Estonian

Malagasy

Daniel

8

1Kuningas Belsassari valitsemise kolmandal aastal ilmutati mulle, Taanielile, nägemus lisaks sellele, mis mulle varem oli ilmutatud.
1[Ny amin'ny fahavalo anankiray izay nampahory ny olon'Andriamanitra] Tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Belsazara mpanjaka dia nisy fahitana niseho tamiko, izaho Daniela, taorian'ilay niseho tamiko tamin'ny voalohany.
2Kui ma nägemuses nägin, siis ma olin, kui ma vaatasin, Suusani palees Eelami maakonnas; ja ma nägin selles nägemuses, et ma olin Uulai jõe ääres.
2Ary nahita tamin'ny fahitana aho, ka raha mbola nijery aho, dia, indro, tao Sosana tao amin'ny lapan'ny mpanjaka izay ao amin'ny tany Elama aho; ary nahita tamin'ny fahitana aho, ka teo amoron'ny ony Olay aho.
3Ja ma tõstsin oma silmad üles ja vaatasin, ja ennäe, üks jäär seisis teisel pool jõge ja tal oli kaks sarve; ja sarved olid pikad, aga üks oli teisest pikem, ja pikem tõusis viimasena.
3Dia natopiko ny masoko, ka hitako, fa, indro, nisy ondrilahy iray nitsangana teo amoron'ny ony, izay nanana tandroka roa; lava ireo tandroka ireo, ary ny anankiray lava noho ny anankiray, nefa ilay lavalava kokoa no niposaka taoriana.
4Ma nägin jäära kaevlevat lääne ja põhja ja lõuna poole, ja ükski loom ei suutnud temale vastu seista ega olnud tema käest päästjat; ta tegi, nagu temale meeldis, ja ta suurustas.
4Hitako ny ondrilahy manoto miankandrefana sy mianavaratra ary mianatsimo; ary tsy nisy biby nahajanona teo anoloany, ary tsy nisy naharombaka izay mby teny an-tanany; fa nanao araka izay sitrapony izy ka tonga lehibe.[Na: niavonavona]
5Siis ma panin tähele, ja vaata, üks sikk tuli lääne poolt üle kogu maa, ilma et ta oleks puudutanud maad; ja sikul oli silmade vahel võimas sarv.
5Ary raha mbola nandinika aho, dia, indro, nisy osilahy nivoaka avy tany andrefana ka nitety ny tany rehetra, nefa tsy nikasika ny tany; ary ilay osilahy dia nanana tandroka lehibe teo anelanelan'ny masony.
6Ja ta tuli kahe sarvega jäära juurde, keda ma olin näinud seisvat teisel pool jõge, ja jooksis oma vägevas vihas sellele kallale.
6Ary izy nankeo amin'ilay ondrilahy nanana tandroka roa, dia ilay efa hitako nitsangana eo amoron'ny ony, ka nanazakazaka azy tamin'ny fahatezeran'ny heriny.
7Ja ma nägin teda jõudvat jäära juurde; siis ta märatses selle vastu ja puskis jäära ning murdis selle mõlemad sarved; ja jääral ei olnud jõudu temale vastu seista, vaid too paiskas ta maha ja tallas teda; ja ei olnud kedagi, kes oleks päästnud jäära tema käest.
7Ary hitako nanatona ho eo anilan'ny ondrilahy izy, dia nisafoaka taminy ka namely ny ondrilahy ary nanapaka ny tandrony roa, ka tsy nahajanona teo anoloany intsony ilay ondrilahy, fa nazerany teo amin'ny tany ka nohitsakitsahiny; ary tsy nisy nahavonjy ilay ondrilahy teny an-tànany.
8Ja sikk suurustas väga, aga kui ta oli vägevuse tipul, murdus võimas sarv ja selle asemele kasvas neli suurt sarve taeva nelja tuule poole.
8Ary dia nihahery indrindra ilay osilahy; nefa nony nahery izy, dia tapaka ilay tandrony lehibe; ary nisy efatra lehibe nipoitra nisolo iny nifanandrify tamin'ny rivotra efatry ny lanitra.
9Ja ühest neist sarvedest tuli veel üks pisike sarv ja see kasvas väga suureks lõuna ja ida ja ilusa maa suunas.
9Ary nisy tandroka kely nipoitra avy tamin'ny anankiray amin'ireny ka nihalehibe indrindra nianatsimo sy niantsinanana ary nankany amin'ny tany mahafinaritra.
10Ta kasvas suureks kuni taeva väeni ja paiskas maha mõned sellest väest ja tähtedest ning tallas neid.
10Ary nihalehibe izy ka nihatra tamin'ireo maro be eny amin'ny lanitra; ary nisy nazerany ho amin'ny tany ireo maro be sy ny kintana ka nohitsakitsahiny.
11Ja ta tõstis ennast kuni selle väe vürstini; sellelt võeti ära alaline ohver ja ta pühamu paik tõugati ümber.
11Eny, nihalehibe izy ka dia niady tamin'ny Komandin'ireo maro be, ary nesorina taminy ny fanatitra isan'andro, ary ny fitoerana masina noravana.
12Ja alalise ohvri asemele pandi üleastumise vägi; ta paiskas tõe maha, ja mida ta tegi, läks tal korda.
12Ary nisy maro be mbamin'ny fanatitra isan'andro natolotra azy noho ny fahadisoana, dia nazerany ho amin'ny tany ny fahamarinana; ary niasa izy sady nambinina.
13Siis ma kuulsin ühte püha kõnelevat, ja teine püha küsis kõnelejalt: 'Kui kaua kestab see nägemus alalisest ohvrist ja hukutavast üleastumisest, pühamu ja väe tallataandmisest?'
13Dia nandre ny masina anankiray niteny aho, ary nisy masina iray koa nanao tamin'ilay niteny hoe: Mandra-pahoviana ny fahitana mandrakariva sy ny fahotana mahatonga fandravana mba hanolorana ny fitoerana masina sy ireo maro be ho fanitsaka? [Na: ny amin'ny fanatitra isan'andro]
14Ja ta ütles mulle: 'Kaks tuhat kolmsada õhtut-hommikut. Siis saab pühamu taas oma õiguse.'
14Ary hoy izy tamiko: Taon-jato sy roa arivo andro; ary nony afaka izany, dia amin'izay vao hodiovina ny fitoerana masina. [Heb. hariva sy maraina][Heb. ho marina]
15Ja kui mina, Taaniel, olin näinud seda nägemust ja püüdsin seda mõista, vaata, siis seisis mu ees keegi, kellel oli mehe välimus.
15Ary nony nahita ny fahitana izaho Daniela ka nitady hahafantatra izany, dia, indro, nisy nanana tarehy tahaka ny olona nitsangana teo anatrehako.
16Ja ma kuulsin inimese häält Uulai kallaste vahelt, ja see hüüdis ning ütles: 'Gabriel, seleta see nägemus tollele seal!'
16Ary nandre feon'olona tao afovoan'i Olay aho, izay niantso ka nanao hoe: Ry Gabriela, ampahalalao ny fahitana ity lehilahy ity.
17Siis ta tuli sinna, kus ma seisin, ja kui ta tuli, siis ma kohkusin ja langesin silmili maha. Ja ta ütles mulle: 'Inimesepoeg, pane tähele, et see nägemus tähendab viimset aega!'
17Ary dia nankeo amin'ilay nitsanganako izy; ary nony tonga izy, dia raiki-tahotra aho ka nikarapoka nihohoka; nefa hoy izy tamiko: Aoka ho fantatrao, ry zanak'olona, fa io fahitana io dia milaza ny farany.
18Ja kui ta minuga rääkis, olin ma sügavas unes, silmili maas; aga ta puudutas mind ja pani mu seisma sinna, kus ma olin seisnud,
18Ary raha niresaka tamiko izy, dia renoky ny torimaso teo amin'ny tany aho; fa izy nanohina nampitsangana ahy.
19ja ütles: 'Vaata, ma annan sulle teada, mis sünnib sajatuse viimsel ajal: seatud ajal tuleb lõpp!
19Dia hoy izy: Indro, hampahafantariko anao izay ho tonga amin'ny fahatezerana farany; fa ho amin'ny fotoana any am-parany izany.
20Jäär, keda sa nägid, kellel oli kaks sarve, on Meedia ja Pärsia kuningad.
20Ilay ondrilahy hitanao nanana tandroka roa dia ny mpanjakan'i Media sy Persia.
21Karune sikk on Kreeka kuningas; suur sarv tema silmade vahel on esimene kuningas.
21Ary ny osilahy lava volo dia ny mpanjakan'i Grisia; ary ny tandroka lehibe teo anelanelan'ny masony dia ny mpanjaka voalohany.
22Ja et see murdus ning neli tõusid selle asemele, on neli kuningriiki, mis tõusevad tema rahvast, aga mitte nii vägevad kui tema.
22Ary ny amin'ilay efa tapaka, ka nisy efatra nitsangana nandimby azy, dia hisy fanjakana efatra hitsangana avy amin'ny jentilisa, nefa tsy mitovy hery aminy.
23Ja nende valitsuste lõpus, kui üleastujate mõõt on täis saanud, tõuseb üks kuningas, jultunud näoga ja salasepitsustes osav.
23Ary ny hiafaran'ny fanjakany, rehefa tanteraky ny mpanota ny asany, dia hisy mpanjaka hitsangana, izay masia-tarehy sy mahafantatra zavatra saro-pantarina.
24Ja tema jõud on vägev, aga mitte tema enese jõust, ja ta valmistab tohutu õnnetuse; tal on kordaminek teos ja ta hävitab vägevaid ja püha rahva.
24Ary ho be ny heriny, nefa tsy amin'ny herin'ny tenany; ary mahagaga ny fanimbana hataony; ary hambinina izy ka hahefa ary hanimba ny mahery sy ny olo-masina.
25Tema kavaluse tõttu õnnestub pettus ta käes; ta suurustab oma südames ja hävitab paljusid ootamatult. Ta tõuseb ka vürstide vürsti vastu, ent ta ise murtakse ilma inimkäeta.
25Ary ny fahafetseny koa no hahatanteraka ny fitaka eny an-tanany; ary izy hiavonavona am-po ka handringana ny maro amin'izay tsy ampoiziny; ary hitsangana hanohitra ny Andrianan'ny andriana izy, kanjo ho torotoro kosa, nefa tsy hisy tanana hamely azy tsinona.
26Ja nägemus õhtuist ja hommikuist, millest oli kõne, on tõsi; aga sina hoia see nägemus saladuses, sest see on kaugeiks päeviks!'
26Ary dia marina ny amin'ireo andro voalaza ireo, nefa ahorony ny fahitana, fa mbola ho andro maro izany.Ary izaho Daniela dia torana ka nandraiky narary andro vitsivitsy; ary nony afaka izany dia nitsangana aho ka nanao ny raharahan'ny mpanjaka; ary ka aho ny amin'ny fahitana, nefa tsy nisy nahafantatra izany.
27Ja mina, Taaniel, olin seejärel mõnda aega haige; siis ma tõusin üles ja toimetasin kuninga teenistust, aga ma olin kohkunud nägemuse pärast ega mõistnud seda.
27Ary izaho Daniela dia torana ka nandraiky narary andro vitsivitsy; ary nony afaka izany dia nitsangana aho ka nanao ny raharahan'ny mpanjaka; ary ka aho ny amin'ny fahitana, nefa tsy nisy nahafantatra izany.