osy andiany, izay mandriandry eny ankilan'i Gileada.
6Thy teeth are like a flock of sheep Which go up from the washing; Which have all borne twins, And none is barren among them.
6Ny nifinao dia tahaka ny ondrivavy andiany, izay miakatra avy eo amin'ny fampandroana; Samy kambana avy ireo. Fa tsy misy tsy mana-manana,
7As a piece of a pomegranate are thy temples Behind thy veil.
7Tahaka ny hasin'ampongaben-danitra ny takolakao eo amin'ny fisalobonanao.[Na : ny volonao milantolanto]
8There are threescore queens, and fourscore concubines, And virgins without number:
8Misy mpanjakavavy enim-polo sy vaditsindrano valo-polo ary zatovovavy tsy hita isa.
9My dove, mine undefiled, is but one; She is the only one of her mother, She is the choice one of her that bore her. The daughters saw her, and they called her blessed; The queens and the concubines, and they praised her.
9Fa iray monja kosa no voromailalako, dia ilay ahy tsy misy kilema, vavy tokan-dreniny sady tsongaina amin'izay naterany. Ny zazavavy nahita azy ka nanao azy ho sambatra, eny, ny mpanjakavavy sy ny vaditsindrano, ka nidera azy.
10Who is she that looketh forth as the dawn, Fair as the moon, clear as the sun, Terrible as troops with banners?
10Iza moa io vehivavy mitsidika toy ny maraina, izay tsara tarehy tahaka ny volana, madio toy ny masoandro sady mahatahotra toy ny antokon'ny miaramila mitondra faneva?
11I went down into the garden of nuts, To see the verdure of the valley, To see whether the vine budded, Whether the pomegranates blossomed.
11Lasa nidina nantany an-tsaha tsara hazo aho, hijerijery ny zava-maitso an-dohasaha, hizaha raha mitsimoka ny voaloboka sy mamony ny ampongaben-danitra.[Heb. an-tanin'egoza]Tsy nampoiziko ny nanandratan'ny fanahiko ahy ho eo amin'ny kalesin'ny fireneko be voninahitra.
12Before I was aware, My soul set me upon the chariots of my willing people.
12Tsy nampoiziko ny nanandratan'ny fanahiko ahy ho eo amin'ny kalesin'ny fireneko be voninahitra.
13Return, return, O Shulamite; Return, return, that we may look upon thee. -- What would ye look upon in the Shulamite? -- As it were the dance of two camps.