Estonian

Malagasy

Hosea

7

1Kui ma teen Iisraeli terveks, siis saavad avalikuks Efraimi süüd ja Samaaria kuriteod; sest nad teevad pettust, varas tungib sisse ja väljas rüüstavad röövlid.
1Raha ta-hanasitrana ny Isiraely Aho, dia miseho ny helok'i Efraima sy ny faharatsian'i Samaria, fa manao fitaka izy; Miditra ny mpangalatra, ary ny jiolahy manao andiany dia mandehandeha eny ivelany.
2Aga nad ei mõtle oma südames, et ma pean meeles kõik nende kuriteod; nüüd ümbritsevad neid nende teod, need on minu palge ees.
2Ary tsy heveriny ao am-po fa tsarovako ny faharatsiany rehetra; Ankehitriny dia gejan'ny nataony izy, efa tonga eo anatrehako izany.[Heb. ataony hoe]
3Oma kurjusega rõõmustavad nad kuningat ja oma valedega vürste.
3Amin'ny faharatsiany no ampifaliany ny mpanjaka, ary amin'ny laingany ny mpanapaka.
4Nad kõik on abielurikkujad; nad on nagu küdev küpsetusahi, mille tule pagar jätab kohendamata taigna sõtkumisest hapnemiseni.
4Samy mpaka vadin'olona avokoa izy rehetra ka toy ny fatana voafanan'ny mpanendy mofo, izay mitsahatra tsy misorona afo hatramin'ny ametafetany ny koba ka ambara-pitombony.
5Meie kuninga päeval on vürstid hõõguvast veinist haiged. Ta lööb pilkajatega kätt.
5Tamin'ny andron'ny mpanjakantsika dia nankarary tena tamin'ny fanafanan'ny herin'ny divay ny mpanapaka; Nifandray tanana tamin'ny mpaniratsira ny mpanjaka.
6Sest need on tulnud lähedale, nende süda on varitsemises nagu kuum küpsetusahi; nende pagar magab kogu öö, aga hommikul lööb lõkkele otsekui tuleleek.
6Fa entin'ireo ho ao am-panotrehana ny fony, toy ny ho ao amin'ny fatana; Mandritra ny alina dia matory ihany ny mpanendy azy, ary nony maraina dia toy ny lelafo mirehitra ny fatana.
7Nad kõik on kuumad nagu küpsetusahi ja nad neelavad oma kohtumõistjad; kõik nende kuningad langevad, ükski neist ei hüüa minu poole.
7Samy mahamay toy ny fatana izy rehetra ka mandevona ny andriambaventiny; Efa lavo avokoa, ny mpanjakany, tsy misy miantso Ahy izy rehetra.
8Efraim seguneb rahvaste hulka; Efraim on nagu kook, millel ei ole pööratud teist külge.
8Efraima dia miharoharo amin'ireo firenena; Efraima dia efa tonga ampempa tsy voavadika.
9Võõrad söövad ta jõu, aga tema ise ei märkagi; ta juustesse on puistatud halli, aga tema ise ei teagi.
9Lanin'ny vahiny ny heriny, nefa tsy fantany akory izany; Eny, efa mipi-bolo ihany izy, saingy tsy fantany.
10Iisraeli kõrkus tunnistab tema enese vastu; nad ei pöördu Issanda, oma Jumala poole ega otsi teda kõigest hoolimata.
10Ary ny avonavon'Isiraely dia vavolombelona manameloka azy; Nefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy miverina amin'i Jehovah Andriamaniny ihany izy, na mitady Azy.[Na: ny reharehany]
11Efraim on otsekui tuvi, kohtlane ja taipamatu; nad kutsuvad Egiptust, nad lähevad Assurisse.
11Ary Efraima dia efa tonga tahaka ny voromailala adaladala tsy manan-tsaina; Efa miantso an'i Egypta izy ary efa mankany Asyria.
12Aga kui nad lähevad, siis ma laotan nende peale oma võrgu, ma toon nad alla nagu taeva linnud; ma karistan neid, nagu nende koguduses on kuulutatud.
12Raha vao mandeha izy, dia hovelariko aminy ny fandrika haratoko, ka hampidiniko ao toy ny voro-manidina izy; Hofaizako izy araka izay efa nambara tamin'ny fiangonany.
13Häda neile, sest nad põgenevad minu juurest! Hukatus neile, sest nad astuvad üles minu vastu! Mina tahtsin neid lunastada, aga nemad räägivad mu kohta valet.
13Lozan'ireny! satria nandositra Ahy izy, haringana izy! satria niodina tamiko; Izaho ta-hanavotra azy, fa izy kosa dia lainga no entiny milaza Ahy.
14Nad ei hüüa südamest minu poole, vaid uluvad oma asemeil. Nad lõikavad endile leinamärke ihusse vilja ja veini pärast, aga minu vastu tõstavad nad mässu.
14Ary tsy mitaraina amiko ao am-pony izy, fa midradradradra foana ao am-pandriany; Mitangorona hitady vary sy ranom-boaloboka izy, dia miodina miala amiko.
15Mina olen juhtinud ja kinnitanud nende käsivarsi, aga nemad kavatsevad minu vastu kurja.
15Ary Izaho no nampianatra sy nanatanjaka ny sandriny, nefa izy kosa dia misaintsain-dratsy Ahy,Miverina ihany izy, nefa tsy ho amin'ny Avo; Tonga tahaka ny tsipìka manjiona izy; Ho lavon-tsabatra ny mpanapaka azy noho ny firehitry ny lelany; Izany no ho latsany any amin'ny tany Egypta.
16Nad pöörduvad, aga mitte ülespoole, nad on otsekui lõtv amb. Nende vürstid langevad mõõga läbi oma pilkava keele pärast: sellepärast pilgatakse neid Egiptusemaal.
16Miverina ihany izy, nefa tsy ho amin'ny Avo; Tonga tahaka ny tsipìka manjiona izy; Ho lavon-tsabatra ny mpanapaka azy noho ny firehitry ny lelany; Izany no ho latsany any amin'ny tany Egypta.