1Ja ma seisin meedlase Daarjavese esimesel aastal temale toeks ning kaitseks.
1Fa tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Dariosa Mediana dia nitsangana hampahery sy hanatanjaka azy aho.
2Ja nüüd ma annan sulle teada tõe: vaata, veel kolm kuningat tõuseb Pärsias ja neljas soetab suurema rikkuse kui kõik muud; ja kui ta oma rikkuse tõttu on saanud vägevaks, paneb ta kõik liikuma Kreeka kuningriigi vastu.
2[Faminaniana koa ny amin'ny zavatra mbola hiseho] Ary ankehitriny izay tenany tokoa dia haharihariko aminao. Indro, mbola hisy mpanjaka telo koa hitsangana any Persia; ary ny fahefatra hanan-karena be mihoatra noho izy rehetra; koa rehefa mahery izy noho ny hareny, dia hotairiny avokoa ny olona rehetra hamely ny fanjakan'i Grisia.
3Siis tõuseb kangelaskuningas, valitseb suure võimuga ja teeb, mida tahab.
3Ary hisy mpanjaka mahery hitsangana, izay hanapaka amin'ny fanapahana lehibe sady hanao araka izay sitrapony.
4Aga niipea kui ta on tõusnud, murdub ta kuningriik ja jaguneb taeva nelja tuule poole, aga mitte tema järglastele ja mitte selle võimuga, millega ta valitses; sest tema kuningriik kistakse ära ja saab teistele, aga mitte neile.
4Ary rehefa mitsangana izy, dia horavana ny fanjakany ka hozaraina ho amin'ny rivotra efatry ny lanitra; fa tsy ho an'ny taranany, na araka ny fanapahany izay nanapahany, fa hongotana ny fanjakany ka ho an'ny hafa, fa tsy ho an'ireo.
5Ja Lõuna kuningas saab vägevaks, samuti üks tema vürstidest; aga see saab temast vägevamaks ja valitseb: tema valitsus on suur.
5Ary hahery ny mpanjakan'ny atsimo; nefa ny anankiray amin'ny andriandahiny dia hahery noho izy aza ka hanapaka; ary ho fanapahana lehibe ny fanapahany.
6Ja aastate pärast teevad nad liidu ja Lõuna kuninga tütar läheb Põhja kuninga juurde rahu tegema; aga tema käsivarrel ei ole jõudu ning tema ja ta sugu ei jää püsima, vaid ta antakse ära, tema ja ta saatjaskond, tema sigitaja ja see, kes teda kosis.
6Ary rehefa afaka taona vitsivitsy, dia hikambana izy roa lahy ireo; ary ho avy ny zanakavavin'ny mpanjakan'ny atsimo hankany amin'ny mpanjakan'ny avaratra hahatsara ny fihavanana; nefa tsy hahatana ny herin-tsandry izy, ary tsy hahajanona ilay mpanjaka na ny sandriny, fa hatolotra razazavavy sy ireo nitondra azy sy rainy niteraka azy mbamin'izay nampahery azy tamin'izany andro izany.[Na: dia samy amin'ny fotoany avy]
7Sel ajal tõuseb üks võsu tema juurest ta asemele ja tuleb sõjaväe vastu ning tungib Põhja kuninga kindlustesse, talitab nendega, nagu tahab, ja saab vägevaks.
7Fa hisy solofony anankiray avy amin'ny fakany hitsangana handimby azy, ka hihavian'izay ny miaramila, ary hidirany ny fiarovana mafin'ny mpanjakan'ny avaratra, ka hasiany ireo, dia hahery izy.
8Nende jumaladki ja nende valatud kujud ning hõbedast ja kullast ihaldusväärsed asjad viib ta saagina Egiptusesse; siis ta jätab Põhja kuninga mõneks aastaks rahule.
8Ary ny andriamaniny koa mbamin'ny sarin-javatra an-idina sy ny fanaka tsara ananany, na ny volafotsy na ny volamena, dia hobaboiny avokoa; ary hijanona elaela tsy hamely ny mpanjakan'ny avaratra izy.[Na: haharitra ela noho]
9See tuleb küll Lõuna kuninga riiki, ent peab omaenese maale tagasi minema.
9Ary ho tonga amin'ny fanjakan'ny mpanjakan'ny atsimo izy, nefa hody any amin'ny taniny ihany.
10Aga tema pojad varustavad ja koguvad suuri sõjaväehulki; ja üks neist tuleb temale kallale, ujutab maa üle ja käib läbi; siis ta tuleb uuesti ja tungib kuni tema kindluseni.
10Fa hanomana tafika ny zanany ka hanangona miaramila maro be; dia ho avy tokoa ireo ka hanerana toy ny safotra, rehefa afaka izany, dia hiverina izy, ary hanihiny ihany na dia ny fiarovana mafiny aza.
11Siis vihastab Lõuna kuningas ja läheb ning sõdib temaga, Põhja kuningaga; too ajab kokku suure väehulga, aga see väehulk antakse Lõuna kuninga kätte.
11Ary dia hisafoaka ny mpanjakan'ny atsimo, ka hivoaka hiady aminy izy, dia amin'ny mpanjakan'ny avaratra, ary izy hanangona maro be; ary ny maro be dia hatolotra ho eo an-tànany.
12Ja kui see väehulk on võetud, siis läheb ta süda ülbeks; ta tapab palju tuhandeid, aga võitu ei saa.
12Ary raha miainga ireo maro be ireo, dia hiavonavona ny fony; ary haharipaka alinalina izy, nefa tsy hahery.
13Ja jälle ajab Põhja kuningas kokku väehulga, mis on suurem kui endine, ja mõne aasta pärast tuleb ta temale kallale suure sõjaväe ja rikkaliku vooriga.
13Fa hiverina ny mpanjakan'ny avaratra ka hanangona olona maro be mihoatra noho ny teo; ary rehefa afaka ny fe-taona, dia ho avy tokoa izy ka hitondra miaramila maro sy fitaovana betsaka.
14Ja sel ajal tõusevad paljud Lõuna kuninga vastu; ja sinu oma rahvast tõuseb vägivallamehi, et nägemus läheks tõeks, nad ise aga langevad.
14Ary amin'izany andro izany dia maro no hitsangana hamely ny mpanjakan'ny atsimo; ary ireo loza indrindra amin'ny firenenao dia hanandra-tena hahatò ny fahitana, nefa ho lavo izy.
15Ja Põhja kuningas tuleb ja kuhjab piiramisvalli ning vallutab kindlustatud linna; Lõuna sõjaväed ei pea vastu ega ole ta valitute väel püsimiseks jõudu.
15Ka dia ho avy ny mpanjakan'ny avaratra hanandratra tovon-tany hanafaka ny tanàna mimanda; ary na ny sandrin'ny atsimo na ny olom-pidiny dia tsy hahomby, ary tsy hisy hery hahombiazany.
16Ja see, kes tuleb tema vastu, talitab oma heaksarvamise järgi ja ükski ei suuda seisma jääda tema ees; ta asub ilusale maale ja lõpp on tema käe läbi.
16Fa izay avy hamely azy dia hanao araka Izay sitrapony, ka tsy hisy hahajanona eo anatrehany; ary izy hijanona ao amin'ny tany mahafinaritra, ary hisy fandringanana eny an-tànany.
17Siis ta pöörab oma näo, et Lõuna kuningas võiks tulla kogu oma kuningriigi võimsusega; ja ta mõtted on õiged ja ta teostab nad, ning annab temale naiseks oma tütre, et seda maad hävitada; aga see ei toimu ega lähe tal korda.
17Dia hivonona tsara handeha amin'ny herin'ny fanjakany rehetra izy ka hanao izay hahatsara ny fihavanana; ary homeny ny zanakavavin'ny vehivavy izy ka hahatonga loza aminy; ary tsy hahalavorary razazavavy, na hahasoa azy akory.
18Siis ta pöörab oma näo saarte poole ja vallutab paljud; aga üks väepealik teeb ta pilkamisele lõpu, tõesti, ta tasub temale ta pilkamise eest.
18Ary hitodika mankany amin'ny nosy izy ka hahalasa be; ary hisy mpanapaka hampitsahatra ny latsa ataony, sady hatsingeriny aminy ny latsa ataony.
19Siis ta pöörab näo tagasi maa kindluste poole, aga ta komistab ja langeb ning teda ei ole enam.
19Dia hitodika hankany, amin'ny fiarovana mafy any amin'ny taniny izy; kanjo ho tafintohina sy ho lavo izy ka tsy ho hita.
20Ja tema asemele tõuseb keegi, kes paneb maksunõudja kõige suursugusemat kuningriiki läbi käima, aga mõne aja pärast ta murdub, ent mitte viha ega sõja läbi.
20Ary hitsangana handimby azy indray ny anankiray izay hampandeha mpampiasa ho any amin'izay tsara indrindra amin'ny fanjakany; fa rehefa afaka andro vitsy, dia ho faty io, nefa tsy amin'ny fahatezerana, na amin'ny ady.
21Ja tema asemele tõuseb üks kõlvatu, kellele ei ole antud kuninglikku väärikust; aga ta tuleb ootamatult ja haarab libekeelsusega kuningriigi enesele.
21Ary hisy olona famingavinga hitsangana handimby io indray, izay tsy homena ny voninahitry ny fanjakana; fa hiditra tsy ampoizina izy ka hahazo ny fanjakana amin'ny fahafetsena,
22Sõjaväed uhutakse sootuks tema eest ja murtakse, nõndasamuti ka lepinguvürst.
22ary ireo miaramila toy ny safotra no hindaosina hiala eo anatrehany sady ho resiny mbamin'ny andriana vita fanekena aminy koa.[Heb. sandrin'ny safotra]
23Niipea kui temaga on tehtud leping, teeb ta pettust; ja ta läheb ning saab vähese rahvaga vägevaks.
23Eny, rehefa mifanaiky aminy io, dia hanao fitaka; fa hiakatra izy ka hahery, na dia vitsy aza ny olona entiny.
24Ootamatult tungib ta maa viljakamasse ossa ja teeb, mida ta isad ja isade isad ei ole teinud; pillub omadele kokkuröövitud saaki ja vara. Ja ta sepitseb plaane kindlustatud linnade vastu, aga ainult pisut aega.
24Hiditra tsy ampoizina amin'ny fari-tany mahavokatra indrindra izy ka hanao izay tsy nataon'ny rainy na ny razany; hahahany eny amin'ireny ny sambotra sy ny babo ary ny harena; ary hamoron-tsaina izy ka hamely ny fiarovana mandra-pahalanin'ny fotoana.
25Ja ta õhutab oma jõudu ning julgust, et minna Lõuna kuninga vastu suure sõjaväega; ka Lõuna kuningas valmistub sõjaks suure ja väga tugeva sõjaväega, aga see ei suuda vastu panna, sest tema vastu sepitsetakse vandenõu.
25Ary hanaitra ny heriny sy ny fony izy hamely ny mpanjakan'ny atsimo amin'ny miaramila maro; ary ny mpanjakan'ny atsimo kosa hanafika mitondra miaramila maro sady mahery indrindra; nefa tsy hahajanona izy, satria hisy hamoron-tsaina hamely azy.
26Need, kes ta lauas söövad, murravad tema, ta sõjavägi uhutakse ära ja paljud langevad mahalööduina.
26Eny, izay homana ny hanina avy aminy ihany no hahalavo azy, ary ny miaramilany hanerana toy ny safotra, sady maro ny faty hiampatrampatra.
27Mõlemad kuningad mõtlevad südames kurja ja räägivad valet ühes lauas istudeski. Aga see ei õnnestu, sest lõpp tuleb alles määratud ajal.
27Ary ny fon'ireo mpanjaka roa ireo dia samy ta-hanao ratsy, ary eo an-databatra iray no hiresahany lainga; nefa tsy hambinina izany; fa ny farany dia ho amin'ny fotoana ihany.
28Ja ta läheb tagasi oma maale suure varandusega, aga ta süda on püha lepingu vastu; ta teeb, mida tahab, ja läheb tagasi oma maale.
28Ary hiverina ho any amin'ny taniny mitondra harena be izy; koa ny fony dia hanohitra ny fanekena masina; ary hahefa sy hiverina ho any amin'ny taniny izy
29Määratud ajal tuleb ta jälle Lõunasse, aga teisel korral ei sünni nõnda nagu esimesel korral.
29Amin'ny fotoana dia ho lasa mianatsimo indray izy; nefa ny farany tsy ho toy ny voalohany;
30Sest kittide laevad tulevad tema vastu ja ta lööb kartma ning läheb tagasi, sajatades püha lepingut; ja ta jätkab tegutsemist ning pöördub nende poole, kes loobuvad pühast lepingust.
30fa ny sambon'i Kitima ho avy namely azy, ka dia ho kivy izy ka hiverina ary hisafoaka amin'ny fanekena masina ka hamely; eny, hiverina izy ka hisaina ny amin'ireo efa mahafoy ny fanekena masina.
31Ja tema poolt saadetud sõjaväed tulevad ja teotavad pühamut, kindlat linna; nad kõrvaldavad alalise ohvri ja panevad sinna hävituse koletise.
31Ary hisy miaramila hitsangana noho ny teniny ka handoto ny fitoerana masina, dia ny fiarovana mafy, ary hampitsahatra ny fanatitra isan'andro sady hampiditra ny fahavetavetana mahatonga fandravana.[Heb. sandry]
32Ja oma libekeelsusega ta hukutab lepingurikkujaid, aga see rahvas, kes tunneb oma Jumalat, jääb kindlaks ja tegutseb.
32Ary izay mivadika ny fanekena dia hambosiny amin'ny fandroboana; fa ny dona izay mahalala an'Andriamaniny kosa dia hifikitra amin'izany ka hankatò azy.[Na: dia hahery ka hahefa]
33Ja mõistlikud rahva hulgast õpetavad paljusid, kuigi neid mõnda aega jälitatakse mõõga ja tulega, vangipanekuga ja riisumisega.
33Ary izay hendry ao amin'ny olona dia hampianatra ny maro; nefa ho lavon'ny sabatra sy ny lelafo sy ny famaboana ary ny fandrobana elaela ihany izy.
34Sel ajal, kui neid jälitatakse, saavad nad vähest abi, ja paljud hoiduvad libekeelsuses nende poole.
34Ary rehefa lavo izy, dia hahazo famonjena kely; ary maro no hikambana aminy amin'ny fihatsaram-belatsihy.
35Ja mõistlikest langevad mõned, et neid sulatada ja puhastada ja valgeks teha lõpuajaks, sest määratud aeg viibib veel.
35Ary hisy ho lavo koa ny manan-tsaina, mba hizahan-toetra sy hanadiovana ary hamotsiana azy ambara-pahatongan'ny andro farany, fa mbola ho amin'ny fotoana ihany izany.
36Ja kuningas teeb, mida tahab, ja ta ülistab ennast ning suurustab iga jumala ees, isegi jumalate Jumala vastu räägib ta kuulmatuid asju; ja see õnnestub tal, kuni viha on teostunud, sest mis on otsustatud, see sünnib.
36Ary ny mpanjaka hanao araka izay sitrapony; ary hisandratra sy hanandra-tena ho ambonin'ny andriamanitra rehetra izy ka hiteny zavatra mahagaga ny amin'Andriamanitry ny andriamanitra, ary hambinina ihany izy mandra-pahatanteraky ny fahatezerana; fa izay efa voatendry no tsy maintsy hatao.
37Ja ta ei hooli oma vanemate jumalaist, ka mitte sellest, keda naised armastavad, ja ta ei hooli ühestki muust jumalast, vaid suurustab nende kõigi ees
37Ary tsy hahoany akory ny andriamanitry ny razany, na ny fitiavan'ny vehivavy; eny, tsy hahoany akory izay andriamanitra, fa hanandra-tena noho izy rehetra izy.
38ja austab selle asemel kindluste jumalat; jumalat, keda ta vanemad ei tundnud, austab ta kulla ja hõbedaga, kalliskivide ja väärtasjadega.
38Fa ny andriamanitry ny fiarovana mafy no hankalazainy hisolo izany; ary volamena sy volafotsy sy vato soa ary zavatra mahafinaritra no ho entiny mankalaza ny andriamanitra izay tsy fantatry ny razany.
39Ja ta teeb kindlustatud linnu koos võõra jumalaga; kes teda tunnustavad, neid austab ta väga ja paneb valitsema paljude üle ning jagab neile tasuks maad.
39Dia homban'ny andriamani-kafa izy ka hamely ny batery mafy indrindra, ary izay manaiky azy dia homeny voninahitra be sady hataony mpanapaka ny maro, ary hozarainy ho azy ny tany ho valim-pitia.
40Aga lõpuajal põrkab Lõuna kuningas temaga kokku ja Põhja kuningas tormab temale kallale sõjavankrite, ratsanike ja paljude laevadega; ta tungib tema maadesse, ujutab need üle ja käib neist läbi.
40Ary amin'ny faran'ny andro dia hanoto azy ny mpanjakan'ny atsimo; ary ny mpanjakan'ny avaratra koa ho avy hamely azy toy ny tafio-drivotra ka hitondra kalesy sy mpitaingin-tsoavaly ary sambo maro; ary hiditra amin'ny tany izy ka hanerana toy ny safotra.
41Ja ta tungib ilusale maale ning kümned tuhanded langevad. Aga Edom, Moab ja suurem osa ammonlastest pääsevad tema käest.
41Hiditra ao amin'ny tany mahafinaritra koa izy, ary maro no ho ripaka; fa izao kosa no ho afa-mandositra ny tànany: Edoma sy Moaba ary ireo lohan'ny taranak'i Amona.
42Ja ta sirutab käe maade järele ja Egiptusemaa ei pääse.
42Haninjitra ny tànany amin'ny tany sasany koa izy; ary ny tany Egypta tsy ho afa-mandositra.
43Ja ta valitseb kulla ja hõbeda varandusi ja kõiki Egiptuse väärtasju; ja liibüalased ja etiooplased on tema saatjaskonnas.
43Fa hahalasa ny rakitra volamena sy volafotsy ary ny zava-tsoan'i Egypta rehetra izy; ary ny Libyana sy ny Etiopiana hanaraka azy.
44Aga sõnumid idast ja põhjast teevad talle hirmu ja ta läheb ära suures vihas, hukkama ja hävitama paljusid.
44Fa hisy siosion-teny avy any atsinanana sy avy any avaratra haharaiki-tahotra azy, ka dia hivoaka amin'ny fahatezerana be izy handrava sy handringana maro.Ary haoriny eo anelanelan'ny ranomasina sy ny tendrombohitra masina mahafinaritra ny trano-lainy izay lapany; nefa ho tonga ao amin'ny hiafarany ihany izy, ka tsy hisy hamonjy azy.
45Ja ta lööb oma toredad telgid üles mere ja püha ilumäe vahele; aga tema lõpp tuleb ja ükski ei aita teda.
45Ary haoriny eo anelanelan'ny ranomasina sy ny tendrombohitra masina mahafinaritra ny trano-lainy izay lapany; nefa ho tonga ao amin'ny hiafarany ihany izy, ka tsy hisy hamonjy azy.