Estonian

Malagasy

Isaiah

26

1Sel päeval lauldakse Juudamaal seda laulu: Meil on tugev linn, pääste on pandud müürideks ja kaitsevalliks.
1Amin'izany andro izany dia hohiraina eto amin'ny tanin'ny Joda izao fihirana izao: Manana tanàna mafy isika; Famonjena no hotendren'i Jehovah ho manda sy fiarovana.
2Avage väravad, et saaks sisse minna õige rahvas, kes püsib usus!
2Vohay ny vavahady, mba hidiran'ny firenena marina, izay mitana ny fahamarinana.
3Kindlameelsele sa hoiad rahu, rahu, sest ta loodab sinu peale.
3Ny saina tsy miovaova dia harovanao ao amin'ny fiadanana tanteraka, satria matoky Anao izy.
4Lootke alati Issanda peale, sest Issand Jumal on igavene kalju.
4Matokia an'i Jehovah mandrakizay, fa Jehovah Tompo no Vatolampy mandrakizay.
5Sest tema langetab need, kes elavad kõrgel, ligipääsmatu linna; ta alandab seda, alandab maani, paiskab põrmu.
5Fa naetriny ny mponina avo toerana; Ny tanàna avo dia arodany, eny, arodany ho amin'ny tany ka :azerany ho amin'ny vovoka.
6Seda tallab jalg, õnnetute jalad, viletsate sammud.
6Hitsahin'ny tongotra izy, dia ny tongotry ny ory sy ny faladian'ny mahantra.
7Õigete tee on tasane, sina sillutad siledaks õigete raja.
7Voaravona ny lalan'ny marina: Eny, aravonao ho marina indrindra ny alehan'ny marina.[Na: Hianao, Izay mahitsy, no manamarina]
8Issand! Me ootame sind ka su kohtumõistmiste teel, hing igatseb su nime ja su mälestust.
8Koa amin'ny lalan'ny fitsaranao, Jehovah ô, no iandrasanay Anao, ny anaranao sy ny fahatsiarovana Anao no irin'ny fanahinay.
9Mu hing igatseb sind öösel, vaimgi mu sees otsib sind, sest kui sinu kohtumõistmised tabavad maad, õpivad ilmamaa elanikud õiglust.
9Amin'ny fanahiko no aniriako Anao nony alina; Eny, ny saiko ato anatiko no itadiavako Anao fatratra; Fa raha mamely ny tany ny fitsaranao, dia mianatra fahamarinana ny mponina amin'izao tontolo izao.
10Leiab aga õel armu, ei õpi ta õiglust, õigusemaalgi teeb ta ülekohut ega näe Issanda kõrgust.
10Na dia asiana soa aza ny ratsy fanahy, tsy mety mianatra fahamarinana izy; Eny, na dia ao amin'ny tanin'ny fahamarinana aza izy, mbola manao meloka ihany ka tsy mety mijery ny fahalehibiazan'i Jehovah.
11Issand, sinu käsi on tõstetud kõrgele, aga nad ei näe seda. Nähku nad siis su püha viha rahva pärast ja häbenegu! Jah, neelaku neid tuli kui sinu vaenlasi!
11Jehovah ô, avo ny tananao, nefa tsy jeren'ireo; Tsy maintsy hojereny ihany anefa ny fahasaro-piaronao amin'ny olonao, ka ho menatra izy; Eny, afo no handevona ny fahavalonao. [Na: Hijery ihany anefa izy ka ho menatra noho ny fialonany ny olonao]
12Issand, sina saadad meile rahu, sest kõik meie teodki oled sina teinud.
12Jehovah ô, manorina fiadanana ho anay Hianao: Fa ny asanay rehetra dia tanterahinao ho anay.
13Issand, meie Jumal! Meid on valitsenud muud isandad peale sinu - me kiidame üksnes sind, sinu nime.
13Jehovah Andriamanitray ô, tsy Hianao ihany no efa nampanompo anay, fa tompo hafa koa; Nefa Hianao irery ihany no ahazoanay mankalaza ny anaranao.
14Surnud ei ärka ellu, kadunud ei tõuse üles. Sest sina nuhtlesid neid ja hävitasid nad ning kaotasid neist iga mälestuse.
14Ny maty tsy ho velona intsony, ny matoatoa tsy mba hitsangana; Fa novalianao izy ka naringanao, sady nolevoninao avokoa ny fahatsiarovana azy.
15Sina oled lisanud rahvast, Issand, oled lisanud rahvast, oled näidanud oma au, oled laiendanud kõik maa piirid.
15Nampitombo ny firenena Hianao, Jehovah ô, Eny, nampitombo ny firenena Hianao ka nahazo voninahitra ho Anao; Nitarinao halalaka avokoa ny faritry ny tany.
16Issand, nad otsisid sind kitsikuses, sosistasid lausumisi, kui sina neid karistasid.
16Jehovah ô, nony azom-pahoriana izy, dia nitady Anao; Nony niharan'ny famaizanao izy, dia nanao vavaka anakampo.
17Otsekui lapseootel olija, kel sünnitus ligineb, vaevleb ja kisendab oma valudes, nõnda olime meiegi sinu ees, Issand.
17Tahaka izay bevohoka efa madiva hiteraka ka miolanolana sy mitaraina noho ny faharariany, dia tahaka izany izahay teo imasonao, Jehovah ô,
18Me olime lapseootel, vaevlesime, aga otsekui oleksime sünnitanud tuult: päästet me maale ei toonud ja ilmamaa elanikke ei sündinud.
18Efa bevohoka izahay, efa nihetsi-jaza izahay, Efa tahaka ny nitera-drivotra izahay; Tsy nahavita famonjena ho an'ny tany izahay, ka tsy niteraka ny mponina amin'izao tontolo izao.
19Aga sinu surnud ärkavad ellu, minu laibad tõusevad üles. Ärgake ja hõisake, põrmus lamajad! Sest sinu kaste on valguse kaste ja maa paiskab välja kadunud.
19Ho velona indray ny olonao izay efa maty, ny fatin'ny oloko hitsangana; Koa mifohaza sy mihobia, ianareo izay mandry ao amin'ny vovoka; Fa ny andonao dia tahaka ny andon'ny fahazavana, ary ny tany hiteraka ny maty. [Na: ando amin'ny anana][Heb. ny matoatoa]
20Tule, mu rahvas, mine oma kambritesse ja sule uksed enese tagant, peitu üürikeseks ajaks, kuni raev möödub.
20Mandehana, ry oloko, midìra ao amin'ny efi-tranonao, ary mirindrina varavarana ianao, ka miere kely indray mipi-maso monja Mandra-pahalasan'ny fahatezerana.Fa, indro, Jehovah mivoaka avy amin'ny fitoerany hamaly ny mponina amin'ny tany noho ny helony; Ary ny tany hampiseho ny rà izay nofohiny ka tsy hanafina intsony izay novonoina teo aminy.
21Sest vaata, Issand väljub oma asupaigast nuhtlema maa elanikke nende ülekohtu pärast. Siis paljastab maa oma veresüü ega kata enam neid, kes ta peal on tapetud.
21Fa, indro, Jehovah mivoaka avy amin'ny fitoerany hamaly ny mponina amin'ny tany noho ny helony; Ary ny tany hampiseho ny rà izay nofohiny ka tsy hanafina intsony izay novonoina teo aminy.