Estonian

Malagasy

Isaiah

41

1Kuulake mind vaikides, saared, ja rahvad, koguge jõudu! Astuge ligi, rääkige siis, mingem üheskoos kohtu ette!
1[Ny fahalehibiazan'i Jehovah, izay miseho amin'ny fitondrany ny firenena sy ny fiarovany ny Isiraely, ary ny fanambarany rahateo ny zavatra mbola ho avy] Mangina hihaino ahy ianareo, ry nosy, ary aoka handroso hery ny firenena; Aoka hanatona izy, ka dia hiteny; Andeha isika hifanatona eo amin'ny fitsarana.
2Kes äratas ida poolt selle, kel kordaminek kannul käib? Kes andis tema kätte rahvad ja alistas kuningad, et ta mõõk need põrmustaks ja ta amb teeks nad hajuvaiks kõrteks?
2Iza no nanaitra avy any atsinanana ilay nomban'ny fahamarinana tamin'ny diany rehetra, ary nanolotra ny firenena ho eo anatrehany, ka nampanapahiny ireo mpanjaka izy? Iza no nanao ny sabany ho tahaka ny vovoka, ary ny tsipìkany ho tahaka ny vodivary voapaoka? [Na: nantsoin'ny fahamarinana hanaraka azy]
3Tema ajab neid taga, kulgeb ohutult rada, mida ta jalad ei käi.
3Mipaoka ireo izy ka mandroso soa aman-tsara any amin'izay lalana tsy mbola nodiavin'ny tongony.
4Kes on seda teinud ja teostanud? See, kes algusest peale on kutsunud rahvapõlvi: Mina, Issand, olen esimene ja olen viimastegi juures seesama.
4Iza moa no nanao sy nahavita izany, sady miantso ny taranaka maro hatramin'ny taloha? Izaho Jehovah no voalohany, ary hatramin'ny farany dia mbola Izaho ihany no Izy.
5Saared nägid ja kartsid, maailma ääred värisesid, nad astusid ligi ja tulid.
5Ny nosy nahita ka raiki-tahotra; Toran-kovitra ny vazan-tany dia nanatona izy ka tonga.
6Üks aitas teist ja ütles oma vennale: 'Ole vahva!'
6Samy nanampy ny namany avy izy rehetra, ary samy nilaza tamin'ny rahalahiny avy hoe: Matokia.
7Valaja julgustab kullasseppa, naastu vasardaja alasil tagujat, öeldes joodetu kohta: 'See on hea!' ja kinnitades naeltega, et see ei kõiguks.
7Koa ny mpandrafitra dia nampahery ny mpanefy volamena, ary izay nandama tamin'ny tantanana nampahery izay nively teo amin'ny riandriana, ka hoy izy, miantso ny solohoto: Tsara ity, dia nohomboany mafy tamin'ny hombo izy mba tsy hihozongozona.
8Aga sina, Iisrael, mu sulane, Jaakob, kelle ma olen valinud, mu sõbra Aabrahami sugu,
8Fa ianao kosa, ry Isiraely mpanompoko, sy Jakoba, izay nofidiko, Taranak'i Abrahama sakaizako,
9sina, kelle ma võtsin maailma äärtest ja kutsusin selle kaugemaist paigust, öeldes sulle: 'Sina oled mu sulane, ma valisin sinu ega põlanud sind!' -
9Hianao izay efa notantanako avy tany amin'ny faran'ny tany ary nantsoiko avy tany an-tsisiny ka nilazako hoe: Mpanompoko ianao, Efa nofidiko ka tsy mba nariako:
10ära karda, sest mina olen sinuga; ära vaata ümber, sest mina olen su Jumal: ma teen su tugevaks, ma aitan sind, ma toetan sind oma õiguse parema käega!
10Aza matahotra ianao, fa momba anao Aho; Ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao; Mampahery anao Aho sady mamonjy anao; Eny, mitantana anao amin'ny tanana ankavanan'ny fahamarinako Aho.
11Vaata, häbenema ja piinlikkust tundma peavad kõik, kes on sinule vihased; olematuks saavad ja hukkuvad mehed, kes riidlevad sinuga.
11Indro, ho menatra sy hangaihay izay rehetra tezitra aminao, ho tsinontsinona izy; Eny, ho levona izay miady aminao.
12Sa otsid, aga enam sa ei leia neid mehi, kes võitlevad sinu vastu; olematuks saavad ja lõpevad mehed, kes sõdivad sinu vastu.
12Hotadiavinao izay mifanditra aminao, fa tsy ho hitanao, ary ho tahaka ny tsinontsinona sy ny zava-poana izay miady aminao.
13Sest mina olen Issand, su Jumal, kes kinnitab su paremat kätt, kes sulle ütleb: 'Ära karda, mina aitan sind!'
13Fa Izaho Jehovah Andriamanitrao no mitantana ny tananao ankavanana, dia ilay manao aminao hoe: Aza matahotra, Izaho no hamonjy anao.
14Ära karda, ussike Jaakob, väetike Iisrael, mina aitan sind, ütleb Issand ja su lunastaja, Iisraeli Püha.
14Aza matahotra ianao, ry Jakoba kankana, dia ianareo, ry Isiraely olom-bitsy, Izaho no hamonjy anao, hoy Jehovah, Ary ny Iray Masin'ny Isiraely no Mpanavotra anao.
15Vaata, ma panen sind pahmareeks, uueks ja paljuhambuliseks: sa peksad mägesid nagu reht ja jahvatad neid, teed künkad aganaiks;
15Indro, ataoko kodia vy vaovao misy nify maranitra ianao; Hively ny tendrombohitra ianao ka hanorotoro azy ho vovoka ary hanao ny havoana ho tahaka ny akofa.
16sa tuulad neid, tuul kannab neid, torm puistab need laiali. Aga sina ise ilutsed Issanda tõttu, kiitled Iisraeli Püha tõttu.
16Hikororoka azy ianao, ka hopaohin'ny rivotra izy, ary ny tafio-drivotra hanely azy; Fa ianao kosa dia hiravoravo amin'i Jehovah, ary ny Iray Masin'ny Isiraely no ho reharehanao.
17Kui viletsad ja vaesed asjata otsivad vett ja nende keel kuivab janust, siis mina, Issand, kuulen neid, mina, Iisraeli Jumal, ei jäta neid maha.
17Ny ory sy ny malahelo mitady rano, fa tsy mahita, ary ny lelany mainan'ny hetaheta; Izaho Jehovah no hihaino azy, Izaho, Andriamanitry ny Isiraely, tsy hahafoy azy;
18Ma panen jõed voolama viljatuil künkail ja allikad orgude põhjas; ma muudan järveks kõrbe ja veelätteiks põuase maa.
18Hampiboika renirano ao amin'ny tendrombohitra mangadihady Aho ary loharano ao amin'ny lohasaha; Hanao ny efitra ho farihy Aho ary ny tany karankaina no loharano miboiboika.
19Ma istutan kõrbesse seedreid, akaatsiaid, mürte ja õlipuid; ma panen lagendikule küpresse koos plataanide ja piiniatega,
19Hampaniry hazo sedera sy akasia sy rotra ary oliva any an-efitra Aho ary kypreso sy pina sy bokso eny an-tani-hay, [myrta][Heb. oliva maniry ho azy]
20et nad näeksid ja teaksid, tähele paneksid ja ühtlasi mõistaksid, et seda on teinud Issanda käsi ja selle on loonud Iisraeli Püha.
20Mba ho hitany sy ho fantany sy hoheveriny ary ho azony an-tsaina fa ny tànan'i Jehovah no nanao izany, ary ny Iray Masin'ny Isiraely no nahary izany.
21Tooge ette oma riiuasi, ütleb Issand, esitage oma tõendid, ütleb Jaakobi kuningas!
21Alaharo eto ny teninareo, hoy Jehovah; Asehoy izay mahamarina ny anareo, hoy ny Mpanjakan'i Jakoba.[Heb. fiarovana mafy]
22Esitage ja kuulutage meile, mis on tulemas! Jutustage endisist asjust, missugused need olid, et saaksime südamesse võtta ja mõista nende tulemusi! Või laske meid kuulda tulevasi asju,
22Aoka hampanatoniny ka hasehony amintsika izay zavatra mbola ho avy; Ambarao izay zavatra taloha, mba hoheverinay ka ho fantatray izay hiafarany, na ilazao izay zavatra ho avy izahay. [Heb. zavatra voalohany]
23kuulutage, mis tuleb pärastpoole, et me teaksime, kas te olete jumalad. Tehke ometi midagi, olgu head või kurja, et saaksime üheskoos imetleda ja näha.
23Ambarao anay izay zavatra ho avy rahatrizay, mba ho fantatray fa andriamanitra ianareo; Eny, manaova soa, na manaova ratsy, mba hitaha isika, ka samy hahita.
24Vaata, teie ei olegi midagi ja teie töö on tühjast: kes teid eelistab, teeb jäledust.
24Indro, ianareo dia naman'ny tsinontsinona, ary ny asanareo dia naman'ny zava-poana; vetaveta izay mifidy anareo.
25Mina äratasin põhja poolt ühe, ja ta tuli, päikesetõusu poolt mu nime appihüüdja, kes tallab valitsejaid nagu savi, otsekui sõtkuks potissepp saue.
25Nanaitra ny anankiray avy tany avaratra Aho, ka tonga izy. Dia ny anankiray avy any amin'ny fiposahan'ny masoandro, izay hiantso ny anarako, ary hanosihosy ny mpanapaka tahaka ny fanosihosy feta izy, ary tahaka ny mpanefy vilany mihosy tanimanga.
26Kes on seda kuulutanud algusest peale, et oleksime seda teadnud, et oleksime saanud öelda: 'Temal oli õigus!'? Ükski ei teatanud, ükski ei kuulutanud, ükski ei kuulnud teie sõnu.
26Iza no nitory izany hatramin'ny voalohany, mba ho fantatray? Ary hatry ny fony taloha, mba hataonay hoe: Marina? Tsy nisy nanambara, eny, tsy nisy nitory; Ary tsy nisy nandre ny teninareo.
27Vaata, mina olin esimene, kes kuulutas Siionile: 'Näe, siin nad on!' ja andis Jeruusalemmale hea sõnumi tooja.
27Izaho no voalohany Izay milaza amin'i Ziona hoe: Indreo, indreo izy, sady manome mpitondra teny soa mahafaly ho an'i Jerosalema.
28Ja kui ma vaatan, siis ei olegi kedagi, ja neist ei ole nõuandjat, et saaksin neilt küsida ja nad annaksid vastuse.
28Dia nijery Aho, kanjo tsy nisy olona, eny, nojereko ireny kanjo tsy nisy mpanolo-tsaina hamaly Ahy, raha manontany azy Aho.Indro, zava-poana avokoa izy rehetra; Tsinontsinona ny asany; Rivotra sy zava-poana ny sampiny anidina.
29Vaata, nad kõik on tühised, nende teod on eimiski, nende valatud kujud on tühipaljas tuul.
29Indro, zava-poana avokoa izy rehetra; Tsinontsinona ny asany; Rivotra sy zava-poana ny sampiny anidina.