Esperanto

Malagasy

Proverbs

18

1Kiu apartigxas, tiu sercxas sian volupton Kaj iras kontraux cxiu sagxa konsilo.
1Izay mitokana ho azy dia mitady ny mahafinaritra ny tenany ihany, Misafoaka manohitra izay hevitra mahasoa rehetra izy.
2Malsagxulo ne deziras prudenton, Sed nur malkovri sian koron.
2Ny adala tsy mba finaritra amin'ny fahalalana, Fa ta-haneho izay ao am-pony.
3Kiam venas malvirtulo, Venas ankaux malestimo kun honto kaj moko.
3Raha avy ny ratsy fanahy, dia avy ny fanamavoana; Ary miaraka amin'ny fahafaham-baraka ny henatra.
4La vortoj de homa busxo estas profunda akvo; La fonto de sagxo estas fluanta rivero.
4Rano lalina ny teny aloaky ny vavan'ny olona, Ary rano miboiboika ny loharanon'ny fahendrena,
5Ne estas bone favori malvirtulon, Por faligi virtulon cxe la jugxo.
5Tsy mety raha manohana ny ratsy fanahy Handresy ny marina amin'ny fitsarana.
6La lipoj de malsagxulo kondukas al malpaco, Kaj lia busxo venigas batojn.
6Ny molotry ny adala manatona ny fifandirana, Ary ny vavany mihantsy kapoka.
7La busxo de malsagxulo estas pereo por li, Kaj liaj lipoj enretigas lian animon.
7Ny vavan'ny adala no fandringanana azy, Ary ny molony ihany no fandriky ny fanahiny.
8La vortoj de kalumnianto estas kiel frandajxoj, Kaj ili penetras en la profundon de la ventro.
8Ny tenin'ny mpifosafosa dia toy ny hanim-py Ka mikorotsaka ao anaty kibo indrindra.
9Kiu estas senzorga en sia laborado, Tiu estas frato de pereiganto.
9Ary izay malaina amin'ny asany Dia rahalahin'ny mpanimba.
10La nomo de la Eternulo estas fortika turo: Tien kuras virtulo, kaj estas sxirmata.
10Ny anaran'i Jehovah dia tilikambo mafy; Ny marina miezaka ho ao aminy ka voavonjy.[Heb. atao amin'ny avo]
11La havo de ricxulo estas lia fortika urbo, Kaj kiel alta muro en lia imago.
11Ny haren'ny manan-karena no vohiny mafy, Ary raha araka ny fiheviny, dia toa manda avo izany.
12Antaux la pereo la koro de homo fierigxas, Kaj antaux honoro estas humileco.
12Ny fireharehan'ny fon'ny olona mialoha ny fahasimbana; Fa ny fanetren-tena kosa mialoha ny voninahitra.
13Kiu respondas, antaux ol li auxdis, Tiu havas malsagxon kaj honton.
13Izay mamaly teny mbola tsy re, Dia hadalana sy henatra ho azy izany.
14La spirito de homo nutras lin en lia malsano; Sed spiriton premitan kiu povas elporti?
14Ny faharariany dia zakan'ny fanahin'ny olona ihany; Fa ny fanahy kivy, iza no mahazaka izany?
15La koro de sagxulo akiras prudenton, Kaj la orelo de sagxuloj sercxas scion.
15Ny fon'ny manan-tsaina mahazo fahalalana; Ary ny sofin'ny hendry mitady izany.
16Donaco de homo donas al li vastecon Kaj kondukas lin al la grandsinjoroj.
16Ny fanomezan'ny olona dia mahalalaka ny alehany, Hahatonga azy eo anatrehan'ny lehibe.
17La unua estas prava en sia proceso; Sed venas lia proksimulo kaj gxin klarigas.
17Izay mandahatra aloha no toa marina; Fa nony avy kosa ny an-daniny, dia mamaly ny teniny.
18La loto cxesigas disputojn Kaj decidas inter potenculoj.
18Ny filokana mampitsahatra ady Ary mampisaraka ny samy mahery.
19Malpacigxinta frato estas pli obstina, ol fortikigita urbo; Kaj disputoj estas kiel rigliloj de turo.
19Ny mampionona ny rahalahy voaisy ratsy dia sarotra noho ny manafaka vohitra mafy, Ary ny fifandirana aminy dia tahaka ny hidin'ny lapan'ny mpanjaka.
20De la fruktoj de la busxo de homo satigxas lia ventro; Li mangxas la produktojn de siaj lipoj.
20Ny vokatry ny vavan'ny olona no mahavoky soa azy; Eny, ny vokatry ny molony no mahavoky azy.
21Morto kaj vivo dependas de la lango; Kaj kiu gxin amas, tiu mangxos gxiajn fruktojn.
21Ny mahafaty sy ny mahavelona samy hain'ny lela, Koa izay manarana azy dia hihinana ny vokany.
22Kiu trovis edzinon, tiu trovis bonon Kaj ricevis favoron de la Eternulo.
22Izay lehilahy mahazo vady dia mahazo zava-tsoa Sady mahita sitraka amin'i Jehovah.
23Per petegado parolas malricxulo; Kaj ricxulo respondas arogante.
23Fitarainana no ataon'ny malahelo; Nefa ny manan-karena kosa dia mamaly mahery.Izay maro sakaiza tsy maintsy tra-pahoriana; Fa misy sakaiza tia, izay mifikitra noho ny rahalahy aza.[Na: tsy maintsy hita fa ratsy]
24Havi multajn amikojn estas embarase; Sed ofte amiko estas pli sindona ol frato.
24Izay maro sakaiza tsy maintsy tra-pahoriana; Fa misy sakaiza tia, izay mifikitra noho ny rahalahy aza.[Na: tsy maintsy hita fa ratsy]