Estonian

Malagasy

Hosea

4

1'Kuulge Issanda sõna, Iisraeli lapsed, sest Issandal on maa elanikega riid, sellepärast et maal ei ole tõsidust, armastust ega ka mitte Jumala tundmist!
1[Ny fananarana ny Isiraely noho ny helony] Mihainoa ny tenin'i Jehovah, ianareo Zanak'Isiraely! Fa Jehovah manana ady amin'ny mponina amin'ny tany, satria tsy misy fahamarinana, na fitiavana, na fahalalana an'Andriamanitra eo amin'ny tany,
2Sajatatakse ja valetatakse, tapetakse ja varastatakse, rikutakse abielu ja murtakse sisse ning veresüü järgneb veresüüle.
2Fa fianianana sy lainga sy vonoana sy halatra sy fijangajangana kosa, eny, manao an-keriny izy ka mifanontona ny fandatsahan-drà.[Na: Fa ny fianianana sy ny lainga sy ny vonoana sy ny halatra ary ny fijangajangana no mihabetsaka]
3Sellepärast leinab maa ja kiratsevad kõik, kes seal elavad, metsloomad, taeva linnud ja mere kaladki võetakse ära.
3Ary noho izany dia mitomany ny tany ary reraka izay rehetra mitoetra ao aminy, dia ny bibi-dia sy ny voro-manidina; Eny, na dia ny hazandrano any anaty ranomasina aza dia ringana koa.[Na: Mbamin']
4Ometi ärgu ükski sõidelgu ja ärgu ükski laitku! Ja sinu rahvas on nagu need, kes riidlevad preestriga.
4Kanefa aza misy mandahatra, na mananatra; Fa ny oloko dia efa tahaka ny mifanditra amin'ny mpisorona.
5Ja sa komistad päeval ja koos sinuga komistab prohvetki öösel; ja ma hukkan su ema.
5Ka dia ho tafintohina antoandro ianao, ary ny mpaminany hiara-tafintohina aminao koa amin'ny alina, ary hovonoiko ny reninao.
6Mu rahvas hukkub tarkuse puudusel; et sa põlgad tarkust, siis põlgan mina sind: sa ei või olla mu preester. Ja et sa oled unustanud oma Jumala Seaduse, siis unustan minagi su lapsed.
6Ringana ny oloko noho ny tsi-fisian'ny fahalalana. Satria ianao efa nandà ny fahalalana, dia mba holaviko kosa tsy ho mpisoroko intsony; Ary efa nanadino ny lalan'Andriamanitrao ianao, ka dia mba hohadinoiko kosa ny zanakao.
7Mida rohkem neid on, seda rohkem teevad nad pattu mu vastu. Ma muudan nende au häbiks.
7Araka ny nitomboany no nanotany tamiko, ka dia hampodiko ho henatra kosa ny voninahiny.
8Nad toituvad mu rahva patust ja nende hing himustab tema süütegu.
8Ny fanatitra noho ny ota izay aterin'ny oloko dia haniny ka satriny ihany ny ho diso ireny.
9Aga nagu rahvaga, nõnda ka preestriga: mina nuhtlen teda ta eluviiside järgi ja tasun temale ta teod.
9Ary ho sahala ihany ny hanjo ny olona sy ny mpisorona; Dia hovaliako izy noho ny lalany, ary ny ataony dia hatsingeriko aminy.
10Nad söövad, aga nende kõhud ei saa täis; nad teevad hooratööd, aga nad ei sigine, sest nad on Issanda maha jätnud.
10Ka dia hihinana izy, nefa tsy ho voky, hijangajanga izy, nefa tsy hihabetsaka, satria Jehovah efa tsy nahoany intsony.
11Hooraelu, vein ja virre võtavad mõistuse.
11Fijangajangana sy divay ary ranom-boaloboka no mahalasa ny saina.
12Minu rahvas küsib nõu oma puult ja tema kepp seletab talle; sest hooruse vaim on neid eksitanud ja nad on hoorates lahkunud oma Jumalast.
12Ny oloko dia mila saina amin'ny tapa-kazony, ary ny tehiny no manambara aminy; Fa ny fanahim-pijangajangana no nampania azy, ary lasan-ko janga izy ka tsy manaiky an'Andriamaniny.
13Nad ohverdavad mägede harjadel ja suitsutavad küngastel tamme, papli või terebindi all, sest selle vari on meeldiv. Seepärast teevad teie tütred hooratööd ja teie miniad rikuvad abielu.
13Eny an-tampon'ny tendrombohitra no amonoany zavatra hatao fanatitra, ary eny amin'ny havoana no andoroany ditin-kazo manitra, dia eny ambanin'ny hazo ôka sy ny popola ary ny terebinta, satria tsara alokaloka ireny; Koa izany no ijejojejoan'ny zanakavavinareo sy ijangajangan'ny vinantovavinareo.
14Mina ei karista teie tütreid, et nad teevad hooratööd, ega teie miniaid, et nad rikuvad abielu, sest mehed ise lähevad hooradega kõrvale ja ohverdavad koos templi pordunaistega; nõnda hukkub mõistmatu rahvas.
14Tsy hamaly ny zanakavavinareo Aho, raha mijejojejo izy, na ny vinantovavinareo, raha mijangajanga izy; Fa ny tenanareo aza dia miavaka hankamin'ny mpijangajanga sady mamono zavatra hatao fanatitra miaraka amin'ireo vehivavy mpanolotena hijangajanga ho fanompoan-tsampy, ka dia ho lavo ny firenena tsy misaina.[Heb. ireny]
15Kui sina, Iisrael, teed hooratööd, siis ärgu Juuda saagu süüdlaseks; ärge tulge Gilgalisse ja ärge minge üles Beet-Aavenisse, ärge vanduge: 'Nii tõesti kui Issand elab!'
15Na dia mijangajanga aza ianao, ry Isiraely. Aoka ny Joda tsy mba hanota; Ary aza mankany Gilgala na miakatra any Betavena ianareo; Ary aza mianiana hoe: Raha velona koa Jehovah!
16Sest Iisrael on kangekaelne otsekui kangekaelne lehm; kas Issand peaks neid nüüd karjatama nagu tallekesi avaral karjamaal?
16Fa ny Isiraely dia maditra toy ny vantotr'ombivavy maditra; Ankehitriny dia handrasan'i Jehovah toy ny zanak'ondry eny amin'ny malalaka izy.
17Efraim on liitunud ebajumalatega - las ta läheb!
17Tafaraikitra amin'ny sampy Efraima; Aoka izy ho eo.
18Nende jooming on lõppenud, üha teevad nad hooratööd, nad armastavad teotust enam kui tema kilpe.
18Efa lefy ny divainy; Mahery mijangajanga izy; Fatra-pitia henatra ireo mpanapaka azy. [Na: Rehefa mitsahatra ny fibobohany, dia mahery mijangajanga izy][Heb. ampingany]Voapaoky ny elatry ny rivotra izy ka ho menatra noho ny zavatra novonoiny hatao fanatitra.
19Tuul haarab neid oma tiibadega; nad peavad häbenema oma ohvrite pärast.
19Voapaoky ny elatry ny rivotra izy ka ho menatra noho ny zavatra novonoiny hatao fanatitra.