Estonian

Malagasy

Amos

3

1Kuulge seda sõna, mis Issand on kõnelnud teie kohta, Iisraeli lapsed, kogu selle suguseltsi kohta, kelle ma tõin Egiptusemaalt ära, öeldes:
1[Ny hamaliana ny Isiraely noho ny fahotany] Henoy izao teny izao, izay lazain'i Jehovah ny aminareo, ry Zanak'Isiraely, dia ny amin'io taranaka rehetra nentiko niakatra avy tany amin'ny tany Egypta io:
2Mina tunnustan ainult teid kõigist maa suguvõsadest; seepärast karistan ma teid kõigi teie süütegude pärast.
2Hianareo ihany no fantatro tamin'ny firenena rehetra ambonin'ny tany, koa noho izany dia hovaliako ianareo noho ny helokareo rehetra.
3Kas kaks kõnnivad koos, ilma et oleksid ühel nõul?
3Ho tafara-dalana va ny roa, raha tsy efa nifanaiky?
4Kas lõvi möirgab metsas, kui tal pole saaki? Kas noor lõvi häälitseb koopas, kui ta ei ole midagi püüdnud?
4Mierona any an'ala va ny liona, raha tsy mahita toha? Manerona ao an-davany va ny liona tanora, raha tsy mahazo zavatra?
5Kas lind langeb maas olevasse paela, kui talle pole pandud püünist? Kas pael tõuseb maapinnalt, kui see pole midagi püüdnud?
5Voan'ny fandrika etỳ an-tany va ny vorona, raha tsy nisy tadivavarana? Mikatona va ny fandrika, raha tsy mahavoa zavatra?
6Kas linnas puhutakse sarve, ilma et rahvas ehmuks? Kas linnas juhtub õnnetus, mida Issand ei ole saatnud?
6Tsofina va ao an-tanàna ny anjomara, ka tsy hatahotra ny vahoaka? Misy loza ao an-tanàna va, raha tsy Jehovah no nahatonga izany?
7Tõesti, Issand Jumal ei tee midagi, ilmutamata oma nõu oma sulaseile prohveteile.
7Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin'ny mpaminany mpanompony.
8Lõvi möirgab - kes ei kardaks? Issand Jumal räägib - kes ei ennustaks?
8Ny liona no mierona, ka iza no tsy hatahotra? Jehovah Tompo no miteny, ka iza no tsy haminany?
9Kuulutage Asdodi paleedele ja paleedele Egiptusemaal ning öelge: Kogunege Samaaria mägedele ja vaadake suurt segadust tema keskel ning ülekohut tema sees!
9Ambarao ao an-tranoben'i Asdoda sy ao an-tranobe any amin'ny tany Egypta, ka ataovy hoe: Miangona any an-tendrombohitr'i Samaria ianareo, ary jereo ny tabataba be ao aminy sy ny fampahoriana ao anatiny. [Na: ny ampahorina]
10Nad ei oska teha õigust, ütleb Issand; nad kuhjavad ülekohut ja vägivalda oma paleedesse.
10Fa tsy mahalala hanao ny marina izy ireo, hoy Jehovah, dia ireo izay mitahiry fandozana sy roba ao an-tranobeny.
11Seepärast ütleb Issand Jumal nõnda: Vaenlane tuleb piirama su maad, sinult kistakse ära su võim ja su paleed rüüstatakse.
11Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: He, misy fahavalo manodidina ny tany! Hazerany ho afaka aminao ny herinao, ary hobaboina ny tranobenao.
12Nõnda ütleb Issand: Otsekui karjane päästab lõvi suust paar koiba või kõrvaotsakese, nõnda päästetakse Iisraeli lapsed, kes Samaarias istuvad toredail asemeil ja Damaskuse voodites.
12Izao no lazain'i Jehovah: Toy ny famonjin'ny mpiandry ondry ny tongotr'ondry roa na ny sombin-tsofina eny am-bavan'ny liona, dia toy izany no ho famonjy ny Zanak'Isiraely, izay mipetraka ao Samaria, eo an-jorom-parafara sy eo amin'ny lamba fandriandriana avy any Damaskosy.
13Kuulge ja hoiatage Jaakobi sugu, ütleb Issand, vägede Jumal.
13Henoinareo, ka ambarao hamelezana ny taranak'i Jakoba, hoy ny Tompo, Jehovah, Andriamanitry ny maro:
14Sest päeval, kui ma karistan Iisraeli tema üleastumise pärast, karistan ma Peeteli altareid: altari sarved raiutakse ära ja need langevad maha.
14Amin'ny andro hamaliako ny Isiraely noho ny fahotana ao aminy no hamaliako ny alitara ao Betela dia hokapaina ny tandroky ny alitara ka hianjera amin'ny tany.Hamely ny trano ririnina sy ny trano fahavaratra Aho; Ary ho rava ny trano ivory, sady ho fongana ny trano maro, hoy Jehovah.
15Ja ma löön puruks talvekoja koos suvekojaga, elevandiluuga ehitud kojad purustatakse ja paljud kojad hävivad, ütleb Issand.
15Hamely ny trano ririnina sy ny trano fahavaratra Aho; Ary ho rava ny trano ivory, sady ho fongana ny trano maro, hoy Jehovah.