Estonian

Malagasy

Isaiah

61

1Issanda Jumala Vaim on minu peal, sest Issand on mind võidnud; ta on mind läkitanud viima rõõmusõnumit alandlikele, parandama neid, kel murtud süda, kuulutama vabastust vangidele ja avama pimedate silmi,
1[Ny amin'ny Voahosotr'i Jehovah, Izay hanavotra ny Isiraely sy hampody ny voninahiny] Ny Fanahin'i Jehovah Tompo no ato amiko, satria Jehovah efa nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin'ny mpandefitra, efa naniraka Ahy hahasitrana ny torotoro fo Izy, ary hitory fanafahana amin'ny babo sy hamoaka ny ao an-trano-maizina ho amin'ny mazava, [Heb. hamehy]
2kuulutama Issanda meelepärast aastat ja meie Jumala kättemaksu päeva, trööstima kõiki leinajaid,
2Hitory taona ankasitrahan'i Jehovah sy andro famalian'Andriamanitsika, hampionona ny malahelo rehetra,
3andma Siioni leinajaile laubaehte tuha asemel, rõõmuõli leinarüü asemel, ülistusrüü kustuva vaimu asemel, et neid nimetataks 'Õigluse tammedeks', 'Issanda istanduseks', millega ta ennast ehib.
3Hanolotra ho an'ny malahelo ao Ziona, eny, hanome azy namama ho solon'ny lavenona, sy diloilo fifaliana ho solon'ny fahalahelovana, ary fitafiana fiderana ho solon'ny fanahy reradreraka, mba hanaovana azy hoe Hazon'ny fahamarinana, nambolen'i Jehovah ho fampisehoam-boninahitra.
4Nad ehitavad üles muistsed varemed, taastavad esivanemate rüüstatud paigad ja uuendavad hävitatud linnad, mis põlvede jooksul on olnud laastatud.
4Koa hatsangana ny efa rava hatry ny fony fahagola, ary hamboarina ny efa lao hatramin'ny fahiny, dia hohavaozina indray ny tanàna rava, Izay efa lao hatramin'ny taranaka lasa ela.
5Ja võõrad seisavad ning hoiavad teie karja, muulased on teie põllu- ja viinamäeharijad.
5Ary ny vahiny honina ao ka hiandry ny ondry aman'osinareo, ary ny hafa firenena ho mpiasa tany sy ho mpamboatra tanim-boaloboka ho anareo,
6Aga teid nimetatakse Issanda preestriteks, teist räägitakse kui meie Jumala sulastest; te toitute rahvaste rikkustest ja võite kiidelda nende varandusega.
6Fa ianareo kosa no hatao hoe mpisoron'i Jehovah, Mpanao fanompoam-pivavahana ho an'Andriamanitsika no hilazana anareo ho lasanareo ny haren'ny firenena, ary handimby voninahitra azy ianareo. [Heb. Hohaninareo][Na: Ary ho reharehanareo sy voninahiny]
7Häbi ja teotuse asemel te saate kahekordse osa ja ilutsete selles: te pärite kahekordselt oma maal, teil on igavene rõõm,
7Ny henatrareo hosoloana avy roa heny, ary ny tondromaso hosoloana hoby amin'ny anjara-lovany; ary noho izany dia hahazo indroa heny ao amin'ny taniny izy, fifaliana mandrakizay no ho azy.
8sest mina, Issand, armastan õiglust, vihkan röövimist ja nurjatust. Ma annan neile ustavalt töötasu ja teen nendega igavese lepingu.
8Fa Izaho Jehovah dia tia rariny; halako ny fandrombahana amin'ny faharatsiana; homeko ny valin'asany amin'ny fahamarinana izy, ary fanekena mandrakizay no hataoko aminy. [Na: Halako ny halatra atao fanatitra odorana]
9Nende sugu saab tuntuks paganate juures ja nende järglaskond rahvaste keskel; kõik, kes neid näevad, tunnevad ära, et nad on Issanda õnnistatud sugu.
9Ny taranany ho fantatra any amin'ny jentilisa ary ny terany any amin'ny firenena; Izay rehetra mahita azy dia hahafantatra azy ho taranaka notahin'i Jehovah.
10Mina rõõmutsen väga Issandas, mu hing ilutseb mu Jumalas, sest ta on mind riietanud päästeriietega, katnud õigusekuuega, otsekui oleks peigmees enesele pähe pannud piduliku peakatte või pruut ennast ehetega ehtinud.
10Hifaly dia hifaly amin'i Jehovah aho, ny fanahiko ho ravoravo amin'Andriamanitro; fa notafiany fitafiana famonjena aho, ary nakanjoiny akanjo fahamarinana, toy ny mpampakatra misatroka hamama tahaka ny mpisorona, ary toy ny ampakarina miravaka ny firàvany.Fa tahaka ny tany mampitsimoka izay ao aminy, ary tahaka ny tanimboly mampaniry izay nafafy tao aminy, dia toy izany no hampisehoan'i Jehovah Tompo fahamarinana sy fiderana eo anatrehan'ny firenena rehetra.
11Sest nagu maa toob esile oma kasvud ja aed laseb võrsuda oma külvi, nõnda laseb ka Issand Jumal võrsuda õigust ja kiitust kõigi rahvaste ees.
11Fa tahaka ny tany mampitsimoka izay ao aminy, ary tahaka ny tanimboly mampaniry izay nafafy tao aminy, dia toy izany no hampisehoan'i Jehovah Tompo fahamarinana sy fiderana eo anatrehan'ny firenena rehetra.